Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny ilàna hivavaka sy hanetry tena

Ny ilàna hivavaka sy hanetry tena

Toko 94

Ny ilàna hivavaka sy hanetry tena

TEO aloha, fony tany Jodia i Jesosy, dia nilaza fanoharana iray momba ny maha-zava-dehibe ny haharetana amin’ny vavaka. Izao, tamin’ny dia farany nataony ho any Jerosalema, izy dia nanasongadina indray ny ilàna hivavaka ka tsy ho kivy amin’izany. Azo inoana fa mbola tany Samaria na tany Galilia i Jesosy fony izy nilaza tamin’ny mpianany ity fanoharana fanampiny ity:

“Tao amin’ny tanàna iray dia nisy mpitsara iray tsy natahotra an’Andriamanitra sady tsy mena-maso ny olona. Nisy mpitondratena iray koa tao amin’izany tanàna izany ary tsy nitsahatra nankany aminy io ka nilaza hoe: ‘Ataovy izay hahazoako rariny amin’ny fahavaloko eo anoloan’ny lalàna’. Nandritra ny fotoana kelikely, dia tsy nety izy aloha, nefa taorian’izay, dia hoy izy anakampo: ‘Na dia tsy matahotra an’Andriamanitra na mena-maso ny olona aza aho, na ahoana na ahoana, noho ity mpitondratena ity manorisory ahy tsy an-kijanona, dia hataoko izay hahazoany rariny, amin’izay izy dia hitsahatra ny hankatỳ amiko sy hamelively ahy tsy hisy farany’.”

Avy eo i Jesosy dia nanao fampiharana ny tantarany tamin’ny filazana hoe: “Henoy izay nolazain’ilay mpitsara, na dia tsy marina aza izy! Araka izany indrindra àry, moa ve tsy hampihatra ny rariny amin’ireo olom-boafidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina Andriamanitra, na dia mampiseho fahari-po amin’izy ireo aza izy?”

Tsy te hilaza akory i Jesosy tamin’izany fa nitovy tamin’io mpitsara tsy marina io i Jehovah Andriamanitra. Fa raha ny mpitsara tsy marina aza hanome valiny fiangaviana mafy sy maharitra, dia tsy tokony hisy hisalasalana mihitsy ny amin’ny hamalian’Andriamanitra, izay sady marina no tsara, ny vavaky ny olony izay tsy kivy amin’izany. Nanohy ny teniny toy izao àry i Jesosy: “Milaza aminareo aho: Hataon’[Andriamanitra] izay hahazoan’izy ireo rariny haingana.”

Matetika dia tsy omena rariny ireo izay heverina fa ambany sy ireo mahantra, ary anefa mazàna dia omena tombontsoa ireo manam-pahefana sy ireo manankarena. Andriamanitra anefa dia tsy vitan’ny hoe hanao izay hanasaziana ara-drariny ny ratsy fanahy, fa hanome antoka koa ny hitondrana ny mpanompony araka ny rariny amin’ny fanomezana azy ireo fiainana mandrakizay. Olona firy anefa no mino mafy fa hanao izay hampiharana ny rariny haingana Andriamanitra?

Nanisy firesahana ny amin’ny finoana nifandray tamin’ny herin’ny vavaka indrindra i Jesosy ka nanontany hoe: “Rehefa tonga ny Zanak’olona, hahita finoana marina tokoa ve izy eto an-tany?” Na dia navela tsy hisy valiny aza io fanontaniana io, ny toa tiany holazaina tamin’izany dia hoe tsy ho zavatra fahita ny finoana rehefa tonga manana ny fahefana ao amin’ilay Fanjakana i Kristy.

Teo amin’ireo nihaino an’i Jesosy dia nisy ireo izay natoky tena ny amin’ny finoana nananany. Natoky ny fahamarinan’ny tenany izy ireo ary nanao ny hafa ho ambany noho ny tenany. Nety ho tafiditra tamin’io antokon’olona io koa aza ny sasany tamin’ireo mpianatr’i Jesosy. Navantany tamin’ireo olona ireo àry ny fanoharana nanaraka:

“Nisy lehilahy roa niakatra tany amin’ny tempoly mba hivavaka, ny iray dia Fariseo ary ilay iray hafa dia mpamory hetra. Nitsangana ilay Fariseo ka nanomboka nivavaka toy izao anakampo: ‘Andriamanitra ô, misaotra anao aho fa tsy mba tahaka ny olon-kafa rehetra, ireo mpanao an-keriny, ireo tsy marina, ireo mpanitsakitsa-bady, na tahaka ity mpamory hetra ity akory aza. Mifady hanina indroa isan-kerinandro aho, manome ny ampahafolon’ny zavatra rehetra azoko aho’.”

Nalaza noho ny fampisehoany ny fahamarinany ampahibemaso mba hanaitra ny hafa ny Fariseo. Ny andro fanaovany ny fifadian-kanina, izay notereny tamin’ny tenany ihany, dia ny alatsinainy sy ny alakamisy, ary nandoa tamim-pitandremana aoka izany ny ampahafolon’ireo zavamaniry madinika any an-tsaha mihitsy aza izy ireo. Volana vitsivitsy talohan’izay, dia niharihary ny fanamavoan’izy ireo ny sarambabem-bahoaka nandritra ny Andro Firavoravoana Tabernakely, rehefa nilaza izy hoe: “Voaozona ity vahoaka tsy mahalala ny Lalàna ity [izany hoe araka ny fandraisan’ireo Fariseo azy io].”

Nanohy nilaza ilay fanoharana nataony i Jesosy ka hoy izy momba ny olona iray “voaozona” toy izany: “Ilay mpamory hetra kosa, izay nitsangana lavidavitra teo, dia tsy nety hiandrandra ny lanitra akory, fa tsy nitsahatra niteha-tratra tamin’ny filazana hoe: ‘Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko izay mpanota’.” Noho ilay mpamory hetra niaiky ireo fahadisoany tamim-panentren-tena, dia hoy i Jesosy hoe: “Lazaiko aminareo: Nidina tany an-tranony ary niseho ho marina kokoa noho irỳ lehilahy irỳ ity lehilahy ity; fa izay manandra-tena dia haetry, ary izay manetry tena dia hasandratra.”

Nanasongadina araka izany indray i Jesosy ny ilàna hanetry tena. Noho izy ireo notezaina teo anivon’ny fitambaran’olona nisy Fariseo mpanamarin-tena nahery aoka izany sady nanantitranterana ny toerana sy ny laharana, dia tsy nahagaga raha niharan’izany fitaomana izany koa ny mpianatr’i Jesosy. Kanefa, endrey izany fianarana tsara dia tsara momba ny fanetren-tena nomen’i Jesosy! Lioka 18:1-14, MN; Jaona 7:49.

▪ Nahoana no nanaiky ny fangatahan’ilay mpitondratena ilay mpitsara tsy marina, ary fianarana inona no azo avy amin’io fanoharan’i Jesosy io?

▪ Finoana inona no hotadiavin’i Jesosy rehefa tonga izy?

▪ Navantan’i Jesosy tamin’iza moa ny fanoharana nataony momba ilay Fariseo sy ilay mpamory hetra?

▪ Fihetsik’ireo Fariseo nanao ahoana no tokony hohalavirina?