Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny fiainam-pianakavian’i Jesosy nandritra ny fahazazany

Ny fiainam-pianakavian’i Jesosy nandritra ny fahazazany

Toko 9

Ny fiainam-pianakavian’i Jesosy nandritra ny fahazazany

TAMIN’NY fotoana nitomboan’i Jesosy tao Nazareta, dia tanàna kely sy tsy dia nanao ahoana loatra izy io. Tao amin’ny toerana nisy havoana tany Galilia, tsy dia lavitra ny faritra tsara tarehin’ny Lohasahan’i Jezirela, no nisy azy io.

Rehefa nentin’i Josefa sy i Maria teto, avy tany Egypta, i Jesosy, izay teo amin’ny roa taona teo ho eo angamba, dia niharihary fa mbola izy irery no zanak’i Maria. Tsy naharitra ela anefa izany. Tatỳ aoriana, dia teraka i Jakoba, i Josefa, i Simona ary i Jodasy, ary niteraka zanakavavy maromaro koa i Josefa sy i Maria. Tamin’ny farany, i Jesosy dia nanan-jandry lahy sy vavy enina fara fahakeliny.

Nanana havana hafa koa i Jesosy. Efa fantatsika ny amin’i Jaona zanak’olo-mpiraitampo taminy, izay zokiny kely ary nonina tany amin’ny kilaometatra maro avy teo, tany Jodia. Fa nonina teo akaikin’izy ireo kokoa, tao Galilia, i Salome, izay toa rahavavin’i Maria. Nanambady an’i Zebedio i Salome, koa i Jakoba sy i Jaona, zanak’izy ireo, àry, dia zanak’olo-mpiraitampo tamin’i Jesosy. Tsy fantatsika raha nandany fotoana be dia be niarahana tamin’izy roa lahy ireo i Jesosy nandritra ny fahazazany, fa, tatỳ aoriana izy ireo dia tonga mpinamana akaiky.

Tsy maintsy niasa mafy tokoa i Josefa mba hamelomana ny fianakaviany nihamaro. Mpandrafitra izy. Nitaiza an’i Jesosy toy ny zanany izy, koa nantsoina hoe “zanaky ny mpandrafitra” i Jesosy. Nampianarin’i Josefa ho tonga mpandrafitra koa i Jesosy, ary nianatra tsara izy. Izany no antony nilazan’ny olona azy hoe “Ilay mpandrafitra io.”

Nihodinkodina teo amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah Andriamanitra ny fiainam-pianakavian’i Josefa. Nanaraka ny Lalàn’Andriamanitra i Josefa sy i Maria ka nanome fampianarana ara-panahy an’ireo zanany ‘rehefa nipetraka tao an-tranony izy, na nandeha teny an-dalana, na nandry, na nifoha’. Nisy synagoga iray tao Nazareta, ary azontsika antoka fa nitondra ny fianakaviany tsy tapaka tany koa i Josefa mba hanolotra fanompoam-pivavahana. Kanefa ny fifalian’izy ireo lehibe indrindra dia tsy isalasalana fa ny fandehanana tsy tapaka tany amin’ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema. Matio 13:55, 56; 27:56; Marka 15:40; 6:3; Deoteronomia 6:6-9.

▪ Nanan-jandry lahy sy vavy firy i Jesosy fara fahakeliny, ary iza no anaran’ny sasany taminy?

▪ Zanak’olo-mpiraitampo tamin’i Jesosy telo iza no fantatra tsara?

▪ Asa ivelan’ny fivavahana inona tamin’ny farany no nataon’i Jesosy, ary nahoana?

▪ Fampianarana lehibe dia lehibe inona no nomen’i Josefa ny fianakaviany?