Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vita ny fanompoana tao amin’ny tempoly

Vita ny fanompoana tao amin’ny tempoly

Toko 110

Vita ny fanompoana tao amin’ny tempoly

IZAO no fisehoan’i Jesosy farany tao amin’ny tempoly. Raha ny marina, dia namarana tamin’io ny fanompoany ampahibemaso teto an-tany izy, raha tsy resahina ireo zava-niseho nifandray tamin’ny nitsarana sy namonoana azy telo andro taorian’io. Izao izy dia nanohy ny fanasaziany mafy ireo mpanora-dalàna sy Fariseo.

Mbola nanohy nihiaka intelo izy hoe: “Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy!” Ny loza voalohany dia satria izy ireo nanadio “ny ivelan’ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy fanaovan-javatra tafahoatra.” Nananatra azy ireo toy izao àry izy: “Diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia, mba hadio koa ny ivelany.”

Ny loza notononiny nanaraka izany tamin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo dia noho ny toetra lo sy simba tao anatin’izy ireo izay nandramany nafenina tamin’ny alalan’ny fitiavam-pivavahana ivelany. “Ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy”, hoy izy, “izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny karazam-pahalotoana rehetra.”

Farany, ny fihatsarambelatsihiny dia hita niharihary tamin’ny fahadodonany hanao fasana ho an’ny mpaminany sy hampihaingo izany mba hanintonana ny sain’ny olona ho amin’ny asam-piantrana nataon’ny tenany. Kanefa, araka ny nahariharin’i Jesosy, izy ireo dia “zanak’ireo namono ny mpaminany.” Marina tokoa fa na iza na iza sahy nanala sarona ny fihatsarambelatsihin’izy ireo dia notandindomin-doza ny ainy!

Nanohy ny teniny i Jesosy tamin’ny fanononana ny fanamelohany an-karihary mahery indrindra. “Ry bibilava, taranaky ny menarana”, hoy izy, “hataonareo ahoana no fandositra ny fitsaran’ny Gehena?” Ny Gehena dia ilay lohasaha nampiasaina ho fanariam-pakon’i Jerosalema. Nilaza araka izany àry i Jesosy fa noho izy ireo nanohy nanaraka ny lalan-dratsiny, ireo mpanora-dalàna sy Fariseo dia hiharan’ny fandringanana mandrakizay.

Momba ireo izay nirahiny mba ho solontenany, dia nilaza i Jesosy hoe: “Ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin’ny hazo, ary ny sasany hokapohinareo ao amin’ny synagoganareo sy henjehinareo isan-tanàna; mba hanody anareo ny ra marina rehetra nalatsaka tambonin’ny tany, hatramin’ny ran’i Abela marina ka hatramin’ny ran’i Zakaria, zanak’i Barakia [antsoina hoe Joiada ao amin’ny Tantara Faharoa], izay novonoinareo teo anelanelan’ny tempoly sy ny alitara. Milaza aminareo marina tokoa aho: Hanody ity taranaka ity izany rehetra izany.”

Noho i Zakaria nanasazy mafy an’ireo filohan’ny Isiraely, dia “niray tetika hamely azy izy ireo ka nitora-bato azy teo amin’ny kianjan’ny tranon’i Jehovah araka ny baikon’ny mpanjaka.” Kanefa, araka ny nolazain’i Jesosy mialoha, dia hizaka ny vokatry ny fandatsahana izany ra marina rehetra izany ny Isiraely. Nitranga izany 37 taona tatỳ aoriana, tamin’ny taona 70 am.fan.ir., rehefa nandrava an’i Jerosalema ireo tafika romana ka ringana ny Jiosy maherin’ny iray tapitrisa.

Rehefa nieritreritra izany tarehin-javatra nahatahotra izany i Jesosy dia nalahelo mafy. “Ry Jerosalema, ry Jerosalema”, hoy indray ny nambarany, “impiry aho no naniry hanangona ny zanakao, tahaka ny fanòmban’ny akoho ny zanany eo ambanin’ny elany! Nefa tsy nety ianareo, ry olona. Indro! Afoy ho anareo ny tranonareo.”

Avy eo dia nanampy teny toy izao i Jesosy: “Tsy hahita ahy tokoa ianareo manomboka izao ka mandra-pilazanareo hoe: ‘Hotahina anie ilay avy amin’ny anaran’i Jehovah!’ ” Izany andro izany dia amin’ny fanatrehan’i Kristy rehefa ho tonga ao amin’ny Fanjakany any an-danitra izy ka ho hitan’ny olona amin’ny mason’ny finoana.

Izao i Jesosy dia nankeo amin’ny toerana iray nahafahany nandinika ireo fandatsahan-drakitry ny tempoly sy ny fandatsaky ny vahoaka vola tao. Ny mpanan-karena dia nandatsaka vola madinika be dia be. Fa tonga kosa ny mpitondratena nahantra iray ary nandatsaka vola madinika kely roa ambany dia ambany vidy.

Niantso ny mpianany hankeo aminy i Jesosy ka nanao hoe: “Milaza aminareo marina tokoa aho fa io mpitondratena malahelo io dia nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka vola tao amin’ny fandatsahan-drakitra.” Tsy maintsy nanontany tena izy ireo hoe amin’ny ahoana no hetezan’izany. Nanazava toy izao àry i Jesosy: “Ireo rehetra ireo dia nandatsaka avy tamin’ny ambim-bavany, fa izy kosa, avy tamin’ny tsy fananany, dia nandatsaka izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.” Rehefa avy niteny izany i Jesosy dia niala teo amin’ny tempoly ka tsy niverina teo intsony.

Nitolagaga noho ny haben’ilay tempoly sy ny hatsaran-tarehiny ny iray tamin’ny mpianany, ka nihiaka hoe: “Mpampianatra ô, jereo! Karazam-bato manao ahoana moa sy karazan-trano manao ahoana moa ireto!” Voalaza tokoa fa ireo vato ireo dia maherin’ny 11 metatra ny halavany, maherin’ny 5 metatra ny sakany, ary maherin’ny 3 metatra ny haavony!

“Hitanareo ve ireo trano lehibe ireo?”, hoy ny navalin’i Jesosy. “Tsy havela hisy vato hifanongoa eo ka tsy horavana.”

Rehefa avy nilaza izany i Jesosy sy ny apostoliny dia namakivaky ny lohasahan’i Kidrona ka nianika ny tendrombohitra Oliva. Avy teo izy dia afaka nijery ilay tempoly tsara tarehy fatratra terỳ ambany. Matio 23:25 ka hatramin’ny 24:3, MN; Marka 12:41 ka hatramin’ny 13:3, MN; Lioka 21:1-6, MN; 2 Tantara 24:20-22, MN.

▪ Inona no nataon’i Jesosy nandritra ny fitsidihany farany ny tempoly?

▪ Tamin’ny fomba ahoana no nihariharian’ny fihatsarambelatsihin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo?

▪ Inona no dikan’ny hoe “fitsaran’ny Gehena”?

▪ Nahoana i Jesosy no nilaza fa ilay mpitondratena dia nanao fanomezana betsaka noho ireo mpanan-karena?