Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tafiditra tao Amin’ireo Fivavahana Tatsinanana Ilay Hevitra

Tafiditra tao Amin’ireo Fivavahana Tatsinanana Ilay Hevitra

Tafiditra tao Amin’ireo Fivavahana Tatsinanana Ilay Hevitra

“Nihevitra foana aho hoe fahamarinana niely hatraiza hatraiza ary eken’ny rehetra ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Koa tena gaga àry aho nahafantatra fa nisy olo-manan-tsaina nalaza sasany, na tany Atsinanana, na tany Andrefana, nanohitra fatratra io finoana io. Ankehitriny aho dia manontany tena hoe ahoana no nahatafiditra ny hevitra momba ny tsy fahafatesana tao amin’ny fisainana hindoa.” — MPIANATRA IRAY ANY AMIN’NY ONIVERSITE, NAHAZO FANABEAZANA HINDOA.

1. Nahoana no mahaliana antsika ny fahalalana ny amin’ny fivoarana sy ny fielezan’ny foto-pampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny olombelona ao amin’ireo fivavahana maro samihafa?

AHOANA no nahatafiditra ny hevitra hoe manana fanahy tsy mety maty ny olombelona, tao amin’ny Hindoisma sy ny fivavahana tatsinanana hafa? Mahaliana io fanontaniana io, na dia ho an’ireo tandrefana izay mety ho tsy mahafantatra tsara ireo fivavahana ireo aza, satria mahakasika ny fomba fihevitry ny rehetra momba ny hoavy io finoana io. Noho ny fampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny olombelona iombonan’ny ankamaroan’ny fivavahana ankehitriny, ny fahafantarana ny fomba nivoaran’io hevitra io dia tena afaka manatsara ny fifankahazoan-kevitra sy ny fifampiresahana.

2. Nahoana i Inde no loharano lehiben’ny fivavahana nanan-kery tany Azia?

2 Hoy ny nomarihin’i Ninian Smart, mpampianatra fivavahana ao amin’ny Oniversiten’i Lancaster, any Grande-Bretagne: “I Inde no foibe nanan-kery indrindra raha ny amin’ny fivavahana tany Azia. Tsy noho i Inde niandohan’ny finoana sasantsasany — Hindoisma, Bodisma, Jainisma, Sikhisma, ets. — fotsiny akory, fa noho ny Bodisma nanjary nanan-kery lehibe teo amin’ny kolontsain’i Azia Atsinanana manontolo.” Kolontsaina maro niharan’izany fitaomana izany no “mbola mihevitra an’i Inde ho ny tanindrazany ara-panahy ihany”, hoy i Nikhilananda, manam-pahaizana hindoa. Ahoana àry no nahitan’io fampianarana momba ny tsy fahafatesana io, lalana hahatafidirana tany Inde sy ny faritra hafa any Azia?

Ny fampianaran’ny Hindoisma momba ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao

3. Araka ny mpahay tantara iray, iza moa no nety ho nitondra ny hevitra momba ny fifindra-monin’ny fanahy tany Inde?

3 Tamin’ny taonjato fahenina al.f.i., raha nanohana ny teôrian’ny fifindra-monin’ny fanahy i Pythagore sy ny mpanara-dia azy tany Gresy, ireo olon-kendry hindoa teny amoron’ny Onin’i Indus sy i Gange koa dia nampivoatra io hevitra io. Ny fiarahan’io finoana io niseho “teo amin’ny tontolo grika sy tany Inde dia tsy nety ho avy amin’ny kisendrasendra velively”, hoy ilay mpahay tantara atao hoe Arnold Toynbee. “Ny mety ho fiaviana iombonana [nanan-kery]”, hoy i Toynbee, dia “ireo mponina eorazianina mpifindrafindra monina, tamin’ny taonjato faha-8 sy faha-7 al.J.K., izay nidina tao Inde, tany Azia Atsimoandrefana, tany amin’ny tany lemaka midadasiky ny moron-tsiraka avaratry ny Ranomasina Mainty, ary tany amin’ireo saikinosin’ny Balkans sy i Anatolia.” Niharihary fa nentin’ireny foko eorazianina nifindra monina ireny niaraka taminy tany Inde ilay hevitra momba ny fifindra-monin’ny fanahy.

