Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Teo anatrehan’ny Synedriona, avy eo dia tany amin’i Pilato

Teo anatrehan’ny Synedriona, avy eo dia tany amin’i Pilato

Toko 121

Teo anatrehan’ny Synedriona, avy eo dia tany amin’i Pilato

NADIVA hifarana ny alina. Avy nanda an’i Jesosy fanintelony i Petera, ary vao avy nahavita ny fitsarana nataony anarany fotsiny ireo mpikambana tao amin’ny Synedriona ka efa nisaraka. Kanefa, raha vao nangiran-dratsy ny zoma maraina, dia nivory indray izy ireo, ka tamin’ity indray mandeha ity dia tao amin’ny efitranon’ny Synedrionan’izy ireo. Ny fikasany dia azo inoana fa ny hanome endrika ara-dalàna ilay fitsarana nataony iny alina iny. Rehefa nentina teo anatrehany i Jesosy, dia nilaza toy ny nataony tamin’ny alina izy ireo hoe: “Raha ny Kristy ianao, dia lazao aminay.”

“Na dia hilaza aminareo aza aho, dia tsy hino akory ianareo”, hoy i Jesosy namaly. “Ambonin’izany, na dia hanontany anareo aza aho, dia tsy hamaly ianareo.” Kanefa nampiseho tamin-kerim-po ny hoe iza izy tamin’ny filazana hoe: “Manomboka izao ny Zanak’olona dia hipetraka eo an-tanana havanana maherin’Andriamanitra.”

“Zanak’Andriamanitra àry ve ianao?”, hoy izy rehetra ta hahafantatra.

“Voalazanareo fa izy aho”, hoy ny navalin’i Jesosy.

Ho an’ireo lehilahy vonona ny hamono azy ireo, dia ampy izany valinteny izany. Noheverin’izy ireo ho fitenenan-dratsy an’Andriamanitra izany. “Nahoana isika no mbola mila teny vavolombelona fanampiny?”, hoy izy ireo nanontany. “Fa ny tenantsika no nandre tamin’ny vavany mihitsy.” Namatotra an’i Jesosy àry izy ireo, ary nitondra azy ka nanolotra azy teo an-tanan’i Pontio Pilato, governora romana.

I Jodasy, ilay mpamadika an’i Jesosy, dia nandinika ny fandehan’ilay fitsarana. Rehefa hitany fa nohelohina i Jesosy, dia nanenina izy. Nankany amin’ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona àry izy mba hamerina ireo sekely volafotsy telopolo sady nanazava hoe: “Nanota aho satria namadika ra marina.”

“Anay angaha izany? Raharahanao ihany izany!”, hoy ny navalin’izy ireo tsy nihetsi-po akory. Natsipin’i Jodasy tao amin’ny tempoly àry ireo sekely volafotsy ka lasa nandeha izy ary nanandrana nananton-tena. Kanefa toa tapaka ilay rantsan-kazo namatoran’i Jodasy ilay tady, ary potraka teo amin’ny vato teo ambany ny vatany ka vaky sady nipotsaka.

Tsy azon’ny lohan’ny mpisorona antoka loatra izay tokony hatao tamin’ireo sekely volafotsy. “Tsy araka ny lalàna ny mandatsaka azy ireo ao amin’ny rakitra masina”, hoy ny famaranan-keviny, “satria vidin-dra.” Rehefa avy niara-nihevitra àry izy ireo, dia nividianany ny sahan’ny mpanefy vilany ho fandevenam-bahiny ilay vola. Nanjary natao hoe “Sahan-dra” ny anaran’ilay saha noho izany.

Mbola vao maraina koa ny andro rehefa nentina ho any amin’ny lapan’ny governora i Jesosy. Tsy nety niditra tao anefa ireo Jiosy nanaraka azy satria nino fa handoto azy ny fiarahana akaiky toy izany tamin’ny Jentilisa. Mba hitsimbinana ny fihetseham-pon’izy ireo àry, dia nivoaka teo ivelany i Pilato. “Inona moa no iampanganareo io lehilahy io?”, hoy izy nanontany.

“Raha tsy mpanao ratsy io lehilahy io, dia tsy mba natolotray anao”, hoy ny navalin’izy ireo.

Naniry ny tsy hiditra tamin’ilay raharaha i Pilato ka namaly hoe: “Entonareo ihany izy, ka tsarao araka ny lalànareo.”

Nampiharihary ny fahavononany hamono ireo Jiosy ka nihiaka hoe: “Tsy araka ny lalàna eo aminay ny mamono na iza na iza”. Marina tokoa fa raha namono an’i Jesosy nandritra ny Fankalazana ny Paska izy ireo, dia azo inoana fa ho niteraka fikorontanam-be teo amin’ny vahoaka izany, satria nanam-piheverana ambony an’i Jesosy ny maro teo aminy. Raha vitany anefa ny hampiaiky ny Romana mba hamono azy noho ny antony ara-politika, izany dia hanafaka azy ireo tsy ho tompon’andraikitra ny amin’izany teo imason’ny olona.

Tsy nanonona ilay fitsarana teo aloha nanamelohan’izy ireo an’i Jesosy ho mpiteny ratsy an’Andriamanitra àry ireo filoha ara-pivavahana, fa namorona fiampangana hafa indray. Nanolotra izao fiampangana nisy lafiny telo izao izy ireo: “Io lehilahy io hitanay [1] nampiodina ny firenenay sady [2] nandrara tsy handoa hetra ho an’i Kaisara ka [3] nilaza ny tenany ho Kristy mpanjaka.”

Ilay fiampangana fa i Jesosy dia nihambo ho mpanjaka no notazonin’i Pilato. Niditra tao an-dapa indray àry izy ka nampiantso an’i Jesosy ary nanontany azy hoe: “Mpanjakan’ny Jiosy ve ianao?” Raha lazaina amin’ny teny hafa, moa ve ianao nandika ny lalàna tamin’ny fanambaranao ny tenanao ho mpanjaka ho fanoherana an’i Kaisara?

Naniry hahafantatra izay fantatr’i Pilato momba azy i Jesosy ka nanontany hoe: “Araka ny fihevitrao manokana ve no ilazanao izany sa nisy hafa nilaza momba ahy taminao?”

Nanambara ny tsy fahafantarany momba azy i Pilato ary koa ny faniriana hahalala izay tena izy. “Tsy Jiosy aho, sa tsy izany?”, hoy ny valinteniny. “Ny firenenao sy ny mpisoronabe no nanolotra anao tamiko. Inona moa no nataonao?”

Tsy nanandrana velively ny handositra ilay raharaha, izay nahakasika ny naha-mpanjaka azy, akory i Jesosy. Tsy isalasalana fa nahagaga an’i Pilato ny valinteny nomen’i Jesosy izao. Lioka 22:66 ka hatramin’ny 23:3, MN; Matio 27:1-11, MN; Marka 15:1, MN; Jaona 18:28-35, MN; Asan’ny apostoly As 1:16-20, MN.

▪ Inona no fikasan’ny Synedriona rehefa nivory indray izy ireo tamin’ny maraina?

▪ Tamin’ny fomba ahoana no nahafatesan’i Jodasy, ary natao inona ireo sekely volafotsy telopolo?

▪ Toy izay ny tenany ihany no hamono an’i Jesosy, nahoana ireo Jiosy no naniry ho ny Romana no hamono azy?

▪ Fiampangana inona avy no nataon’ireo Jiosy tamin’i Jesosy?