Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy ampy finoana ve i Jaona?

Tsy ampy finoana ve i Jaona?

Toko 38

Tsy ampy finoana ve i Jaona?

I JAONA Mpanao batisa, izay tao an-tranomaizina efa ho herintaona izao, dia naharay fitantarana momba ny nitsanganan’ny zanakalahin’ilay vehivavy mpitondratena tany Naina. Naniry hahare ny hevitr’izany avy tamin’i Jesosy nivantana anefa i Jaona, hany ka nandefa roa tamin’ny mpianany izy mba hanontany hoe: “Ianao ve no Ilay ho avy, sa mbola tokony hiandry olon-kafa iray isika?”

Nety ho toa hafahafa izany fanontaniana izany, indrindra noho i Jaona nahita ny fanahin’Andriamanitra nidina teo ambonin’i Jesosy sady nahare ny feon’Andriamanitra nilaza ny fankasitrahany, fony izy nanao batisa an’i Jesosy efa ho roa taona lasa izay. Nety ho nahatonga ny sasany hanatsoaka hevitra fa nihanalemy ny finoan’i Jaona io fanontaniany io. Tsy izany anefa no izy. Tsy ho niresaka momba an’i Jaona tamin’ny fomba feno fiheverana ambony aoka izany i Jesosy, zavatra izay nataony tamin’io toe-javatra io, raha nanomboka tsy nino tokoa i Jaona. Nahoana àry i Jaona no nanao io fanontaniana io?

Nety ho naniry fanamarinana avy tamin’i Jesosy fotsiny i Jaona fa hoe Izy no Mesia. Hampahery an’i Jaona tokoa izany noho izy nalahelo mafy tao an-tranomaizina. Kanefa toa nanana antony hafa nanaovana io fanontaniana io i Jaona. Niharihary fa naniry hahafantatra izy raha mbola hisy hafa ho avy, mpandimby iray, raha azo atao ny milaza izany, izay hamita ny fanatanterahana ireo zavatra rehetra nolazaina mialoha fa hotanterahin’ny Mesia.

Araka ireo faminanian’ny Baiboly, izay fantatr’i Jaona, dia ho mpanjaka, ho mpanafaka, Ilay Voahosotr’Andriamanitra. Kanefa, i Jaona dia mbola nohazonina ho mpigadra foana, volana maro mihitsy aza taorian’ny batisan’i Jesosy. Koa miharihary àry fa ny nanontanian’i Jaona an’i Jesosy dia hoe: ‘Ianao tokoa ve no ilay hanorina miharihary ny Fanjakan’Andriamanitra, sa mbola hisy hafa, mpandimby iray, izay tokony handrasantsika mba hanatanteraka ireo faminaniana mahatalanjona rehetra mifandray amin’ny voninahitry ny Mesia?’

Tsy niteny tamin’ireo mpianatr’i Jaona i Jesosy hoe: ‘Izaho tokoa anie ilay ho avy!’, fa tamin’io ora io indrindra kosa izy dia nanao fampisehoana niavaka tamin’ny fanasitranana olona maro tamin’ny karazan’aretina sy faharariana rehetra. Avy eo, dia hoy izy tamin’ireo mpianatra: “Mandehana ianareo, ambarao amin’i Jaona izao hitanareo sy renareo izao: mahiratra ny jamba, mandeha ny mandringa, diovina ny boka ary malady ny marenina, atsangana ny maty, itoriana ny vaovao tsara ny malahelo.”

Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny fanontanian’i Jaona dia nety ho te hilaza fa nanantena an’i Jesosy hanao mihoatra noho izay efa nataony i Jaona ary angamba hanafaka azy mihitsy aza. Nanoro hevitra an’i Jaona mba tsy hanantena mihoatra noho ireo fahagagana nataony ireo anefa i Jesosy.

Rehefa lasa nandeha ny mpianatr’i Jaona, dia nitodika tany amin’ny vahoaka i Jesosy ka nilaza taminy fa i Jaona no ilay ‘irak’i’ Jehovah voalaza mialoha ao amin’ny Malakia 3:1 ary koa ilay mpaminany Elia voalaza mialoha ao amin’ny Malakia 3:23, 24. Tamin’izany izy dia nidera an’i Jaona izay noheveriny ho nitovy tamin’izay mpaminany rehetra velona talohany, ka nanazava hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin’izay nateraky ny vehivavy, dia mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Jaona Mpanao batisa; nefa ny kely indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra dia lehibe noho izy. Kanefa hatramin’ny andron’i Jaona Mpanao batisa ka mandraka ankehitriny, ny fanjakan’ny lanitra dia ny zava-kendrena iezahan’ny olona hotratrarina.”

Eto i Jesosy dia nampiseho fa tsy ho ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra i Jaona, satria ny kely indrindra ao amin’izany dia lehibe noho i Jaona. Nanomana ny lalana ho an’i Jesosy i Jaona, nefa maty talohan’ny namatoran’i Kristy ny fanekena, na fifanarahana, tamin’ny mpianany mba hiarahan’izy ireo manjaka aminy ao amin’ny Fanjakany. Izany no antony nilazan’i Jesosy fa tsy ho ao amin’ny Fanjakana any an-danitra i Jaona. Ho iray amin’ny vahoakan’ilay Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany kosa izy. Lioka 7:18-30, MN; Matio 11:2-15, MN.

▪ Nahoana i Jaona no nanontany raha i Jesosy no Ilay ho avy na mbola hisy olon-kafa tokony handrasana?

▪ Faminaniana inona avy no nolazain’i Jesosy fa notanterahin’i Jaona?

▪ Nahoana i Jaona Mpanao batisa no tsy ho any an-danitra miaraka amin’i Jesosy?