Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sitrana ny zazalahy iray azon’ny demonia

Sitrana ny zazalahy iray azon’ny demonia

Toko 61

Sitrana ny zazalahy iray azon’ny demonia

NANDRITRA ny tsy naha-teo an’i Jesosy sy i Petera ary i Jakoba sy i Jaona, azo inoana fa teo amin’ny tampon-kavoana iray teo amin’ny Tendrombohitra Hermona no nisy azy, dia nahita zava-nanahirana ireo mpianatra hafa. Rehefa tafaverina i Jesosy dia nahita avy hatrany fa nisy zavatra tsy nety. Nisy vahoaka nitangorona teo amin’ireo mpianany, ary nifanditra taminy ireo mpanora-dalàna. Raha nahita an’i Jesosy ny olona dia gaga aoka izany ka nihazakazaka hiarahaba azy. “Inona no ifamalianareo aminy?”, hoy izy nanontany.

Nisy lehilahy iray nivoaka avy teo amin’ny vahoaka, nandohalika teo anoloan’i Jesosy ary nanazava hoe: “Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ aminao ny zanako lahy satria misy fanahy moana ao aminy; ary na aiza na aiza no ahazoany azy dia atontany amin’ny tany izy, ary dia mandoa vory sy mikitro-nify ary tsy manan-kery mihitsy. Ary niteny tamin’ny mpianatrao aho mba hamoaka azy, fa tsy vitan’izy ireo.”

Toa nanararaotra araka izay azony natao ny tsy nahasitranan’ny mpianatra ilay zazalahy ireo mpanora-dalàna, angamba tamin’ny fanesoana ny fiezahan’izy ireo. Tamin’izay fotoana sarotra izay indrindra i Jesosy no tonga. “Ry taranaka tsy manam-pinoana”, hoy izy, “mandra-pahoviana no tsy maintsy hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no tsy maintsy hiaretako ny ataonareo?”

Toa nataon’i Jesosy ho an’ny rehetra teo ireo fanamarihany ireo, nefa tsy isalasalana fa navantany manokana tamin’ireo mpanora-dalàna, izay nitondra fahasahiranana ho an’ny mpianany, izany. Nanaraka izany, dia hoy i Jesosy momba ilay zazalahy: “Ento etỳ amiko izy.” Kanefa raha nanatona an’i Jesosy ilay zazalahy, dia nandavo azy tamin’ny tany ilay demonia nahazo azy ka nampifanintontsintona azy mafy. Nivadibadika tamin’ny tany ilay zazalahy sady nandoa vory.

“Efa hafiriana izay no nitrangan’izao taminy?”, hoy i Jesosy nanontany.

“Hatramin’ny fahazazany”, hoy ny navalin’ny rainy. “Indraindray dia atsipin’[ilay demonia] ao anaty afo sy ao anaty rano izy mba handringanana azy.” Avy eo dia niangavy toy izao ilay rainy: “Raha misy azonao atao, dia mbà onena anay re ianao ary ampio izahay.”

Efa an-taonany maro angamba izay no nitadiavan’ilay ray fanampiana. Ary izao, teo anoloan’ny tsy fahombiazan’ny mpianatr’i Jesosy, dia lehibe aoka izany ny famoizam-pony. Nandray indray ny fiangaviana feno fahakiviana nataon’ilay lehilahy i Jesosy ka nanao izao teny feno fampaherezana izao: “Izany fitenenana hoe: ‘Raha azonao atao’ izany! Ny zavatra rehetra dia azon’ny olona iray atao, raha manam-pinoana izy.”

“Manam-pinoana aho!”, hoy ny fihiakan’ilay ray avy hatrany, nefa niangavy mafy izy hoe: “Ampio aho eo amin’izay ilàko finoana!”

Nahamarika ny vahoaka niara-nihazakazaka nanatona azy ireo i Jesosy ka niteny mafy an’ilay demonia hoe: “Ry demonia moana sy marenina, mandidy anao aho: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony.” Teo am-pialana ilay demonia dia mbola nampihiaka sy nampifanintontsintona be azy indray. Avy eo, dia nitsotra tsy nihetsika teo amin’ny tany ilay zazalahy, hany ka nanomboka niteny ny ankamaroan’ny olona hoe: “Maty izy!” Nandray ilay zazalahy tamin’ny tanany anefa i Jesosy, dia nitsangana izy.

Taloha kokoa, rehefa nirahina mba handeha hitory ireo mpianatra, dia efa namoaka demonia. Ankehitriny àry, rehefa tafiditra tao amin’ny trano iray izy ireo dia nanontany mangingina an’i Jesosy hoe: “Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy?”

Nasehon’i Jesosy fa ny tsy fahampiam-pinoan’izy ireo no antony rehefa namaly izy hoe: “Iny karazana iny tsy azo avoaka na amin’inona na amin’inona afa-tsy amin’ny alalan’ny vavaka.” Miharihary fa nitaky fiomanana ny famoahana ilay demonia nanana hery niavaka tamin’ity tarehin-javatra ity. Nilaina ny finoana mafy orina sy ny vavaka fangatahana fanampiana sy hery avy amin’Andriamanitra.

Ary avy eo dia nanampy teny toy izao i Jesosy: “Milaza aminareo marina tokoa aho: Raha manana finoana mitovy habe amin’ny an’ny voan-tsinapy ianareo, dia hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: ‘Mifindrà erỳ’, dia hifindra izy, ary tsy hisy tsy ho azonareo atao.” Hery toy inona moa no mety hananan’ny finoana!

Mety ho toa tsy azo ihoarana sady tsy azo hetsehina toy ny tendrombohitra goavana ara-bakiteny iray ireo vato misakana sy zava-tsarotra manakana ny fandrosoana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Kanefa i Jesosy dia nampiseho fa, raha mamboly finoana ao am-pontsika isika, ka manondraka azy io sy mampirisika azy hitombo, dia hivelatra hahatratra ny fahamasahana izy io ary hahatonga antsika handresy ireo vato misakana sy zava-tsarotra oharina amin’ny tendrombohitra. Marka 9:14-29, MN; Matio 17:19, 20, MN; Lioka 9:37-43, MN.

▪ Tarehin-javatra inona no hitan’i Jesosy rehefa niverina avy teny amin’ny Tendrombohitra Hermona izy?

▪ Fampaherezana inona no nomen’i Jesosy ny rain’ilay zazalahy azon’ny demonia?

▪ Nahoana ireo mpianatra no tsy afaka namoaka ilay demonia?

▪ Hery toy inona moa no mety hananan’ny finoana, araka ny nasehon’i Jesosy?