Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tamin’ny Andro Firavoravoana Tabernakely

Tamin’ny Andro Firavoravoana Tabernakely

Toko 66

Tamin’ny Andro Firavoravoana Tabernakely

NANJARY nalaza i Jesosy nandritra ireo telo taona latsaka kely nanaraka ny batisany. Nisy olona an’arivony maro nahita ireo fahagagana nataony, ary niely nanerana ilay tany ny fitantarana ny amin’ny zavatra nataony. Izao, rehefa tafangona ho amin’ny Andro Firavoravoana Tabernakely tao Jerosalema ny olona dia nitady azy tao. “Aiza izany lehilahy izany?”, hoy izy ireo ta hahafantatra.

Nanjary fototry ny fiadian-kevitra i Jesosy. “Olona tsara fanahy izy”, hoy ny sasany. “Tsia, fa mamitaka ny vahoaka izy”, hoy ny nambaran’ny hafa. Nisy takoritsika maro toy izany nandritra ireo andro voalohan’ny firavoravoana. Tsy nisy nanana herim-po hilaza zavatra ho fanohanana an’i Jesosy ampahibemaso anefa. Ny antony dia noho ny fahatahoran’ny olona ny valy faty avy tamin’ireo filoha jiosy.

Rehefa nisasaka ilay andro firavoravoana dia tonga i Jesosy. Niakatra tany amin’ny tempoly izy, ary talanjona ny olona tao noho ny fahaizany nampianatra nahagaga. Koa satria i Jesosy tsy mba nianatra tany amin’ireo sekoly rabinika, dia nanontany tena ireo Jiosy hoe: “Ahoana no ahaizan’io lehilahy io soratra, nefa tsy nianatra tany an-tsekoly akory izy?”

“Tsy ahy ny fampianarako”, hoy ny fanazavan’i Jesosy, “fa an’ilay naniraka ahy. Raha misy olona maniry hanao ny Sitrapony, dia hahafantatra ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’Andriamanitra izany na miteny araka ny hevitro manokana aho.” Nifikitra akaiky tamin’ny lalàn’Andriamanitra ny fampianaran’i Jesosy. Noho izany, dia tokony hiharihary fa nitady ny voninahitr’Andriamanitra izy fa tsy ny an’ny tenany. “Nanome anareo ny Lalàna i Mosesy, sa tsy izany?”, hoy i Jesosy nanontany. Ary, ho fitenenana mafy azy ireo, dia hoy izy hoe: “Tsy misy na dia iray aza eo aminareo mankatò ny Lalàna.”

“Nahoana ianareo no mitady hamono ahy?”, hoy i Jesosy nanontany avy eo.

Tsy fantatr’ireo olona teo amin’ilay vahoaka, izay azo inoana fa mpitsidika hamonjy ny andro firavoravoana, fa nisy fitadiavana hanao izany. Noheverin’izy ireo ho tsy azo saintsainina ny hisian’ny olona haniry hamono mpampianatra nahatalanjona toy izany. Nino àry izy ireo fa tsy maintsy nisy zavatra tsy nety tamin’i Jesosy matoa izy nanana izany eritreritra izany. “Manana demonia ianao”, hoy izy ireo. “Iza no mitady hamono anao?”

Naniry hamono an’i Jesosy ireo filoha jiosy, na dia nety ho tsy tsapan’ny vahoaka aza izany. Rehefa nanasitrana lehilahy iray tamin’ny Sabata i Jesosy, herintaona sy tapany talohan’izay, dia nanandrana ny hamono azy ireo filoha ireo. Izao àry i Jesosy dia nampiseho mazava ny tsy fananan’izy ireo fisainana ara-dalàna tamin’ny fanontaniana azy hoe: “Raha misy olona forana amin’ny andro sabata mba tsy handikana ny lalàn’i Mosesy, dia tezitra mafy amiko ve ianareo satria nahasitrana tanteraka lehilahy iray tamin’ny andro sabata aho? Aza mitsara araka ny miseho ivelany intsony ianareo, fa mitsarà amin’ny fitsarana marina.”

Izao ireo mponin’i Jerosalema, izay nahafantatra ny amin’ilay tarehin-javatra, dia nanao hoe: “Io ilay lehilahy tadiavin’izy ireo hovonoina, sa tsy izany? Ary anefa, jereo! miteny ampahibemaso izy, ary tsy milaza na inona na inona aminy izy ireo. Nanjary nahafantatra marina tokoa ve ireo filoha fa ny Kristy izy io?” Nanazava toy izao ny antony tsy ninoany an’i Jesosy ho ny Kristy ireo mponin’i Jerosalema ireo: “Fantatsika ny niavian’io lehilahy io; nefa rehefa tonga ny Kristy, dia tsy hisy hahafantatra hoe avy aiza izy.”

Namaly toy izao i Jesosy: “Sady mahafantatra ahy no mahafantatra ny niaviako ianareo. Ary koa, tsy tonga noho ny fanapahan-kevitro manokana aho, fa tena misy ilay naniraka ahy, ary ianareo tsy mahafantatra azy. Izaho mahafantatra azy, satria misolo tena azy aho, ary Izy naniraka ahy.” Tamin’izay, dia nitady hisambotra azy izy ireo, angamba mba hanao azy an-tranomaizina na hampamono azy. Kanefa tsy nahomby izy satria mbola tsy tonga ny fotoana hahafatesan’i Jesosy.

Na dia izany aza, dia nisy olona maro nino an’i Jesosy, araka ny tokony ho izy. Tsy namindra teo ambonin’ny rano tokoa ve izy, nampitony rivo-mahery, nampitsahatra ranomasina azon’ny tafiodrivotra, namahana olona an’arivony maro tamin’ny fomba mahagaga avy tamin’ny mofo sy hazandrano vitsivitsy, nanasitrana ny narary, nampandeha ny nandringa, nampahiratra ny mason’ny jamba, nanasitrana ny boka ary nanangana ny maty mihitsy aza? Koa nanontany àry izy ireo hoe: “Rehefa tonga ny Kristy, dia tsy hanao famantarana mihoatra noho izay nataon’io lehilahy io izy, sa tsy izany?”

Rehefa nahare ny vahoaka nitakoritsika izany zavatra izany ny Fariseo, dia naniraka mpanao raharaha mba hisambotra azy izy sy ny mpisoronabe. Jaona 7:11-32, MN.

▪ Oviana i Jesosy no tonga tao amin’ilay andro firavoravoana, ary inona no nolazain’ny olona momba azy?

▪ Inona no nety ho antony nilazan’ny sasany fa nanana demonia i Jesosy?

▪ Inona no fomba fihevitr’ireo mponin’i Jerosalema momba an’i Jesosy?

▪ Nahoana no nisy olona maro nino an’i Jesosy?