Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny raharaha ny amin’izay rain’izy ireo

Ny raharaha ny amin’izay rain’izy ireo

Toko 69

Ny raharaha ny amin’izay rain’izy ireo

NANDRITRA ilay andro firavoravoana, dia nihamafy ny resaka nifanaovan’i Jesosy tamin’ireo filoha jiosy. “Fantatro fa taranak’i Abrahama ianareo”, hoy i Jesosy niaiky, “nefa mitady hamono ahy ianareo, satria tsy mandroso eo aminareo ny teniko. Izay zavatra hitako teo amin’ny Raiko no resahiko; ianareo àry dia manao ireo zavatra renareo avy tamin’ny rainareo.”

Na dia tsy nampahafantatra aza i Jesosy hoe iza no rain’izy ireo, dia nataony mazava tsara fa hafa noho ny azy izy io. Tsy fantatr’ireo filoha jiosy hoe iza no tao an-tsain’i Jesosy, ka namaly izy ireo hoe: “Abrahama no rainay.” Nihevitra izy ireo fa nanam-pinoana toy ny an’i Abrahama, izay sakaizan’Andriamanitra, ny tenany.

Nanaitra azy mafy anefa i Jesosy tamin’ny valinteniny hoe: “Raha zanak’i Abrahama ianareo, dia ataovy ny asan’i Abrahama.” Manahaka ny ataon-drainy tokoa ny tena zanaka. “Ianareo anefa izao mitady hamono ahy, olona izay nilaza taminareo ny fahamarinana reko tamin’Andriamanitra”, hoy i Jesosy, “I Abrahama tsy nanao izany.” Nilaza indray àry i Jesosy hoe: “Ianareo manao ny asan’ny rainareo.”

Mbola tsy takatr’izy ireo ihany hoe iza no noresahin’i Jesosy. Nanantitrantitra izy ireo fa zanak’i Abrahama ara-dalàna ny tenany, tamin’ny filazana hoe: “Tsy teraka avy tamin’ny fijangajangana izahay.” Noho izany, dia nilaza ny tenany ho tena nanompo an’Andriamanitra sahala amin’i Abrahama izy ireo ka nanambara hoe: “Iray ny Rainay, dia Andriamanitra.”

Tena Andriamanitra tokoa ve anefa no Rain’izy ireo? “Raha Andriamanitra no Rainareo”, hoy ny navalin’i Jesosy, “dia ho tia ahy ianareo, satria avy tamin’Andriamanitra no niaviako sy maha-eto ahy. Tsy tonga noho ny fanapahan-kevitro manokana velively aho, fa Izy no naniraka ahy. Nahoana no tsy fantatrareo izay resahiko?”

Nanandrana ny nampiseho tamin’ireo filoha ara-pivavahana ireo ny ho vokatry ny fandavan’izy ireo azy i Jesosy. Izao anefa dia nilaza tsy nisy fihambahambana izy hoe: “Ianareo avy amin’ny devoly rainareo, ary maniry ny hanao izay irin’ny rainareo.” Karazana ray manao ahoana moa ny Devoly? Nampahafantatra azy ho toy ny mpamono olona i Jesosy sady nilaza koa hoe: “Mpandainga izy sady rain’ny lainga.” Namarana ny teniny toy izao àry i Jesosy: “Izay avy amin’Andriamanitra dia mihaino ireo tenin’Andriamanitra. Izao no antony tsy ihainoanareo, dia satria tsy avy amin’Andriamanitra ianareo.”

Tezitra noho ny fanamelohan’i Jesosy azy ireo Jiosy ka namaly hoe: “Tsy marina ve ny filazanay fa Samaritana ianao sady manana demonia?” Ny teny hoe “Samaritana” dia nampiasaina ho fanehoana fanamavoana sy fanakianana, satria olona nankahalain’ny Jiosy ny Samaritana.

Ninia tsy nahamarika ilay fiampangana feno fanamavoana nampitahana azy tamin’ny Samaritana i Jesosy, fa namaly hoe: “Tsy manana demonia aho, fa manome voninahitra ny Raiko, ary ianareo mahafa-boninahitra ahy.” Nanohy ny teniny ihany i Jesosy, ka nanao izao fampanantenana nanaitra izao: “Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy hahita fahafatesana mihitsy izy.” Mazava ho azy fa tsy te hilaza akory i Jesosy fa tsy hahita fahafatesana amin’ny heviny ara-bakiteny mihitsy izay rehetra hanaraka azy. Tsia, fa te hilaza kosa izy fa izy ireo dia tsy hahita ny fandringanana mandrakizay, na “ny fahafatesana faharoa”, izay tsy hisy fananganana amin’ny maty.

Kanefa, ireo Jiosy dia nandray ny tenin’i Jesosy tamin’ny heviny ara-bakiteny. Hoy àry izy ireo hoe: “Fantatray tsara izao fa manana demonia ianao. Efa maty i Abrahama, ary toy izany koa ireo mpaminany; ianao anefa manao hoe: ‘Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hanandrana fahafatesana mihitsy izy’. Lehibe noho i Abrahama razanay izay efa maty ve ianao? Efa maty koa ireo mpaminany. Manao anao ho iza moa ianao?”

Nandritra io resaka manontolo nifanaovana io, dia niharihary fa notondroin’i Jesosy tamin’ireo lehilahy ireo fa ilay Mesia nampanantenaina ny tenany. Tsy namaly nivantana ny fanontaniana ny amin’ny hoe iza izy anefa, fa nilaza kosa hoe: “Raha manome voninahitra ny tenako aho, dia tsinontsinona ny voninahitro. Ny Raiko no manome voninahitra ahy, izy izay lazainareo fa Andriamanitrareo; ary anefa tsy nahafantatra azy ianareo. Fa izaho mahafantatra azy. Ary raha nilaza aho fa tsy nahafantatra azy, dia ho mpandainga tahaka anareo.”

Nanohy ihany i Jesosy, ka niresaka indray momba an’i Abrahama nahatoky tamin’ny filazana hoe: “Nifaly aoka izany i Abrahama rainareo noho ny fahatsinjovana ny hahita ny androko, ary hitany izany ka nifaly izy.” Eny, tamin’ny mason’ny finoana, i Abrahama dia niandry tamim-panantenana ny hahatongavan’ilay Mesia nampanantenaina. Tsy nino ireo Jiosy ka namaly hoe: “Mbola tsy dimampolo taona akory ianao, koa no hoe efa nahita an’i Abrahama?”

“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa”, hoy ny navalin’i Jesosy, “talohan’ny nisian’i Abrahama, dia nisy aho.” Mazava ho azy fa niresaka ny amin’ny nisiany talohan’ny naha-olombelona azy fony izy persona ara-panahy nahery tany an-danitra i Jesosy teto.

Nisafoaka ireo Jiosy noho ny filazan’i Jesosy fa nisy talohan’i Abrahama izy, ka naka vato hitorahana azy. Niafina anefa izy ka nivoaka ny tempoly tsy naninon-tsy naninona. Jaona 8:37-59, MN; Apokalypsy 3:14; Ap 21:8.

▪ Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa hafa ny rainy sy ny an’ireo fahavalony?

▪ Inona no hevitry ny niantsoan’ireo Jiosy an’i Jesosy hoe Samaritana?

▪ Tamin’ny heviny ahoana no nilazan’i Jesosy fa tsy hahita fahafatesana na oviana na oviana ireo mpanara-dia azy?