4. Nahoana no nanintona an’ireo olon-kendry hindoa ny hevitra momba ny fifindra-monin’ny fanahy?

4 Ela be lavitra talohan’izany no niantombohan’ny Hindoisma tany Inde, fony tonga tany ireo Aryanina, tokony ho tamin’ny 1500 al.f.i. Raha vao teo am-piandohana, ny Hindoisma dia efa nino fa samy hafa amin’ny vatana ny fanahy, ary mbola velona aorian’ny fahafatesana. Nivavaka tamin’ny razana àry ireo Hindoa, ary namelatra sakafo hohanin’ny fanahin’ireo maty teo aminy. Taonjato maro tatỳ aoriana, fony tonga tany Inde ny hevitra momba ny fifindra-monin’ny fanahy, dia tsy maintsy ho nanintona an’ireo olon-kendry hindoa izy io, noho izy ireo niady tamin’ilay zava-manahirana maneran-tany ny amin’ny faharatsiana sy ny fijaliana eo amin’ny olombelona. Nanakambana azy io tamin’ilay antsoina hoe lalàn’ny Karma, izany hoe ny lalàn’ny antony sy ny vokany, ireo olon-kendry hindoa, ka nampivoatra ilay teôrian’ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao. Araka io teôria io, raha nanao tsara ianao tao amin’ny fiainana iray, dia hovalian-tsoa ao amin’ilay manaraka, fa raha nanao ratsy kosa, dia hosazina.

5. Araka ny Hindoisma, inona moa no tanjona faran’ny fanahy?

5 Nisy hevitra iray hafa anefa nanan-kery teo amin’ny fampianaran’ny Hindoisma momba ny fanahy. “Toa marina ny hoe tamin’ny fotoana niforonan’ny teôria momba ny fifindra-monin’ny fanahy na ny karma, na talohan’io mihitsy aza”, hoy ny Encyclopædia of Religion and Ethics, “dia nisy hevitra iray hafa (...) niseho niandalana teo anivon’ireo olom-bitsy avara-pianarana tany avaratr’i Inde — ilay hevitra filôzôfika momba ny Brahman-Ātman [ilay Brahman fara tampony sady mandrakizay, izany hoe ilay tena izy fara tampony].” Nakambana tamin’ny teôria momba ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao io hevitra io, mba hamaritana ny tanjona faran’ny Hindoa — dia ny ho afaka avy amin’ilay tsingerin’ny fifindra-monin’ny fanahy mba ho tafaray amin’ilay tena izy fara tampony. Ho tratra io, araka ny finoan’ny Hindoa, amin’ny fiezahana mafy hanana fitondran-tena azon’ny fiaraha-monina ekena sy amin’ny alalan’ny fahalalana hindoa manokana.

6, 7. Inona no inoan’ny Hindoisma ankehitriny momba ny Any Ankoatra?

6 Ireo olon-kendry hindoa àry dia namolavola ilay hevitra momba ny fifindra-monin’ny fanahy mba ho anisan’ny foto-pampianarana momba ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao, tamin’ny fanakambanana azy io tamin’ny lalàn’ny Karma sy tamin’ilay hevitra momba ny Brahman. Hoy ny nosoratan’i Octavio Paz, poety nahazo ny Loka Nobel sady ambasadaoron’i Meksika tany Inde taloha: “Rehefa niely ny Hindoisma, dia niely niaraka taminy koa ny hevitra iray (...) izay fototry ny Brahmanisma sy ny Bodisma ary ny fivavahana aziatika hafa: ny métempsychose, na ny fifindra-monin’ny fanahy avy amin’ny fisiana iray ho amin’ny fisiany manaraka.”

