Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ranomaso nivadika ho faharavoana be

Ranomaso nivadika ho faharavoana be

Toko 47

Ranomaso nivadika ho faharavoana be

REHEFA nahita ilay vehivavy nitsi-dra sitrana i Jairo, dia tsy isalasalana fa nitombo ny fatokiany ny herin’i Jesosy hanao fahagagana. Talohan’izay, tamin’io andro io ihany, dia nangatahin’i Jairo mba ho tonga ka hanao zavatra ho an’ny zanany vavy malalany 12 taona, izay kely sisa dia ho faty, i Jesosy. Izao, anefa, dia tonga ilay natahoran’i Jairo indrindra. Raha mbola niresaka tamin’ilay vehivavy i Jesosy, dia nisy lehilahy vitsivitsy tonga nilaza moramora tamin’i Jairo hoe: “Maty ny zanakao vavy! Nahoana no mbola sahiranina ihany ny mpampianatra?”

Nahasafotra tokoa izany vaovao izany! Eritrereto ange: Io lehilahy io, izay nahazo ny hajan’ny rehetra teo amin’ny manodidina, izao dia tsy nanan-kery tanteraka raha vao nahare fa maty ny zanany vavy. Ren’i Jesosy anefa ilay resaka. Nitodika tany amin’i Jairo àry izy ka nampahery azy tamin’ny filazana taminy hoe: “Aza matahotra, manehoa finoana fotsiny.”

Niaraka tamin’ilay lehilahy vonton’alahelo nody tany aminy i Jesosy. Rehefa tonga tany izy ireo dia nahita tabataba be noho ireo fitomaniana sy fidradradradrana. Nisy vahoaka be tafangona tao, ary niteha-tratra tamin’alahelo izy ireo. Rehefa niditra i Jesosy dia nanontany hoe: “Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty ilay ankizy kely fa matory.”

Raha nahare izany ny olona dia nanomboka nihomehy sady nandatsa an’i Jesosy satria fantatr’izy ireo fa tena maty tokoa ilay ankizivavy. I Jesosy anefa dia nilaza fa natory fotsiny izy. Hampiasa ny hery nomen’Andriamanitra azy izy ka hampiseho fa azo averina avy amin’ny fahafatesana mora foana ny olona, toy ny famohazana azy avy amin’ny torimaso lalina.

Izao dia nasain’i Jesosy navoaka ny olona rehetra afa-tsy i Petera, i Jakoba sy i Jaona ary ny renin’ilay zazavavy maty sy ny rainy. Avy eo dia nentiny teo amin’ilay nandrian’ilay ankizivavy ireo olona dimy ireo. Nandray ny tanany i Jesosy ka nanao hoe: “Talʹi·tha cuʹmi”, izay, raha adika, dia hoe: “Ry zazavavy, hoy izaho aminao: Mitsangàna!” Ary avy hatrany dia nitsangana ilay ankizivavy ka nanomboka nandeha! Saika lasa adala noho ny haravoana be ny ray aman-dreniny nahita izany.

Rehefa avy nasainy nomena hanina ilay ankizy, dia nandidy an’i Jairo sy ny vadiny i Jesosy mba tsy hilazalaza tamin’iza na iza izay vao avy nitranga. Na dia izany aza anefa, dia niely nanerana io faritany io ilay resaka. Io no fananganana tamin’ny maty faharoa nataon’i Jesosy. Matio 9:18-26, MN; Marka 5:35-43, MN; Lioka 8:41-56, MN.

▪ Inona no vaovao voarain’i Jairo, ary tamin’ny ahoana no nampaherezan’i Jesosy azy?

▪ Toe-javatra nanao ahoana no hitan’izy ireo rehefa tonga tany an-tranon’i Jairo izy?

▪ Nahoana i Jesosy no nilaza fa natory fotsiny ilay ankizy maty?

▪ Iza avy ireo olona dimy niaraka tamin’i Jesosy nahita maso ilay fananganana tamin’ny maty?