Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rehefa haharihary ny Zanak’olona

Rehefa haharihary ny Zanak’olona

Toko 93

Rehefa haharihary ny Zanak’olona

RAHA mbola tany avaratra (tany Samaria na tany Galilia) i Jesosy, dia nanontany azy momba ny fahatongavan’ilay Fanjakana ireo Fariseo. Nino izy ireo fa ho tonga amin’ny fisehosehoana sy fombafomba manetriketrika izy io, nefa hoy i Jesosy hoe: “Tsy ho tonga amin’ny fisehoana manaitra ny fanjakan’Andriamanitra, ary ny olona tsy hanao hoe: ‘Jereo eto!’ na ‘Erỳ!’ Fa, indro! ny fanjakan’Andriamanitra dia eo afovoanareo.”

Indraindray ny tenin’i Jesosy hoe “eo afovoanareo” dia nadika hoe “ao anatinareo”. Nisy nieritreritra àry fa te hilaza i Jesosy hoe manjaka ao am-pon’ireo mpanompon’Andriamanitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Mazava ho azy anefa fa tsy tao anatin’ny fon’ireo Fariseo tsy nino niresahan’i Jesosy ireo ny Fanjakan’Andriamanitra. Kanefa, teo afovoan’izy ireo izy io, satria ilay voatendry ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, izany hoe i Jesosy Kristy, dia teo amin’izy ireo indrindra.

Azo inoana fa taorian’ny nialan’ireo Fariseo no nanohizan’i Jesosy niresaka tamin’ny mpianany momba ny fahatongavan’ilay Fanjakana. Ny tena tao an-tsainy dia ny fanatrehany ho avy amin’ny fotoana hahazoany ny fahefana ao amin’ilay Fanjakana, rehefa nampitandrina toy izao izy: “Ny olona hilaza aminareo hoe: ‘Jereo erỳ!’ na ‘Jereo eto!’ Aza mivoaka hanaraka na hanenjika [ireny Mesia sandoka ireny]. Fa toy ny tselatra izay manazava, amin’ny alalan’ny helany, ny faritra iray ambanin’ny lanitra ka hatramin’ny faritra hafa ambanin’ny lanitra, dia ho toy izany koa ny Zanak’olona.” Nasehon’i Jesosy araka izany fa, tsy misy hafa amin’ny tselatra iray hita manerana ny faritra midadasika iray, dia ho hita mazava toy izany koa ny porofon’ny fanatrehany amin’ny fotoana hahazoany ny fahefana ao amin’ilay Fanjakana, ho an’izay rehetra maniry handinika izany.

Avy eo i Jesosy dia nanao fampitahana tamin’ny fisehoan-javatra tamin’ny lasa mba hampisehoana izay ho fihetsiky ny olona mandritra ny fanatrehany ho avy. Nanazava toy izao izy: “Ambonin’izany, tsy misy hafa amin’izay nitranga tamin’ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa amin’ny andron’ny Zanak’olona (...) Tsy misy hafa amin’izay nitranga tamin’ny andron’i Lota koa: nihinana izy ireo, nisotro, nividy, nivarotra, namboly, nanao trano. Nefa tamin’ny andro nivoahan’i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra. Ho toy izany koa amin’ny andro hampiharihariana ny Zanak’olona.”

Tsy nilaza akory i Jesosy fa ireo olona tamin’ny andron’i Noa sy tamin’ny andron’i Lota dia noringanina satria fotsiny izy ireo nanao ireo zavatra fanao ara-dalàna toy ny fihinanana, ny fisotroana, ny fividianana, ny fivarotana, ny fambolena ary ny fanaovan-trano. Na dia i Noa sy i Lota sy ny fianakavian’izy ireo aza dia nanao izany koa. Saingy ny hafa dia nanao ireo zavatra fanao andavanandro ireo, tsy nisy firaharahana ny sitrapon’Andriamanitra velively, ary izany no antony nandringanana azy. Noho izany antony izany koa no handringanana ny olona sasany rehefa haharihary i Kristy mandritra ny fahoriana lehibe hihatra amin’ity fandehan-javatra ity.

Nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny hanaovan-javatra haingana eo anoloan’ny porofon’ny fanatrehany ho avy amin’ny fotoana hahazoany ny fahefana ao amin’ilay Fanjakana i Jesosy ka nanampy teny hoe: “Amin’izany andro izany dia aoka izay eny an-tampon-trano, nefa ao an-trano ny entany, tsy hidina ka haka izany, ary izay any an-tsaha, aoka izy tsy hiverina toy izany koa ho any amin’ireo zavatra tavela any aoriana. Tadidio ny vadin’i Lota.”

Rehefa hiseho ny porofon’ny fanatrehan’i Kristy, ny olona dia tsy afaka hamela ny fifikirany amin’ny fananany ara-nofo hisakana azy tsy hanao zavatra haingana. Teo am-pivoahany avy tao Sodoma, dia toa niherika hijery tamin’alahelo ireo zavatra nilaozany ny vadin’i Lota, ka tonga andrin-tsira.

Nanohy ny filazalazany ny amin’ny tarehin-javatra mandritra ny fanatrehany ho avy i Jesosy ka nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Amin’izany alina izany, dia hisy roa lahy ao amin’ny fandriana iray; ny iray hoentina, fa ny iray kosa havela. Hisy roa vavy hitoto vary eo amin’ny milina fitotoana iray ihany; ny iray hoentina, fa ny iray kosa havela.”

Ny hoe hoentina dia mifanitsy amin’ny nidiran’i Noa sy ny fianakaviany tao amin’ilay sambo fiara sy amin’ny nitarihan’ilay anjely an’i Lota sy ny fianakaviany hivoaka avy tao Sodoma. Izany dia midika famonjena. Etsy an-daniny kosa, ny hoe havela dia midika fandringanana.

Teto ny mpianatra dia nanontany hoe: “Aiza, Tompo ô?”

“Izay misy ny tena, dia any koa no hiangonan’ny voromahery”, hoy i Jesosy namaly. Ireo “hoentina” ho amin’ny famonjena dia toy ny voromahery matsilo maso satria miangona ho eo amin’ny “tena” izy ireo. Ny tena dia manondro ilay Kristy marina amin’ny fanatrehany tsy hita maso amin’ny fotoana hahazoany ny fahefany ao amin’ilay Fanjakana ary koa ilay fanasana ara-panahy omen’i Jehovah. Lioka 17:20-37, MN; Genesisy 19:26, MN.

▪ Tamin’ny heviny ahoana moa ilay Fanjakana no teo afovoan’ireo Fariseo?

▪ Amin’ny ahoana moa ny fanatrehan’i Kristy no tahaka ny tselatra?

▪ Nahoana no hisy olona haringana noho ny zavatra hataony mandritra ny fanatrehan’i Kristy?

▪ Inona no dikan’ny hoe hoentina sy ny hoe havela?