Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny loharanon’ny fahasambarana

Ny loharanon’ny fahasambarana

Toko 75

Ny loharanon’ny fahasambarana

NANDRITRA ny fanompoany tany Galilia, i Jesosy dia nanao fahagagana, ary izao izy dia namerina izany indray tao Jodia. Ohatra, namoaka avy tamin’ny lehilahy iray demonia iray izay nanakana azy io tsy hiteny izy. Talanjona ny vahoaka, fa ireo mpanakiana kosa dia nilaza fanoherana nitovy tamin’izay nolazaina tany Galilia. “Mamoaka demonia amin’ny alalan’i Belzeboba, mpanapaka ny demonia izy”, hoy ny nambaran’izy ireo. Ny hafa dia nitady porofo lehibe kokoa avy tamin’i Jesosy ny amin’ny hoe iza izy, ka nanandrana naka fanahy azy tamin’ny fangatahana famantarana iray avy tany an-danitra.

Nahafantatra ny noeritreretin’ izy ireo i Jesosy ka nanome an’ireo mpanakiana azy tao Jodia ireo valinteny nitovy tamin’izay nomeny tany Galilia. Nomarihiny fa ny fanjakana rehetra miady an-trano dia hianjera. “Koa raha miady an-trano i Satana”, hoy izy nanontany, “dia ahoana no haharetan’ny fanjakany?” Nasehony ny toerana nampidi-doza nisy ireo mpanakiana azy tamin’ny filazana hoe: “Raha amin’ny alalan’ny rantsantanan’Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia efa nahatratra anareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra.”

Ireo izay nandinika ny fahagagana nataon’i Jesosy dia tokony hanana fihetsika toy ny an’ireo nahita an’i Mosesy nanao fahagagana iray taonjato maro talohan’izay. Nihiaka toy izao izy ireo: “Rantsantanan’Andriamanitra ity!” Ny “rantsantanan’Andriamanitra” koa no nisokitra ireo Didy Folo teo amin’ny vato fisaka. Ary ny “rantsantanan’Andriamanitra” — ny fanahiny masina, na heriny miasa — ihany koa no nahafahan’i Jesosy namoaka demonia sy nanasitrana ny narary. Koa efa nahatratra ireo mpanakiana ireo tokoa àry ny Fanjakan’Andriamanitra, satria i Jesosy, ilay Mpanjaka voatendry hitondra io Fanjakana io, dia teo afovoan’izy ireo mihitsy.

Avy eo, dia nasehon’i Jesosy tamin’ny alalan’ny fanoharana fa ny fahaizany nandroaka demonia dia porofon’ny hery lehibe nananany tamin’i Satana, dia toy ny rehefa tonga ka mandresy lehilahy ampy fiadiana tsara miambina ny rovany ny lehilahy iray matanjaka kokoa. Naveriny koa ilay fanoharana momba ny fanahy maloto nolazainy tany Galilia. Nandao ny lehilahy iray ilay fanahy, nefa rehefa tsy fenoin’ilay lehilahy zavatra tsara ilay banga, dia miverina mitondra fanahy hafa fito ilay fanahy, ary ny toe-piainana misy ilay lehilahy izao dia manjary ratsy kokoa noho ny tamin’ny voalohany.

Teo am-pihainoana izany fampianarana izany, ny vehivavy iray teo amin’ny vahoaka dia voatosika hihiaka mafy hoe: “Sambatra ny kibo izay nitondra anao sy ny nono izay ninonoanao!” Koa satria ny fanirian’ny vehivavy jiosy rehetra dia ny ho renin’ny mpaminany iray ary indrindra fa ny ho renin’ny Mesia, dia mora azo ny antony nilazan’io vehivavy io izany. Toa nihevitra izy fa sambatra indrindra i Maria noho izy renin’i Jesosy.

Nanitsy haingana ilay vehivavy anefa i Jesosy momba ny tena loharanon’ny fahasambarana. “Tsia”, hoy ny navaliny, “fa sambatra kosa ireo izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy!” Na oviana na oviana i Jesosy dia tsy nanipy hevitra fa tokony homena voninahitra manokana i Maria reniny. Nasehony kosa fa ny tena fahasambarana dia hita amin’ny fanompoana an’Andriamanitra amim-pahatokiana, fa tsy amin’ny fatorana ara-nofo na ny zava-bita akory.

Toy ny nataony tany Galilia, dia nanohy ny teniny koa i Jesosy tamin’ny fitenenana mafy ireo olona tao Jodia noho ny fangatahany famantarana avy tany an-danitra. Nilaza taminy izy fa tsy hisy famantarana homena, afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona. Nanjary famantarana i Jona noho ireo telo andro nijanonany tao an-kibon’ilay hazandrano sy noho ny fitoriany tamim-pahasahiana, izay nanosika ireo Ninivita hibebaka. “Nefa, indro!”, hoy i Jesosy, “misy lehibe noho i Jona eto.” Toy izany koa, ny mpanjakavavin’i Seba dia nitolagaga noho ny fahendren’i Solomona. “Nefa, indro!”, hoy koa i Jesosy, “misy lehibe noho i Solomona eto.”

Nanazava i Jesosy fa, rehefa mandrehitra jiro ny olona iray, dia tsy mametraka izany ao an-davaka na ao ambanin’ny vata famarana fa eo amin’ny fanaovan-jiro mba hahitan’ny olona ilay fahazavana. Angamba nampahafantatra tamin’izany izy fa ny fanaovana fampianarana sy fahagagana teo anoloan’ireo olona kirina anisan’ny mpihaino azy ireo dia nitovy tamin’ny fanafenana ny fahazavan’ny jiro iray. Tsy tsotra, na koa hoe tsy nahay nifantoka mazava tsara, ny mason’ny mpandinika toy izany, hany ka tsy tanteraka ny zava-nokendren’ireo fahagagana nataony.

Vao avy namoaka demonia iray i Jesosy ary nampiteny moana iray. Izany dia tokony hanosika ireo olona nanana maso tsotra, na nahay nifantoka mazava tsara, hidera io zava-bita nalaza io ka hanambara ny vaovao tsara! Kanefa, tsy izany no nitranga tamin’ireo mpanakiana ireo. Koa namarana ny teniny toy izao àry i Jesosy: “Noho izany, dia aoka ianareo ho mailo. Angamba fahamaizinana ny fahazavana ao anatinareo. Noho izany, raha mamiratra tsy misy faritra maizina mihitsy ny tenanareo manontolo, dia hamiratra toy ny rehefa manome hazavana anareo ny tara-pahazavan’ny jiro iray.” Lioka 11:14-36, MN; Eksodosy 8:14, 15; 31:18; Matio 12:22, 28, MN.

▪ Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona teo anoloan’ny nanasitranan’i Jesosy ilay lehilahy?

▪ Inona no “rantsantanan’Andriamanitra”, ary tamin’ny ahoana no nahatratraran’ny Fanjakan’Andriamanitra ireo mpihaino an’i Jesosy?

▪ Inona no loharanon’ny tena fahasambarana?

▪ Ahoana no ahafahan’ny olona iray hanana maso tsotra?