Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Velona i Jesosy!

Velona i Jesosy!

Toko 128

Velona i Jesosy!

REHEFA hitan’ireo vehivavy fa foana ny fasan’i Jesosy, dia lasa nihazakazaka hilaza izany tamin’i Petera sy i Jaona i Maria Magdalena. Kanefa, miharihary fa nijanona teo amin’ny fasana ireo vehivavy hafa. Tsy ela, dia nisy anjely iray niseho ary nanasa azy ireo hiditra tao anatiny.

Tao dia nahita anjely hafa iray koa ireo vehivavy, ary hoy ny iray tamin’ireo anjely taminy: “Aza matahotra ianareo, fa fantatro fa mitady an’i Jesosy, izay nohomboana, ianareo. Tsy ato izy, fa efa natsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo ny toerana nandriany. Ary mandehana haingana, ka lazao amin’ny mpianany fa natsangana tamin’ny maty izy.” Sady natahotra no faly indrindra àry ireo vehivavy ireo ka lasa nihazakazaka koa.

Tamin’izay i Maria dia efa nahita an’i Petera sy i Jaona ka nilaza taminy hoe: “Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany azy.” Avy hatrany dia lasa nihazakazaka ireo apostoly roa. Haingam-pandeha kokoa i Jaona — miharihary fa noho izy tanora kokoa — ka tonga taloha teo amin’ny fasana. Tamin’izay dia efa lasa nandeha ireo vehivavy ka tsy nisy olona intsony teo. Niondrika nitsirika ny tao am-pasana i Jaona ary nahita ny lambam-paty, nefa nijanona teny ivelany izy.

Nony tonga i Petera dia tsy niahotrahotra fa tonga dia niditra. Nahita ny lambam-paty nipetraka teo izy ary koa ny lamba nafehy ny lohan’i Jesosy. Voavalona nitokana izy io. Izao koa i Jaona dia niditra tao am-pasana ka nino ny filazan’i Maria. Na i Petera na i Jaona anefa dia samy tsy nahatakatra fa natsangana anie i Jesosy, na dia efa nilaza taminy matetika aza Izy fa hatsangana. Sanganehana izy roa lahy niverina nody, fa i Maria kosa, izay tonga niverina teo amin’ny fasana, dia nijanona teo.

Nandritra izany fotoana izany, ireo vehivavy hafa dia nandeha nilaza haingana tamin’ny mpianatra fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, araka ny nandidian’ny anjely azy ireo. Raha nihazakazaka haingana araka izay azony natao izy ireo, dia nifanena taminy i Jesosy ka nanao hoe: “Manao ahoana!” Nianjera teo an-tongony izy ireo ka niankohoka teo anatrehany. Dia hoy i Jesosy: “Aza matahotra! Mandehana, ka ilazao ireo rahalahiko mba hankany Galilia; fa any no hahitany ahy.”

Taloha kelin’izay, rehefa nitranga ilay horohorontany ka niseho ireo anjely, dia ankona foana teo ireo miaramila niambina ary tonga toy ny maty. Raha vao nahatsiaro tena izy ireo dia nankany an-tanàna avy hatrany ka nilaza tamin’ny lohan’ny mpisorona izay nitranga. Rehefa avy niara-nihevitra tamin’ny “loholona” teo amin’ny Jiosy ireo, dia notapahina ny hevitra fa hiezahana hatao ny tsy hivoahan’ilay raharaha, amin’ny fanomezana tsolotra ireo miaramila. Nomena izao baiko izao izy ireo: “Lazao hoe: ‘Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra azy, raha sendra natory izahay’.”

Koa satria nety ho nomelohina ho faty ny miaramila romana natory teo am-piasana, dia nampanantena toy izao ireo mpisorona: “Ary raha misy milaza izany [natorianareo] izany amin’ny governora, dia hampanaiky azy izahay ka hanao izay tsy hampaninona anareo.” Koa satria vola be no natao tsolotra, dia nanao araka izay nibaikoana azy ireo miaramila. Ho vokatr’izany, dia nanjary niely be teo amin’ireo Jiosy ny filazana lainga ny amin’ny nangalarana ny fatin’i Jesosy.

Resin’alahelo i Maria Magdalena, izay nijanona teo amin’ny fasana. Aiza àry no nety ho nisy an’i Jesosy? Niondrika nijery ny tao am-pasana izy ka nahita ireo anjely roa nitafy lamba fotsy niseho indray! Ny iray nipetraka teo an-doha tamin’ilay nandrian’ny fatin’i Jesosy, ary ilay iray hafa teo an-tongotra. “Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany?”, hoy izy ireo nanontany.

“Nalain’olona ny Tompoko”, hoy ny navalin’i Maria, “ka tsy fantatro izay nametrahany azy.” Avy eo izy dia nitodika ka nahita olona iray namerina ilay fanontaniana hoe: “Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany?” Ary nanontany koa io olona io hoe: “Iza no tadiavinao?”

Nataony fa ny mpiandry ilay saha nisy ilay fasana io olona io, ka hoy izy taminy: “Raha ianao, tompoko, no naka azy teto, lazao amiko izay nametrahanao azy, ary izaho dia haka azy.”

“Ry Maria!”, hoy ilay olona. Ary avy hatrany dia fantany, tamin’ilay fomba nahazatra firesahany taminy, fa i Jesosy io. “Rab·boʹni!” (midika hoe “Mpampianatra ô!”), hoy izy nihiaka. Ary, tao anatin’ny fifaliana tsy nisy fetra, dia namihina azy izy. Hoy anefa i Jesosy: “Aza mamikitra amiko intsony. Fa tsy mbola niakatra tany amin’ny Ray aho. Fa mandehana mankany amin’ireo rahalahiko, ka lazao aminy hoe: ‘Miakatra ho any amin’ny Raiko sy Rainareo aho, ary ho any amin’ny Andriamanitro sy Andriamanitrareo.’ ”

Izao i Maria dia nihazakazaka ho any amin’ny toerana nivorian’ny apostoly sy ny mpianatra namany. Nanampy ny filazany tamin’izay efa nomen’ireo vehivavy hafa momba ny nahitany an’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty izy. Kanefa, toa tsy nino an’i Maria koa ireo lehilahy ireo, izay efa tsy nino ny filazan’ireo vehivavy voalohany. Matio 28:3-15, MN; Marka 16:5-8, MN; Lioka 24:4-12, MN; Jaona 20:2-18, MN.

▪ Rehefa hitan’i Maria Magdalena fa foana ny fasana, dia inona no nataony ary inona no nitranga tamin’ireo vehivavy hafa?

▪ Nanao ahoana ny fihetsik’i Petera sy i Jaona rehefa hitany fa foana ilay fasana?

▪ Inona no hitan’ireo vehivavy hafa teny an-dalana hilaza ny amin’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty tamin’ny mpianatra?

▪ Inona no nitranga tamin’ilay miaramila mpiambina, ary nanao ahoana ny fihetsik’ireo mpisorona ho valin’ny filazany?

▪ Inona no nitranga rehefa irery teo amin’ny fasana i Maria Magdalena, ary nanao ahoana ny fihetsik’ireo mpianatra teo anoloan’ny filazan’ireo vehivavy?