Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahatsinjovan-javatra Iray Tsy Manam-paharoa!

Fahatsinjovan-javatra Iray Tsy Manam-paharoa!

Fahatsinjovan-javatra Iray Tsy Manam-paharoa!

“Izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.” — JAONA 11:26.

1. Hatsangana eo anivon’ny tontolo hanao ahoana moa ireo olona an-tapitrisany maro maty amin’izao fotoana izao?

REHEFA hatsangana amin’ny maty ny olona an-tapitrisany maro, dia tsy haverina ho amin’ny fiainana eto amin’ny tany foana iray. (Asan’ny Apostoly 24:15). Hifoha eo anivon’ny tontolo nohatsaraina sy kanto izy ireo, ary hahita fa misy fonenana sy fitafiana ary sakafo tondraka efa nomanina ho azy ireo. Iza no nanomana izany rehetra izany? Mazava ho azy fa tsy maintsy hisy olona hiaina ao amin’ilay tontolo vaovao, alohan’ny hanombohan’ny fitsanganana amin’ny maty eto an-tany. Iza anefa?

2-4. Fahatsinjovan-javatra tsy manam-paharoa inona no miandry an’ireo izay miaina amin’ny “andro farany”?

2 Ny fahatanterahan’ny faminaniana ara-baiboly dia mampiseho fa miaina amin’ny “andro farany” amin’izao fandehan-javatra izao isika. * (2 Timoty 3:1, NW ). Tsy ho ela intsony izao, i Jehovah Andriamanitra dia hisalovana eo amin’ny raharahan’ny olombelona ary hamongotra ny faharatsiana eto an-tany. (Salamo 37:10, 11; Ohabolana 2:21, 22). Amin’izay fotoana izay, inona moa no hitranga amin’ireo izay manompo an’Andriamanitra amim-pahatokiana?

3 Tsy handringana ny marina miaraka amin’ny ratsy fanahy akory i Jehovah. (Salamo 145:20). Mbola tsy nanao zavatra toy izany mihitsy izy, ary tsy hanao izany izy rehefa hanadio ny tany amin’ny zava-dratsy rehetra. (Ampitahao amin’ny Genesisy 18:22, 23, 26.) Raha ny marina aza, ny boky farany ao amin’ny Baiboly dia miresaka momba ny “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”, izay hivoaka avy amin’ny “fahoriana lehibe”. (Apokalypsy 7:9-14). Eny, hisy olona sesehena ho tafita velona amin’ilay fahoriana lehibe hamarana itỳ tontolo ratsy ankehitriny itỳ, ary dia hiditra ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra izy ireo. Ao, ny olombelona mpankatò dia ho afaka handray soa feno avy amin’ny fandaharana mahatalanjona nataon’Andriamanitra mba hanafahana ny olombelona amin’ny fahotana sy ny fahafatesana. (Apokalypsy 22:1, 2). Araka izany, dia tsy hila ny handia fahafatesana na oviana na oviana ny “olona betsaka”. Fahatsinjovan-javatra tsy manam-paharoa re izany!

4 Afaka matoky an’io fanantenana mahatalanjona io ve isika? Izany tokoa! I Jesosy Kristy mihitsy no nampiseho fa hisy fotoana hiainan’ny olona ka tsy hahafatesany na oviana na oviana. Taloha kelin’ny nananganany an’i Lazarosy sakaizany tamin’ny maty, dia hoy i Jesosy tamin’i Marta: “Izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.” — Jaona 11:26.

Ianao koa dia ho afaka hiaina mandrakizay

5, 6. Raha maniry hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany ianao, inona no tokony hataonao?

5 Maniry hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany ve ianao? Maniry mafy ny hahita an’ireo hava-malalanao indray ve ianao? Raha eny, dia tsy maintsy mandray fahalalana araka ny marina ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany ianao. Tao amin’ny vavaka iray nataony tamin’Andriamanitra, dia hoy i Jesosy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” — Jaona 17:3.

6 Ny sitrapon’Andriamanitra dia ny ‘hahavoavonjy ny olona rehetra sy hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina’. (1 Timoty 2:3, 4). Izao no fotoana tokony hianaranao, miaraka amin’ny olona an-tapitrisany maro hafa efa manao ny sitrapon’Andriamanitra, ny fomba hahafahanao hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao hianatra bebe kokoa momba an’Andriamanitra sy ny zavatra takiny. Nahoana raha mifandray amin’izy ireo ao amin’ny Efitrano Fanjakana iray eo akaikinao, na manoratra amin’ny adiresy akaiky indrindran’ny misy anao voatanisa ao ambadika?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Jereo ny Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, pejy 98-107, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 31]

Misy “olona betsaka” tsy mila ny handia fahafatesana mihitsy