7 Ny foto-pampianarana momba ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao no andry iankinan’ny Hindoisma ankehitriny. Hoy ilay filôzôfa hindoa atao hoe Nikhilananda: “Ny hoe tsy ny olom-bitsy voafantina ihany no mahazo ny tsy fahafatesana, fa ny rehetra kosa no teraka manana azy io, dia zavatra eken’ny Hindoa mafana fo rehetra.”

Ny tsingerin’ny fahaterahana indray eo amin’ny Bodisma

8-10. a) Ahoana no amaritan’ny Bodisma ny fisian’ny olona? b) Ahoana no anazavan’ny manam-pahaizana bodista iray ny fahaterahana indray?

8 Ny Bodisma dia niorina tany Inde tokony ho tamin’ny 500 al.f.i. Araka ny lovantsofina bodista, dia ny andriana karàna iray, nitondra ny anarana hoe Siddhârtha Gautama ary nanjary fantatra tamin’ny hoe Bouddha, rehefa nahazo fahazavana, no nanorina ny Bodisma. Koa satria avy tamin’ny Hindoisma no nipoirany, dia misy itoviana amin’ny an’ny Hindoisma ny fampianarany. Araka ny Bodisma, ny fisian’ny olona dia tsingerin’ny fahaterahany indray sy ny fahafatesany tsy misy farany, ary toy ny amin’ny Hindoisma, ny toerana tanan’ny tsirairay amin’ny fiainany ankehitriny dia miankina amin’ireo zavatra nataony tamin’ny fiainany teo aloha.

9 Ny Bodisma anefa dia tsy mampifandray ny fisian’ny olona iray amin’ny fanahy iray manana ny maha-izy azy, izay mbola velona aorian’ny fahafatesana. “Araka an’[i Bouddha], ny fanahin’olombelona, dia tsy inona fa fitohitohizan-toetra ara-tsaina mihelina sy tsy mitohy, ka ny faniriana ihany no nampiray azy ireo”, hoy ny nomarihin’i Arnold Toynbee. Na dia izany aza, dia nino i Bouddha fa misy zavatra — toetra na hery — mifindra avy amin’ny fiainana iray ho amin’ilay manaraka. Nanazava izany toy izao ny Dr. Walpola Rahula, manam-pahaizana bodista:

10 “Ny olona iray dia tsy inona fa fitambaran’ireo hery na tanjaka ara-batana sy ara-tsaina. Ilay antsointsika hoe fahafatesana dia ny tsy fiasan’ilay vatana. Moa ve ireo hery sy tanjaka rehetra ireo samy mitsahatra tsy miasa koa, rehefa tsy miasa ilay vatana? Ny Bodisma dia mamaly hoe: ‘Tsia.’ Ny sitrapo, ny faniriana, ny hetaheta hiaina sy hitohy foana ary hanana fiainana hafa koa, dia hery makadiry mampihetsika ny fiainan’olona manontolo, ny fisiany manontolo, ary izao tontolo izao manontolo mihitsy aza. Io ilay hery lehibe indrindra, ilay tanjaka lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao. Araka ny Bodisma, io hery io dia tsy mitsahatra ny miasa, rehefa tsy miasa ilay vatana, izany hoe eo amin’ny fahafatesana, fa mbola miseho ihany izy io, amin’ny endriny hafa, ary miteraka fisiana vaovao indray, ka izany no antsoina hoe fahaterahana indray.”

