Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny fanoharana ny amin’ireo farantsa

Ny fanoharana ny amin’ireo farantsa

Toko 100

Ny fanoharana ny amin’ireo farantsa

ANGAMBA i Jesosy mbola tao an-tranon’i Zakaiosy izay nijanonany nandritra ny diany nankany Jerosalema. Nino ny mpianany fa rehefa ho tonga any Jerosalema izy ireo, dia hanambara izy fa ny tenany no ilay Mesia ary hanorina ny Fanjakany. Mba hanitsiana izany fiheverana izany sady mba hampisehoana fa mbola lavitra ilay Fanjakana, dia nanome fanoharana iray i Jesosy.

“Nisy andriandahy iray nandeha nankany an-tany lavitra”, hoy izy nitantara, “mba handray fahefan’ny mpanjaka, dia hiverina.” Ilay “andriandahy” dia i Jesosy, ary ilay “tany lavitra” dia ny lanitra. Rehefa ho tonga any i Jesosy, dia hanome azy ny fahefan’ny mpanjaka ny Rainy.

Talohan’ny handehanany anefa, dia niantso mpanompo folo lahy ilay andriandahy ka nanome azy farantsa volafotsy iray avy, tamin’ny filazana hoe: “Manaova raharaham-barotra mandra-pihaviko.” Tamin’ny fahatanterahany voalohany, ny mpanompo folo lahy dia nampiseho ireo mpianatr’i Jesosy voalohany. Amin’ny fampiharana lehibe kokoa, izy ireo dia mampiseho ireo rehetra ho tonga mpiara-mandova aminy an’ilay Fanjakana any an-danitra.

Ireo farantsa volafotsy dia vola madinika ambony vidy, izay nitovy tamin’ny karama telo volan’ny mpiasa tany iray ny vidin’ny tsirairay taminy. Inona anefa no nasehon’ireo farantsa ireo? Ary karazana raharaham-barotra inona no tokony hataon’ireo mpanompo taminy?

Ireo farantsa dia nampiseho fananana sarobidy izay azon’ireo mpianatra voahosotry ny fanahy nampiasaina mba hamokarana mpandova ilay Fanjakana any an-danitra maro kokoa, mandra-piavin’i Jesosy amin’ny maha-Mpanjaka azy ao amin’ilay Fanjakana nampanantenaina. Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty sy nisehoany tamin’ny mpianany, i Jesosy dia nanome azy ireo izany farantsa ara-panoharana izany mba hanaovan’izy ireo mpianatra maro kokoa ka hanampy isa ireo izay ao amin’ny kilasin’ireo anisan’ny Fanjakana any an-danitra.

“Fa ny olom-pireneny dia nankahala [ilay andriandahy]”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, “ka naniraka fitambarana ambasadaoro hanaraka azy mba hilaza hoe: ‘Tsy tianay ho mpanjaka eo aminay io lehilahy io’.” Ireo olom-pirenena ireo dia Isiraelita, na Jiosy, saingy tsy nahafaoka ny mpianany. Taorian’ny niaingan’i Jesosy ho any an-danitra, dia nanenjika ny mpianany ireo Jiosy ireo ka nampiseho tamin’izany fa tsy tia azy ho tonga mpanjakany izy ireo. Tamin’izany fomba izany izy ireo dia nitondra tena toy ireo olom-pirenena izay naniraka ilay fitambarana ambasadaoro.

Tamin’ny fomba ahoana no nampiasan’ireo mpanompo folo lahy ny farantsany avy? Nanazava izany toy izao i Jesosy: “Tamin’ny farany, rehefa tafaverina avy nandray ny fahefan’ny mpanjaka izy, dia nasainy nantsoina hankeo aminy ireo mpanompo nomeny ny vola ireo, mba hahazoana antoka ny amin’izay azony tamin’ny raharaham-barotra. Dia niseho teo anatrehany ny voalohany ka nanao hoe: ‘Tompo ô, nahazoana tombony farantsa folo ny farantsanao iray’. Koa hoy àry izy taminy: ‘Tsara izany, ry mpanompo tsara! Noho ianao niseho ho nahatoky tamin’ny raharaha madinika tokoa, dia mahazoa fahefana eo amin’ny tanàna folo’. Izao dia tonga ny faharoa ka nanao hoe: ‘Ny farantsanao iray, Tompo ô, dia tonga farantsa dimy’. Hoy koa izy tamin’io: ‘Ianao koa, aoka ianao hiandraikitra tanàna dimy’.”

Ilay mpanompo nahazo farantsa folo dia sary mampiseho kilasy, na antokona mpianatra nisy nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir. ka hatramin’izao, ka anisan’izany ireo apostoly. Ilay mpanompo nahazo farantsa dimy dia mampiseho koa antokon’olona nandritra io fe-potoana io ihany, izay mampitombo, arakaraka ny fahafahany sy ny fahaizany, ny fananana sarobidin’ilay mpanjaka eto an-tany. Ireo antokon’olona roa ireo dia mitory ny vaovao tsara amin-jotompo, ka, ho vokatr’izany, dia olona mahitsy fo maro no tonga kristiana. Ny sivy tamin’ireo mpanompo dia nanao raharaha nahomby ka nampitombo izay nankinina taminy.

“Fa tonga kosa ny iray”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, “ka nanao hoe: ‘Tompo ô, indro ny farantsanao, izay notehiriziko tao anaty lamba. Natahotra anao mantsy aho, satria lehilahy masiaka ianao; maka izay tsy napetrakao ianao, ary mijinja izay tsy nafafinao’. Hoy ny tompony taminy: ‘Ny vavanao ihany no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy. Fantatrao fa lehilahy masiaka aho ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko, sa tsy izany? Koa nahoana àry no tsy napetrakao tany amin’ny banky ny volako? Amin’izay, rehefa tonga aho, dia ho nandray azy io mbamin’ny zanany. Tamin’izay, dia hoy izy tamin’ireo nitsangana teo anilany: Alao eny aminy ilay farantsa, ka omeo ilay manana farantsa folo’.”

Ho an’ilay mpanompo ratsy fanahy, ny famoizany ilay farantsa ara-panoharana dia nidika ho famoizana toerana ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. Eny, nafoiny ny tombontsoa hanapaka, raha azo atao ny milaza izany, teo amin’ny tanàna folo na dimy. Mariho koa fa tsy nambara hoe ratsy fanahy ilay mpanompo, noho izay asa ratsy nataony, fa noho izy tsy niasa mba hampitombo ny haren’ny fanjakan’ny tompony kosa.

Rehefa nomena ilay mpanompo voalohany ny farantsan’ilay mpanompo ratsy fanahy, dia nisy nanohitra hoe: “Tompo ô, efa manana farantsa folo izy!” Hoy kosa anefa i Jesosy: “Izay rehetra manana dia mbola homena; fa izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. Ambonin’izany, ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento atỳ, ka vonoy eto anatrehako.” Lioka 19:11-27, MN. Matio 28:19, 20.

▪ Inona no nanosika an’i Jesosy hanome ilay fanoharana ny amin’ireo farantsa?

▪ Iza moa ilay andriandahy, ary inona ilay tany nalehany?

▪ Iza moa ireo mpanompo, ary inona no asehon’ireo farantsa?

▪ Iza moa ireo olom-pirenena, ary ahoana no nampisehoan’izy ireo ny fankahalany?

▪ Nahoana no nantsoina hoe ratsy fanahy ny iray tamin’ireo mpanompo, ary inona no dikan’ny famoizany ny farantsany?