Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Samaritana iray tsara fanahy

Samaritana iray tsara fanahy

Toko 73

Samaritana iray tsara fanahy

ANGAMBA i Jesosy teo akaikin’i Betania, tanàna kely iray tokony ho 3 kilaometatra avy teo Jerosalema. Nisy lehilahy iray nahay tsara ny Lalàn’i Mosesy nanatona azy sady nanana fanontaniana nanao hoe: “Mpampianatra ô, amin’ny fanaovana inona no handovako fiainana mandrakizay?”

Tsapan’i Jesosy fa ilay lehilahy, izay mpahay lalàna, dia tsy nanontany izany mba hahazoana fanazavana fotsiny, fa satria naniry hitsapa azy kosa izy. Nety ho ny hanao izay hamalian’i Jesosy tamin’ny fomba hanafintohinana ny fihetsehampon’ireo Jiosy no zava-nokendren’ilay mpahay lalàna. Nanao izay hilazan’ilay mpahay lalàna ny heviny àry i Jesosy tamin’ny fanontaniana hoe: “Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana ny famakianao azy?”

Ho valin’izany, ilay mpahay lalàna dia nampiseho fahatakaran-javatra niavaka ka nanonona ny lalàn’Andriamanitra ao amin’ny Deoteronomia 6:5 sy Levitikosy 19:18 nanao hoe: “ ‘Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra’, ary ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’.”

“Marina ny navalinao”, hoy i Jesosy namaly. “Aza mitsahatra manao izany dia hahazo fiainana ianao.”

Tsy afa-po anefa ilay mpahay lalàna. Tsy hentitra tsara taminy ny valintenin’i Jesosy. Naniry hahazo fanamarinana avy tamin’i Jesosy izy fa marina ny fomba fiheviny ka, noho izany, dia nitondra ny hafa tamim-pahamarinana izy. Noho izany dia nanontany izy hoe: “Iza àry no tena namako?”

Nino ireo Jiosy fa ny teny hoe “namana” dia tsy nihatra afa-tsy tamin’ny Jiosy tahaka azy, araka ny toa lazain’ny teny manodidina ny Levitikosy 19:18. Raha ny tena izy, tatỳ aoriana dia nilaza mihitsy aza ny apostoly Petera hoe: “Ianareo mahafantatra tsara fa tsy araka ny lalàna mihitsy ny hiarahan’ny Jiosy iray amin’ny olona hafa firenena na hanatonany azy.” Nino àry ilay mpahay lalàna, ary ireo mpianatr’i Jesosy koa angamba, fa nanao zavatra tamim-pahamarinana izy raha tsy nitondra afa-tsy ny Jiosy tahaka azy tamin-katsaram-panahy, satria, teo imason’izy ireo, dia tsy tena namany ireo tsy Jiosy.

Ahoana no ahafahan’i Jesosy hanitsy ny fomba fihevitr’ireo mpihaino azy sady tsy hanafintohina azy ireo? Nilaza tantara iray izy, izay azo inoana fa nifototra tamin’ny zava-niseho tena nisy. “Nisy lehilahy [jiosy] iray”, hoy i Jesosy nanazava, “nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon’ny jiolahy, izay sady nanendaka ny akanjony no nikapoka azy ary nandeha ka nandao azy saiky maty.”

“Tamin’izay, dia nisy mpisorona sendra nandalo tamin’izany lalana izany”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, “nefa, rehefa nahita azy izy, dia nandalo azy teny am-pitan’ny lalana. Toy izany koa ny Levita iray, rehefa nidina hatreo amin’ny toerana nisy azy ka nahita azy, dia nandalo azy teny am-pitan’ny lalana. Fa nisy Samaritana iray kosa nandeha tamin’iny lalana iny ka tonga teo aminy ary, raha nahita azy izy, dia onena azy.”

Nisy mpisorona sy Levita mpanampy azy tao amin’ny tempoly maro nonina tany Jeriko, tany amin’ny 23 kilaometatra avy teo amin’ny tempoly tany Jerosalema nanompoany, teo amin’ny lalana nampidi-doza izay nidina hatrany amin’ny 900 metatra. Ho nampoizina hanampy Jiosy iray tahaka azy tra-pahoriana ilay mpisorona sy ilay Levita. Tsy nanao izany anefa izy ireo. Tsia, fa Samaritana iray kosa no nanao izany. Nankahala ny Samaritana aoka izany ny Jiosy hany ka, vao haingana, izy ireo dia nanompa an’i Jesosy tamin’ny fampiasana ny teny namely indrindra tamin’ny fiantsoany azy hoe “Samaritana”.

Inona no nataon’ilay Samaritana mba hanampiana ilay Jiosy? “Nanatona azy izy”, hoy i Jesosy, “ka namehy ireo feriny, sady nandraraka menaka sy divay teo amin’izy ireo. Avy eo dia nampitaingina azy teo amin’ny bibiny izy ka nitondra azy tany amin’ny tranom-bahiny iray ary nikarakara azy. Ary ny ampitson’iny izy dia nitondra denaria roa [tokony ho karama roa andro], nanome izany ny tompon’ny tranom-bahiny ary nanao taminy hoe: ‘Karakarao izy, ary izay laninao ankoatra ity, dia haloako aminao rehefa miverina aho’.”

Rehefa avy nilaza ilay tantara i Jesosy dia nanontany ilay mpahay lalàna hoe: “Iza amin’izy telo ireo no niseho ho naman’ilay lehilahy azon’ny jiolahy?”

Tsy nahazo aina loatra ilay mpahay lalàna hiaiky fa nanana toetra mendrika hoderaina ny Samaritana iray ka namaly fotsiny hoe: “Ilay nanao zavatra tamim-pangoraham-po taminy.”

“Mandehana àry ka manaova toy izany koa”, hoy i Jesosy namarana ny teniny.

Raha toa i Jesosy ka nilaza nivantana tamin’ilay mpahay lalàna fa namany koa ny tsy Jiosy, dia tsy vitan’ny hoe nety ho tsy nanaiky izany izy fa azo inoana koa fa ho niandany taminy tamin’io resaka nifanaovany tamin’i Jesosy io ny ankamaroan’ny mpihaino. Nampiharihary tamin’ny fomba tsy azo nolavina anefa io tantara nifanaraka tamin’ny zava-nisy io fa mahafaoka olona izay tsy mitovy firazanana na firenena amintsika ny namantsika. Endrey izany fomba nahagaga nampianaran’i Jesosy! Lioka 10:25-37, MN; Asan’ny apostoly As 10:28; Jaona 4:9, Jn 8:48.

▪ Inona avy no nanontanian’ilay mpahay lalàna tamin’i Jesosy, ary inona no niharihary fa nokendreny tamin’izany?

▪ Iza no noheverin’ny Jiosy fa namany, ary noho ny antony inona no azo inoana fa nanana izany fomba fihevitra izany koa ireo mpianatra?

▪ Tamin’ny fomba ahoana no nampitan’i Jesosy ny fomba fihevitra marina tamin’ilay mpahay lalàna mba tsy hahafahany hanohitra izany?