11. Inona no fomba fihevitra bodista momba ny Any Ankoatra?

11 Izao no fomba fihevitry ny Bodista momba ny Any Ankoatra: Mandrakizay ny fisian’ny olona, raha tsy hoe mahatratra ny Nirvana, izany hoe ny tanjona farany, rehefa afaka amin’ny tsingerin’ireo fahaterahana indray, angaha izy. Ny Nirvana akory tsy ny fahatsapana ny fiainan-tsambatry ny lanitra, na ny firaisana amin’ilay tena izy fara tampony. Izy io dia ny tsy fisiana fotsiny — ny “toerana tsy isian’ny fahafatesana” any ankoatra ny fisian’ny olona iray. Ny Webster’s Ninth New Collegiate Dictionary dia mamaritra ny “Nirvana” ho “toerana na toetra anadinoana ny fiahiana, ny fanaintainana na ny zava-misy any ivelany”. Tsy mitady ny tsy fahafatesana ny Bodista, fa ampirisihina mba hihoatra azy io, amin’ny fahatratrarana ny Nirvana.

12-14. Ahoana no ilazan’ireo endriny maro samihafa amin’ny Bodisma ny tsy fahafatesana?

12 Rehefa niely tany amin’ny faritra maro samihafa tany Azia ny Bodisma, dia nanova ny fampianarany mba hifanaraka tamin’ireo zavatra ninoana teo an-toerana. Ohatra, ny Bodisma Mahâyâna, ny endriny lehibe indrindra any Chine sy Japon, dia mino an’ireo bodhisattvas, na Bouddhas ho avy, eny amin’ny lanitra. Ireo Bodhisattvas dia mampihemotra ny fanatratraran’ny tenany ny Nirvana, mba hahafahany ho teraka indray imbetsaka, ka hanompoany ny hafa ary hanampiany azy ireo hahazo azy io. Araka izany, ny olona iray dia afaka mifidy ny hanohy hijanona ao amin’ny tsingerin’ny fahaterahana indray, na dia rehefa avy nahatratra ny Nirvana aza.

13 Ny fanitsiana iray hafa izay nanjary nanan-kery indrindra tany Chine sy Japon dia ny foto-pampianarana momba ny Tany Madio any Andrefana, noforonin’i Bouddha Amitabha, na Amida. Ireo izay miantso ny anaran’i Bouddha amim-pinoana dia teraka indray ao amin’ilay Tany Madio, na paradisa, isian’ny toe-piainana mety kokoa ho amin’ny fahazoana ilay fahazavana farany. Inona moa no niforona avy tamin’io fampianarana io? Hoy ny nohazavain’ny Profesora Smart, notononina tetsy aloha: “Araka ny nampoizina, dia ireo toe-piainana fatratra ao amin’ny paradisa, voalazalaza mazava tsara ao amin’ireo soratry ny Mahâhyâna, no nanjary ny tanjona fara tampony nisolo toerana ny nirvana tao an-tsain’ny vahoaka.”

14 Ny Bodisma tibetanina dia maka zavatra hafa avy eo an-toerana. Ohatra, ny bokin’ny maty tibetanina dia milazalaza ny zava-manjo ny olona iray ao amin’ilay toetra tetezamita, alohan’ny hahaterahany indray. Lazaina ao fa ny maty dia ampahitana ny fahazavana mamiratr’ilay tena izy fara tampony, ary izay tsy mahatanty io fahazavana io dia tsy mahazo fanafahana, fa ateraka indray. Mazava fa ireo endriny maro samihafa amin’ny Bodisma dia samy manana ny hevitra ny amin’ny tsy fahafatesana.

Ny fivavahana amin’ny razana ao amin’ny Shintoisma japoney

15-17. a) Ahoana no nivoaran’ny fivavahana amin’ny fanahin’ny razana, tao amin’ny Shintoisma? b) Amin’ny ahoana ny tsy fahafatesan’ny fanahy no finoana fototra ao amin’ny Shintoisma?

