Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny finiavan’ireo Fariseo tsy hino

Ny finiavan’ireo Fariseo tsy hino

Toko 71

Ny finiavan’ireo Fariseo tsy hino

NATAHOTRA ny ray aman-drenin’ilay mpangataka jamba taloha rehefa nampiantsoina teo anoloan’ny Fariseo izy ireo. Fantany fa efa notapahina fa na iza na iza haneho finoana an’i Jesosy dia horoahina avy ao amin’ny synagoga. Ny fanapahana ny fifaneraserana tamin’ny hafa teo amin’ny mpiara-belona taminy toy izany dia afaka niteraka fahasahiranana mafy dia mafy, indrindra fa ho an’ny fianakaviana nahantra. Niseho ho malina àry ny ray aman-dreniny.

“Zanakareo ve io lazainareo fa teraka jamba io?”, hoy ny fanontanian’ny Fariseo. “Koa ahoana àry no ahitany ankehitriny?”

“Fantatray fa zanakay izy ary koa fa teraka jamba izy”, hoy ny nohamarinin’ireo ray aman-dreny. “Fa ny ahafahany mahita izao dia tsy fantatray, na koa hoe iza no nampahiratra ny masony, dia tsy fantatray.” Azo antoka fa tsy maintsy efa nolazain’ilay zanany azy ireo avokoa izay nitranga rehetra, nefa namaly tamim-pitandremana izy hoe: “Anontanio izy. Efa lehibe izy. Tsy maintsy miteny ho an’ny tenany izy.”

Noho izany, dia niantso ilay lehilahy indray ireo Fariseo. Tamin’ity indray mandeha ity, dia nanandrana nampitahotra azy izy ireo tamin’ny filazana taminy fa efa nahangona porofo hiampangana an’i Jesosy ho meloka izy ireo. “Manomeza voninahitra an’Andriamanitra”, hoy ny fangatahany. “Fantatray fa mpanota io lehilahy io.”

Tsy nanda izany fiampangana izany ilay jamba taloha, fa nanamarika hoe: “Ny maha-mpanota azy na tsia, dia tsy fantatro.” Nanampy teny toy izao anefa izy: “Zavatra iray loha no fantatro, dia izao: raha jamba aho taloha, ankehitriny aho dia mahita.”

Nanandrana nitady tsininy tamin’ny teny fanamarinana nataony ireo Fariseo, ka nanontany indray hoe: “Inona no nataony taminao? Ahoana no nampahiratany ny masonao?”

“Efa nolazaiko taminareo”, hoy ilay lehilahy nitaraina, “fa tsy nihaino ianareo. Nahoana no maniry hihaino izany indray ianareo?” Nanontany tamim-panesoana izy hoe: “Maniry ho tonga mpianany koa angaha ianareo?”

Nisafoaka noho ny valinteniny ireo Fariseo. “Ianao no mpianatr’izany lehilahy izany”, hoy ny fiampangan’izy ireo, “fa izahay mpianatr’i Mosesy. Izahay mahafantatra fa niteny tamin’i Mosesy Andriamanitra; fa raha ny amin’io lehilahy io, dia tsy fantatray izay niaviany.”

Naneho fahagagana noho izany ilay mpangataka nanetry tena ka namaly hoe: “Mba mahagaga tokoa lahy izany, raha tsy fantatrareo izay niaviany, ary anefa nampahiratra ny masoko izy.” Inona no fanatsoahan-kevitra tokony hosintonina avy amin’izany? Nanondro izao fanambarana neken’ny rehetra izao ilay mpangataka: “Fantatsika fa tsy mihaino ny mpanota Andriamanitra, nefa na iza na iza matahotra an’Andriamanitra ka manao ny sitrapony, dia mihaino azy izy. Hatrizay hatrizay dia mbola tsy re mihitsy fa nisy nampahiratra ny mason’ny olona iray teraka jamba.” Araka izany, dia tokony hazava ho azy ny fanatsoahan-kevitra hoe: “Raha tsy avy amin’Andriamanitra io lehilahy io, dia tsy ho afaka nanao na inona na inona velively.”

Tsy nanan-kavaly izany fandrindran-kevitra feno fahatsorana sy nazava izany ireo Fariseo. Tsy afaka niatrika ny fahamarinana izy ireo, hany ka nanompa ilay lehilahy toy izao: “Tena teraka tamin’ny ota ialahy, ary anefa mampianatra anay?” Tamin’izay, dia nanipy ilay lehilahy tany ivelany izy ireo, ary toa fandroahana avy tamin’ny synagoga mihitsy izany.

Rehefa nandre ny amin’izay nataon’izy ireo i Jesosy, dia nitady an’ilay lehilahy ka nanao taminy hoe: “Mino ny Zanak’olona ve ianao?”

Ho valin’izany, dia nanontany ilay mpangataka jamba taloha hoe: “Iza moa no izy, Tompoko, mba hahafahako mino azy?”

“Ilay miteny aminao izao no izy”, hoy ny navalin’i Jesosy.

Avy hatrany, dia niondrika teo anatrehan’i Jesosy ilay lehilahy ka nanao hoe: “Mino azy tokoa aho, Tompo ô.”

Avy eo i Jesosy dia nanazava toy izao: “Ho amin’izao fitsarana izao no nahatongavako eto amin’izao tontolo izao: dia ny mba hahitan’izay tsy mahita ary mba hahatongavan’izay mahita ho jamba.”

Tamin’izay, dia nanontany toy izao ireo Fariseo izay nihaino azy: “Jamba koa ve izahay?” Raha niaiky izy ireo fa jamba ara-tsaina, dia ho nanana fialan-tsiny tamin’ny nanoherany an’i Jesosy. Nilaza izany taminy toy izao i Jesosy: “Raha jamba ianareo, dia ho tsy nanana fahotana.” Kanefa nanizingizina noho ny fahamafisam-pony izy ireo fa tsy jamba ary tsy nila fanazavana ara-panahy. Nanamarika toy izao àry i Jesosy: “Hoy ianareo izao: ‘Mahita izahay’. Dia tsy afaka ny fahotanareo.” Jaona 9:19-41, MN.

▪ Nahoana no natahotra ny ray aman-drenin’ilay mpangataka jamba taloha rehefa nampiantsoina teo anoloan’ny Fariseo izy ireo, ary, noho izany, tamin’ny fomba ahoana no namaliany tamim-pahamalinana?

▪ Tamin’ny fomba ahoana no nanandraman’ireo Fariseo nampitahotra ilay jamba taloha?

▪ Fanaporofoan-kevitra nirindra nataon’ilay lehilahy inona no naharomotra ireo Fariseo?

▪ Nahoana no tsy nanana fialan-tsiny ireo Fariseo tamin’ny nanoherany an’i Jesosy?