Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny finoana lehibe nananan’ny mpanao raharaha tao amin’ny tafika iray

Ny finoana lehibe nananan’ny mpanao raharaha tao amin’ny tafika iray

Toko 36

Ny finoana lehibe nananan’ny mpanao raharaha iray tao amin’ny tafika

REHEFA nanao ny Toriteniny teo an-tendrombohitra i Jesosy, dia tonga teo amin’ny antsasaky ny fotoana laniny tamin’ny fanompoana ampahibemaso teo ho eo. Midika izany fa tsy nanana afa-tsy teo amin’ny herintaona sy sivy volana sisa izy mba hamitana ny asany teto an-tany.

Niditra tao an-tanànan’i Kapernaomy, izay toa toerana niaingany sy nodiany teo amin’ny asany, izao i Jesosy. Tamin’izay dia nanatona azy ny loholon’ny Jiosy mba hanao fangatahana. Nirahin’ny mpanao raharaha iray tao amin’ny tafika romana iray, izay Jentilisa na lehilahy hafa firazanana noho ny Jiosy, izy ireo.

Narary mafy efa ho faty ny mpanompon’io mpanao raharaha tao amin’ny tafika io, izay tiany aoka izany, ary nirin’izy io hanasitrana ny mpanompony i Jesosy. Niangavy mafy ho an’ilay mpanao raharaha ireo Jiosy: “Mendrika ny hanaovanao izany izy”, hoy izy ireo, “satria tia ny firenentsika sady izy no efa nanorina ny synagoga ho antsika.”

Tsy nisalasala i Jesosy nandeha nanaraka ireo lehilahy. Kanefa, rehefa nanakaiky izy ireo, dia naniraka sakaiza ilay mpanao raharaha tao amin’ny tafika hilaza hoe: “Aza misahirana, tompoko, fa tsy mendrika hidiranao ao ambany tafon-tranoko aho. Izany no antony tsy niheverako ny tenako ho mendrika ny hankeo aminao.”

Fomba fiteny nampiseho fanetren-tena toy inona moa izany ho an’ny mpanao raharaha iray izay zatra ny nibaiko ny hafa! Kanefa azo inoana fa nieritreritra an’i Jesosy koa izy, satria tsapany fa nisy fomba fanao nandrara ny Jiosy iray tsy hanana fifaneraserana tamin’ny tsy Jiosy. Na i Petera aza dia nanambara hoe: “Ianareo mahalala fa fady amin’ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin’ny olona hafa firenena”.

Angamba tsy tian’ilay mpanao raharaha hiharan’ny vokatry ny fandikana io fomba fanao io i Jesosy ka nangataka ireo sakaizany izy mba hilaza taminy hoe: “Mitenena ihany, dia aoka ny mpanompoko ho sitrana. Fa izaho koa mba lehilahy eo ambany fahefan’ny hafa, ary manana miaramila eo ambany fahefako, ary raha hoy izaho amin’ny iray: ‘Mandehana!’ dia mandeha izy, ary amin’ny iray koa: ‘Avia!’ dia avy izy, ary amin’ny andevolahiko: ‘Ataovy izao!’ dia manao izy.”

Raha nahare izany i Jesosy dia talanjona. “Lazaiko aminareo marina tokoa fa mbola tsy nahita finoana lehibe toy izany aho na dia teo amin’ny Isiraely aza.” Rehefa avy nanasitrana ny mpanompon’ilay mpanao raharaha i Jesosy dia nanararaotra io tarehin-javatra io mba hilazana fa handray ny fitahiana narian’ireo Jiosy tsy nanam-pinoana ireo tsy Jiosy naneho finoana.

“Maro ny avy any atsinanana sy ny avy any andrefana”, hoy i Jesosy, “no ho tonga ka handry ilika eo am-pisakafoana hiara-mihinana amin’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba any amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana any amin’ny maizina any ivelany. Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.”

“Ny zanaky ny fanjakana (...) hariana any amin’ny maizina any ivelany” dia ireo Jiosy araka ny nofo izay tsy nanaiky ny fanolorana natao ho azy aloha, dia ny hiara-manapaka amin’i Kristy. I Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba dia mampiseho ny fandaharana noraisin’Andriamanitra momba ilay Fanjakana. I Jesosy àry dia nilaza fa horaisina hihinana eo amin’ny latabatra any an-danitra, raha azo atao ny milaza izany, “ao amin’ny fanjakan’ny lanitra” ny Jentilisa. Lioka 7:1-10, MN; Matio 8:5-13, MN; Asan’ny apostoly As 10:28.

▪ Nahoana no nisy Jiosy niangavy ho an’ny mpanao raharaha tao amin’ny tafika jentilisa iray?

▪ Inona no nety ho nanazava ny antony tsy nanasan’ilay mpanao raharaha an’i Jesosy hiditra tao an-tranony?

▪ Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ireo fanamarihana namaranany ny teniny?