Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy nahafandrika an’i Jesosy izy ireo

Tsy nahafandrika an’i Jesosy izy ireo

Toko 108

Tsy nahafandrika an’i Jesosy izy ireo

NOHO i Jesosy nampianatra tao amin’ny tempoly sady vao avy nilaza tamin’ireo fahavalony ara-pivavahana, fanoharana telo izay nanala sarona ny faharatsian’izy ireo, dia tezitra ny Fariseo ka niara-nisaina mba hamandrika azy hiteny zavatra izay hahafahany hisambotra azy. Nanomana tetika izy ireo ka naniraka ny mpianany mbamin’ny mpikambana sasany tao amin’ny antokon’ireo Herodiana mba hanandrana hamingana azy.

“Mpampianatra ô”, hoy ireo lehilahy ireo, “fantatray fa marina ianao sady mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny fahamarinana ary tsy manahy olona, satria tsy mijery ny olona araka ny fisehoany ivelany. Koa lazao aminay àry: Mety ve ny mandoa vola hetra ho an’i Kaisara, sa tsia?”

Tsy voafitak’ilay fandokafana i Jesosy. Fantany fa raha nilaza izy hoe: ‘Tsia, tsy araka ny lalàna na tsy mety ny mandoa io hetra io’, dia ho meloka ho nikomy amin’ny fahefan’i Roma izy. Nefa raha nilaza izy hoe: ‘Eny, tokony handoa io hetra io ianareo’, dia hankahala azy ny Jiosy izay nanamavo ny naha-teo ambanin’ny fifehezan’i Roma azy ireo. Namaly àry izy hoe: “Nahoana no maka fanahy ahy ianareo, ry mpihatsaravelatsihy? Asehoy ahy ny farantsakely fandoa amin’ny hetra.”

Rehefa nitondran’izy ireo iray izy, dia nanontany i Jesosy hoe: “Sarin’iza ary soratr’iza moa ity?”

“An’i Kaisara”, hoy ny navalin’izy ireo.

“Aloavy ho an’i Kaisara àry izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” Rehefa nahare ny valinteny feno hakingana nataon’i Jesosy ireo lehilahy ireo dia nitolagaga. Ary dia lasa nandeha izy ireo ka nandao azy.

Rehefa nahita ny tsy fahombiazan’ny Fariseo tamin’ny fitadiavan-javatra hoenti-miampanga an’i Jesosy ny Sadoseo, izay nilaza fa tsy nisy ny fitsanganana amin’ny maty, dia nanatona azy ka nanontany hoe: “Mpampianatra ô, i Mosesy nilaza hoe: ‘Raha misy maty momba, dia tsy maintsy mampakatra ny vadiny ny rahalahiny ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny’. Nisy fito mirahalahy tetỳ aminay; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty, ary satria tsy nanan-janaka izy, dia namela ny vadiny ho an’ny rahalahiny. Toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin’ny fahafito. Faran’izy rehetra, dia maty koa ravehivavy. Noho izany, amin’ny fitsanganana amin’ny maty, ho vadin’iza amin’izy fito mirahalahy moa ravehivavy? Fa efa samy nanambady azy avokoa izy rehetra.”

Ho valin’izany, dia hoy i Jesosy: “Tsy izao ve no maha-diso hevitra anareo, dia ny tsy fahafantaranareo na ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra? Fa rehefa hitsangana amin’ny maty ireo, ny lehilahy dia tsy hampaka-bady ary ny vehivavy tsy havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra. Fa ny amin’ny maty, ny amin’ny hananganana azy ireo, tsy novakinareo ve tao amin’ny bokin’i Mosesy, eo amin’ilay fitantarana ny amin’ny roimemy, ny nanaovan’Andriamanitra taminy hoe: ‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba’? Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona. Diso hevitra indrindra ianareo.”

Variana aoka izany tamin’ny valinteny nataon’i Jesosy indray ny vahoaka. Nisy mpanora-dalàna sasany aza niaiky hoe: “Mpampianatra ô, niteny tsara ianao.”

Rehefa hitan’ny Fariseo fa nampanginin’i Jesosy ny Sadoseo, dia nanatona azy niaraka izy ireo. Mba hitsapana azy indray dia hoy ny mpanora-dalàna iray teo aminy nanontany azy: “Mpampianatra ô, inona moa no didy lehibe indrindra ao amin’ny Lalàna?”

Namaly i Jesosy hoe: “Ny voalohany dia izao: ‘Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany, koa tsy maintsy tia an’i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra sy amin’ny sainao rehetra ary amin’ny herinao rehetra’. Ny faharoa dia izao: ‘Tsy maintsy tia ny namanao tahaka ny tenanao ianao’. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.” Raha ny marina, dia nanampy teny toy izao i Jesosy: “Izany didy roa izany no ihantonan’ny Lalàna rehetra sy ireo Mpaminany.”

“Mpampianatra ô, niteny tsara nifanaraka tamin’ny fahamarinana ianao”, hoy ny fiaikin’ilay mpanora-dalàna. “ ‘Iray ihany Izy, ary tsy misy afa-tsy Izy’; ary ny fitiavana azy amin’ny fon’ny tena rehetra sy amin’ny fahatakaran-javatra ananan’ny tena rehetra ary amin’ny herin’ny tena rehetra, ary ny fitiavana ny naman’ny tena tahaka ny tenan’ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra.”

Hitan’i Jesosy fa namaly tamim-pahakingan-tsaina ilay mpanora-dalàna, ka hoy izy taminy: “Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao.”

Telo andro izao — alahady sy alatsinainy ary talata — no nampianaran’i Jesosy tao amin’ny tempoly. Nihaino azy tamim-pahafinaretana ny olona, fa ireo filoha ara-pivavahana kosa naniry ny hamono azy, saingy hatramin’izao dia tsy nisy vanona ny fanandraman’izy ireo. Matio 22:15-40, MN; Marka 12:13-34, MN; Lioka 20:20-40, MN.

▪ Inona no tetika nomanin’ny Fariseo mba hamandrihana an’i Jesosy, ary inona no ho nitranga raha hoe eny na koa hoe tsia ny valinteny nomeny?

▪ Ahoana no nanaovan’i Jesosy izay tsy hahombiazan’ny fanandraman’ny Sadoseo namandrika azy?

▪ Fanandramana hafa inona koa no nataon’ny Fariseo mba hitsapana an’i Jesosy, ary nanao ahoana ny fiafarany?

▪ Nandritra ny fanompoany farany tao Jerosalema, hafiriana no nampianaran’i Jesosy tao amin’ny tempoly, ary inona no vokany?