Izay Tokony Hitodihana mba Hahazoana Valiny
Izay Tokony Hitodihana mba Hahazoana Valiny
“Ny teôria momba ny fijaliana mandrakizay dia tsy mifanaraka amin’ny finoana ny fitiavan’Andriamanitra ny zavatra noforoniny. (...) Ny hoe mino ny fanasaziana mandrakizay ny fanahy, noho ireo fahadisoana nataony tao anatin’ny taona vitsivitsy, ka tsy hisy fanomezana azy fahafahana ho voahitsy, dia mifanohitra tanteraka amin’izay azon’ny saina ekena.” — NIKHILANANDA, FILÔZÔFA HINDOA.
1, 2. Rehefa heverina ireo finoana maro isan-karazany momba ny Any Ankoatra, fanontaniana inona avy moa no mipoitra?
SAHALA amin’ilay filôzôfa hindoa atao hoe Nikhilananda, dia olona maro amin’izao andro izao no tsy dia mahazoazo ilay fampianarana momba ny fampijaliana mandrakizay. Mitovy amin’izany koa fa sarotra amin’ny hafa ny mahatakatra ny hevitra toy ny fahatratrarana ny Nirvana na ny ho tafaray amin’ny Tao.
2 Kanefa, noho ilay hevitra hoe tsy mety maty ny fanahy, ny fivavahana tatsinanana sy tandrefana dia namorona izao karazam-pinoana mahasanganehana rehetra izao, momba ny Any Ankoatra. Azo atao ve ny mahafantatra ny fahamarinana momba izay mitranga amintsika rehefa maty isika? Tena tsy mety maty tokoa ve ny fanahy? Aiza isika no afaka mitodika mba hahazoana valiny?
Ny siansa sy ny filôzôfia
3. Moa ve ny siansa na ny fomba fikarohana ara-tsiansa, manana ny valin’ireo fanontaniana mahakasika ny Any Ankoatra?
3 Moa ve ny siansa na ny fomba fikarohana ara-tsiansa, manana ny valin’ireo fanontaniana miompana amin’ny Any Ankoatra? Niorina tamin’ny fitantarana vao haingana momba ny zavatra hitan’ny olona “maty ka velona” na ‘ivelan’ny vatana’, ny mpanao fikarohana sasany, ka nanandrana nilaza zavatra momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Nandinika ny sasany tamin’ny fanambarana nataon’izy ireny ilay teôlôjianina katolika atao hoe Hans Küng tao amin’ny lahateniny hoe “Fahafahana Hiditra ao Amin’ny Fahazavana ve ny Fahafatesana?”, ka nanatsoaka izao hevitra izao: “Ny zavatra niainana toy izany dia tsy manaporofo na inona na inona momba ny mety hisian’ny fiainana aorian’ny fahafatesana: izy ireny dia mahakasika ireo dimy minitra farany alohan’ny hahafatesana, fa tsy ny fiainana mandrakizay aorian’ny nahafatesana.” Hoy ny teny nanampiny: “Ny fanontaniana momba ny mety hisian’ny fiainana aorian’ny nahafatesana dia zava-dehibe indrindra ho an’ny velona. Mitaky valiny izay tsy maintsy tadiavina any an-toeran-kafa izy io, raha tsy voavalin’ny mpitsabo.”
4. Moa ve ny filôzôfia afaka manampy antsika hahita valiny eo amin’ireo safidy momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana atolotr’ireo fivavahana maro samihafa?
4 Ahoana ny amin’ny filôzôfia? Moa ve izy io afaka manampy antsika hahita valiny eo amin’ireo safidy maro momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana atolotr’ireo fivavahana maro samihafa? Anisan’ny fanadihadiana filôzôfika ny “fanombantombanana ataon’ny saina”, hoy i Bertrand Russell, filôzôfa britanika amin’izao taonjato faha-20 izao. Ny filôzôfia, araka ny The World Book Encyclopedia, dia “karazana famotopotorana — famakafakana, fitsikerana, filazana hevitra ary fanombantombanana”. Momba ny Any Ankoatra, dia maro samihafa ireo fanombantombanana filôzôfika, ka ny sasany niantso ny tsy fahafatesana ho nofinofy fotsiny, ary ny hafa nanambara azy io ho zon’ny olombelona teraka rehetra.
