Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zotom-po ho an’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah

Zotom-po ho an’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah

Toko 16

Zotom-po ho amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah

JAKOBA, Josefa, Simona ary Jodasy — zanak’i Maria — ireo no rahalahin’i Jesosy tsy iray ray taminy. Talohan’ny hiarahan’izy rehetra ireo tamin’i Jesosy sy ny mpianany hanao ny dia ho any Kapernaomy, tanàna tany akaikin’ny Ranomasin’i Galilia, dia angamba izy ireo nijanona tao an-tranony tao Nazareta mba hahafahan’ny fianakaviana manangona ireo entana hilainy.

Fa nahoana i Jesosy no nankany Kapernaomy fa tsy nanohy ny fanompoany tany Kana, tany Nazareta, na tany amin’ny toeran-kafa iray tany amin’ny havoanan’i Galilia? Voalohany aloha, i Kapernaomy dia tanàna tsara toerana kokoa sy azo inoana fa lehibe kokoa. Manaraka izany, ny ankamaroan’ireo mpianatra vao azon’i Jesosy dia nonina tao Kapernaomy na tsy lavitra teo, ka tsy nila ny handao ny tranony izy ireo mba handraisana ny fampiofanana avy taminy.

Nandritra ny fivahiniany tao Kapernaomy, dia nanao asa nahagaga maro i Jesosy, araka ny hohamarinin’ny tenany volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Tsy ela anefa dia teny an-dalana indray i Jesosy sy ireo namany. Lohataona tamin’izay ka nankany Jerosalema izy ireo mba hankalaza ny Paska taona 30 am.fan.ir. Fony izy nivahiny tao, ireo mpianany dia nahita zavatra momba an’i Jesosy izay mbola tsy hitany hatramin’izay angamba.

Araka ny Lalàn’Andriamanitra, dia nasaina nanolotra sorona biby ny Isiraelita. Mba hanamora zavatra ho azy ireo àry dia nivarotra biby sy vorona nilainy ho amin’izany ireo mpivarotra tao Jerosalema. Tao anatin’ny tempoly mihitsy anefa izy no nivarotra, ary nanambaka ny olona izy tamin’ny fitakiana vidiny lafo loatra.

Tezitra mafy i Jesosy ka nanamboatra karavasy tamin’ny tady ary nandroaka ireo mpivarotra. Nararany ny volan’ny mpanakalo vola sady nazerany ny latabany. “Ento mivoaka ireto zavatra ireto!”, hoy izy niteny mafy tamin’ireo nivarotra ny voromahailala. “Aoka izay ny fanaovanareo ny tranon’ny Raiko ho trano fivarotana!”

Rehefa nahita izany ireo mpianatr’i Jesosy, dia nahatadidy ilay faminaniana momba ny Zanak’Andriamanitra nanao hoe: “Ny zotom-po ho an’ny tranonao no haharìtra aina ahy.” Ny Jiosy anefa nanontany azy hoe: “Inona no famantarana asehonao aminay, no manao izao zavatra izao ianao?” Namaly i Jesosy hoe: “Ravao ity tempoly ity, ary rehefa afaka hateloana dia hatsangako indray izy.”

Nihevitra ireo Jiosy fa niresaka ny amin’ilay tempoly ara-bakiteny i Jesosy, hany ka nanontany izy ireo hoe: “Enina amby efapolo taona no nanaovana ity tempoly ity, ka ianao ve hahatsangana azy ao anatin’ny hateloana?” Niresaka ny amin’ny tempolin’ny tenany anefa i Jesosy. Ary telo taona tatỳ aoriana, dia hotadidin’ny mpianany io teny nolazainy io rehefa hatsangana amin’ny maty izy. Jaona 2:12-22, MN; Matio 13:55; Lioka 4:23.

▪ Taorian’ilay fampakaram-bady tany Kana, taiza avy moa no nalehan’i Jesosy?

▪ Nahoana no tezitra i Jesosy, ary inona no nataony?

▪ Inona no tsaroan’ireo mpianatr’i Jesosy rehefa nahita ireo zavatra nataony izy ireo?

▪ Inona no nolazain’i Jesosy momba “ity tempoly ity”, ary inona no tiany holazaina tamin’izany?