Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny sakafo harivan’ny Fahatsiarovana

Ny sakafo harivan’ny Fahatsiarovana

Toko 114

Ny sakafo harivan’ny Fahatsiarovana

REHEFA avy nanasa ny tongotry ny mpianany i Jesosy dia nanonona ny teny ao amin’ny Salamo 41:9 ka nanao hoe: “Ilay nihinana tamin’ny mofoko dia nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy.” Avy eo dia nanjary nangorohoro ny sainy, ary nanazava izy hoe: “Ny iray aminareo dia hamadika ahy.”

Nanomboka nalahelo ireo apostoly ary nanontany an’i Jesosy tsirairay hoe: “Izaho ve izany?” Na dia i Jodasy Iskariota koa aza dia mba nanontany toy izany. I Jaona, izay nandry ilika teo anilan’i Jesosy, dia niankina tamin’ny tratran’i Jesosy, ary nanontany hoe: “Tompo ô, iza moa izany?”

“Ny iray amin’ny roa ambin’ny folo lahy izay miara-manatsoboka amiko ao anatin’ny lovia no izy”, hoy ny navalin’i Jesosy. “Marina fa handeha ny Zanak’olona, dia araka izay nosoratana momba azy indrindra, nefa lozan’izay olona namitahana ny Zanak’olona! Ho tsara lavitra ho an’izany olona izany raha tsy ary akory.” Taorian’izay, dia niditra tao amin’i Jodasy indray i Satana izay nanararaotra ny fahafahana natolotry ny fony, izay nanjary ratsy. Tatỳ aoriana, tamin’io alina io, dia niantso an’i Jodasy tamin’ny fomba nety hoe “ilay zanaky ny fandringanana” i Jesosy.

Nilaza tamin’i Jodasy izao i Jesosy hoe: “Izay ataonao dia ataovy haingana kokoa.” Tsy nisy nahazo izay tian’i Jesosy holazaina ireo apostoly hafa. Nisy nihevitra fa satria i Jodasy no nitana ny fitoeram-bola, dia nilaza taminy i Jesosy hoe: “Vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny andro firavoravoana”, na koa hoe tokony handeha hanome zavatra ho an’ny mahantra izy.

Rehefa avy niala teo i Jodasy, dia nanomboka fankalazana, na fahatsiarovana, iray vaovao tanteraka, niaraka tamin’ireo apostoliny nahatoky i Jesosy. Nandray mofo iray izy, nanao vavaka fisaorana, namaky azy io ka nanome izany azy ireo tamin’ny fitenenana hoe: “Raiso, hano.” Nanazava toy izao izy: “Ity no tenako izay homena ho anareo. Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy.”

Rehefa nihinana tamin’ilay mofo ny tsirairay, dia nandray kapoaka nisy divay, izay niharihary fa ilay fahefatra nampiasaina tamin’ny Paska, i Jesosy. Nanao vavaka fisaorana koa izy tamin’io, nanolotra izany tamin’izy ireo, nangataka azy mba hisotro ary nanambara hoe: “Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay haidina ho anareo.”

Izany àry, raha ny marina, dia fahatsiarovana ny fahafatesan’i Jesosy. Isan-taona, amin’ny 14 Nisana dia tsy maintsy averina izy io, araka ny nolazain’i Jesosy, mba ho fahatsiarovana azy. Izany dia hampahatsiahy an’ireo hankalaza azy io, izay nataon’i Jesosy sy ny Rainy any an-danitra mba hanolorana ho an’ny taranak’olombelona ny fanafahana amin’ny fanamelohana ho faty. Ho an’ireo Jiosy tonga mpanara-dia an’i Kristy, io fankalazana io dia hisolo ny Paska.

Nisolo ny faneken’ny Lalàna tranainy ny fanekena vaovao, natao nanan-kery tamin’ny ra nalatsak’i Jesosy. I Jesosy Kristy no nanelanelana ny andaniny roa tamin’izany — i Jehovah Andriamanitra etsy an-kilany, ary ny kristiana 144 000 nateraky ny fanahy etsy an-daniny. Ankoatra ny fanolorana famelana ny fahotana, io fanekena io dia nahatonga hety ny fiforonan’ny firenena any an-danitra iray misy mpisorona sady mpanjaka. Matio 26:21-29, MN; Marka 14:18-25, MN; Lioka 22:19-23, MN; Jaona 13:18-30, MN; Jn 17:12, MN; 1 Korintiana 5:7.

▪ Faminaniana ao amin’ny Baiboly inona no notononin’i Jesosy momba ny namana iray, ary nampihariny tamin’inona izany?

▪ Nahoana ireo apostoly no nanjary nalahelo mafy, ary inona no nanontanian’ny tsirairay tamin’izy ireo?

▪ Inona no nasain’i Jesosy nataon’i Jodasy, nefa ahoana no nandraisan’ny apostoly hafa izany toromarika izany?

▪ Fankalazana inona no natombok’i Jesosy rehefa avy niala teo i Jodasy, ary inona no zava-kendren’izy io?

▪ Iza avy no andaniny roa amin’ny fanekena vaovao, ary inona no tanterahin’io fanekena io?