Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Re fanintelony ny feon’Andriamanitra

Re fanintelony ny feon’Andriamanitra

Toko 104

Re fanintelony ny feon’Andriamanitra

FONY tao amin’ny tempoly i Jesosy dia fadiranovana mafy noho ny fahafatesana tsy maintsy hatrehiny tsy ho ela. Ny zavatra nahiny voalohany indrindra dia ny ho vokatr’izany teo amin’ny laza tsaran’ny Rainy, hany ka nivavaka izy hoe: “Ray ô, mankalazà ny anaranao.”

Tamin’izay, dia nisy feo mahery avy tany an-danitra nanambara hoe: “Efa nankalaza azy aho, sady hankalaza azy indray.”

Very hevitra ilay vahoaka nitsangana nanodidina. “Nisy anjely niteny taminy”, hoy ny sasany. Ny hafa nihevitra izany ho kotrokorana. Kanefa, raha ny marina, dia i Jehovah Andriamanitra no niteny! Tsy tamin’izay anefa no nandrenesana voalohany ny feon’Andriamanitra nifandray tamin’i Jesosy.

Tamin’ny batisan’i Jesosy, telo taona sy tapany talohan’izay, dia ren’i Jaona mapanao batisa Andriamanitra nilaza momba an’i Jesosy hoe: “Ity no Zanako malalako, izay sitrako.” Avy eo, fotoana fohy taorian’ilay Paska teo aloha, fony i Jesosy niova tarehy teo anoloan’i Jakoba sy i Jaona ary i Petera, dia nandre an’Andriamanitra nanambara toy izao izy ireo: “Ity no Zanako malalako, izay sitrako; mihainoa azy.” Ary fanintelony izao, tamin’ny 10 Nisana, na efatra andro talohan’ny hahafatesan’i Jesosy, dia ren’olona indray ny feon’Andriamanitra. Kanefa tamin’ity indray mandeha ity, i Jehovah dia niteny mba hahafahan’ny olona maro be nandre.

Nanazava toy izao i Jesosy: “Nitranga izany feo izany, tsy noho izaho akory, fa noho ianareo.” Izany dia nanome porofo fa tena Zanak’Andriamanitra, ilay Mesia nampanantenaina, tokoa i Jesosy. “Ankehitriny dia misy fitsarana an’izao tontolo izao”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, “ankehitriny ny andrianan’izao tontolo izao dia horoahina.” Ny fomba fiainan’i Jesosy nampiseho fahatokiana, raha ny tena izy, dia nanamarina fa mendrika ny “horoahina”, hovonoina, i Satana Devoly, ilay filohan’izao tontolo izao.

Nanondro ny ho vokatry ny fahafatesany nihananatona i Jesosy ka nilaza hoe: “Ary anefa izaho, raha asandratra hiala amin’ny tany, dia hitaona ny karazan’olona rehetra ho amiko.” Tsy faharesena velively ny fahafatesany, satria, amin’ny alalan’izany izy dia hitaona maro hafa ho aminy mba hahafahan’izy ireo hahazo fiainana mandrakizay.

Nefa nanohitra ny vahoaka hoe: “Renay tamin’ny Lalàna fa hitoetra mandrakizay ny Kristy; koa ahoana no ilazanao fa tsy maintsy hasandratra ny Zanak’olona? Iza moa izany Zanak’olona izany?”

Na dia teo aza ny porofo rehetra, anisan’izany ny fandrenesana ny feon’Andriamanitra mihitsy, ny ankamaroan’ny olona dia tsy nino fa i Jesosy no ilay tena Zanak’olona, ilay Mesia nampanantenaina. Kanefa, toy ny tamin’ny enim-bolana lasa, tamin’ny Andro Firavoravoana Tabernakely, dia niresaka ny tenany ho toy ny “fahazavana” indray i Jesosy ary nampirisika ny mpihaino azy toy izao: “Raha mbola manana ny fahazavana ianareo, dia manehoa finoana ny fahazavana mba ho tonga zanaky ny fahazavana.” Rehefa avy nilaza izany i Jesosy, dia lasa niery, niharihary fa noho ny ainy notandindomin-doza.

Ny tsy fananan’ny Jiosy finoana an’i Jesosy dia nahatanteraka ny tenin’i Isaia momba ‘ny mason’ny olona tonga jamba ary ny fony tonga mafy mba tsy hihodina izy ka ho sitrana’. Nahita tao amin’ny fahitana ny kianjan’i Jehovah any an-danitra i Isaia, anisan’izany i Jesosy tao amin’ny voninahiny talohan’ny naha-olombelona azy niaraka tamin’i Jehovah. Kanefa, ho fahatanterahan’izay nosoratan’i Isaia, ireo Jiosy dia nikiry nanda ny porofo fa izy io no ilay nampanantenaina fa ho Mpanafaka azy ireo.

Tetsy an-daniny kosa, dia maro na dia tamin’ireo mpanapaka (niharihary fa mpikambana tao amin’ny Synedriona, izany hoe ny fitsarana ambony jiosy) aza no tena nino an’i Jesosy tokoa. I Nikodemosy sy i Josefa avy tany Arimatia no roa tamin’ireo mpanapaka ireo. Tsy nanambara ny finoany anefa ireo mpanapaka ireo, fara faharatsiny tamin’io fotoana io, noho ny tahotra ny horoahina tamin’ny toerany tao amin’ny synagoga. Toy inona moa ny zavatra verin’izy ireo tamin’izany!

Nanohy ny teniny i Jesosy ka nanamarika hoe: “Izay mino ahy, dia mino, tsy izaho ihany, fa ilay naniraka ahy koa; ary izay mahita ahy dia mahita ilay naniraka ahy koa. (...) Fa na iza na iza mandre ny teniko, ka tsy mitandrina azy ireo, izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao aho, fa hamonjy izao tontolo izao. (...) Ny teny izay noteneniko no hitsara azy amin’ny andro farany.”

Nanosika an’i Jehovah haniraka an’i Jesosy ny fitiavany an’izao tontolo izaon’ny olombelona mba ho voavonjy izay mino azy. Ny haha-voavonjy ny olona dia hiankina amin’ny fankatoavany ireo zavatra nasain’Andriamanitra notenenin’i Jesosy. Hitranga “amin’ny andro farany”, mandritra ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy, ny fitsarana.

Namarana ny teniny toy izao i Jesosy: “Tsy niteny noho ny faniriako manokana aho, fa ny Ray, izay naniraka ahy, no nandidy ahy ny amin’izay holazaina sy hotenenina. Ary fantatro fa midika ho fiainana mandrakizay ny didiny. Noho izany, ireo zavatra teneniko, dia tena araka izay nilazan’ny Raiko izany tamiko no hitenenako azy ireo.” Jaona 12:28-50, MN; 19:38, 39; Matio 3:17, MN; 17:5, MN; Isaia 6:1, 8-10.

▪ Tao anatin’ny toe-javatra telo inona avy no nandrenesana ny feon’Andriamanitra niteny momba an’i Jesosy?

▪ Ahoana no nahitan’i Isaia mpaminany ny voninahitr’i Jesosy?

▪ Iza moa ireo mpanapaka izay nino an’i Jesosy, nefa nahoana izy ireo no tsy naneho an-karihary ny finoany azy?

▪ Inona moa ny “andro farany”, ary hifototra amin’inona no hitsarana ny olona amin’izay?