Fanantenana Azo Antoka
Fanantenana Azo Antoka
“Hatramin’ny fotoana ahaterahan’ny olona iray, dia mandondona foana ilay hetezany ho faty na rahoviana na rahoviana; ary dia tsy maintsy tonga ilay izy, fa tsy azony ihodivirana.” — ARNOLD TOYNBEE, MPAHAY TANTARA BRITANIKA.
1. Zava-misy inona no voatery neken’ny olombelona, ka nampipoitra fanontaniana inona avy?
IZA no ho sahy hanohitra io fahamarinana voatonona eo ambony io? Ny olombelona dia voatery nanaiky foana ny fahafatesana, izay zava-misy mahatsiravina. Ary toy inona moa ny fahatsapantsika ho tsy afa-manoatra rehefa maty ny olona iray tiantsika! Amin’izay, dia toa tsy misy azo atao mihitsy momba ilay izy. Azo atao ve ny ho tafaray indray amin’ireo hava-malalantsika maty? Inona no fanantenana atolotry ny Baiboly ho an’ny maty? Diniho izao fitantarana manaraka izao.
‘Maty ilay sakaizantsika’
2-5. a) Rehefa maty i Lazarosy sakaizany, ahoana moa no nampisehoan’i Jesosy ny fahavononany sy ny fahaizany hanangana azy? b) Ankoatra ny famerenana an’i Lazarosy ho amin’ny fiainana, inona koa no notanterahin’ilay fahagagana nananganana azy tamin’ny maty?
2 Ny taona 32 am.f.i. tamin’izay. Tao amin’ny tanàna kelin’i Betania, telo kilaometatra avy tao Jerosalema, no nisy an’i Lazarosy sy i Marta ary i Maria, anabaviny. Naman’i Jesosy akaiky izy ireo. Indray andro, dia narary mafy i Lazarosy. Avy hatrany dia nampilaza io vaovao io tany amin’i Jesosy, izay teny ampitan’ny Ony Jordana, ireo anabaviny efa nanahy mafy. Tia an’i Lazarosy sy ny anabaviny i Jesosy, hany ka nankany Betania izy. Teny an-dalana, dia hoy i Jesosy tamin’ireo mpianany: “Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho.” Koa satria tsy takatr’ireo mpianatra avy hatrany ny dikan’io fanambarana io, dia nilaza mazava i Jesosy hoe: “Maty Lazarosy”. — Jaona 11:1-15.
3 Rehefa ren’i Marta fa ho avy tao Betania i Jesosy, dia nihazakazaka hitsena azy izy. Nampihetsi-po an’i Jesosy ny alahelony, ka hoy izy, nanome toky azy: “Hitsangana ny anadahinao.” Namaly i Marta hoe: “Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.” Nilaza taminy àry i Jesosy hoe: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.” — Jaona 11:20-25.
4 Avy eo i Jesosy dia nankany amin’ilay fasana ary nanome toromarika mba hanesorana ilay vato teo amin’ny fidirana. Rehefa avy nivavaka tamin’ny feo avo izy, dia nandidy hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha!” Ary raha nibanjina an’ilay fasana ny maso rehetra, dia iny fa nivoaka tokoa i Lazarosy. Nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty i Jesosy — namerina ny ainy tamin’ny lehilahy iray izay efa maty efatra andro! — Jaona 11:38-44.
5 Efa nanam-pinoana ny fampanantenana fitsanganana amin’ny maty i Marta. (Jaona 5:28-29; 11:23, 24). Ary ilay fahagagana namerenana an’i Lazarosy ho amin’ny fiainana dia vao mainka nanatanjaka ny finoany no sady nanome finoana ny hafa. (Jaona 11:45). Inona marina anefa no hevitr’ilay teny hoe “fitsanganana amin’ny maty”?
“Hitsangana izy”
6. Inona no hevitr’ilay teny hoe “fitsanganana amin’ny maty”?
6 Ny teny hoe “fitsanganana amin’ny maty” dia nadika avy tamin’ilay teny grika hoe a·naʹsta·sis, izay midika ara-bakiteny hoe “fitsanganana indray”. Ireo Hebreo dia nandika ilay teny grika hoe a·naʹsta·sis tamin’ny teny hebreo hoe techi·yathʹ ham·me·thimʹ, izay midika hoe * Araka izany, ny fitsanganana amin’ny maty dia ny fananganana ilay olona avy amin’ny fahafatesana, avy amin’ny tsy fisian’ny aina — famelomana indray ilay fomba fiainan’ilay olona.
“fahaveloman’ny maty indray”.7. Nahoana no tsy ho zava-manahirana ho an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy ny hanangana olona amin’ny maty?
