Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Tsy Fahafatesan’ny Fanahy — Ny Niandohan’ilay Foto-pampianarana

Ny Tsy Fahafatesan’ny Fanahy — Ny Niandohan’ilay Foto-pampianarana

Ny Tsy Fahafatesan’ny Fanahy — Ny Niandohan’ilay Foto-pampianarana

“Tsy misy foto-kevitra mifandray amin’ny sainy amam-panahiny nambabo ny sain’ny olombelona, toy ny an’ny ho toetrany aorian’ny fahafatesana.” “ENCYCLOPÆDIA OF RELIGION AND ETHICS”.

1-3. Ahoana no nampandrosoan’i Socrate sy i Platon ilay hevitra hoe tsy mety maty ny fanahy?

NAMPANGAINA ho nanazimba zava-masina sy ho nanimba ny sain’ny tanora tamin’ny fampianarany, ny manam-pahaizana sady mpampianatra iray 70 taona. Na dia nanolotra fiarovan-tena faran’izay niavaka aza izy tamin’ny fitsarana azy, dia nitsara azy ho meloka ireo mpitsara nanavakavaka, ka nanameloka azy ho faty. Ora vitsivitsy monja talohan’ny namonoana azy, io mpampianatra be taona io dia nandroso hevitra maromaro hanantitranterana tamin’ny mpianany tafangona teo aminy, fa tsy mety maty ny fanahy, ka tsy tokony hatahorana ny fahafatesana.

2 Tsy iza io olona voaheloka ho faty io fa i Socrate, filôzôfa grika malaza tamin’ny taonjato fahadimy al.f.i. * Noraketin’i Platon, mpianany, an-tsoratra tao amin’ireo lahatsoratra hoe Apologie sy Phédon ireo fisehoan-javatra ireo. I Socrate sy i Platon no nolazaina ho anisan’ireo voalohany nampandroso ilay hevitra hoe tsy mety maty ny fanahy. Tsy izy ireo anefa no niandohan’io fampianarana io.

3 Araka ny ho hitantsika, dia efa tany aloha be lavitra noho izy ireo no nipoiran’ny hevitra momba ny hoe tsy mety maty ny olombelona. I Socrate sy i Platon anefa no nanatsara ilay hevitra sy nanova azy ho fampianarana filôzôfika, ka nahatonga azy ho nanintona kokoa ho an’ireo saranga nahita fianarana tamin’ny androny sy tatỳ aoriana.

Hatreo amin’i Pythagore ka hatreo amin’ireo rirakitso

4. Talohan’i Socrate, inona avy moa no fomba fihevitry ny Grika momba ny Any Ankoatra?

4 Ireo Grika talohan’i Socrate sy i Platon koa dia nino fa mbola miaina ihany ny fanahy aorian’ny fahafatesana. I Pythagore, ilay mpahay matematika grika malaza tamin’ny taonjato fahenina al.f.i., dia nino fa tsy mety maty ny fanahy ary afaka mifindrafindra. Talohany, i Thalès avy any Milet, izay heverina ho ny filôzôfa grika tranainy indrindra fantatra, dia nihevitra fa nisy fanahy tsy mety maty, tsy tao amin’ny olona sy ny biby ary ny zavamaniry ihany, fa tao amin’ny zavatra toy ny andriamby koa, satria hoe afaka namindra vy izy io. Ireo Grika fahiny dia nilaza fa ny fanahin’ireo maty dia nampitaina ny ony Styx, ho any amin’ny toerana midadasika iray ambanin’ny tany antsoina hoe ny tontolon’ireo maty. Tany, dia nisy mpitsara nitsara ireo fanahy ho mendrika, na ho any amin’ny fampijaliana tao amin’ny tranomaizina nimanda avo be, na ho any amin’ny fahasambarana tampony tany Élysées.

5, 6. Ahoana no niheveran’ny Persanina ny fanahy?

5 Tany Iran, na Persa, tany atsinanana, dia nipoitra ny mpaminany iray nantsoina hoe Zoroastre, tamin’ny taonjato fahafito al.f.i. Namorona fanompoam-pivavahana iray nanjary fantatra tamin’ny hoe Zoroastrisma izy. Io no fivavahan’ny Empira Persanina, izay nanapaka teo amin’izao tontolo izao, talohan’ny nahatongavan’i Gresy ho fanjakana lehibe. Hoy ny lazain’ireo soratry ny Zoroastrisma: “Any amin’ny Tsy Fahafatesana, dia ho ao anatin’ny Fifaliana mandrakizay ny fanahin’ny Marina, fa any amin’ny fampijaliana kosa no hisy ny fanahin’ny Mpandainga. Ary ireo Lalàna ireo, dia i Ahura Mazda [midika hoe: “andriamanitra hendry”] no nandidy azy ireo, noho ny fahefany fara tampony.”