Loharano tsy manam-paharoa ahazoana valiny
5. Iza no boky tranainy indrindra?
5 Misy anefa boky iray izay mirakitra valiny marina ho an’ireo fanontaniana lehibe momba ny fiainana sy ny fahafatesana. Izy io no boky tranainy indrindra, satria ny tapany sasany aminy dia vita tokony ho 3 500 taona lasa izay. Ny tapany voalohany amin’io boky io dia nosoratana taonjato vitsivitsy talohan’ny nahavitana an’ireo *
hiram-pivavahana tranainy indrindra ao amin’ireo Vedas, soratra hindoa, ary tokony ho arivo taona talohan’ny nandiavan’i Bouddha sy i Mahâvîra ary i Confucius itỳ tany itỳ. Vita tamin’ny 98 am.f.i., 500 taona mahery talohan’ny nanorenan’i Muḥammad ny Silamo, io boky io. Io loharano tsy manam-paharoa ahitana fahendrena ambony io dia ny Baiboly.6. Nahoana isika no afaka manampo fa ny Baiboly dia hilaza amintsika ny amin’ny hoe inona no atao hoe fanahy?
6 Ny Baiboly dia mirakitra ny tantara tranainy araka ny marina indrindra. Ny tantara raketin’ny Baiboly dia tonga hatrany amin’ny niandohan’ny fianakavian’olombelona ary manazava ny fomba nahatongavantsika teto ambonin’ny tany. Mitondra antsika hatrany amin’ny fotoana talohan’ny namoronana ny olombelona mihitsy aza izy io. Ny boky toy izany dia tena afaka manampy antsika hahatakatra ny fomba nanaovana ny olombelona sy ny hoe inona no atao hoe fanahy.
7, 8. Nahoana isika no afaka mitodika amim-patokiana any amin’ny Baiboly mba hahazoana valiny marina sy mahafa-po momba izay mitranga rehefa maty isika?
7 Fanampin’izany, ny Baiboly dia boky misy faminaniana tanteraka tsy nisy diso. Ohatra, nambarany mialoha tamin’ny an-tsipiriany ny hipoirana sy hianjeran’ny empira medianina sy persanina sy grika. Araka ny marina aoka izany ireo teny ireo, hany ka nisy mpanao tsikera nanandrana nanaporofo, nefa tsy nahomby, hoe nosoratana taorian’ny nisehoan’ireo zava-nitranga izy ireny. (Daniela 8:1-7, 20-22). Ny faminaniana sasany voarakitra ao amin’ny Baiboly dia tanteraka amin’ny an-tsipiriany eo anoloan’ny masontsika. * — Matio, toko faha-24; Marka, toko faha-13; Lioka, toko faha-21; 2 Timoty 3:1-5, 13.
8 Tsy misy olombelona, na manan-tsaina toy inona aza izy, ho afaka hilaza mialoha fisehoan-javatra ho avy araka ny marina toy izany. Ilay Mpamorona izao rehetra izao, izay manana ny hery rehetra sy ny fahendrena rehetra, ihany no ho afaka hanao izany. (2 Timoty 3:16, 17; 2 Petera 1:20, 21). Tena boky avy amin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly. Ny boky toy izany dia tsy maintsy ho afaka hanome antsika valiny marina sy mahafa-po momba izay mitranga amintsika rehefa maty isika. Andeha aloha hojerentsika izay lazainy momba ny fanahy.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 5 Jereo ny bokikely Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
^ feh. 7 Jereo Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 18]
Ilay boky tranainy indrindra
[Sary, pejy 18]
Boky izay manome valiny azo itokiana sy mahafa-po