Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sitrana ny boka folo nandritra ny dian’i Jesosy farany tany Jerosalema

Sitrana ny boka folo nandritra ny dian’i Jesosy farany tany Jerosalema

Toko 92

Sitrana ny boka folo nandritra ny dian’i Jesosy farany tany Jerosalema

NATAON’I Jesosy izay tsy nahavanona ny fiezahan’ny Synedriona hamono azy, tamin’ny fandaozana an’i Jerosalema sy tamin’ny fandehanana tany amin’ny tanànan’i Efraima, angamba teo amin’ny 24 kilaometatra teo ho eo monja tany avaratra atsinanan’i Jerosalema. Nitoetra tao niaraka tamin’ny mpianany izy, lavitra an’ireo fahavalony.

Kanefa nanakaiky ny fotoan’ny Paska taona 33 am.fan.ir., ary tsy ela i Jesosy dia niainga indray. Nanao dia namakivaky an’i Samaria izy ka niakatra hatrany Galilia. Izany no fitsidihany farany an’io faritra io talohan’ny hahafatesany. Fony tao Galilia izy sy ny mpianany dia azo inoana fa tafaraka tamin’ny hafa izay teny an-dalana ho any Jerosalema mba hankalaza ny Paska. Nanaraka ny lalana namakivaky ny distrikan’i Pere, tany atsinanan’ny Onin’i Jordana, izy ireo.

Teo am-piandohan’ny diany, fony niditra ny tanàna kely iray tany Samaria na tany Galilia i Jesosy, dia nifanena tamin’ny lehilahy folo voan’ny habokana. Io aretina mahatsiravina io dia mikiky tsikelikely ny faritra samihafa amin’ny tenan’ilay olona — ny rantsantanany, ny rantsantongony, ny sofony, ny orony ary ny molony. Mba hiarovana ny hafa tsy ho voa koa, ny Lalàn’Andriamanitra dia nilaza toy izao momba ny boka iray: “Tokony hisarom-bava hatreo amin’ny volom-bavany ambony izy sady hiantsoantso hoe: ‘Maloto e, maloto e!’ Mandritra ny andro rehetra hamelezan’ny aretina azy dia haloto izy. (...) Tokony hitoetra mitokana izy.”

Nanaraka ireo fameperana nataon’ny Lalàna ho an’ny boka izy folo lahy ireo ka nijanona lavitra an’i Jesosy. Kanefa, niantso tamin’ny feo avo izy ireo hoe: “Jesosy ô, Mpampianatra ô, mamindrà fo aminay!”

Raha nahita azy ireo teny lavitra i Jesosy dia nandidy azy toy izao: “Mandehana ka misehoa amin’ireo mpisorona.” Nilaza izany i Jesosy satria ny Lalàn’Andriamanitra dia nanome lalana ny mpisorona hanambara ho madio ireo boka sitrana tamin’ny aretiny. Nomena tamin’izany fomba izany ny fahazoana hiara-miaina indray tamin’ireo olona salama ny olona toy izany.

Natoky ny herin’i Jesosy hanao fahagagana ireo boka folo lahy. Koa, na dia mbola tsy sitrana akory aza izy ireo, dia lasa haingana hijery ireo mpisorona. Teny an-dalana, dia novalian-tsoa ny finoany an’i Jesosy. Nanomboka hitany sy tsapany fa niverina taminy indray ny fahasalamany!

Nanohy ny diany ny sivy tamin’ireo boka nodiovina, fa ilay fahafolo kosa, Samaritana iray, dia niverina mba hitady an’i Jesosy. Fa nahoana? Satria velom-pankasitrahana aoka izany izy noho izay nitranga taminy. Nidera an’Andriamanitra tamin’ny feo avo izy, ary rehefa nahita an’i Jesosy dia nianjera teo an-tongony sady nisaotra azy.

Ho valin’izany, dia hoy i Jesosy: “Nodiovina avokoa izy folo lahy, sa tsy izany? Koa aiza àry ny sivy hafa? Tsy nisy niverina mba hankalaza an’Andriamanitra ve afa-tsy ity lehilahy hafa firenena ity?”

Avy eo dia nilaza tamin’ilay Samaritana izy hoe: “Mitsangàna ary mandehana; ny finoanao no nahasitrana anao.”

Rehefa mamaky momba ny nanasitranan’i Jesosy ireo boka folo lahy isika, dia tokony handray am-po ilay fianarana tiany holazaina tamin’ilay fanontaniana hoe: “Koa aiza àry ny sivy hafa?” Ny tsy fahaizana mankasitraka nasehon’ireo boka sivy dia fahadisoana lehibe. Hiseho ho velom-pankasitrahana tahaka ilay Samaritana ve isika, noho ireo zavatra raisintsika avy amin’Andriamanitra, anisan’izany ny fampanantenana azo antoka ny amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolon’Andriamanitra vaovao sy marina? Jaona 11:54, 55; Lioka 17:11-19, MN; Levitikosy 13:16, 17, 45, 46; Apokalypsy 21:3, 4.

▪ Tamin’ny fomba ahoana no nanaovan’i Jesosy izay tsy hahavanona ireo fiezahana hamono azy?

▪ Nanao dia ho aiza i Jesosy nanaraka izany, ary taiza no tiany haleha?

▪ Nahoana ireo boka no nijanona lavitra ny hafa, ary nahoana i Jesosy no nilaza taminy mba ho any amin’ireo mpisorona?

▪ Inona no fianarana tokony hotsoahintsika avy amin’io zava-nitranga io?