Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tany Betania, tao an-tranon’i Simona

Tany Betania, tao an-tranon’i Simona

Toko 101

Tany Betania, tao an-tranon’i Simona

REHEFA nandao an’i Jeriko i Jesosy dia nankany Betania. Koa satria fiakarana nisy 19 kilaometatra teo ho eo sady nikitoantoana ny lalana, dia naharitra efa ho iray andro manontolo ilay dia. Tokony ho 250 metatra ambanin’ny fanambonin’ny ranomasina no misy an’i Jeriko, ary i Betania tokony ho 760 metatra ambonin’ny fanambonin’ny ranomasina. Tsaroanao angamba fa tany Betania no nipetraka i Lazarosy sy ny anabaviny. Tokony ho telo kilaometatra avy eo Jerosalema, eo amin’ny ilany atsinanan’ny tendrombohitra Oliva, no misy io tanàna kely io.

Efa nisy olona maro tonga tao Jerosalema hankalaza ny Paska. Tonga aloha be izy ireo mba hidio araka ny fombafomba. Angamba nahakasika faty izy, na nanao zavatra hafa izay nahatonga azy haloto. Nanaraka ireo toromarika fidiovana àry izy mba hahafahany hankalaza ny Paska tamin’ny fomba azo nekena. Niangona teo amin’ny tempoly ireo olona tonga aloha ireo, ary maro no nanontany tena raha ho tonga amin’ny Paska i Jesosy na tsia.

Toerana mora nipoiran’ny fiadian-kevitra momba an’i Jesosy i Jerosalema. Fanta-bahoaka ny fanirian’ireo filoha ara-pivavahana haka azy an-keriny mba hamonoana azy. Nanome baiko mihitsy aza izy ireo hoe na iza na iza nahalala ny toerana nisy an’i Jesosy, dia tsy maintsy nilaza izany tany amin’izy ireo. Intelo izao, tao anatin’ireo volana faramparany — tamin’ny Andro Firavoravoana Tabernakely, tamin’ny Andro Firavoravoana Fitokanana, ary taorian’ny nananganany an’i Lazarosy tamin’ny maty — no nanandraman’ireo filoha ara-pivavahana ireo namono azy. Koa nanontany tena àry ny olona hoe: mbola hiseho ampahibemaso indray ve i Jesosy? “Ahoana no hevitrareo?”, hoy izy ireo nifanontany.

Nandritra izany fotoana izany, henemana talohan’ny Paska izay nifanitsy tamin’ny 14 Nisana araka ny fitadidianandro Jiosy, dia tonga tany Betania i Jesosy. Tonga tao ny zoma hariva izy, izany hoe tamin’ny fiandohan’ny 8 Nisana. Tsy ho afaka nanao io dia io ny asabotsy izy satria noferan’ny lalàna jiosy ny fanaovana dia tamin’ny Sabata — nanomboka ny zoma maty masoandro ka hatramin’ny asabotsy maty masoandro. Azo inoana fa nankany amin’ny tranon’i Lazarosy mba handany ny alin’ny zoma tany, toy nataony taloha, i Jesosy.

Nisy mponin’i Betania hafa anefa nanasa an’i Jesosy sy ny namany hisakafo ny asabotsy hariva. Izany lehilahy izany dia i Simona, boka taloha izay nositranin’i Jesosy angamba fotoana fohy talohan’izay. Nifanaraka tamin’ny toetrany mazoto miasa, i Marta dia nitondra ny fanampiany ho an’ireo nasaina. I Maria kosa, toy ny nahazatra, dia nihaino an’i Jesosy tamim-pitandremana, nefa tamin’ity indray mandeha ity, dia tamin’ny fomba niteraka fiadian-kevitra.

Nanokatra tavoara alabastara, na tavoahangy kely, iray nisy menaka manitra, “tena narda marina”, tokony ho antsasa-kilao izy. Zavatra tena sarobidy izy io. Nifanitsy tamin’ny karama herintaona teo ho eo tokoa ny vidiny! Rehefa nandraraka ilay menaka tamin’ny loha sy ny tongotr’i Jesosy i Maria, ka namafa ny tongony tamin’ny volony, dia nameno ny trano ilay hanitra namerovero.

Tezitra ireo mpianatra ka nanontany hoe: “Inona no anton’izao fandaniam-poana izao?” Avy eo dia hoy i Jodasy: “Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny mahantra?” Tsy dia tena niahy ny mahantra akory anefa i Jodasy, satria hatramin’ny fotoana kelikely izay, dia nangalatra avy tao amin’ny fitoeram-bola nohazonin’ireo mpianatra izy.

Niaro an’i Maria i Jesosy. “Avelao izy”, hoy ny fandidiany. “Nahoana ianareo no mitady hanome fahasahiranana azy? Nanao asa tsara dia tsara tamiko izy. Fa ianareo dia manana ny mahantra hiaraka aminareo foana, ary na oviana na oviana tianareo hanaovana soa amin’izy ireo, dia mahazo manao izany foana ianareo, fa izaho kosa tsy hanananareo foana. Nanao izay azony natao izy; nataony mialoha ny fanosorana menaka manitra ny tenako ho fanomanana ny fandevenana ahy. Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin’izao tontolo izao hitoriana ny vaovao tsara, dia holazaina koa izao nataon’ity vehivavy ity izao mba ho fahatsiarovana azy.”

Efa maherin’ny 24 ora izao ny naha-tao Betania an’i Jesosy, ary niely ny teny fa hoe tao izy. Noho izany, dia nisy olona maro tonga teo amin’ny tranon’i Simona mba hijery an’i Jesosy, nefa tonga teo koa izy ireo mba hijery an’i Lazarosy, izay tao koa. Niara-nisaina àry ireo lohan’ny mpisorona mba hamonoana, tsy an’i Jesosy ihany, fa an’i Lazarosy koa. Ny anton’izany dia noho ireo olona maro nino an’i Jesosy rehefa avy nahita fa velona tokoa ilay natsangany tamin’ny maty! Marina tokoa fa tena ratsy ireo filoha ara-pivavahana ireo! Jaona 11:55 ka hatramin’ny 12:11, MN; Matio 26:6-13, MN; Marka 14:3-9, MN; Asan’ny apostoly As 1:12.

▪ Inona no resaka nifanaovan’ny olona teo amin’ny tempoly tany Jerosalema, ary nahoana?

▪ Nahoana no tsy maintsy ho ny zoma, fa tsy ny asabotsy, i Jesosy no tonga tao Betania?

▪ Rehefa tonga tao Betania i Jesosy, dia azo inoana fa taiza izy no nandany ny Sabata?

▪ Fihetsik’i Maria inona no niteraka fiadian-kevitra, ary ahoana no niarovan’i Jesosy azy?

▪ Inona no nampiseho ny faharatsiana lehiben’ireo lohan’ny mpisorona?