Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny raharaha momba ny lova

Ny raharaha momba ny lova

Toko 77

Ny raharaha momba ny lova

NIHARIHARY fa fantatry ny olona fa nisakafo tao an-tranon’ilay Fariseo i Jesosy. Niangona an’arivony maro teo ivelany àry izy ireo ary niandry an’i Jesosy rehefa nivoaka avy tao izy. Tsy tahaka ireo Fariseo izay nanohitra an’i Jesosy ary nanandrana nanao izay hahazoana azy hilaza zavatra diso ireo olona ireo fa may ny hihaino azy tamim-pankasitrahana kosa.

Nitodika tany amin’ny mpianany aloha i Jesosy ka nilaza hoe: “Tandremo ny masirasiran’ny Fariseo, dia ny fihatsarambelatsihy.” Araka ny naseho nandritra ilay fisakafoana, ny fandaharana ara-pivavahana manontolon’ireo Fariseo dia feno fihatsarambelatsihy. Nefa, na dia nety ho nafenina tao ambadiky ny fampisehoana fitiavana an’Andriamanitra ivelany aza ny faharatsian’ireo Fariseo, amin’ny farany izany dia halana sarona. “Tsy misy nafenina tamim-pitandremana”, hoy i Jesosy, “izay tsy haharihary, na takona izay tsy ho fantatra.”

Nanohy ny teniny i Jesosy tamin’ny famerenana ilay fampaherezana nomeny an’ireo 12 fony izy nandefa azy hanao dia fitoriana nanerana an’i Galilia. Hoy izy: “Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa, aorian’izany, dia tsy afaka manao na inona na inona intsony.” Koa satria tsy manadino na dia ny tsintsina iray aza Andriamanitra, dia nanome toky ny mpanara-dia azy i Jesosy fa tsy hanadino azy ireo koa Andriamanitra. Nanambara toy izao izy: “Rehefa mitondra anareo ho eo anatrehan’ny fivoriambe ampahibemaso sy ny manamboninahitry ny fitondram-panjakana ary ny manam-pahefana izy ireo, (...) ny fanahy masina dia hampianatra anareo amin’izany ora izany mihitsy izay zavatra tokony holazainareo.”

Nisy lehilahy iray niteny avy tao afovoan’ny vahoaka. “Mpampianatra ô”, hoy ny fangatahany, “teneno ny rahalahiko mba hizara ny lova amiko.” Nanambara ny Lalàn’i Mosesy fa tokony handray anjaran-droa tamin’ny lova ny lahimatoa, mba tsy hisian’ny antony hifamaliana. Toa nitady hahazo nihoatra noho ny anjara lovany ara-dalàna anefa io lehilahy io.

Nety indrindra raha tsy nanaiky hiditra tamin’izany i Jesosy. “Ralehilahy, iza no nanendry ahy ho mpitsara na mpizara eo aminareo?”, hoy izy nanontany. Avy eo izy dia nanome fananarana lehibe dia lehibe ho an’ilay vahoaka: “Aza mitsahatra mampihiratra ny masonareo ary mitandrema tena amin’ny karazana fitsiriritana rehetra, satria na dia manam-be aza ny olona iray, ny ainy dia tsy avy amin’ireo zavatra ananany.” Eny tokoa, na manao ahoana na manao ahoana habetsahan’ny fananana mety ho azon’ny olona iray, dia tsy maintsy ho faty izy ary hamela izany zavatra rehetra izany. Mba hampisongadinana izany ary koa mba hampisehoana ny hadalan’izay tsy manorina laza tsara eo anatrehan’Andriamanitra, dia nampiasa fanoharana iray i Jesosy. Nanazava toy izao izy:

“Nahavokatra be ny tanin’ny lehilahy manankarena iray. Noho izany, dia nanomboka nanjohy hevitra tao am-pony toy izao izy: ‘Ahoana no hataoko, fa tsy manana toerana hamoriako ny vokatro aho?’ Hoy àry izy hoe: ‘Izao no hataoko: Handrava ireo trano fitahirizako aho ka hanao hafa lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny zavatra tsara rehetra ananako; ary hilaza amin’ny fanahiko aho hoe: “Ry fanahy ô, manana zavatra tsara maro voatahiry ho amin’ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia.” ’ Fa Andriamanitra nanao taminy hoe: ‘Ry adala, anio alina dia halain’izy ireo aminao ny fanahinao. Iza àry no hahazo ireo zavatra noharìnao?’ ”

Ho famaranana, dia nanao izao fanamarihana izao i Jesosy: “Toy izany ny amin’ny lehilahy izay mitahiry harena ho an’ny tenany fa tsy manankarena ny amin’Andriamanitra.” Raha nety ho tsy voafandriky ny hadalana hanangon-karena aza ireo mpianatra, noho ny fiahiana ireo raharaha andavanandro, dia nety ho voatarika mora foana tsy hanompo an’i Jehovah tamin’ny fanahiny manontolo izy. Nanararaotra io tarehin-javatra io àry i Jesosy mba hamerenana ilay torohevitra tsara dia tsara nomeny tokony ho herintaona sy tapany talohan’izay tao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra. Nitodika tany amin’ny mpianany izy ka nanao hoe:

“Noho izany, dia milaza aminareo aho hoe: Aza manahy ny amin’ny fanahinareo intsony raha ny amin’izay hohaninareo, na ny amin’ny tenanareo raha ny amin’izay hotafinareo. (...) Mariho tsara fa tsy mamafy na mijinja ny goaika, ary tsy manana sompitra na trano fitahirizana izy ireny, kanefa mamelona azy Andriamanitra. (...) Mariho tsara ny fitombon’ny lilia; tsy miasa na mamoly izy; nefa lazaiko aminareo fa na dia i Solomona tao amin’ny voninahiny rehetra aza tsy nitafy tahaka ny iray amin’ireny. (...)

“Koa aza mitady intsony izay hohaninareo na izay hosotroinareo, ary aza miahanahana noho ny fanahiana intsony; fa izany rehetra izany dia zavatra katsahin’ireo firenena eo amin’izao tontolo izao fatratra, fa ny Rainareo dia mahafantatra fa mila ireny zavatra ireny ianareo. Kanefa, katsaho hatrany ny fanjakany, dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.”

Mandritra ny fotoan-tsarotra ara-toekarena indrindra ireo tenin’i Jesosy no mendrika fiheverana manokana. Ny olona manjary manahy be loatra ny amin’ny zavatra ilainy ara-nofo ka manomboka mampihena ny fiezahany hikatsaka zavatra ara-panahy, raha ny tena izy, dia mampiseho tsy fahampiam-pinoana ny fahaizan’Andriamanitra hanome izay ilain’ny mpanompony. Lioka 12:1-31, MN; Deoteronomia 21:17.

▪ Inona no nety ho antony nanontanian’ilay lehilahy momba ny lova, ary fananarana inona no nomen’i Jesosy?

▪ Fanoharana inona no nampiasain’i Jesosy, ary inona no nasehon’izy io?

▪ Torohevitra inona no naverin’i Jesosy, ary nahoana no nety tsara izy io?