Misy Fiainana ve Aorian’ny Fahafatesana?
Misy Fiainana ve Aorian’ny Fahafatesana?
“Azo antenaina ny hazo, satria, na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, (...) raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?” — MOSESY, MPAMINANY IRAY FAHINY.
1-3. Ahoana no itadiavan’ny olona maro fampiononana, rehefa namoy hava-malala iray tao amin’ny fahafatesana izy ireo?
AO AMIN’NY tranom-paty iray any New York, dia mitanjozotra mangina eo anoloan’ilay vatam-paty misokatra ireo havana aman-tsakaiza. Mibanjina an’ilay vatana mangatsiaka izy ireo, dia ny an’ny zazalahy iray 17 taona. Saika tsy fantatry ny namany tany am-pianarana izy. Nampihintsana ny volony ny fitsaboana simika; nampahia kely azy ny homamiadana. Dia io tokoa ve ilay naman’izy ireo? Volana vitsivitsy monja talohan’io izy dia mbola feno fikasana sy fanontaniana ary tanjaka — feno aina erỳ! Mitady fanantenana sy fiononana ilay reniny vaky fo, avy amin’ilay hevitra hoe mbola miaina any ho any angamba ny zanany. Sady mitomany izy no tsy mitsahatra mamerimberina ilay nampianarina azy hoe: “Sambatra kokoa i Tommy izao. Tian’Andriamanitra hiaraka aminy any an-danitra i Tommy.”
2 Any amin’ny 11 000 kilaometatra avy eo, any Jamnagar, any Inde, ny zanaka telo mirahalahin’ny mpandraharaha iray 58 taona dia mametraka ny fatin-drainy eo amin’ny toerana handoroana azy. Eo ambanin’ny hainandro migaingaina, dia atombok’ilay lahimatoa ilay fandoroana, amin’ny fandrehetana ireo kitay amin’ny fanilo, sy amin’ny fandrarahana fangaron-java-manitra sy ditin-kazo manitra eo amin’ilay vatan-drainy tsy misy aina. Tsy re ny fitefotefok’ilay afo, noho ny feon’ilay pretra brahman mamerimberina teny sanskrit lavareny, izay midika hoe: “Enga anie ilay fanahy, izay tsy maty mihitsy, ka hanohy ny ezaka ataony mba ho tafaray amin’ilay tena izy fara tampony.”
3 Eo am-pijerena ny fandoroana ilay faty, dia samy manontany tena anakampo izy telo mirahalahy hoe: ‘Mino ny fisian’ny fiainana aorian’ny fahafatesana ve aho?’ Tany samy hafa no nanabeazana azy telo mirahalahy ireo, ka samy hafa ny valin-teniny. Ilay faralahy dia matoky fa hateraka indray hanana fiainana ambony karazana kokoa ilay ray malalany. Ilay lahiaivo dia mino fa toy ny matory, tsy mahatsiaro na inona na inona mihitsy, ny maty. Ilay lahimatoa kosa miezaka hanaiky ny fisian’ny fahafatesana, satria mihevitra izy fa tsy misy afaka mahalala marina izay mitranga amintsika rehefa maty isika.
Fanontaniana iray, valiny maro
4. Fanontaniana inona no nampahory ny olombelona hatramin’ny taonjato maro?
4 Ny hoe ‘Misy fiainana ve aorian’ny fahafatesana?’ dia fanontaniana iray nahasanganehana ny olombelona hatramin’ny an’arivony taona maro. “Na ireo teôlôjianina aza dia sahirana rehefa tojo [azy io]”, hoy i Hans Küng, manam-pahaizana katolika. Tao anatin’ireo taonjato maro lasa, ny olona tany amin’ny firenena rehetra dia nisaintsaina momba io foto-kevitra io, ary tsy vitsy ny valiny naroso.
5-8. Inona no ampianarin’ny fivavahana maro samihafa momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana?
5 Kristianina anarana maro no mino ny lanitra sy ny afobe. Ny Hindoa kosa mino ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao. Niresaka momba ny fomba fihevitra miozolimanina i Amir
Muawiyah, mpanampy ao amin’ny foibe silamo iray, ka nanao hoe: “Mino izahay fa hisy androm-pitsarana iray aorian’ny fahafatesana, rehefa hankeo amin’Andriamanitra, na hoe Allah, ianao, tsy misy hafa amin’ny hoe mankany amin’ny fitsarana.” Araka ny finoana silamo, amin’izay i Allah dia hanombana ny fomba niainan’ny tsirairay, ka hanendry ny olona iray ho any amin’ny paradisa na ho any amin’ny afobe mirehitra.6 Any Sri Lanka, na ny Bodista na ny Katolika dia samy mamela ny varavarany sy ny varavarankeliny hibanabana, rehefa misy maty ao amin’ny ankohonany. Misy jiro solika iray arehitra, ary rehefa apetraka ilay vatam-paty, dia atao manatrika ny varavarambe ny tongotr’ilay maty. Mino izy ireo fa izany rehetra izany dia hanamora ny fivoahan’ny fanahin’ilay maty avy ao amin’ilay trano.
