Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy nahasambotra azy izy ireo

Tsy nahasambotra azy izy ireo

Toko 67

Tsy nahasambotra azy izy ireo

RAHA mbola nandroso ihany ny Andro firavoravoana Tabernakely, dia nandefa mpanao raharaha mpitandro filaminana hisambotra an’i Jesosy ireo filoha ara-pivavahana. Tsy nanandrana ny hiafina i Jesosy, fa nanohy nampianatra ampahibemaso kosa, ka nilaza hoe: “Kely foana sisa no mbola hitoerako eto aminareo, dia hankany amin’izay naniraka ahy aho. Hitady ahy ianareo, fa tsy hahita, ary izay itoerako dia tsy azonareo haleha.”

Tsy nahazo izay nolazainy ny Jiosy, hany ka nifanontany izy ireo hoe: “Mikasa ny hankaiza moa io lehilahy io no tsy hahitantsika azy? Mikasa ny hankany amin’ny Jiosy miely any amin’ny Grika ve izy ka hampianatra ny Grika? Inona no dikan’ny nolazainy hoe: ‘Hitady ahy ianareo fa tsy hahita, ary izay itoerako tsy azonareo aleha’?” Mazava ho azy fa niresaka ny amin’ny hahafatesany tsy ho ela sy ny hitsanganany amin’ny maty ho amin’ny fiainana any an-danitra, izay tsy azon’ireo fahavalony anarahana azy, i Jesosy.

Tonga ny andro fahafito sady farany tamin’ilay firavoravoana. Isa-maraina nandritra ny firavoravoana, dia nisy mpisorona iray nandraraka rano, izay nalainy avy tany amin’ny Farihin’i Siloama, mba hikorianany ho eo amin’ny fototry ny alitara. Azo inoana fa nampahatsiahy ny olona ny amin’io fombafombam-pivavahana natao isan’andro io i Jesosy rehefa niantso mafy hoe: “Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona ahy ka hisotro. Izay mino ahy, dia ‘hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao anatiny’, araka ny nolazain’ny Soratra masina.”

Raha ny marina, teto i Jesosy dia niresaka ny amin’ireo vokatra mahatalanjona ho azo avy amin’ny handatsahana ny fanahy masina. Ny taona nanaraka dia hitranga io fandatsahana ny fanahy masina io amin’ny Pentekosta. Amin’izay, dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika rehefa hanomboka hanompo eo amin’ny olona ireo mpianatra 120. Kanefa, mandra-pahatongan’izany, dia mbola tsy nisy fanahy tamin’ny heviny hoe mbola tsy nisy voahosotry ny fanahy masina ka nantsoina ho amin’ny fiainana any an-danitra ny mpianatr’i Kristy.

Teo anoloan’ny fampianaran’i Jesosy, dia nisy nanomboka niteny hoe: “Ity tokoa no Ilay Mpaminany”, miharihary fa ho firesahana ny amin’ilay mpaminany lehibe noho i Mosesy izay nampanantenaina fa ho avy. Ny hafa kosa nanao hoe: “Ity no Kristy.” Fa ny hafa tsy nanaiky fa nanao hoe: “Avy any Galilia tokoa ve no iavian’ny Kristy? Tsy nilaza ve ny Soratra masina fa avy amin’ny taranak’i Davida, sy avy any Betlehema, tanàna kely nisy an’i Davida, no hiavian’ny Kristy?”

Nanjary nisy fisarahana àry teo amin’ny vahoaka. Nisy naniry hisambotra azy, nefa tsy nisy naninji-tanana taminy. Rehefa niverina tsy nitondra an’i Jesosy ireo mpanao raharaha mpitandro ny filaminana, dia nanontany ireo lohan’ny mpisorona sy Fariseo hoe: “Nahoana ianareo no tsy nitondra azy tatỳ?”

“Mbola tsy nisy olona niteny tahaka azy”, hoy ny navalin’ireo mpanao raharaha.

Feno hatezerana ireo filoha ara-pivavahana ka nampietry tena hampiasa fanesoana, fanolanana ny zava-nisy ary fitenenan-dratsy. Nanazimba toy izao izy: “Ianareo koa ve mba voafitaka? Nisy tamin’ireo mpanapaka na Fariseo ve mba nino azy? Fa voaozona ity vahoaka tsy mahalala ny Lalàna ity.”

Tamin’izay, i Nikodemosy, Fariseo sady mpanapaka ny Jiosy (izany hoe mpikambana tao amin’ny Synedriona), dia sahy nanohana an’i Jesosy. Tsaroanao angamba fa roa taona sy tapany talohan’izay, dia nanatona an’i Jesosy tamin’ny alina i Nikodemosy ary naneho finoana azy. Izao i Nikodemosy dia niteny hoe: “Tsy mitsara olona iray ny lalàntsika raha tsy nahare azy izy aloha ka nahafantatra ny nataony, sa tsy izany?”

Vao mainka tezitra ireo Fariseo raha nanohana an’i Jesosy ny iray tamin’izy ireo. “Ianao koa angaha avy any Galilia?”, hoy ny tenin’izy ireo nanebaka azy. “Tadiavo ary zahao fa tsy misy mpaminany hitsangana avy any Galilia.”

Na dia tsy milaza mivantana aza ny Soratra masina fa hisy mpaminany hivoaka avy any Galilia, dia manoritra kosa izy fa ho avy any ny Kristy, tamin’ny filazana fa hisy “mazava lehibe” ho hita ao amin’io faritra io. Fanampin’izany, i Jesosy dia teraka tany Betlehema, sady taranak’i Davida. Raha nety ho fantatry ny Fariseo izany, dia azo inoana fa tompon’andraikitra tamin’ny fampielezana fiheveran-diso momba an’i Jesosy teo amin’ny olona izy ireo. Jaona 7:32-52, MN; Isaia 8:23 ka hatramin’ny 9:1; Matio 4:13-17.

▪ Inona no niseho isa-maraina nandritra ny firavoravoana, ary ahoana no nety ho nanintonan’i Jesosy ny sain’ny olona ho amin’izany?

▪ Nahoana no tsy nahasambotra an’i Jesosy ireo mpanao raharaha, ary nanao ahoana ny fihetsik’ireo filoha ara-pivavahana teo anoloan’izany?

▪ Iza moa i Nikodemosy, ahoana ny fiheverany an’i Jesosy, ary ahoana no nataon’ireo Fariseo hafa taminy?

▪ Inona no porofo fa hivoaka avy any Galilia ny Kristy?