Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Teo amin’ny Ranomasin’i Galilia

Teo amin’ny Ranomasin’i Galilia

Toko 130

Teo amin’ny ranomasin’i Galilia

NIVERINA nankany Galilia izao ireo apostoly, araka ny baiko nomen’i Jesosy azy. Tsy azony antoka anefa izay tokony hataony tany. Rehefa afaka kelikely, dia hoy i Petera tamin’i Tomasy, i Natanaela, i Jakoba sy i Jaona rahalahiny ary ny apostoly roa hafa: “Handeha hanjono aho.”

“Handeha hiaraka aminao koa izahay”, hoy ny navalin’izy enina mirahalahy.

Nandritra ny alina manontolo, dia tsy nahazo na inona na inona izy ireo. Nony efa hazava anefa ny andro, dia niseho teo amin’ny torapasika i Jesosy, fa tsy fantatry ny apostoly hoe i Jesosy io. Nikiakiaka izy hoe: “Tsy manan-kanina ianareo, anaka, sa tsy izany?”

“Tsia!”, hoy ny navalin’izy ireo nikiakiaka koa avy teny ambonin’ny rano.

“Alatsaho eo amin’ny sisiny havanan’ny sambokely ny haratonareo, dia hahazo ianareo”, hoy izy. Ary rehefa avy nanao izany izy ireo, dia tsy zakany nakarina ny haratony noho ireo hazandrano rehetra.

“Ny Tompo io!”, hoy i Jaona nihiaka.

Raha vao nahare izany i Petera dia nisikina ny akanjony ivelany, fa nanala akanjo izy, ary niroboka tao amin’ny ranomasina. Avy eo dia nilomano tokony ho 90 metatra teo ho eo nankeny amin’ny moron-drano izy. Nanaraka tao amin’ilay sambokely ireo apostoly hafa, nisarika ilay harato feno hazandrano.

Rehefa tonga teo amoron-drano izy ireo, dia nisy afon’arina teo sy hazandrano teo amboniny ary mofo. “Mitondrà hazandrano avy amin’ireo vao azonareo teo”, hoy i Jesosy. Niakatra an-tsambo i Petera ary nisarika ilay harato teo amoron-drano. Nisy hazandrano lehibe 153 tao anatiny!

“Avia hisakafo maraina”, hoy i Jesosy nanasa azy ireo.

Tsy nisy sahy nanontany hoe: “Iza moa ianao?”, satria fantatr’izy rehetra fa i Jesosy io. Izany no fisehoany fanimpitony taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, ary ny fisehoany fanintelony tamin’ny fitambaran’ireo apostoly. Nanolotra ny sakafo maraina izy izao, ka nomeny mofo sy hazandrano ny tsirairay.

Rehefa avy nisakafo izy ireo, dia azo inoana fa nitodika tany amin’ireo hazandrano maro be vao azo i Jesosy ka nanontany an’i Petera hoe: “Simona, zanak’i Jaona, tianao mihoatra noho ireto ve aho?” Tsy isalasalana fa ny tiany holazaina dia hoe: Miraiki-po amin’ny raharahan’ny mpanjono mihoatra noho ny amin’ny asa nomaniko hataonao ve ianao?

“Ianao mahalala fa tia anao aho”, hoy ny valintenin’i Petera.

“Fahano àry ireo zanak’ondriko”, hoy ny navalin’i Jesosy.

Hoy indray izy taminy fanindroany: “Simona, zanak’i Jaona, tia ahy ve ianao?”

“Eny, Tompo ô, ianao mahalala fa manana firaiketam-po aminao aho”, hoy i Petera namaly.

“Andraso àry ny ondry keliko”, hoy indray ny baikon’i Jesosy.

Dia hoy indray izy nanontany fanintelony: “Simona, zanak’i Jaona, manana firaiketam-po amiko ve ianao?”

Izao i Petera dia nalahelo. Nety ho nanontany tena izy raha nisalasala ny amin’ny fahatokiany i Jesosy. Rehefa dinihina tokoa, fony notsaraina raha hovonoina na tsia i Jesosy tsy ela talohan’izay, dia nanda azy intelo i Petera. Hoy àry i Petera taminy: “Tompo ô, ianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa manana firaiketam-po aminao aho.”

“Fahano àry ny ondry keliko”, hoy ny baikon’i Jesosy fanintelony.

Nampiasa an’i Petera araka izany i Jesosy ho toy ny fitaovana hanasoritana tamin’ireo hafa ilay asa tiany hataon’izy ireo. Handao ny tany tsy ho ela izy, ary naniry ny hanomezan’izy ireo ny ohatra eo amin’ny fanampiana ireo izay hotarihina ho ao amin’ny valan’ondrin’Andriamanitra.

Tsy misy hafa amin’ny namatorana an’i Jesosy sy ny namonoana azy noho ny nanaovany ilay asa nanendren’Andriamanitra azy hataony, dia ho toy izany koa, hoy ny naharihariny izao, fa handia zavatra hitovy amin’izany i Petera. “Fony ianao tanora kokoa”, hoy i Jesosy taminy, “dia nisikina ka nandeha tamin’izay tianao. Rehefa antitra kosa ianao, dia haninjitra ny tananao, ary olon-kafa no hanikina anao sy hitondra anao amin’izay tsy tianao.” Na dia teo aza ny fahafatesana ho martiora niandry an’i Petera, dia nampirisika azy toy izao i Jesosy: “Manaraha ahy hatrany.”

Raha nitodika i Petera, dia nahita an’i Jaona ka nanontany hoe: “Tompo ô, inona no hataon’ity lehilahy ity?”

“Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko”, hoy i Jesosy namaly, “mahakasika anao angaha izany? Fa ianao, manaraha ahy hatrany.” Ireo tenin’i Jesosy ireo dia nanjary noraisin’ny maro tamin’ireo mpianany ho toy ny nidika hoe tsy ho faty mihitsy ny apostoly Jaona. Kanefa, araka ny nohazavain’ny apostoly Jaona tatỳ aoriana, dia tsy nilaza akory i Jesosy hoe tsy ho faty izy, fa nanao fotsiny hoe: “Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, mahakasika anao angaha izany?”

Tatỳ aoriana i Jaona dia nanao izao fanamarihana lehibe izao: “Raha ny tena izy, dia misy zavatra maro hafa koa nataon’i Jesosy, izay, raha soratana amin’ny an-tsipiriany daholo izy rehetra, dia ataoko fa tsy ho omby izao tontolo izao ireo horonamboky voasoratra.” Jaona 21:1-25, MN; Matio 26:32; 28:7, 10.

▪ Inona no nampiseho fa tsy nahazo antoka ny amin’izay tokony hataony tany Galilia ireo apostoly?

▪ Tamin’ny fomba ahoana no nahafantaran’ireo apostoly an’i Jesosy teo amin’ny ranomasin’i Galilia?

▪ Impiry i Jesosy izao no niseho hatramin’ny nitsanganany tamin’ny maty?

▪ Ahoana no nanasongadinan’i Jesosy izay tiany hataon’ireo apostoly?

▪ Ahoana no nampisehoan’i Jesosy ny fomba hahafatesan’i Petera?

▪ Teny nataon’i Jesosy momba an’i Jaona inona no noraisin’ny maro tamin’ireo mpianatra tamin’ny fomba diso?