Hijery ny anatiny

Inona no inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Inona no inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Inona no inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

“Tianay ho re aminao izay hevitrao; fa ny amin’izany antoko izany dia fantatray fa efa ratsy laza eny tontolo eny izy.” (Asan’ny Apostoly 28:22). Nanome ohatra tsara tokoa ireo filoham-pokonolona velona tao Roma tamin’ny taonjato voalohany ireo. Naleony nanovo ny marina avy tany am-potony toy izay avy tamin’ny mpanakiana ivelany fotsiny.

Voampanga matetika toy izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, koa ho diso izay mihevitra ny hahare ny marina momba azy ireny avy amin’ny loharanom-panazavana mandray an-tendrony. Koa mahafaly anay àry ny manazava aminareo etoana ireo foto-pinoanay.

Ny Baiboly sy Jesosy Kristy ary Andriamanitra

Inoanay fa “ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra dia mahasoa”. (2 Timoty 3:16, Fandikan-teny Katolika). Ary na dia misy aza manao anay ho tsy tena kristiana, dia diso izany. Tohananay tanteraka tokoa ny fanambaran’ny apostoly Petera ny amin’i Jesosy Kristy manao hoe: “Fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.” — Asan’ny Apostoly 4:12.

Kanefa satria i Jesosy nilaza ny tenany ho “Zanak’Andriamanitra” ka “Ny Ray naniraka ahy”, dia inoanay Vavolombelon’i Jehovah fa Andriamanitra dia lehibe noho Jesosy. (Joany 10:36; 6:58, Kat.). I Jesosy mihitsy aza no nanaiky fa: “Lehibe noho izaho ny Ray.” (Joany 14:28, Kat.; 8:28). Koa izahay àry tsy mino an’i Jesosy ho mitovy amin’ny Ray toy ny ilazan’ny fampianarana momba ny Trinite azy. Fa ny inoanay kosa dia ny hoe, voaforon’Andriamanitra izy ka dia eo ambany fahefany. — Kolosiana 1:15; 1 Korintiana 11:3.

Jehovah no anaran’Andriamanitra amin’ny fitenintsika malagasy. Hoy ny Baiboly hoe: “Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” (Salamo 83:18). Nifanaraka tamin’io filazana io i Jesosy ka nampisandratra ny anaran’Andriamanitra ary dia nampianatra ny mpanara-dia azy hivavaka hoe: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” Ny tenany koa aza dia nivavaka tamin’Andriamanitra hoe: “Nasehoko tamin’ny olona izay nomenao Ahy (...) ny anaranao.” — Matio 6:9; Jaona 17:6.

Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa tokony hanahaka an’i Jesosy izy ireo amin’ny fampisehoana amin’ny olon-kafa ny anarana amam-pikasan’Andriamanitra. Noho izany, dia noraisinay ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah ho fanahafana an’i Jesosy, “ilay Vavolombelona mahatoky”. (Apokalypsy 1:5; 3:14, Kat.). Mety àry ny ilazan’ny Isaia 43:10 amin’ny vahoaka solontenan’Andriamanitra hoe: “Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko”.

Ny Fanjakan’Andriamanitra

Ireo mpianatr’i Jesosy dia nampianariny hivavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao”, ary dia io Fanjakana io no nataony ho foto-dresaka nisongadina teo amin’ny fampianarany. (Matio 6:10; Lioka 4:43). Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mino an’io Fanjakana io ho tena fanapahana avy any an-danitra izay hitondra ny tany, ka i Jesosy Kristy no voatendry ho Mpanjaka tsy hita maso eo aminy. “Ny fanapahana dia eo an-tsorony”, hoy ny Baiboly. “Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana”. — Isaia 9:5, 6.

Kanefa tsy ho mpanjaka tokana eo amin’ilay fanapahan’Andriamanitra akory i Jesosy Kristy. Maro koa ireo ho mpiara-manapaka aminy any an-danitra. “Raha miaritra isika”, hoy ny apostoly Paoly, “dia hiara-manjaka aminy”. (2 Timoty 2:12). Asehon’ny Baiboly fa ireo olona hatsangana amin’ny maty mba hiara-manapaka amin’i Kristy any an-danitra dia voafetra ho “efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala tamin’ny tany”. — Apokalypsy 14:1, 3.

Mazava ho azy moa fa rehefa mety ho fanapahana dia tsy maintsy manana olom-pehezina, ary inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa ho an’arivo tapitrisany maro no hahazo fiainana mandrakizay ankoatra ireo mpanapaka any an-danitra ireo. Amin’ny farany, ny tany izay ho efa zary paradisa kanto, dia ho henika vahoaka mendrika toy izany, izay hanoa ny Fanjakan’Andriamanitra sady samy hanaiky avokoa ny fiandrianan’i Kristy sy ireo mpiara-manapaka aminy. Koa inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah mafy àry fa tsy ho levona na oviana na oviana ny tany fa ho tanteraka kosa ny fampanantenan’ny Baiboly hoe: “Hanana ny tany ny olo-marina, dia honina eo mandrakizay.” — Salamo 37:29, Kat.; 104:5.