7 Ireo Tompon-tany aostralianina, hoy i Ronald M. Berndt, ao amin’ny Oniversiten’i Aostralia Andrefana, dia mino fa “ny olombelona dia tsy mety maty, raha ny amin’ny ara-panahy”. Ny foko afrikanina sasany dia mino fa, aorian’ny fahafatesana, ny olon-tsotra dia tonga matoatoa, fa ny olona ambony kosa dia tonga fanahin’ny razana, izay ho mpitarika tsy hita mason’ilay fitambaran’olona, ka homem-boninahitra sy hanaovana fangatahana.
8 Any amin’ny tany sasany, ireo zavatra inoana momba ilay antsoina hoe fanahin’ireo maty, dia fifangaroan’ny lovantsofina eo an-toerana sy ny Kristianisma anarana. Ohatra, eo amin’ny Katolika sy ny Protestanta maro atsy Afrika Andrefana, dia fanao ny manarona fitaratra, rehefa misy maty, mba tsy hijeren’ny olona iray ao ka hahitany ny fanahin’ilay maty. Avy eo, 40 andro aorian’ny nahafatesan’ilay hava-malalany, dia mankalaza ny fiakaran’ny fanahiny any an-danitra ny havany aman-tsakaizany.
Hevitra iray hita hatraiza hatraiza
9, 10. Hevitra fototra inona no eken’ny ankamaroan’ny fivavahana?
9 Ny valin’ilay fanontaniana momba izay mitranga amintsika rehefa maty isika dia maro samihafa, arakaraka ny fombafomba sy ny zavatra inoan’ireo olona mamaly. Na dia izany aza, ny ankamaroan’ny fivavahana dia samy manaiky hevitra fototra iray ihany: Misy zavatra iray ao anatin’ny olona — fanahy (âme), na fanahy (esprit), na matoatoa — izay tsy mety maty ary mbola miaina ihany aorian’ny fahafatesana.
10 Ny finoana ny tsy fahafatesan’ny fanahy dia saika hita ao amin’ireo fivavahana sy sekta rehetran’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina. Foto-pampianarana ofisialin’ny Jodaisma koa izy io. Ao amin’ny Hindoisma, dia io finoana io no fototry ny fampianarana momba ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao. Ny Miozolimanina dia mino fa miara-misy amin’ny vatana ny fanahy, saingy mbola miaina ihany aorian’ny fahafatesan’ny vatana. Ny finoana hafa — ny fanompoan-tsampy afrikanina sy ny Shintoisma ary na dia ny Bodisma aza — dia mampianatra io hevitra io koa, fa misy fahasamihafana kely.
11. Ahoana no iheveran’ny manam-pahaizana sasany ilay hevitra hoe tsy mety maty ny fanahy?
11 Ny sasany kosa mino ny mifanipaka amin’izy io, dia ny hoe mifarana eo amin’ny fahafatesana ny fiainana ahatsiarovan-tena. Amin’izy ireo, dia toa tsy azon’ny saina ekena ny hoe mbola mitohy ao amin’ny fanahy tsy manana ny maha-izy azy, sy manjavozavo ary misaraka amin’ny vatana, ny fiainana ara-pihetseham-po sy ara-tsaina. Hoy ny nosoratan’i Miguel de Unamuno, mpanoratra espaniola tamin’izao taonjato faha-20 izao: “Ny hoe mino ny tsy fahafatesan’ny fanahy dia hoe maniry ny fanahy tsy ho faty, nefa mino izany mafy aoka izany, hany ka izany faniriana izany dia hanao tsinontsinona ny fahaiza-misaina ary tsy hiraharaha azy velively.” Anisan’ireo izay tsy mety mino ny tsy fahafatesan’ny fanahin’ny olona i Aristote sy i Épicure, filôzôfa fahiny malaza, i Hippocrate, mpitsabo, i David Hume, filôzôfa ekosey, i Averroës, manam-pahaizana arabo, ary i Jawâharlâl Nehru, praiminisitr’i Inde voalohany taorian’ny fahaleovan-tena.
12, 13. Fanontaniana lehibe inona avy no mipoitra momba ny fampianarana ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy?
12 Ny fanontaniana dia hoe: Tena manana fanahy tsy mety maty tokoa ve isika? Raha mety maty tokoa ny fanahy, ahoana àry no nahafahan’io fampianaran-diso io ho tonga tapany tsy misaraka amin’ny ankamaroan’ny fivavahana amin’izao andro izao? Taiza no niandohan’io hevitra io? Ary raha mitsahatra tsy misy tokoa ny fanahy eo amin’ny fahafatesana, inona no mety ho fanantenana ho an’ny maty?
13 Afaka mahita valiny marina sy mahafa-po ho an’ireo fanontaniana ireo ve isika? Eny! Hovaliana ao amin’ireo pejy manaraka ireo fanontaniana ireo sy ny hafa koa. Voalohany aloha, dia andeha isika handinika ny fomba nahaterahan’ny foto-pampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy.
[Fanontaniana]