Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tao amin’ny synagogan’ilay tanàna niaviany

Tao amin’ny synagogan’ilay tanàna niaviany

Toko 21

Tao amin’ny synagogan’ilay tanàna niaviany

TSY isalasalana fa nisy fahataitairana be tao Nazareta rehefa niverina tany i Jesosy. Talohan’ny nialany tao mba hataon’i Jaona batisa, herintaona mahery kely lasa izay, dia fantatra ho toy ny mpandrafitra i Jesosy. Izao, anefa, hatraiza hatraiza izy dia fantatra ho toy ny mpanao fahagagana. May ny hahita azy hanao sasantsasany tamin’ireny asa nahagaga ireny teo anivony ny mponina tao.

Nitombo ny fanantenan’izy ireo rehefa nankany amin’ny synagoga teo an-toerana araka ny fanaony i Jesosy. Nandritra ny fotoam-pivavahana, dia nitsangana mba hamaky teny izy ka nomena azy ny horonam-bokin’i Isaia mpaminany. Hitany ilay toerana nisy firesahana ny amin’Ilay voahosotry ny fanahin’i Jehovah, izay ao amin’ny toko faha-61 ao amin’io boky io ao amin’ny Baibolintsika amin’izao andro izao.

Rehefa avy namaky ny amin’Ilay hitory fanafahana ho an’ny mpifatotra, fampahiratana ho an’ny jamba, ary ny amin’ny taona ankasitrahan’i Jehovah, i Jesosy dia naveriny tamin’ny mpanao raharaha ilay horonam-boky ary nipetraka izy. Nibanjina azy ny maso rehetra. Avy eo izy dia niteny, azo inoana fa naharitra, ka nanazava hoe: “Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.”

Talanjona noho ny “teny nahafinaritra” nataony ny olona ary nifampiresaka hoe: “Tsy zanak’i Josefa ve ity?” Nefa fantatr’i Jesosy fa tian’izy ireo ny hahita azy manao fahagagana, ka nanampy teny toy izao izy: “Hataonareo amiko tokoa izao fanoharana izao hoe: ‘Ry mpitsabo, sitrano ny tenanao; ny zavatra renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin’ny faritaninao koa’.” Niharihary fa ireo mpiray tanàna tamin’i Jesosy taloha dia nihevitra fa tokony ho nanomboka tao amin’ny faritaniny ny fanaovany fanasitranana ho tombontsoan’ireo mpiray fiaviana taminy aloha. Nihevitra àry izy ireo fa toy ny nataon’i Jesosy tsinontsinona.

Tsapan’i Jesosy ny eritreriny ka nilaza zava-nitranga ara-tantara azo nampiharina tamin’izy ireo izy. Nisy vehivavy mpitondratena maro teo amin’ny Isiraely tamin’ny andron’i Elia, hoy ny nomarihiny, kanefa tsy nirahina ho any amin’iza na iza taminy i Elia. Nankany amin’ny vehivavy mpitondratena tsy isiraelita iray tany Sidona kosa izy, ary nanao fahagagana tany ho famonjena azy. Toy izany koa, tamin’ny andron’i Elisa dia nisy boka maro, fa tsy nanadio afa-tsy i Namana avy tany Syria i Elisa.

Tezitra noho izany fampitahana azy tamin’izay niseho teo amin’ny tantara izany ireo tao amin’ny synagoga, satria tsy nampiseho azy tamin’ny fomba tsara fa nampiharihary ny fitiavan-tenany sy ny tsy fahampiam-pinoany izy io, hany ka nitsangana izy ireo ary nanosika an’i Jesosy ho any ivelan’ny tanàna. Tany, teo an-tampon’ilay tendrombohitra niorenan’ny tanànan’i Nazareta, dia nanandrana nanjera azy avy teo amin’ny sisiny izy ireo. Afa-niala tamin’ny fihazonan’izy ireo anefa i Jesosy ka nandositra tsy naninon-tsy naninona. Lioka 4:16-30, MN; 1 Mpanjaka 17:8-16; 2 Mpanjaka 5:8-14.

▪ Nahoana no nisy fahataitairana be tao Nazareta?

▪ Nanao ahoana ny fiheveran’ny olona ny lahateny nataon’i Jesosy, nefa avy eo dia inona no nahatezitra azy ireo mafy?

▪ Inona no nandraman’ny olona natao tamin’i Jesosy?