Ahoana anefa no fomba hahatongavan’ilay Fanjakan’Andriamanitra? Amin’ny faneken’ny vahoaka rehetra an-tsitrapo ny hanapahan’Andriamanitra ve? Mifanohitra amin’izany, mifanaraka amin’ny toe-java-miseho ny Baiboly ka milaza fa hitaky ny hisalovanan’Andriamanitra amin’ny raharahan’ny tany ny fiavian’ilay Fanjakany: “Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary (...) ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” — Daniela 2:44.

Rahoviana no ho tonga ilay Fanjakan’Andriamanitra? Noho ireo faminanian’ny Baiboly mihatanteraka amin’izao fotoana izao dia inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa vetivety dia ho tonga izy io. Manasa anao izahay handinika faminaniana vitsivitsy nilaza ny ho toetran’ny “andro farany” ho an’izao fandehan-javatra ratsy izao. Ho hitanao voasoratra izany ao amin’ny Matio 24:3-14 sy Lioka 21:7-13, 25-31 ary 2 Timoty 3:1-5.

Satria samy ‘tia an’i Jehovah Andriamanitray amin’ny fonay rehetra sy ny fanahinay rehetra ary ny sainay rehetra sy ny herinay rehetra ary koa ny namanay tahaka ny tenanay’ izahay, dia tsy mba voazarazan’ny firenena sy firazanana na ny toerana ara-tsosialy. (Marka 12:30, 31). Fanta-daza noho ny fifankatiavana manjaka eo amin’ireo rahalahinay kristiana miely eram-pirenena rehetra izahay. (Jaona 13:35; 1 Jaona 3:10-12). Koa dia mitana toerana fialanalanana àry izahay raha ny amin’ny raharaha ara-politikan’ireny firenena ireny. Iezahanay tahafina ireo mpianatra voalohan’i Jesosy Kristy izay nolazainy hoe: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” (Jaona 17:16). Inoanay fa anisan’izany fisarahana amin’izao tontolo izao izany ny mifady ny fanao maloto miely ankehitriny izay mahafaoka ny lainga sy halatra amam-pijangajangana ary fanitsakitsaham-bady sy firaisan’ny samy lehilahy mbamin’ny fampiasan-dratsy ny ra sy ny fanompoan-tsampy ary zavatra hafa toy izany melohin’ny Baiboly. — 1 Korintiana 6:9-11; Efesiana 5:3-5; Asan’ny Apostoly 15:28, 29.

Ny fanantenanay ny amin’ny hoavy

Inoanay Vavolombelon’i Jehovah fa tsy vitan’ny fiainana ivelomantsika eto amin’ity tontolo ity fotsiny akory ny zavatra rehetra. Inoanay fa naniraka an’i Kristy hanketo an-tany i Jehovah mba handatsaka ny ran’ainy ho avotra hahazoan’ny olombelona fahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra handraisany fiainana mandrakizay ao amin’ny fandehan-javatra vaovao, toy ny voalazan’ny apostolin’i Jesosy hoe: “Nohamarinina tamin’ny rany isika.” (Romana 5:9; Matio 20:28). Isaoranay Vavolombelon’i Jehovah lalina Andriamanitra sy ny Zanany namorona an’io avotra io mba hety ny fisian’ny fiainan-ko avy.

Izahay Vavolombelon’i Jehovah dia matoky tanteraka fa hisy tokoa fiainan-ko avy hiorina amin’ny fananganana amin’ny maty eo ambanin’ilay Fanjakan’Andriamanitra. Inoanay, araka ny ampianaran’ny Baiboly azy, fa rehefa misy olona maty dia tena tapitra hatreo ny fahavelomany ka “amin’izay andro izay ihany dia levona ny hevitra kasainy”. (Salamo 146:3, 4, Kat.; Ezekiela 18:4; Mpitoriteny 9:5). Eny tokoa, ny fiainan-ko avin’ny maty dia miankina amin’ny fahatsiarovan’Andriamanitra azy amin’ny fananganana azy indray. — Jaona 5:28, 29.

Kanefa izahay Vavolombelon’i Jehovah dia matoky koa fa maro amin’izay velona ankehitriny izao no ho tafita velona amin’ny famaranan’ilay Fanjakan’Andriamanitra an’ireo fanapahana rehetra misy ankehitriny, tahaka ny nahatafita velona an-dry Noa mianakavy tamin’ny Safodrano, ka hiaina mandrakizay eo amin’ny tany voadio. (Matio 24:36-39; 2 Petera 3:5-7, 13). Inoanay koa anefa fa miankina amin’ny famenoana ireo fepetra takin’Andriamanitra ny fahafahana ho tafita velona, araka ny ilazan’ny Baiboly azy hoe: “Mandalo izao tontolo izao (...), fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” — 1 Joany 2:17, Kat.; Salamo 37:11; Apokalypsy 7:9, 13-15; 21:1-5.

Mazava ho azy fa tsy voatanisa eto avokoa ireo zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa dia iangavianay kosa ianao mba hanao fikarohana, dia hahazo fanazavana bebe kokoa.

Raha tsy misy fanamarihana manokana (toy ny hoe NW ho an’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao—Fanaovana Fikarohana, anglisy), ny andinin-teny rehetra dia avy amin’ny Baiboly Fandikan-teny Protestanta.

[Teny notsongaina, pejy 4]

Noraisinay ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah ho fanahafana an’i Jesosy