7 Tsy manam-petra ny fahendren’i Jehovah Andriamanitra ary tonga lafatra ny fitadidiany, ka afaka manangana olona iray mora foana izy. Tsy zava-manahirana ho azy ny mitadidy ny fomba fiainan’ireo maty — ny lafin-toetrany sy ny tantaram-piainany ary ny tsipiriany rehetra amin’ny maha-izy azy. (Joba 12:13; ampitahao amin’ny Isaia 40:26.) I Jehovah koa no Loharanon’ny fiainana. Noho izany, dia afaka mamerina ho amin’ny fiainana mora foana ilay olona efa nisy izy, amin’ny fanomezana azy ilay toetra efa nananany, ao anaty vatana vaovao. Ambonin’izany, araka ny asehon’ny zava-nitranga tamin’i Lazarosy, i Jesosy Kristy dia sady vonona no mahay manangana ny maty. — Ampitahao amin’ny Lioka 7:11-17; 8:40-56.
8, 9. a) Nahoana ny fitsanganana amin’ny maty sy ny hevitra momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy (âme) no tsy mifanaraka? b) Inona no fanafodin’ny fahafatesana?
8 Ny fampianaran’ny Soratra Masina momba ny fitsanganana amin’ny maty anefa dia tsy mifanaraka amin’ny foto-pampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy (âme). Raha mbola velona aorian’ny fahafatesana ny fanahy (âme), dia tsy hisy hila ny hatsangana amin’ny maty, na haverina ho amin’ny fiainana. I Marta tokoa dia tsy nilaza hevitra ny amin’ny fanahy (âme) tsy mety maty sy manohy miaina any an-toeran-kafa aorian’ny fahafatesana. Tsy nino izy hoe efa nankany amin’ny faritra ara-panahy iray mba hanohy ny fiainany tany i Lazarosy. Mifanohitra amin’izany fa nampiseho ny finoany ny fikasan’Andriamanitra hikosoka ny vokatry ny fahafatesana izy. Hoy izy: “Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.” (Jaona 11:23, 24). Toy izany koa, i Lazarosy dia tsy nitantara fitrangan-javatra tany amin’ny fiainana taorian’ny nahafatesany, satria tsy nisy na inona na inona hotantaraina.
9 Mazava fa, araka ny Baiboly, dia maty ny fanahy (âme) ary ny fanafodin’ny fahafatesana dia ny fitsanganana amin’ny maty. Olona an’arivo tapitrisany maro anefa no efa maty hatramin’ny nandiavan’i Adama, ilay lehilahy voalohany, itỳ tany itỳ. Koa iza àry no hatsangana amin’ny maty, ary aiza?
“Izay rehetra ao amin’ny fasam-pahatsiarovana”
10. Inona no fampanantenana nomen’i Jesosy momba ireo izay any amin’ny fasam-pahatsiarovana?
10 Hoy i Jesosy Kristy: “Avy ny ora handrenesan’izay Jaona 5:28, 29, NW ). Eny, nampanantena i Jesosy Kristy fa izay rehetra ao amin’ny fitadidian’i Jehovah dia hatsangana amin’ny maty. Olona an’arivo tapitrisany maro no efa velona sy maty. Iza amin’ireo no ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra ka miandry ny fitsanganana amin’ny maty?
rehetra ao amin’ny fasam-pahatsiarovana ny feony [ny an’i Jesosy] dia hivoaka izy”. (11. Iza no hatsangana amin’ny maty?
11 Ireo mpanompon’i Jehovah nanaraka fomba fiaina mahitsy dia hatsangana. Olona an-tapitrisany maro hafa koa anefa no maty, nefa tsy nampiseho raha hanaraka ireo fari-pitsipika marin’Andriamanitra na tsia. Na, tsy nahalala ireo zavatra takin’i Jehovah izy ireny, na, tsy ampy fotoana hanaovana ireo fiovana nilainy hatao. Ireny koa dia ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra ka hatsangana amin’ny maty, satria hoy ny fampanantenan’ny Baiboly: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” — Asan’ny Apostoly 24:15, NW.
12. a) Fahitana inona no azon’ny apostoly Jaona, momba ny fitsanganana amin’ny maty? b) Inona no “hatsipy any amin’ny farihy afo”, ary inona no dikan’io teny io?
12 Ny apostoly Jaona dia nahazo fahitana nampientam-po ny amin’ny olona natsangana tamin’ny maty ary nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Hoy ny nosoratany, nilazalaza azy io: “Ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny Hadesy namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. Ary ny fahafatesana sy ny Hadesy dia natsipy tany amin’ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo.” (Apokalypsy 20:12-14, fanamarihana ambany pejy). Eritrereto ange ny dikan’izany e! Ny maty rehetra ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra dia hafahana avy ao amin’ny Hadesy, na Sheola, ny fasana iombonan’ny olona rehetra. (Salamo 16:10; Asan’ny Apostoly 2:31). Avy eo, ny “fahafatesana sy ny Hadesy” dia hatsipy any amin’ilay antsoina hoe “farihy afo”, izay mampiseho ny fandringanana tanteraka. Hitsahatra tsy hisy intsony ny fasana iombonan’ny olona.
Hatsangana aiza?
13. Nahoana Andriamanitra no nandamina ny hisian’ny olona sasany hatsangana ho any an-danitra, ary karazana vatana manao ahoana no homen’i Jehovah azy ireo?
