Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny nidiran’i Kristy tamim-pandresena tao Jerosalema

Ny nidiran’i Kristy tamim-pandresena tao Jerosalema

Toko 102

Ny nidiran’i Kristy tamim-pandresena tao Jerosalema

NY AMPITSO maraina, ny alahady 9 Nisana, dia nandao an’i Betania i Jesosy sy ireo mpianany ary nankany amin’ny Tendrombohitra Oliva mba ho any Jerosalema. Rehefa afaka fotoana fohy dia nanakaiky an’i Betifaga izy ireo, teo amin’ny Tendrombohitra Oliva. Nanome izao baiko izao ho an’ny roa tamin’ireo mpianany i Jesosy:

“Mandehana ho any amin’irỳ tanàna kely tazan’ny masonareo irỳ, ary avy hatrany ianareo dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany miaraka aminy; vahao izy ireo, dia ento atỳ amiko. Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: ‘Mila azy ny Tompo’. Ary dia handefa azy ireo avy hatrany izy.”

Na dia tsy fantatr’ireo mpianatra aza tamin’ny voalohany fa nifandray tamin’ny fanatanterahana faminaniana iray ao amin’ny Baiboly izany baiko izany, tatỳ aoriana kosa dia takany izany. Nanambara mialoha ny mpaminany Zakaria fa hitaingina boriky, eny, “zana-boriky tanora”, hiditra ao Jerosalema, ilay Mpanjaka nampanantenain’Andriamanitra. Nitaingina zana-boriky tahaka izany koa i Solomona Mpanjaka rehefa nandeha nohosorana ho mpanjaka.

Rehefa tonga tao Betifaga ireo mpianatra ary naka ilay zana-boriky sy ny reniny, dia hoy ny sasany tamin’ireo nitsangana teo: “Inona no ataonareo?” Kanefa rehefa nilazana ireo lehilahy fa ho an’ny Tompo ireo biby dia namela ny mpianatra hitondra azy any amin’i Jesosy izy. Nametraka ny lambany teo ambonin’ilay boriky sy ny zanany ireo mpianatra, fa ilay zana-boriky no nitaingenan’i Jesosy.

Arakaraka ny nanatonan’i Jesosy, nitaingina ilay zana-boriky, an’i Jerosalema, dia nihamaro ny vahoaka. Namelatra ny lambany teny amin’ny lalana ny ankamaroan’ny olona, fa ny sasany kosa nanapaka rantsankazo avy teny amin’ny hazo ary namelatra izany teny amin’ny lalana. “Hotahina anie ny Mpanjaka, Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah!”, hoy ny fihiakan’izy ireo. “Fiadanana any an-danitra, ary voninahitra any amin’ny avo indrindra!”

Tezitra noho ireo antsoantso ireo ny Fariseo sasany teo amin’ny vahoaka ka nitaraina tamin’i Jesosy hoe: “Mpampianatra ô, teneno mafy ny mpianatrao.” Fa namaly i Jesosy hoe: “Milaza aminareo aho: Raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso.”

Nihananakaiky an’i Jerosalema i Jesosy ka nahita ilay tanàna, ary dia nanomboka nitomany azy izy sady nanao hoe: “Raha mba nahafantatra mantsy ianao, dia ianao indrindra, amin’ity andro ity, ireo zavatra momba ny fiadanana — nefa ankehitriny nafenina tamin’ny masonao izany.” Noho ny finiavany tsy hankatò, i Jerosalema dia tsy maintsy nizaka ny vokany, araka ny nambaran’i Jesosy mialoha toy izao:

“Hanorina manda amin’ny tsato-kazo maranitra manodidina anao ny fahavalonao [ireo Romana teo ambany fitarihan’ny jeneraly Titus] ary hihodidina anao sy hampahory anao avy amin’ny lafiny rehetra izy, ary handavo anao sy ny zanakao amin’ny tany izy, ka tsy havelany hisy vato hifanongoa eo aminao.” Io fandringanana an’i Jerosalema nambaran’i Jesosy mialoha io dia tena nitranga tokoa, 37 taona taorian’izay, tamin’ny taona 70 am.fan.ir.

Herinandro vitsivitsy monja talohan’izao, dia nisy olona maro tamin’ireo vahoaka nahita an’i Jesosy nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty. Izao izy ireo dia tsy nitsahatra nitantara io fahagagana io tamin’ny hafa. Koa rehefa niditra tao Jerosalema àry i Jesosy, dia tao anatin’ny fikorontanana ny tanàna rehetra. “Iza moa izao?”, hoy ny olona ta hahafantatra. Ary tsy nitsahatra nilaza ny vahoaka hoe: “Izao no Jesosy mpaminany, avy any Nazareta any Galilia!” Rehefa nahita izany zava-nitranga izany ireo Fariseo, dia nilaza ny alahelony fa hoe tsy afa-nanao na inona na inona mihitsy izy ireo, satria, araka ny filazany, dia “efa lasa nanaraka azy avokoa izao tontolo izao”.

Toy ny fanaony isaky ny nitsidika an’i Jerosalema izy, dia nankany amin’ny tempoly i Jesosy mba hampianatra. Tao dia nanatona azy ny jamba sy ny kilemaina, ary dia nositraniny! Nony nahita ireo zavatra mahagaga nataon’i Jesosy sy ny ankizilahy tao amin’ny tempoly niantsoantso hoe: “Vonjeo, re, ry Zanak’i Davida ô!”, ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia tezitra: “Renao ve izay lazain’ireo?”, hoy ny fanoherana nataony.

“Eny”, hoy ny navalin’i Jesosy. “Mbola tsy novakinareo ve ny teny manao hoe: ‘Avy amin’ny vavan’ny zazakely sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana’?”

Nanohy nampianatra i Jesosy, ary nijery ireo zavatra rehetra nanodidina azy tao amin’ny tempoly. Tsy ela dia hariva ny andro. Koa, niaraka tamin’ireo 12 lahy àry izy dia niala teo ary nanao ny dia nisy telo kilaometatra teo ho eo niverina nankany Betania. Nijanona tao izy ny alahady alina, azo inoana fa tao amin’ny tranon’i Lazarosy sakaizany. Matio 21:1-11, 14-17, MN; Marka 11:1-11, MN; Lioka 19:29-44, MN; Jaona 12:12-19, MN; Zakaria 9:9.

▪ Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nidiran’i Jesosy an’i Jerosalema toy ny Mpanjaka?

▪ Tamin’ny ahoana no naha-zava-dehibe ny nideran’ireo vahoaka an’i Jesosy?

▪ Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Jesosy rehefa nahita an’i Jerosalema izy, ary faminaniana inona no notononiny?

▪ Inona no nitranga rehefa nankany amin’ny tempoly i Jesosy?