Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny nahaterahan’i Jesosy — Taiza ary oviana?

Ny nahaterahan’i Jesosy — Taiza ary oviana?

Toko 5

Ny nahaterahan’i Jesosy—taiza ary oviana?

NAMOAKA didy i Aogosto Kaisara, emperoran’ny empira romana, fa tsy maintsy niverina tany amin’ny tanàna nahaterahany ny olona tsirairay avy mba hosoratana anarana. Nanao ny dia ho any amin’ny toerana nahaterahany, ho any amin’ny tanànan’i Betlehema, àry i Josefa.

Vahoaka maro be no tao Betlehema mba hosoratana anarana, ka ny hany toerana hitan’i Josefa sy i Maria mba hitoerana dia ny tranom-biby iray. Teraka tato, tao amin’io toerana nametrahana ampondra sy biby hafa io, i Jesosy. Nofonosin’i Maria lamban-jaza izy ka nampandriany tao am-pihinanam-bilona, ilay toerana fasiana ny sakafon’ireo biby.

Azo antoka fa noho ny fitarihan’Andriamanitra no nampanaovan’i Aogosto Kaisara izany lalàna momba ny fanoratana anarana izany. Izy io dia nahatonga hety ny hahaterahan’i Jesosy tao Betlehema, ilay tanàna nambaran’ny Soratra masina efa ela be mialoha fa ho toerana hahaterahan’ilay mpanapaka nampanantenaina.

Zava-dehibe tokoa io alina io! Tany ivelany, tany an-tsaha, dia nisy fahazavana namirapiratra nanodidina ny antokona mpiandry ondry iray. Ny voninahitr’i Jehovah izany! Ary hoy ny anjelin’i Jehovah tamin’izy ireo: “Aza matahotra, fa, indro! milaza vaovao tsara aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra, fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo. Ary izao no ho famantarana ho anareo: ianareo hahita zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona.” Tsitapitapitr’izay, dia nisy anjely maro hafa niseho sy nihira hoe: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra, ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olon’ny hatsaram-panahiny.”

Rehefa nandao azy ireo anjely, dia nifampiresaka ireo mpiandry ondry hoe: “Andeha isika hankany Betlehema mihitsy ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin’i Jehovah antsika.” Nandeha haingana àry izy ireo ka nahita an’i Jesosy teo amin’ilay toerana nolazain’ilay anjely indrindra. Rehefa nitantara izay nolazain’ilay anjely taminy ireo mpiandry ondry, dia gaga izay rehetra nandre izany. I Maria kosa dia nitahiry izany teny rehetra izany ary nihazona azy tsara tao am-pony.

Be dia be no mino amin’izao andro izao fa teraka tamin’ny 25 Desambra i Jesosy. Mangatsiaka sy manorana anefa ny volana Desambra any Betlehema. Tsy hijanona any ivelany mandritra ny alina miaraka amin’ny andian’ondriny mihitsy ireo mpiandry ondry amin’io vanin-taona eo amin’ny taona io. Ambonin’izany, dia azo inoana fa ilay Kaisara romana dia tsy ho nangataka vahoaka iray izay efa vonona ny hikomy taminy mba hanao io dia io tao anatin’ny ririnim-be mba hisoratra anarana. Miharihary fa teraka tany am-piandohan’ny fararano i Jesosy. Lioka 2:1-20, MN; Mika 5:1.

▪ Nahoana moa no nankany Betlehema i Josefa sy i Maria?

▪ Fisehoan-javatra nahagaga inona no nitranga tamin’ny alina nahaterahan’i Jesosy?

▪ Ahoana no ahafantarantsika fa tsy teraka tamin’ny 25 Desambra i Jesosy?