6 Anisan’ny fivavahana iranianina talohan’ny Zoroastrisma koa ny fampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Ireo fokon’i Iran fahiny, ohatra, dia nikarakara ny fanahin’ireo efa lasana, tamin’ny fanomezana azy ireo hanina sy fitafiana nilainy tany amin’ny tontolon’ireo maty.

7, 8. Inona no ninoan’ny Egyptianina fahiny momba ny fanahy mbola velona aorian’ny fahafatesan’ny vatana?

7 Ny finoana ny fisian’ny fiainana aorian’ny fahafatesana no fototry ny fivavahana egyptianina. Nino ny Egyptianina fa ny fanahin’ny olona maty dia hotsarain’i Osiris, ilay andriamanitra lehibe indrindran’ny tontolon’ireo maty. Ohatra, ny taratasy papyrus iray nolazaina fa vita tamin’ny taonjato faha-14 al.f.i. dia mampiseho an’i Anubis, andriamanitry ny maty, mitarika ny fanahin’i Hunefer, mpanao kopia, eo anoloan’i Osiris. Eo ambony mizana iray, ny fon’ilay mpanao kopia, mampiseho ny feon’ny fieritreretany, dia ampifandanjaina amin’ny volom-borona anaovan’ilay andriamani-bavin’ny fahamarinana sy ny rariny eo ambonin’ny lohany. Mirakitra an-tsoratra ny vokany i Thoth, andriamanitra iray hafa. Koa satria tsy misy heloka manavesatra ny fon’i Hunefer, dia latsaka noho ny an’ilay volom-borona ny lanjany, ka avela hiditra ny fanjakan’i Osiris sy hahazo ny tsy fahafatesana izy. Ilay taratasy papyrus dia mampiseho koa vehivavy sampontsampona iray mitsangana eo akaikin’ilay mizana, vonona ny handrapaka an’ilay maty, raha tsy mahatohitra ilay fitsapana ilay fo. Ireo Egyptianina dia nanosotra zava-manitra an’ireo maty teo aminy ary nitahiry ny fatin’ireo farao tao anaty rirakitso goavam-be, satria nihevitra izy ireo fa niankina tamin’ny fitahirizana ny vatana ny fanohizan’ny fanahy miaina.

8 Kolontsaina fahiny maro samihafa àry no nanana fampianarana iray niombonana — ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Nitovy ve ny loharano nahazoan’izy ireo io fampianarana io?

Ny tena niandohany

9. Fivavahana inona no nanan-kery teo amin’ny tontolon’i Egypta sy i Persa ary i Gresy fahiny?

9 “Teo amin’ny tontolo fahiny”, hoy ilay boky hoe The Religion of Babylonia and Assyria, “i Egypta sy i Persa ary i Gresy dia nahatsapa ny fitaoman’ny fivavahana babylonianina teo aminy.” Manohy manazava toy izao io boky io: “Rehefa heverina ny fifampikasohan’i Egypta sy i Babylonia tany am-boalohany, ahariharin’ireo takelak’i El-Amarna, dia tsy maintsy ho nisy fahafahana be dia be nitsofohan’ny fomba fihevitra sy fomba babylonianina tao amin’ireo fivavahana egyptianina. Tany Persa, ny fivavahana tamin’i Mithra dia mampiharihary ny fitaomana tsy azo lavin’ny fomba fiheverana babylonianina (...) Ny fanampiana fampianarana semitika tao amin’ny angano grika tany am-boalohany sy tao amin’ny fivavahana grika dia eken’ny manam-pahaizana rehetra ankehitriny, ka tsy ilaina horesahina intsony. Ireo fampianarana semitika ireo dia babylonianina kokoa, amin’ny ankapobeny.” *

10, 11. Nanao ahoana ny fomba fihevitry ny Babylonianina momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana?

10 Moa ve anefa tsy samy hafa be amin’ny fomba fihevitry ny Egyptianina sy ny Persanina sy ny Grika momba izay mitranga amin’ny olona aorian’ny fahafatesana, ny an’ny Babylonianina? Diniho, ohatra, ny Tantaran’ny Zava-bitan’i Gilgamesh babylonianina. I Gilgamesh, ilay mahery fo efa mihabe taona resahina ao, dia tsy mitsaha-mieritreritra momba ny fahafatesana, ka lasa mitady ny tsy fahafatesana, fa tsy mahita. Mampirisika azy hanararaotra be indrindra ny fiainany mihitsy aza ny ankizivavy iray mpandroso divay hitany nandritra ny diany, satria hoe tsy hahita ilay fiainana tsy hanam-pahataperana tadiaviny izy. Ny hafatra tian’ilay tantara manontolo hampitaina àry dia hoe tsy azo ihodivirana ny fahafatesana ary nofinofy fotsiny ny fanantenana ny tsy fahafatesana. Moa ve izany milaza fa tsy nino ny Any Ankoatra ny Babylonianina?

