Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny tantaran’ny zanakalahy very iray

Ny tantaran’ny zanakalahy very iray

Toko 86

Ny tantaran’ny zanakalahy very iray

REHEFA avy nitantara tamin’ny Fariseo ireo fanoharana ny amin’ny nahazoana indray ny ondry very iray sy ny farantsa kely very iray i Jesosy dia nanohy ny teniny tamin’ny alalan’ny fanoharana hafa iray. Izy io dia momba ny ray be fitiavana iray sy ny fitondrany ireo zanany roa lahy, izay samy nanao fahadisoana lehibe.

Voalohany aloha, dia teo ilay zandriny, dia ny olona nitana ny toerana lehibe indrindra tao amin’ilay fanoharana. Nitaky ny lovany izy, izay nomen’ny rainy azy tsy nisy fihambahambana. Avy eo dia niala tao an-trano izy ary nanjary nanaraka fomba fiaina ara-pitondrantena naloto aoka izany. Kanefa henoy ny filazan’i Jesosy ilay tantara, ary jereo raha hainao ny mamaritra hoe iza avy no tokony hasehon’ireo olona voatantara.

“Nisy lehilahy iray”, hoy i Jesosy nanomboka ny teniny, “nanan-janaka mirahalahy. Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: ‘Ray ô, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy’. Dia nizara ny fananany tamin’izy mirahalahy àry [ilay ray].” Inona no nataon’ilay zandriny tamin’izay noraisiny?

“Tatỳ aoriana”, hoy i Jesosy nanazava, “andro vitsivitsy taorian’izay, dia nanangona ny entany rehetra ilay zandriny ka nankany an-tany lavitra, ary nandanilany foana ny fananany tamin’ny fanaranam-po tamin’ny fitondrantena ratsy.” Raha ny marina, dia nandany ny volany tamin’ny fiaraha-miaina tamin’ny vehivavy janga izy. Taorian’izay dia tonga ny fotoan-tsarotra, araka ny notantarain’i Jesosy tao amin’ny tohin’ny teniny:

“Rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy nitranga nanerana izany tany izany, ka nanomboka sahirana mafy izy. Lasa niankina tamin’ny mponina iray tamin’izany tany izany mihitsy aza izy, ary io dia nandefa azy tany an-tsaha hiandry kisoa. Ary naniry ho voky tamin’ireo voan’ny hazo nohanin’ireo kisoa izy, fa tsy nisy nanome azy na inona na inona.”

Fampietrena toy inona moa izany hoe voatery hiandry kisoa, satria ireo biby ireo dia maloto araka ny Lalàna! Fa ny tena nampanaintaina ilay zanakalahy indrindra dia ny hanoanana nikiky izay nahatonga azy haniry ny hanina namelomana ireo kisoa mihitsy aza. Noho io loza lehibe nahatsiravina nahazo azy io, hoy i Jesosy, dia “nody ny sainy.”

Nanohy ny tantarany i Jesosy, ka nanazava hoe: “Hoy izy [anakampo]: ‘Firifiry akory moa ireo lehilahy karamain’ny raiko izay manana mofo tondraka, nefa izaho ity maty mosary atỳ! Hitsangana aho ka handeha ho any amin’ny raiko ary hilaza aminy hoe: “Ray ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy taminao aho. Tsy mendrika ny hatao hoe zanakao intsony aho. Ataovy toy ny iray amin’ireo lehilahy karamainao aho.” ’ Nitsangana àry izy ka nankany amin’ny rainy.”

Misy zavatra mendrika hodinihina eto: Raha namelively azy ny rainy ka nikiakiaka tamim-pahatezerana taminy fony izy niala tao an-trano, dia azo inoana fa tsy ho nahafantatra tsara toy izao izay tokony hataony ilay zanaka. Azony natao ny nanapa-kevitra ny hiverina sy hitady asa tany an-toeran-kafa tao amin’ny tany niaviany mba tsy ho voatery hiatrika ny rainy. Tsy tonga tao an-tsainy akory anefa ny eritreritra toy izany. Ny hody tany aminy no notadiaviny!

