Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra miharo fanitsiana fanampiny

Torohevitra miharo fanitsiana fanampiny

Toko 63

Torohevitra miharo fanitsiana fanampiny

RAHA mbola tao amin’ilay trano tao Kapernaomy i Jesosy sy ny apostoliny, dia nisy zavatra ankoatra ny fifandiran’ireo apostoly ny amin’izay lehibe indrindra koa noresahina tamin’izay. Izany dia nifandray tamin’ny fisehoan-javatra iray izay nety ho nitranga tamin’ny fiverenany tao Kapernaomy, fony tsy teo ny tenan’i Jesosy. Nitantara izany toy izao ny apostoly Jaona: “Nahita olona iray namoaka demonia tamin’ny anaranao izahay ka nandramanay norarana izy, satria tsy niaraka taminay.”

Miharihary fa nihevitra an’ireo apostoly ho ny hany antokona mpanasitrana nihazona izany zo izany i Jaona. Nino àry izy fa tsy nety ny nanaovan’ilay lehilahy asa lehibe satria tsy anisan’izy ireo izy.

Kanefa dia nanome izao torohevitra izao i Jesosy: “Aza manandrana mandrara azy, fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe iray amin’ny anarako ka hahateny ratsy ahy vetivety; fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. Fa na iza na iza manome rano eran’ny kapoaka hosotroinareo satria an’i Kristy ianareo, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valisoany.”

Tsy voatery nanaraka an’i Jesosy ara-bakiteny io lehilahy io vao hoe niandany taminy. Mbola tsy voaorina ny kongregasiona kristiana tamin’izay, koa ny tsy naha-anisan’io antoko io azy dia tsy nidika fa anisan’ny kongregasiona hafa iray izy. Tena nanam-pinoana ny anaran’i Jesosy ilay lehilahy ka tamin’izany dia afaka namoaka demonia. Nanao zavatra izay azo nampitahaina tamin’izay nolazain’i Jesosy fa mendrika ny hahazo valisoa izy. Nasehon’i Jesosy fa noho ny fanaovany izany, dia tsy ho very ny valisoany.

Ahoana anefa raha tafintohina noho ny teny sy ny nataon’ireo apostoly ilay lehilahy? Ho ratsy dia ratsy tokoa izany! Nanamarika toy izao i Jesosy: “Na iza na iza manafintohina ny iray amin’ireo madinika mino ireo, dia ho tsara kokoa ho azy raha hasiana vato fikosoham-bary toy izay ahodin’ny ampondra ny vozony ka hatsipy tokoa ao anaty ranomasina izy.”

Nilaza i Jesosy fa ny mpanara-dia azy dia tokony hanaisotra amin’ny fiainany izay zavatra rehetra tsy foiny toy ny tanana, ny tongotra na ny maso nefa mety hahatafintohina azy. Tsara kokoa ny tsy manana io zavatra tiana amim-piraiketam-po io ka hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra toy izay hifikitra aminy ary hatsipy any amin’ny Gehena (toeram-panariam-pako nisy afo nirehitra teo akaikin’i Jerosalema), izay mampiseho ny fandringanana mandrakizay.

Nampitandrina toy izao koa i Jesosy: “Mitandrema fandrao manao tsinontsinona ny iray amin’ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo fa ny anjely any an-danitra mahatazana mandrakariva ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra.” Avy eo dia nasehony tamin’ny alalan’ny fanoharana ny naha-sarobidy ireo “madinika” tamin’ny filazana ny amin’ny lehilahy iray nanana ondry zato nefa namoy ny iray taminy. Hamela ireo 99 izy mba hitadiavana ilay very, hoy ny fanazavan’i Jesosy, ary rehefa nahita azy izy dia hifaly noho ny aminy mihoatra noho ny amin’ireo 99. “Tahaka izany koa”, hoy ny famaranan-tenin’i Jesosy avy eo, “dia tsy sitraky ny Raiko izay any an-danitra ny haharingana ny iray amin’ireny madinika ireny.”

Nety ho mbola tao an-tsain’i Jesosy ny fifandiran’ireo apostoliny, ka nampirisika toy izao izy: “Aoka hisy sira ao anatinareo, ary hazòny tsara ny fihavanana eo aminareo.” Manjary matsiro kokoa ny sakafo tsy misy tsirony asiana sira. Araka izany, ny sira ara-panoharana dia mahatonga izay tenenin’ny tena ho mora ekena. Ny fananana izany sira izany dia hanampy ho fiarovana ny fihavanana.

Noho ny tsy fahatanterahan’olombelona anefa, indraindray dia mitranga ny fifamaliana mafy. Nanome torolalana mba handaminana izany koa i Jesosy. “Raha manota aminao ny rahalahinao”, hoy i Jesosy, “dia andeha asehoy azy ny fahadisoany rehefa mitokana ianareo. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao.” Raha tsy mihaino izy, hoy ny torohevitra nomen’i Jesosy, “dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny zava-drehetra amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo.”

Ho fitadiavana fanampiana farany ihany, hoy i Jesosy, vao ento any amin’ny “kongregasiona” ilay raharaha, izany hoe any amin’ny mpiandraikitra ao amin’ny kongregasiona izay afaka mamoaka fanapahan-kevitra ara-pitsarana. Raha tsy mety manaraka ny fanapahan-kevitr’izy ireo ilay mpanota, hoy ny famaranan-tenin’i Jesosy, “dia aoka hataonao ho tahaka ny olona eo amin’ireo firenena sy tahaka ny mpamory hetra izy.”

Eo am-panaovana fanapahan-kevitra toy izany, ireo mpiandraikitra dia mila ny manaraka akaiky ireo toromariky ny Tenin’i Jehovah. Noho izany, rehefa hitany fa meloka ka mendrika ny hahazo sazy ny olona iray, dia ‘ho efa nofehezina tany an-danitra’ izany fitsarana izany. Ary rehefa “mamaha etỳ ambonin’ny tany” izy ireo, izany hoe rehefa mahita fa tsy manan-tsiny ny olona iray, dia ho efa ‘novahana tany an-danitra’ izany. Amin’ireny fiaraha-midinika ara-pitsarana ireny, dia nilaza i Jesosy fa “na aiza na aiza iangonan’ny roa na ny telo amin’ny anarako, dia ao afovoaniny aho.” Matio 18:6-20, MN; Marka 9:38-50, MN; Lioka 9:49, 50, MN.

▪ Nahoana no tsy voatery nanaraka an’i Jesosy ny olona tamin’ny androny?

▪ Manao ahoana ny faharatsian’ny manafintohina ny madinika iray, ary ahoana no nampisehoan’i Jesosy tamin’ny alalan’ny fanoharana ny maha-lehibe ireny madinika ireny?

▪ Inona no azo inoana fa nanosika an’i Jesosy hampirisika ny apostoliny mba hanana sira eo amin’izy samy izy?

▪ Inona no hevitry ny hoe ‘mifehy’ sy ‘mamaha’ eto?