Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Olona iray tsy nampoizina ho tonga mpianatra

Olona iray tsy nampoizina ho tonga mpianatra

Toko 45

Olona iray tsy nampoizina ho tonga mpianatra

FAHITAN-JAVATRA nampitahotra toy inona moa no niseho rehefa nidina teo an-tanety i Jesosy! Nisy lehilahy roa nasiaka aoka izany avy teo amin’ny tany fandevenana teo akaiky teo, nihazakazaka nanatona azy. Azon’ny demonia izy ireo. Koa satria nety ho nahery setra kokoa sady teo ambany fifehezan’ireo demonia hatramin’ny ela lavitra noho ilay iray hafa ny iray tamin’izy ireo, dia nanjary nifantoka taminy ny saina.

Niaina nitanjaka teny amin’ny fasana efa hatramin’ny ela io lehilahy nampalahelo io. Mandrakariva, na andro na alina, dia niantsoantso sy niteti-tena tamin’ny vato izy. Nahery setra aoka izany izy, hany ka tsy nisy olona nanana herim-po nandalo tamin’izany lalana izany. Efa nanandrana namatotra azy ny olona, nefa notapahiny ireo gadra ary nomontsaniny ireo vy teo amin’ny tongony. Tsy nisy olona nanana hery nahafolaka azy.

Raha nanatona an’i Jesosy ilay lehilahy ka niantoraka teo an-tongony, dia nikiaka taminy ireo demonia nifehy azy nanao hoe: “Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry Jesosy, Zanak’Andriamanitra Avo indrindra ô? Ampianianiko amin’Andriamanitra ianao mba tsy hampijaly ahy.”

“Mivoaha amin’io lehilahy io ianao, ry fanahy maloto”, hoy ny naverimberin’i Jesosy. Nefa hoy i Jesosy avy eo: “Iza moa no anaranao?”

“Legiona no anarako, satria maro izahay”, hoy ny valiny azony. Ravoravo ireo demonia mahita ny fijalian’ireo izay azony, sady toa finaritra erỳ miaraka mamely azy ireo amin’ny toe-tsaina feno hakanosan’ny vahoaka maro tafaraka. Teo anoloan’i Jesosy anefa, izy ireo dia nitalaho mafy mba tsy halefa any amin’ny lavaka tsy hita noanoa. Eto indray koa isika dia mahita fa nanan-kery lehibe i Jesosy; afaka nandresy na dia ireo demonia lozabe aza izy. Mampiharihary koa izany fa ireo demonia dia mahafantatra fa ny fitsarana farany natokan’Andriamanitra ho azy ireo dia ny fandefasana azy ireo any amin’ny lavaka tsy hita noanoa miaraka amin’i Satana Devoly filohany.

Nisy andiana kisoa tokony ho 2 000 teo ny isany niraoka ahitra teo amin’ny tendrombohitra tsy lavitra teo. Nilaza àry ireo demonia hoe: “Alefaso izahay ho any anatin’ny kisoa mba hiditra ao aminy.” Miharihary fa mahatsapa fahafinaretana tsy araka ny natiora sy maharikoriko amin’ny fanafihana ny tenan’ireo zavaboary ara-nofo ireo demonia. Rehefa navelan’i Jesosy hiditra tao anatin’ireo kisoa izy ireo, dia niriotra tamin-tahotra teo amin’ny hantsana avokoa izy 2 000 ireo ka maty tany an-dranomasina.

Rehefa nahita izany ny mpiandry ireo kisoa, dia nihazakazaka nilaza ny vaovao tany an-tanàna sy tany an-tsaha. Tamin’izay, dia tonga hijery izay nitranga ny olona. Rehefa tonga teo izy ireo, dia hitany ilay lehilahy vao avy nialan’ireo demonia. Indro, niakanjo sady ary saina izy ary nipetraka teo an-tongotr’i Jesosy!

Nitantara ny fomba nanasitranana ilay lehilahy ireo vavolombelona nahita maso izany. Nolazainy tamin’ny olona koa ny nahafatesan’ireo kisoa tamin’ny fomba hafahafa. Rehefa nahare izany ny olona, dia nisy tahotra lehibe nangeja azy ireo, hany ka nampirisika mafy an’i Jesosy mba handao ny faritaniny izy ireo. Nanaiky izy ary niondrana an-tsambo. Nitalaho mafy tamin’i Jesosy ilay demoniaka taloha mba hamela azy hiaraka aminy. Nefa hoy i Jesosy taminy: “Modia ihany any amin’ny havanao, dia lazao ireo zavatra rehetra nataon’i Jehovah ho anao sy ny famindrampo nasehony taminao.”

Mazàna i Jesosy dia nanome toromarika ireo izay nositraniny mba tsy hilazalaza izany tamin’iza na iza, satria tsy tiany ny hanatsoahan’ny olona hevitra nifototra tamin’ny fitantarana nanaitra aoka izany. Nety tsara anefa ity toe-javatra naningana ity satria ilay demoniaka taloha dia hanao fanambarana tamin’ny olona izay azo inoana fa tsy ho azon’i Jesosy tratrarina intsony izao. Ambonin’izany, ny naha-teo an’ilay lehilahy dia hanome fanamarinana ny amin’ny herin’i Jesosy hanao tsara, ka hanafoana izay filazana ratsy rehetra nety ho nampielezina momba ny namoizana ireo kisoa.

Nankatò ny toromarik’i Jesosy ilay demoniaka taloha. Nanomboka nanambara ireo zavatra rehetra nataon’i Jesosy taminy nanerana an’i Dekapolisy izy, ka talanjona tsotra izao ny olona. Matio 8:28-34, MN; Marka 5:1-20, MN; Lioka 8:26-39, MN; Apokalypsy 20:1-3.

▪ Inona no nety ho antony nampifantohana ny saina ho amin’ny iray ihany tamin’ireo lehilahy roa azon’ny demonia?

▪ Inona no mampiseho fa mahafantatra ny amin’ny handefasana azy ireo any amin’ny lavaka tsy hita noanoa ireo demonia?

▪ Inona no toa antony itiavan’ireo demonia hiditra ao amin’ny olona sy ny biby?

▪ Nahoana i Jesosy no nanao zavatra naningana tamin’ilay demoniaka taloha tamin’ny fanomezana azy toromarika mba hilaza tamin’ny hafa momba izay nataony taminy?