Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vitan’i Jesosy avokoa izay rehetra angatahin’Andriamanitra aminy

Vitan’i Jesosy avokoa izay rehetra angatahin’Andriamanitra aminy

Toko 133

Vitan’i Jesosy avokoa izay rehetra angatahin’Andriamanitra aminy

REHEFA hanaisotra an’i Satana sy ny tontolony tsy marina i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka Mpiady, dia ho antony hifaliana toy inona moa izany! Hanomboka amin’izay ny Fanjakana arivo taonan’i Jesosy feno fiadanana rehefa ela ny ela!

Eo ambany fitarihan’i Jesosy sy ireo hiara-manjaka aminy, ireo ho tafita velona amin’ny Armagedona dia hanadio ny rava rehetra havelan’io ady marina io. Azo inoana fa ireo ho tafita velona eto an-tany dia hiteraka koa mandritra ny fotoana sasantsasany, ary ireo zanany dia handray anjara amin’ny asa mahafinaritra hatao hiasana ny tany ho tonga saha kanto dia kanto mitovy amin’ny zaridaina.

Atỳ aoriana i Jesosy dia hamoaka avy ao am-pasana, olona an-tapitrisany maro mba hahazo io Paradisa tsara tarehy io. Hanao izany izy ho fanatanterahana ilay antoka nomen’ny tenany ihany manao hoe: ‘Ho avy ny ora izay hivoahan’ny olona rehetra any am-pasam-pahatsiarovana’.

Ho anisan’ireo hatsangan’i Jesosy amin’ny maty ilay mpanao ratsy taloha maty teo anilany teo amin’ny hazo fijaliana. Tsarovy fa nampanantena azy toy izao i Jesosy: “Lazaiko aminao marina tokoa anio: Hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao.” Tsia, tsy hoentina any an-danitra mba hiara-manapaka amin’i Jesosy ho toy ny mpanjaka akory io lehilahy io, na koa hoe ho tonga olombelona indray i Jesosy ka hiara-monina aminy eto amin’ny tany Paradisa. Tsia, fa hiaraka amin’io mpanao ratsy taloha io kosa i Jesosy amin’ny heviny hoe hanangana azy amin’ny maty Izy mba hiainany ao amin’ny Paradisa ary hanao izay hahavoakarakara ny zavatra hilainy, ara-batana sy ara-panahy, araka ny asehon’ny sary eo amin’ny manaraka.

Eritrereto ange! Eo ambany fanehoan’i Jesosy fiheverana feno fitiavana, ny fianakavian’ny taranak’olombelona manontolo — ireo ho tafita velona amin’ny Armagedona sy ny taranany ary ireo olona an’arivo tapitrisany maro hatsangana amin’ny maty izay hankatò azy — dia hahatratra ny fahatanterahan’olombelona. I Jehovah, amin’ny alalan’ny Zanany Mpanjaka, Jesosy Kristy, dia hitoetra eo amin’ny taranak’olombelona amin’ny heviny ara-panahy. “Ary hofafany”, hoy ilay feo ren’i Jaona avy tany an-danitra, “ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana”. Tsy hisy olona na dia iray aza eto an-tany hijaly na harary.

Rehefa tonga ny faran’ny Fanjakana arivo taonan’i Jesosy, dia hitovy tsy misy hafa amin’izay nokasain’Andriamanitra tany am-boalohany fony izy nilaza tamin’ny mpivady olombelona voalohany, i Adama sy i Eva, mba hihabetsaka sy hameno ny tany, ny toe-piainana. Eny, ho feno taranak’olombelona tanteraka sy marina ny tany. Izany dia satria ho efa nampiharina tamin’ny rehetra ny soa azo avy amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy. Tsy ho eo intsony ny fahafatesana noho ny fahotan’i Adama!

Araka izany, dia ho tanterak’i Jesosy avokoa izay nangatahin’i Jehovah taminy. Noho izany, amin’ny faran’ny fanjakana arivo taona, dia hatolony amin’ny Rainy ny fanjakana sy ny fianakavian’ny olombelona tonga tanteraka. Amin’izay Andriamanitra dia hanafaka an’i Satana sy ireo demoniany avy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa tsy misy fahafahana manao zavatra toy ny amin’ny fahafatesana. Noho ny fikendrena inona?