13 Hisy lehilahy sy vehivavy vitsy an’isa hatsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra. Ho mpanjaka sady mpisorona hiara-manapaka amin’i Kristy izy ireo, ary hiara-mikosoka aminy ny vokatra rehetran’ny fahafatesana nolovan’ny olombelona avy tamin’i Adama, ilay lehilahy voalohany. (Romana 5:12; Apokalypsy 5:9, 10). Araka ny Baiboly, dia 144 000 monja izy ireo, ary fantenana avy amin’ireo mpanara-dia an’i Kristy, nanomboka tamin’ireo apostoly nahatoky. (Lioka 22:28-30; Jaona 14:2, 3; Apokalypsy 7:4; 14:1, 3). Hanome vatana ara-panahy ho an’ny tsirairay amin’ireo hatsangana amin’ny maty ireo i Jehovah, mba hahafahan’izy ireo hiaina any an-danitra. — 1 Korintiana 15:35, 38, 42-45; 1 Petera 3:18.
14, 15. a) Ho amin’ny fiainana hanao ahoana no hananganana ny ankamaroan’ny maty? b) Fitahiana inona avy no ho hitan’ny olombelona mpankatò?
14 Ny ankamaroan’ny maty anefa dia hatsangana ho amin’ny fiainana eto an-tany. (Salamo 37:29; Matio 6:10). Tany manao ahoana? Ny tany ankehitriny dia feno fifandirana, fandatsahan-dra, fandotoana ary herisetra. Raha haverina amin’ny fiainana eto amin’ny tany toy izany ny maty, dia azo antoka fa tsy haharitra ela izay fahasambarana hisy amin’izay. Nampanantena anefa ny Mpamorona fa tsy ho ela izy dia hanafoana izao fitambaran’olona fehezin’i Satana izao. (Ohabolana 2:21, 22; Daniela 2:44). Amin’izay dia hisy fitambaran’olona vaovao sy marina — “tany vaovao”. (2 Petera 3:13). “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho”, amin’izany fotoana izany. (Isaia 33:24). Na dia ny tahotra ny fahafatesana aza dia hesorina, satria ‘hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha’. — Apokalypsy 21:4.
15 Ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra, ny mpandefitra dia “hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana”. (Salamo 37:11). Ilay fitondram-panjakan’i Kristy Jesosy sy ireo 144 000 hiara-manapaka aminy any an-danitra dia hamerina miandalana ny olombelona mpankatò ho amin’ilay fahatanterahana verin’i Adama sy i Eva, ireo ray aman-drenintsika voalohany. Ho anisan’ny mponina amin’ny tany ireo hatsangana amin’ny maty. — Lioka 23:42, 43, NW.
16-18. Fifaliana hanao ahoana no hoentin’ny fitsanganana amin’ny maty ho an’ny fianakaviana?
16 Manome fahitana kely an’ilay fifaliana hoentin’ny fitsanganana amin’ny maty ho an’ireo Lioka 7:11-17). Tatỳ aoriana, teo akaikin’ny Ranomasin’i Galilia, rehefa namerina ho amin’ny fiainana ny ankizivavy iray 12 taona i Jesosy, dia “talanjona indrindra” ny ray aman-dreniny. — Marka 5:21-24, 35-42; jereo koa ny 1 Mpanjaka 17:17-24; 2 Mpanjaka 4:32-37.
fianakaviana ny Baiboly. Alao sary an-tsaina ny fahasambaran’ilay mpitondratena tany Naina, fony nanajanona an’ireo mpandevina i Jesosy ka nanangana an’ilay zanany lahitokana! (17 Ho an’ny olona an-tapitrisany maro matory ao amin’ny fahafatesana ankehitriny, ny fitsanganana amin’ny maty dia hidika hoe fiainana ao amin’ny tontolo vaovao iray miadana. Eritrereto fotsiny ilay fahatsinjovan-javatra mampientam-po atolotr’izany ho an’i Tommy sy ilay mpandraharaha, voatonona teo am-piandohan’itỳ bokikely itỳ! Rehefa hifoha ao amin’ny Paradisa eto an-tany i Tommy, dia ho ilay Tommy fantatry ny reniny ihany — saingy tsy hanana aretina. Ho afaka hikasika an-janany sy hamihina azy ary ho tia azy izy. Toy izany koa fa tsy ho voagejan’ny tsingerin’ny fahaterahana indray mila tsy hisy farany ilay mpandraharaha tany Inde, fa manana ilay fahatsinjovana mahatalanjona ny hanokatra ny masony ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, ka hahita an’ireo zanany lahy.
18 Ny fahalalana ny fahamarinana momba ny fanahy (âme), sy izay mitranga amintsika rehefa maty isika, ary ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty, dia misy vokany lalina eo amin’izay miaina ankehitriny koa. Andeha hojerentsika hoe amin’ny ahoana.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 6 Na dia tsy hita ao amin’ny Soratra Hebreo aza ny teny hoe “fitsanganana amin’ny maty”, ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty dia voalaza mazava ao amin’ny Joba 14:13 sy Daniela 12:13 ary Hosea 13:14.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 26]
Hitondra fifaliana maharitra ny fitsanganana amin’ny maty