Mazava fa mampiseho an’i Jehovah Andriamanitra, ny Raintsika be fitiavana sy famindrampo any an-danitra, ilay ray tao amin’ilay fanoharana nataon’i Jesosy. Ary azonao koa angamba fa ilay zanakalahy very, na koa hoe zanaka mpandanilany foana, dia mampiseho ireo fantatra ho mpanota. Ireo Fariseo, izay niresahan’i Jesosy teto, dia nanakiana azy vao haingana noho izy niara-nihinana tamin’ny olona toy izany. Kanefa iza no asehon’ilay zanaka lahimatoa?

Rehefa hita indray ilay zanakalahy very

Rehefa niverina tany an-tranon-drainy ilay zanakalahy very, na koa hoe zanaka mpandanilany foana, tao amin’ilay fanoharana nataon’i Jesosy, nanao ahoana ny fandraisana azy? Henoy ny filazalazan’i Jesosy izany:

“Raha mbola lavitra izy, dia nahatazana azy ny rainy ka onena azy, ary nihazakazaka, dia niantoraka teo am-bozony sady nanoroka azy tamim-panehoam-pitiavana.” Ray be famindrampo sy hafanam-po toy inona moa izany, izay mampiseho tsara aoka izany an’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra!

Azo inoana fa nahare ny amin’ny fanaranam-po tamin’ny fitondrantena ratsy narahin’ny zanany lahy ilay ray. Kanefa nandray azy tsara tao an-trano indray izy tsy niandry ny hahazo fanazavana tamin’ny antsipiriany. Nanana toe-tsaina tia mandray tsara ny hafa toy izany koa i Jesosy, ka nanao ny dingana voalohany izy nanatona ireo mpanota sy mpamory hetra, izay nasehon’ilay zanaka mpandanilany foana tao amin’ilay fanoharana.

Marina aloha fa ny fandinihany ny endriny nalahelo sy ketraka fony izy niverina dia tsy isalasalana fa efa nampahafantatra ilay ray nahay nahafanta-javatra tao amin’ilay fanoharana nataon’i Jesosy, ny amin’ny fibebahan’ny zanany. Nefa ny fanaovan’ilay ray tamim-pitiavana ny dingana voalohany dia nanamora ny fieken’ilay zanaka ny fahotany, araka ny notantarain’i Jesosy toy izao: “Avy eo dia hoy ilay zanaka taminy: ‘Ray ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy taminao aho. Tsy mendrika ny hatao hoe zanakao intsony aho. Ataovy toy ny iray amin’ireo lehilahy karamainao aho’.”

Zara anefa raha vao tafavoaka ny vavan’ny zanany lahy ireo teny ireo dia avy hatrany dia efa nanao zavatra ny rainy ka nanome izao baiko izao an’ireo mpanompony: “Haingàna! Makà akanjo iray, ny tsara indrindra, dia ampiakanjoy azy, ary asio peratra ny tanany sy kapa ny tongony. Ary ento atỳ ilay zanak’omby nafahy, ka vonoy ary aoka isika hihinana sy hiravoravo, satria ity zanako lahy ity izay maty dia velona indray; very izy dia hita indray.” Avy eo dia nanomboka “niravoravo izy ireo.”

Nandritra izany fotoana izany, dia “tany an-tsaha ny zanany lahimatoa.” Jereo raha afaka mamantatra ianao hoe iza no nasehony amin’ny fihainoana ny tapany sisa amin’ilay tantara. Nilaza toy izao momba ilay zanaka lahimatoa i Jesosy: “Ary nony nody izy ka nanakaiky ny trano, dia nandre mozika sy dihy. Niantso ny iray tamin’ireo mpanompo mba hanatona azy àry izy ka nanontany ny amin’ny dikan’izany zavatra izany. Hoy izy io taminy: ‘Tonga ny rahalahinao ka namono ny zanak’omby nafahy ny rainao, satria tafaverina taminy soa aman-tsara izy’. Tezitra anefa izy ary tsy nety niditra. Tamin’izay, dia nivoaka ny rainy ka nanomboka niangavy azy fatratra. Ho valin’izany, dia hoy izy tamin-drainy: ‘Indro, izay ela izay aho dia nanompo anao, ary na dia indray mandeha aza aho dia tsy nandika ny didinao, ary anefa na dia indray mandeha aza aho dia tsy nomenao zanak’osy iray akory hiarahako niravoravo tamin’ireo sakaizako. Kanefa raha vao tonga io zanakao izay nandany ny fanananao niaraka tamin’ny vehivavy janga io, dia novonoinao ho azy ilay zanak’omby nafahy’.”

