Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Teraka ilay mpanomana ny lalana

Teraka ilay mpanomana ny lalana

Toko 3

Teraka ilay mpanomana ny Lalana

KELY sisa dia hiteraka i Elizabeta. Nandritra ireo telo volana lasa, dia nijanona teo anilany i Maria. Tonga anefa izao ny fotoana handaozan’i Maria azy sy hanaovany ilay dia lava niverina hody any Nazareta. Rehefa afaka enim-bolana eo ho eo, dia hiteraka koa izy.

Fotoana fohy taorian’ny nandaozan’i Maria azy, dia nitera-jaza i Elizabeta. Endrey izany hafaliana rehefa tsy nisy zava-nanahirana ny fiterahana ary salama tsara ny reny sy ny zaza! Rehefa nampiseho ilay zazakely tamin’ireo mpifanila trano taminy sy tamin’ny havany i Elizabeta, dia niara-nifaly taminy izy rehetra.

Ny andro fahavalo aorian’ny nahaterahany, araka ny Lalàn’Andriamanitra, dia tsy maintsy forana ny zazalahy isiraelita rehetra. Noho io zava-nitranga io dia tonga namangy avokoa ireo havana aman-tsakaiza. Nilaza izy ireo fa tokony hantsoina hoe Zakaria tahaka an-drainy ilay zaza. Sahy nilaza ny heviny anefa i Elizabeta. “Tsy izany”, hoy izy, “fa hatao hoe Jaona izy.” Tadidio fa izany ilay anarana nasain’ny anjely Gabriela nomena ilay zaza.

Tsy nanaiky anefa ireo namany ka nanao hoe: “Tsy misy na dia iray akory aza amin’ireo havanao manana izany anarana izany.” Avy eo, tamin’ny alalan’ny baiko moana, dia nanontaniany ny rain’ilay zaza izay tiany hatao anarany. Nangataka fafana i Zakaria ka nanoratra izao manaraka izao, izay nahagaga azy rehetra: “Jaona no anarany.”

Tamin’izay dia niverina tamin’i Zakaria tamin’ny fomba nahagaga ny fahaiza-miteny. Tsaroanao angamba fa namoy ny fahaizany niteny izy rehefa tsy nino ny fanambaran’ilay anjely fa hoe hanana anaka i Elizabeta. Rehefa niteny àry i Zakaria, dia talanjona avokoa ny rehetra teo amin’ny manodidina ka nanontany tena hoe: “Ho zaza hanao ahoana re io?”

Feno fanahy masina izao i Zakaria ary niravoravo nanao hoe: “Hoderaina anie i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, fa nampitodika ny sainy ho amin’ny olony izy ka nanao fanavotana ho azy. Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika amin’ny taranak’i Davida mpanompony izy.” Mazava ho azy fa io “tandro-pamonjena” io dia i Jesosy Tompo, izay mbola ho teraka. Amin’ny alalany, hoy i Zakaria, Andriamanitra dia “hanao izay hahazoantsika, noho isika afaka amin’ny tanan’ny fahavalontsika, ny tombontsoa hanompo azy tsy amin-tahotra, amim-pahatokiana sy amim-pahamarinana eo anatrehany amin’ny andro rehetra hiainantsika.”

Avy eo i Zakaria dia nanambara mialoha izao manaraka izao momba an’i Jaona zanany: “Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin’ny Avo Indrindra, fa hialoha eo anatrehan’i Jehovah ianao hanomana ny lalany, hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin’ny famelana ny helony, noho ny halehiben’ny fangoraham-pon’Andriamanitsika maneho fitiavana. Amin’ny alalan’io fangoraham-po io dia hiposaka ny mazava avy any amin’ny avo ho antsika, mba hanome fahazavana an’izay mipetraka ao amin’ny maizina sy ao amin’ny aloky ny fahafatesana ary hitarika ny diantsika amim-pahombiazana ho amin’ny lalam-piadanana.”

Tamin’io fotoana io, i Maria, izay mazava ho azy fa mbola tsy nanambady, dia efa tonga tany an-tranony tany Nazareta. Inona no hanjo azy rehefa ho hita miharihary fa bevohoka izy? Lioka 1:56-80, MN; Levitikosy 12:2, 3.

▪ Zokin’i Jesosy hafiriana moa i Jaona?

▪ Inona avy no nitranga rehefa teraka valo andro i Jaona?

▪ Tamin’ny fomba ahoana no nampitodihan’Andriamanitra ny sainy ho amin’ny olony?

▪ Asa inona no nambara mialoha fa tsy maintsy hataon’i Jaona?