15 Efa nisy fivavahana tao Japon talohan’ny nahatongavan’ny Bodisma tamin’ny taonjato fahenina am.f.i. Fivavahana tsy nisy anarana izy io, ary ireo zavatra ninoana nahaforona azy dia nifandray tamin’ny fari-pitondran-tena sy ny fomba amam-panaon’ny olona. Rehefa tonga anefa ny Bodisma, dia nanjary nilaina ny nampiavaka ilay fivavahana japoney tamin’ilay vahiny. Koa nipoitra àry ilay anarana hoe “Shinto”, izay midika hoe “ny lalan’ireo andriamanitra”.

16 Inona no ninoan’ilay Shintoisma voalohany momba ny Any Ankoatra? Rehefa tonga tao amin’ilay tany ny fambolem-bary an-drano, “ny fambolena an-drano dia nila fiaraha-monina voalamina tsara sy niorina mafy”, hoy ny fanazavan’ny Kodansha Encyclopedia of Japan, “ary dia niforona ireo fombafomba teo amin’ny fambolena — izay nanana anjara lehibe dia lehibe teo amin’ny Shintoisma tatỳ aoriana”. Ny fahatahorana an’ireo fanahy efa lasana dia nitarika an’ireny olona fahiny ireny hamorona fombafomba hampitonena azy ireo. Nivoatra izany ka tonga fivavahana amin’ny fanahin’ireo razana.

17 Araka ny finoana shintoista, ny fanahy “efa lasana” iray dia mbola manana ny maha-izy azy, nefa voaloto noho ny fahafatesana. Rehefa manaraka fombafomba fahatsiarovana azy, ireo nidonam-pahoriana, dia voadio amin’ny haratsiam-panahy rehetra ilay fanahy, ka maka toetra tia fihavanana sy tia manao soa. Any aoriana, ny fanahin’ilay razana dia misandratra ho amin’ny toeran’ny razana tonga andriamanitra na mpiambina. Noho izy niara-nisy tamin’ny Bodisma, ny Shintoisma dia naka fampianarana bodista sasany, toy ny foto-pampianarana momba ny paradisa. Noho izany, dia finoana fototra ao amin’ny Shintoisma koa ny finoana ny tsy fahafatesana.

Ny tsy fahafatesana ao amin’ny Taoisma — Ny fivavahana amin’ny razana ao amin’ny Konfiosianisma

18. Inona moa ny fisainana taoista momba ny tsy fahafatesana?

18 Ny Taoisma dia naorin’i Lao-tzu, izay lazaina ho niaina tany Chine tamin’ny taonjato fahenina al.f.i. Ny tanjona eo amin’ny fiainana, araka ny Taoisma, dia ny hampifanaraka ny asan’ny olombelona amin’ny Tao — ny lalan’ny natiora. Ny fisainana taoista momba ny tsy fahafatesana dia azo fintinina toy izao: Ny Tao no foto-pitsipika manapaka eo amin’izao rehetra izao. Tsy manam-piandohana na fiafarana ny Tao. Rehefa miaina mifanaraka amin’ny Tao ny olona iray, dia mandray anjara aminy ary manjary maharitra mandrakizay.

19-21. Nitarika ho amin’inona moa ny fanombantombanan’ny Taoista?

19 Teo amin’ny fanandramany ho tafaray amin’ny natiora, tamin’ny farany ireo Taoista dia nanjary liana indrindra tamin’ny faharetan’ny natiora mandrakizay sy ny fahaizany miarina. Nanombantombana izy ireo hoe, raha miaina mifanaraka amin’ny Tao, na ny lalan’ny natiora, angamba ny olona iray, dia mety hahita ny tsiambaratelon’ny natiora, ka tsy handairan’ny fahavoazana ara-batana sy ny aretina ary na dia ny fahafatesana mihitsy aza.

