Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rehefa nitsangana tamin’ny maty i Lazarosy

Rehefa nitsangana tamin’ny maty i Lazarosy

Toko 91

Rehefa nitsangana tamin’ny maty i Lazarosy

TONGA teo amin’ny fasam-pahatsiarovana nisy an’i Lazarosy izao i Jesosy mbamin’ireo niaraka taminy. Raha ny marina, izy io dia zohy nasiana vato teo amin’ny fidirana. “Alao teo ny vato”, hoy i Jesosy.

Nanohitra i Marta, satria mbola tsy takany izay nokasain’i Jesosy hatao. “Tompo ô”, hoy izy, “tsy maintsy efa maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.”

Nanontany anefa i Jesosy hoe: “Tsy nilaza taminao ve aho fa raha hino ianao, dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra?”

Nesorina àry ilay vato. Avy eo i Jesosy dia niandrandra ny lanitra ka nivavaka hoe: “Ray ô, misaotra anao aho noho ny fandrenesanao ahy. Marina fa efa fantatro fa mandre ahy foana ianao; fa niteny aho noho ny vahoaka mitsangana manodidina, mba hahafahany hino fa ianao no naniraka ahy.” Nivavaka ampahibemaso i Jesosy mba hahafantaran’ny olona fa izay nadiva hataony izao dia hotanterahiny noho ny hery azony avy tamin’Andriamanitra. Avy eo izy dia niantso tamin’ny feo avo hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha!”

Tamin’izay, dia nivoaka i Lazarosy. Mbola nifatotra tao amin’ireo lamba nandevenana azy ny tanany aman-tongony, sady voasaron-damba ny tavany. “Vahao izy ka avelao handeha”, hoy i Jesosy.

Rehefa nahita ilay fahagagana ny maro tamin’ireo Jiosy izay tonga mba hampionona an’i Maria sy i Marta, dia nino an’i Jesosy. Ny hafa kosa lasa nitantara izay nitranga tamin’ny Fariseo. Nanao fandaharana avy hatrany mba hisian’ny fivorian’ny Synedriona, dia ny fitsarana ambony jiosy, ireo mbamin’ny lohan’ny mpisorona.

Ny nahaforona ny Synedriona dia ny mpisoronabe tamin’izany, izany hoe i Kaiafa, ary koa Fariseo sy Sadoseo, lohan’ny mpisorona ary mpisoronabe teo aloha. Nilaza ny alahelony toy izao ireo: “Inona no hataontsika, fa manao famantarana maro be io lehilahy io? Raha avelantsika hanao toy izany hatrany izy, dia hino azy izy rehetra, ary ho avy ny Romana ka haka ny toerantsika sy ny firenentsika.”

Na dia niaiky aza ireo filoha ara-pivavahana fa “nanao famantarana maro be” i Jesosy, ny hany zavatra nahin’izy ireo dia ny toerana sy ny fahefan’ny tenany manokana. Famelezana mafy ho an’ny Sadoseo indrindra ny nananganana an’i Lazarosy, satria tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty izy ireo.

Nandray ny fitenena izao i Kaiafa, izay Sadoseo angamba, ka nanao hoe: “Tsy mahalala na inona na inona ianareo, na mahita akory fa hitondra soa ho anareo ny hahafatesan’ny lehilahy iray ho an’ny vahoaka fa tsy ny handringanana ny firenena manontolo.”

Andriamanitra no nanosika an’i Kaiafa hiteny izany, satria nanoratra toy izao ny apostoly Jaona tatỳ aoriana: “Izany, anefa, dia tsy notenenin’[i Kaiafa] araka ny fiheviny manokana.” Ny tian’i Kaiafa holazaina, raha ny marina, dia hoe tokony hovonoina i Jesosy mba hisakanana azy tsy hampihena bebe kokoa ihany ny fahefana sy ny herin’izy ireo. Kanefa, araka ny nosoratan’i Jaona, ‘i Kaiafa dia naminany fa tsy natao ho faty ho an’io firenena io ihany i Jesosy, fa mba hanangonana ireo zanak’Andriamanitra koa’. Ary tena fikasan’Andriamanitra tokoa ny hahafatesan’ny Zanany ho avotra ho an’ny rehetra.

Izao i Kaiafa dia nahavita nitaona ny Synedriona hanao tetika hamonoana an’i Jesosy. Niala teo anefa i Jesosy, angamba rehefa avy nandre ny amin’ireo tetika ireo avy tamin’i Nikodemosy, mpikambana iray tao amin’ny Synedriona izay tsara fanahy taminy. Jaona 11:38-54, MN.

▪ Nahoana i Jesosy no nivavaka ampahibemaso talohan’ny nananganany an’i Lazarosy tamin’ny maty?

▪ Nanao ahoana ny fihetsik’ireo izay nahita io fananganana tamin’ny maty io teo anoloan’izany?

▪ Inona no nampiharihary ny faharatsian’ireo mpikambana tao amin’ny Synedriona?

▪ Inona no fikasan’i Kaiafa, nefa nampiasain’Andriamanitra mba haminany ny amin’inona izy?