11 Hoy ny nosoratan’ny Profesora Morris Jastrow, Jr., ao amin’ny Oniversiten’i Pennsylvania, any Etazonia: “Na ny vahoaka na ny mpitondra ara-pivavahana [tany Babylonia] dia samy mbola tsy niatrika ny hoe izay natao hanam-piainana dia mety ho foana tanteraka. Ny fahafatesana [araka ny hevitr’izy ireo] dia fifindrana ho amin’ny karazam-piainana hafa, ary ny fandavana ny tsy fahafatesana dia nanantitrantitra fotsiny ny tsy fahafahana mandositra ilay fiovana eo amin’ny fiainana entin’ny fahafatesana.” Eny, ny Babylonianina dia nino koa fa mbola mitohy aorian’ny fahafatesana ny fiainana, amin’ny karazany hafa, amin’ny endriny hafa. Naneho izany finoana izany izy ireo, tamin’ny fandevenana zavatra niaraka tamin’ilay maty, mba hampiasain’izy io any Ankoatra.

12-14. a) Taorian’ny Safo-drano, taiza moa no nahaterahan’ny fampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy? b) Ahoana no nielezan’io foto-pampianarana io nanerana ny tany?

12 Mazava fa ny fampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy dia efa hatrany Babylona fahiny. Araka ny Baiboly, boky mitondra ny mariky ny tantara tsy misy diso, ny tanànan’i Babela, na hoe Babylona, dia naorin’i Nimroda, zafiafin’i Noa. * Taorian’ny Safo-drano naneran-tany tamin’ny andron’i Noa, dia tsy nisy afa-tsy fiteny iray sy fivavahana iray. Tamin’ny fanorenana ilay tanàna sy tamin’ny fananganana tilikambo iray tao, i Nimroda dia nanomboka fivavahana iray hafa. Asehon’ny fitantaran’ny Baiboly fa, taorian’ny nanakorokoroana ny fiteny tao Babela, dia niparitaka ireo mpanorina tilikambo tsy nahatanteraka ny fikasany, ka nanomboka fiainana vaovao, ary nitondra ny fivavahany niaraka taminy. (Genesisy 10:6-10; 11:4-9). Niely nanerana ny tany, araka izany, ireo fampianarana ara-pivavahana babylonianina.

13 Araka ny lovantsofina, dia fahafatesana mahery vaika no nahafatesan’i Nimroda. Taorian’ny nahafatesany, dia ho azon’ny saina ekena raha toa ny Babylonianina ka nirona hanaja azy fatratra, noho izy mpanorina ilay tanàna, sady mpanjaka voalohany tao. Koa satria i Mardouk (Merodaka) andriamanitra no noheverina ho ny mpanorina an’i Babylona, dia nanoro hevitra ny manam-pahaizana sasany fa i Mardouk dia i Nimroda nasandratra ho andriamanitra. Raha marina izany, ilay hevitra hoe manana fanahy mbola velona aorian’ny fahafatesana ny olona dia tsy maintsy ho efa niely patrana, fara faharatsiny tamin’ny fotoana nahafatesan’i Nimroda. Na manao ahoana na manao ahoana, ny pejin’ny tantara dia mampiharihary fa taorian’ny Safo-drano, ny toerana nahaterahan’ny fampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy dia i Babela, na hoe Babylona.

14 Ahoana anefa no nahatongavan’io foto-pampianarana io ho ny fototry ny ankamaroan’ny fivavahana amin’izao androntsika izao? Ny fizarana manaraka dia handinika ny nahatafidiran’izy io tao amin’ireo fivavahana tatsinanana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Ny hoe al.f.i. dia midika hoe “alohan’ny Fanisan-taona Iraisana”. Ny hoe am.f.i. dia milaza hoe “amin’ny Fanisan-taona Iraisana”, antsoina matetika hoe A.D., avy amin’ny hoe Anno Domini, izay midika hoe “amin’ny taonan’ny Tompo”.

^ feh. 9 I El-Amarna no toerana misy ny sisan-javatr’i Akhétaton, tanàna egyptianina, izay lazaina fa naorina tamin’ny taonjato faha-14 al.f.i.

^ feh. 12 Jereo Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, pejy 37-54, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 6]

Ny fomba fihevitry ny Egyptianina ny fanahy any amin’ny tontolon’ireo maty

[Sary, pejy 7]

Nilaza i Socrate fa tsy mety maty ny fanahy