Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny fiantsoana an’i Matio

Ny fiantsoana an’i Matio

Toko 27

Ny fiantsoana an’i Matio

TSY ela taorian’ny nanasitranany ilay lehilahy nalemy dia niala avy tao Kapernaomy ka nankany amin’ny Ranomasin’i Galilia i Jesosy. Teo indray koa dia nisy vahoaka maro be nanatona azy, ary nanomboka nampianatra azy ireo izy. Teny am-pandehanana izy dia nahita an’i Matio, nantsoina koa hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra. “Tongava mpanara-dia ahy”, hoy ny fanasan’i Jesosy.

Azo inoana fa efa nahafantatra momba ireo fampianaran’i Jesosy i Matio, toa an’i Petera sy i Andrea ary i Jakoba sy i Jaona tamin’ny fotoana niantsoana azy ireo. Ary sahala amin’izy ireo koa, i Matio dia namaly ilay fanasana avy hatrany. Nitsangana izy, nahafoy ny andraikiny tamin’ny naha-mpamory hetra, ary nanaraka an’i Jesosy.

Tatỳ aoriana, angamba mba hankalazana ny fiantsoana azy, dia nanao fanasana lehibe tao an-tranony i Matio. Ankoatra an’i Jesosy sy ny mpianany, dia nisy mpiara-miasa tamin’i Matio taloha koa tao. Nohamavoin’ny Jiosy tahaka azy ireo lehilahy ireo tamin’ny ankapobeny satria namory hetra ho an’ny fahefana romana izay nankahalaina mafy. Ambonin’izany, mazàna izy ireo dia nitaky tamin’ny olona tamin’ny fomba tsy marina, vola nihoatra noho ny hetra ara-dalàna.

Rehefa nahita an’i Jesosy niaraka tamin’ny olona toy izany tao amin’ilay fanasana ny Fariseo dia nanontany ny mpianany hoe: “Nahoana ny mpampianatra anareo no miara-mihinana amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?” Ren’i Jesosy ilay fanontaniana ka namaly ireo Fariseo toy izao izy: “Tsy ny olona salama no mila mpitsabo fa ny marary. Koa mandehana ary mianara izay hevitry ny teny hoe: ‘Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra’. Fa tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota.”

Toa nanasa ireo mpamory hetra ireo tao an-tranony i Matio mba hahafahan’izy ireo mihaino an’i Jesosy ary handray fanasitranana ara-panahy. Nifanerasera taminy àry i Jesosy mba hanampiana azy hahazo fifandraisana mahasoa amin’Andriamanitra. Tsy nanamavo ny olona toy izany, toy ny nataon’ireo Fariseo mpanamarin-tena, i Jesosy. Natosiky ny fangoraham-po kosa izy ka tonga toy ny mpitsabo ara-panahy ho azy ireo, raha ny marina.

Araka izany, dia tsy fanalana tsiny ny fahotan’izy ireo akory ny nanehoan’i Jesosy famindrampo tamin’ny mpanota, fa fanehoana fihetseham-po feno fanehoam-pitiavana nitovy tamin’izay nasehony tamin’ireo narary ara-batana. Tsarovy, ohatra, ilay fotoana naninjirany ny tanany tamim-pangoraham-po ka nanendreny ilay boka tamin’ny filazana hoe: “Mety aho. Madiova ianao.” Enga anie isika ka hampiseho famindrampo tahaka izany koa amin’ny fanampiana ireo mila izany, indrindra fa eo amin’ny lafiny ara-panahy! Matio 8:3, MN; Mt 9:9-13, MN; Marka 2:13-17, MN; Lioka 5:27-32, MN.

▪ Taiza moa i Matio tamin’ny fotoana nahitan’i Jesosy azy?

▪ Inona no asan’i Matio, ary nahoana no nohamavoin’ny Jiosy hafa ny olona tahaka azy?

▪ Inona no fitarainana natao momba an’i Jesosy, ary ahoana no navaliny?

▪ Nahoana i Jesosy no nifanerasera tamin’ny mpanota?