Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny miavonavona sy ny manetry tena

Ny miavonavona sy ny manetry tena

Toko 39

Ny miavonavona sy ny manetry tena

REHEFA avy nanonona ireo toetra tsaran’i Jaona Mpanao batisa i Jesosy dia nitodika tany amin’ireo olona niavonavona sady niovaova fihetsika nanodidina azy. “Ity taranaka ity”, hoy ny nambarany, dia “tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena (...) izay miantso ny namany ka manao hoe: ‘Efa nitsoka sodina ho anareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo, efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy niteha-tratra ianareo’.”

Inona no tian’i Jesosy holazaina? Nanazava toy izao izy: “Tonga i Jaona tsy nihinana na nisotro, nefa hoy ny olona: ‘Manana demonia izy’; tonga ny Zanak’olona mihinana sy misotro kosa, nefa hoy ihany ny olona: ‘Indro! Lehilahy fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota’.”

Tsy azo natao ny nanome fahafahampo ny olona. Tsy nisy na inona na inona nankasitrahany. Nanaraka ny fiainan’ny nazirita feno fihafiana sy fandavan-tena i Jaona, ho fanarahana ny fanambaran’ilay anjely hoe “tsy hisotro divay na toaka velively” izy. Kanefa nilaza ny olona fa nanana demonia izy. Tetsy an-daniny kosa, i Jesosy dia niaina toy ny olon-kafa rehetra, tsy nanaraka fihafiana, nefa dia nampangaina ho nanaram-po.

Sarotra nampifalina tokoa ny olona! Sahala amin’ny ankizy mpiara-milalao izy ireny, izay ny sasany taminy dia tsy nety nandihy rehefa nitsoka sodina ny ankizy hafa na nalahelo rehefa nanao feo fisaonana ny namany. Na dia izany aza, dia hoy i Jesosy: “Ny fahendrena dia hamarinin’ny asany.” Eny tokoa, ny zava-miseho — ny asa — dia manaporofo mazava fa diso ireo fiampangana natao tamin’i Jaona sy i Jesosy.

Nanohy ny teniny i Jesosy tamin’ny fanasinganana indrindra ireo tanàna telon’i Korazina sy Betsaida ary i Kapernaomy, izay nanaovany ny ankamaroan’ireo asany lehibe, mba hanakianana azy ireo. Raha nitranga tany amin’ny tanànan’i Tyro na i Sidona, tany Fenisia, ireo asa ireo, hoy i Jesosy, dia ho nibebaka tamin’ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireo tanàna ireo. Nanameloka an’i Kapernaomy, izay toa ny toerana niaingany sy nodiany nandritra ny fanompoany, i Jesosy ka nanambara hoe: “Ho moramora kokoa ny ho amin’ny tany Sodoma amin’ny Andro Fitsarana noho ny ho aminao.”

Nanaraka izany, dia nidera ampahibemaso ny Rainy any an-danitra i Jesosy. Voatosika hanao izany izy satria nanafina ireo fahamarinana ara-panahy sarobidy tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina Andriamanitra, fa nampiharihary izany zavatra nahagaga izany tamin’ny nanetry tena, tamin’ny zazakely, raha azo atao ny milaza izany.

Tamin’ny farany, dia nanome izao fanasana feno fiangaviana izao i Jesosy: “Manatòna ahy, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa izaho no hamelombelona anareo. Ento ny ziogako, ka mianara amiko, fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po aho, dia hahita famelombelomana ho an’ny fanahinareo ianareo. Fa feno hatsaram-panahy ny ziogako ary maivana ny entako.”

Tamin’ny ahoana no nanomezan’i Jesosy famelombelomana? Tamin’ny fanafahana ny olona tamin’ireo lovantsofina nanandevo izay natambesatr’ireo filoha ara-pivavahana teo aminy, anisan’izany, ohatra, ireo fitsipika naneritery momba ny Sabata. Nasehony koa ny lalan’ny fanamaivanana tamin’ireo izay nahatsapa ny fanapahana nangeja sy navesatra nampiharin’ireo manam-pahefana ara-politika, ary koa tamin’ireo izay nahatsapa ny havesatry ny fahotany noho ny feon’ny fieritreretany nampijaly azy. Naharihariny tamin’ny olona nijaly toy izany ny fomba hahazoana famelana ny fahotany sy ny fomba hahazoany fifandraisana sarobidy tamin’Andriamanitra.

Ilay zioga feno hatsaram-panahy natolotr’i Jesosy dia ny fanoloran-tena tanteraka ho an’Andriamanitra, izay mahatonga antsika ho afaka hanompo ny Raintsika any an-danitra be fangoraham-po sy famindrampo. Ary ilay entana maivana atolotr’i Jesosy an’ireo izay manatona azy dia ny fankatoavana ireo zavatra takin’Andriamanitra mba hahazoana fiainana, dia ireo didiny voarakitra ao amin’ny Baiboly. Ary ny fankatoavana azy ireo dia tsy mavesatra velively. Matio 11:16-30, MN; Lioka 1:15; 7:31-35, MN; 1 Jaona 5:3.

▪ Tamin’ny ahoana no tahaka ny ankizy kely ireo olona niavonavona sy niovaova fihetsika tao amin’ny taranaka nisy an’i Jesosy?

▪ Nahoana i Jesosy no voatosika hidera ny Rainy any an-danitra?

▪ Tamin’ny fomba ahoana avy ny olona no nitambesaran’ny enta-mavesatra, ary fanamaivanana inona no natolotr’i Jesosy?