Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vonoana olona nandritra ny fankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana

Vonoana olona nandritra ny fankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana

Toko 51

Vonoana olona nandritra ny fankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana

REHEFA avy nanome toromarika ho an’ny apostoliny i Jesosy dia nandefa azy ireo tsiroaroa ho any amin’ny faritany. Azo heverina fa niaraka i Petera sy i Andrea rahalahiny, ary toy izany koa i Jakoba sy i Jaona rahalahiny, i Filipo sy i Bartelemeo, i Tomasy sy i Matio, i Jakoba sy i Tadeo ary i Simona sy i Jodasy Iskariota. Ireo andiana mpitory ny filazantsara enina ireo dia nanambara ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana sady nanao fanasitranana tamin’ny fomba mahagaga tany amin’ny toerana rehetra nalehany.

Nandritra izany fotoana izany, dia mbola tany an-tranomaizina foana i Jaona Mpanao batisa. Tany efa saika ho roa taona izy izao. Tsaroanareo angamba fa nanambara ampahibemaso i Jaona fa tsy nety ny nakan’i Heroda Antipasy an’i Herodiasy, vadin’i Filipo rahalahiny, ho vadiny. Koa satria nihambo ho nanaraka ny Lalàn’i Mosesy i Heroda Antipasy, dia nalan’i Jaona sarona araka ny izy tsara io firaisana izay tsy inona fa fanitsakitsaham-bady io. Nasain’i Heroda nampidirina an-tranomaizina àry i Jaona, angamba teo ambany fampirisihan’i Herodiasy.

Tsapan’i Heroda fa lehilahy marina i Jaona ary nihaino azy tamim-pahafinaretana mihitsy aza izy. Noho izany, dia very hevitra izy raha ny amin’izay tokony hatao taminy. I Herodiasy kosa, tetsy an-daniny, dia nankahala an’i Jaona ary tsy nitsahatra nitady fomba hahafaty azy. Tamin’ny farany, dia tonga ihany ilay fotoana nandrasany ho amin’izany.

Tsy ela talohan’ny Paska taona 32 am.fan.ir., i Heroda dia nandamina fankalazana goavana ho an’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahany. Tafangona tao amin’io lanonana io ireo manamboninahitra ambony indrindra sy mpanao raharaha tao amin’ny tafika rehetra teo aminy, ary koa ireo olom-pirenena nitana toerana ambony tao Galilia. Rehefa nandroso ny takariva, dia nirahina handihy ho an’ireo olona nasaina i Salome, ankizivavy tanora, zanak’i Herodiasy tamin’i Filipo vadiny teo aloha. Finaritra aoka izany ireo lehilahy nanatrika noho ny fampisehoana nataony.

Nahafaly an’i Heroda erỳ i Salome. “Angataho amiko izay tianao, na inona na inona, dia homeko anao”, hoy ny nambarany. Nianiana mihitsy aza izy hoe: “Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza.”

Talohan’ny namaliana izany dia nivoaka i Salome mba haka hevitra tamin-dreniny. “Inona no hangatahiko?”, hoy izy nanontany.

Tonga ihany ilay fotoana rehefa ela ny ela! “Ny lohan’i Jaona mpanao batisa”, hoy ny navalin’i Herodiasy tsy nisy fihambahambana.

Niverina haingana tany amin’i Heroda i Salome ka nanolotra ny fangatahany: “Tiako raha homenao ahy izao ankehitriny izao eo ambony lovia ny lohan’i Jaona Mpanao batisa.”

Nalahelo mafy i Heroda. Kanefa, noho ireo olona nasainy nahare ilay fianianana nataony, dia nanahirana azy ny tsy hitana izany, na dia nidika ho famonoana olona tsy nanan-tsiny iray aza izany. Avy hatrany dia nirahina ho any amin’ny tranomaizina ny mpamono iray hanatanteraka io baikony nahatsiravina io. Tsy ela dia niverina izy io nitondra ny lohan’i Jaona teo ambony lovia, ka nanome izany an’i Salome. Io indray kosa dia nitondra izany tany amin-dreniny. Rehefa ren’ny mpianatr’i Jaona izay nitranga, dia tonga naka ny fatiny izy ka nandevina izany, ary avy eo dia nilaza izany tamin’i Jesosy.

Tatỳ aoriana, rehefa nahare ny amin’i Jesosy nanasitrana olona sy namoaka demonia i Heroda, dia raiki-tahotra satria nanahy izy sao i Jaona natsangana tamin’ny maty tokoa i Jesosy. Taorian’izay, dia naniry mafy ny hahita an’i Jesosy izy, tsy hoe mba hihainoana ny fitoriany akory, fa mba hahazoana fanamafisana raha marim-pototra ny ahiahiny na tsia. Matio 10:1-5; Mt 11:1; Mt 14:1-12, MN; Marka 6:14-29, MN; Lioka 9:7-9.

▪ Nahoana i Jaona no tany an-tranomaizina, ary nahoana i Heroda no tsy naniry ny hamono azy?

▪ Ahoana tamin’ny farany no nahafahan’i Herodiasy nampamono an’i Jaona?

▪ Taorian’ny nahafatesan’i Jaona, nahoana i Heroda no naniry ny hahita an’i Jesosy?