Rehefa tonga ny faran’ny arivo taona, ny ankamaroan’ireo hiaina ao amin’ny Paradisa dia ho olona natsangana tamin’ny maty izay mbola tsy nosedraina mihitsy ny finoany. Talohan’ny nahafatesany izy ireo dia tsy nahafantatra mihitsy ireo fampanantenan’Andriamanitra ka noho izany dia tsy afaka nampiseho ny finoany izany. Avy eo, rehefa avy hatsangana amin’ny maty izy ka hampianarina ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly, dia ho mora amin’izy ireo ny hanompo an’Andriamanitra ao amin’ny Paradisa, tsy misy fanoherana. Kanefa, raha omena fahafahana hanandrana ny hanakana azy ireo tsy hanohy hanompo an’Andriamanitra i Satana, moa ve izy ireo hiseho ho mahatoky ao anatin’ny fisedrana? Mba hamaliana io fanontaniana io, dia hafahana i Satana.

Mampiharihary ny fanambarana nomena an’i Jaona fa, aorian’ny Fanjakana arivo taonan’i Jesosy, i Satana dia hahomby amin’ny fampiodinana olona tsy voafetra ny isany, hiala amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Amin’izay anefa, rehefa vita io fisedrana farany io, dia horinganina mandrakizay i Satana, ireo demoniany ary izay rehetra voafitany. Etsy an-daniny kosa, ireo ho tafita velona mahatoky avy nosedraina tamin’ny fomba feno dia hanohy hiaina mba hahazo ireo fitahiana avy amin’ny Rainy any an-danitra ho mandrakizay doria.

Hita mazava fa nandray, ary hanohy handray anjara lehibe dia lehibe amin’ny fanatanterahana ireo fikasan’Andriamanitra be voninahitra i Jesosy. Hoavy mahatalanjona toy inona moa no mety ho azontsika noho izay rehetra tanterahiny amin’ny maha-Mpanjaka lehibe voatendrin’Andriamanitra any an-danitra azy. Kanefa, tsy afaka manadino izay rehetra nataony fony izy lehilahy olombelona isika.

Tonga teto an-tany an-tsitrapo izy ary nampianatra antsika momba ny Rainy. Ambonin’izany koa, izy dia nampiseho teo amin’ny fomba fiainany ireo toetra tsaran’Andriamanitra sarobidy. Voatohina ny fontsika rehefa mandinika ny herim-pony sy ny fahasahiany maha-te hidera isika, ny fahendreny tsy manan-tsahala, ny fahaizany fatratra tamin’ny naha-mpampianatra, ny fitarihany tsy tamin-tahotra ary ny fangoraham-pony feno fitiavana sy ny fahaizany nipetraka teo amin’ny toeran’ny hafa. Rehefa tsaroantsika ny fijaliany tsy hay lazaina fony izy nanome ny avotra, izay ny hany fomba mety hahazoantsika fiainana, dia azo antoka fa voatosika ho velom-pankasitrahana azy ny fontsika!

Eny tokoa, lehilahy toy inona moa no hitantsika tamin’iny fianarana ny fiainan’i Jesosy nataontsika iny! Miharihary sy mandresy antsika ny fahalehibeazany. Voatosika hamerina ireto tenin’ilay governora romana, Pontio Pilato, ireto isika: “Indro! Ny lehilahy!” Eny tokoa, “Ny lehilahy”, dia ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany!

Amin’ny fanekentsika ny sorom-panavotana nomeny, dia azo esorina amintsika ny enta-mavesatry ny ota sy ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama, ary afaka ny ho tonga “Ray mandrakizay” ho antsika i Jesosy. Izay rehetra hahazo fiainana mandrakizay dia tsy maintsy mandray fahalalana, tsy momba an’Andriamanitra ihany, fa momba ny Zanany, Jesosy Kristy, koa. Enga anie ny famakianao sy ny fianaranao ity boky ity ka hanampy anao handray izany fahalalana manome fiainana izany! 1 Jaona 2:17; 1:7; Jaona 5:28, 29, MN; Jn 3:16; Jn 17:3, MN; Jn 19:5, MN; Lioka 23:43, MN; Genesisy 1:28; 1 Korintiana 15:24-28; Apokalypsy 20:1-3, 6-10; 21:3, 4; Isaia 9:5, MN.

▪ Inona no ho tombontsoa mahafaly ho azon’ireo ho tafita velona amin’ny Armagedona sy ireo zanany?

▪ Iza, ankoatra ireo ho tafita velona amin’ny Armagedona sy ireo zanany, no hahazo ny Paradisa, ary amin’ny heviny ahoana i Jesosy no hiaraka amin’izy ireo?

▪ Hanao ahoana ny toe-piainana amin’ny faran’ny arivo taona, ary inona no hataon’i Jesosy amin’izay?

▪ Nahoana no hafahana avy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa i Satana, ary inona no hanjo azy sy izay rehetra manaraka azy amin’ny farany?

▪ Amin’ny ahoana no ahafahan’i Jesosy ho tonga “Ray mandrakizay” ho antsika?