Iza no tahaka ilay zanaka lahimatoa ka nanakiana ny famindrampo sy ny fiheverana naseho ny mpanota? Tsy ireo mpanora-dalàna sy Fariseo ve? Koa satria ny fanakianana nataon’izy ireo tamin’i Jesosy noho izy nandray tsara ny mpanota no nahatonga ny fanaovana io fanoharana io, dia mazava fa tsy maintsy izy ireo no nasehon’ilay zanaka lahimatoa.

Namarana ny tantarany tamin’ny fitalahoan’ilay ray tamin’ny zanany lahimatoa toy izao i Jesosy: “Teto amiko foana ianao, anaka, ary anao avokoa izay rehetra ananako; nefa tsy maintsy niravoravo sy nifaly isika, satria ity rahalahinao ity dia maty ary velona indray, ary very izy dia hita indray.”

Navelan’i Jesosy ho tsy nisy valiny araka izany ny fanontaniana ny amin’izay nataon’ilay zanaka lahimatoa tamin’ny farany. Tatỳ aoriana tokoa, taorian’ny fahafatesan’i Jesosy sy ny fitsanganany tamin’ny maty, dia “nisy mpisorona maro be nanomboka nanaraka ny finoana”, angamba nisy sasany tamin’ny kilasin’ilay “zanaka lahimatoa” niresahan’i Jesosy teto, anisan’izy ireo.

Kanefa iza amin’izao andro izao no asehon’ireo zanaka roa lahy? Tsy maintsy ireo izay nanjary ampy fahalalana ny fikasan’Andriamanitra mba hanorina fifandraisana aminy. Ilay zanaka lahimatoa dia mampiseho ny mpikambana sasany tamin’ny “andian’ondry vitsy”, na koa hoe “kongregasionan’ireo lahimatoa izay voasoratra any an-danitra”. Izy ireo dia nanaraka fihetsika nitovy tamin’ny an’ilay zanaka lahimatoa. Tsy nanana faniriana ny handray tsara ny kilasy eto an-tany iray, dia ireo “ondry hafa”, izay noheveriny fa nangalatra ny fampisehoana fiheverana rehetra tokony ho azy, izy ireo.

Ilay zanaka mpandanilany foana kosa etsy an-daniny, dia mampiseho ireo anisan’ny olon’Andriamanitra izay niala mba hifaly tamin’ny fahafinaretana atolotr’izao tontolo izao. Tatỳ aoriana, anefa, dia niverina tamim-pibebahana izy ireo ka tonga mpanompon’Andriamanitra narisika indray. Eny tokoa, fitiavana sy famindrampo toy inona moa no asehon’ny Ray amin’ireo izay mahatsapa ny ilàny famelan-keloka ka miverina aminy! Lioka 15:11-32, MN; Levitikosy 11:7, 8; Asan’ny apostoly As 6:7, MN; Lioka 12:32, MN; Hebreo 12:23, MN; Jaona 10:16.

▪ Iza no nilazan’i Jesosy io fanoharana, na tantara, io, ary nahoana?

▪ Iza ilay olona nitana ny toerana lehibe indrindra tao amin’ilay tantara, ary inona no nitranga taminy?

▪ Iza avy, tamin’ny andron’i Jesosy, no nasehon’ilay ray sy ilay zandriny?

▪ Ahoana no nanahafan’i Jesosy ny ohatr’ilay ray be fangoraham-po tao amin’ilay fanoharana nataony?

▪ Nanao ahoana ny fihevitr’ilay zanaka lahimatoa ny fandraisana tsara ny rahalahiny, ary tamin’ny ahoana no nitondran’ireo Fariseo tena toy ilay zanaka lahimatoa?

▪ Inona no fampiharana an’ilay fanoharana nataon’i Jesosy amin’izao androntsika izao?