20 Ireo Taoista dia nanomboka nanandrana ny fisaintsainana sy ny fanazaran-tena mifoka rivotra ary ny fitandreman-tsakafo, izay noheverina ho afaka hampihemotra ny fihaosan’ny vatana sy ny fahafatesana. Tsy ela dia nisy angano nanomboka niparitaka momba ireo tsy mety maty, izay afaka nanidina teny amin’ny rahona, sy nipoitra na nanjavona araka izay tiany, ary nonina teny amin’ny tendrombohitra masina na teny amin’ny nosy lavitra, nandritra ny taona tsy hita isa, noho ny fihinanana ando sy voankazo majika. Araka ny tantaran’ny Sinoa, tamin’ny 219 al.f.i., ny emperora Ch’in Shih Huang Ti dia nandefa andian-tsambo nisy ankizilahy sy ankizivavy 3 000 mba hitady ilay nosy malazan’i P’eng-lai, ny fonenan’ireo tsy mety maty, ka hitondra hody ny raokandron’ny tsy fahafatesana. Mazava ho azy fa tsy nitondra an’ilay ody faty izy ireo.

21 Ny fitadiavana ny fiainana mandrakizay dia nitarika ny Taoista hanandrana hanamboatra pilin’ny tsy fahafatesana tamin’ny alalan’ny alsimia. Araka ny fomba fihevitra taoista, ny fikambanan’ny hery mifanipaka yin sy yang (vavy sy lahy) dia miteraka aina. Araka izany, tamin’ny fampiempoana fira-mainty (anti-bolo, na yin) niaraka tamin’ny volavelona (tanora volo, na yang), ireo alsimista dia nanahaka ny zava-mitranga eo amin’ny natiora, ary nihevitra fa izany dia hanome ny pilin’ny tsy fahafatesana.

22. Nanao ahoana ny herin’ny Bodisma teo amin’ny fivavahana sinoa?

22 Tamin’ny taonjato fahafito am.f.i., ny Bodisma dia nahita lalana hahatafidirana tao amin’ny fivavahana sinoa. Ny vokany dia fifangaroan-javatra avy tamin’ny Bodisma sy ny spiritisma ary ny fivavahana tamin’ny razana. “Na ny Bodisma na ny Taoisma”, hoy ny Profesora Smart, “dia samy nandrafitra sy nanome endriny fototra an’ireo finoana momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana, izay somary mbola tamin’ny ambangovangony ihany teo amin’ny fivavahana tamin’ny razana tany Chine.”

23. Inona no toerana notanan’i Confucius raha ny amin’ny fivavahana amin’ny razana?

23 I Confucius, olon-kendry sinoa nalaza hafa tamin’ny taonjato fahenina al.f.i., ary nanana filôzôfia tonga fototry ny Konfiosianisma, dia tsy niteny be loatra momba ny Any Ankoatra. Ny nohamafisiny kosa dia ny maha-zava-dehibe ny fitondran-tena tsara sy azon’ny fiaraha-monina ekena. Nankasitraka ny fivavahana tamin’ny razana koa anefa izy, ary nanantitrantitra ny fanarahana ireo fombafomba sy fanao mifandray amin’ny fanahin’ireo lasan-ko razana.

Fivavahana tatsinanana hafa

24. Inona no ampianarin’ny Jainisma momba ny fanahy?

24 Ny Jainisma dia niorina tany Inde tamin’ny taonjato fahenina al.f.i. Ny mpanorina azy, i Mahâvîra, dia nampianatra fa manana fanahy maharitra mandrakizay ny zavamananaina rehetra. Nampianatra koa izy fa ny famonjena ny fanahy avy amin’ny fatoran’ny Karma dia tsy azo atao raha tsy amin’ny alalan’ny fandavan-tena sy ny fahaiza-manitsy tena faran’izay mafy, ary ny fandavana amin’ny fomba hentitra tsy hampiasa herisetra amin’ny zavaboary rehetra. Mbola mifikitra amin’ireo zavatra inoany ireo ihany ny mpanaraka ny Jainisma hatramin’izao.

25, 26. Inona avy ireo zavatra inoan’ny Hindoa, izay hita koa ao amin’ny Sikhisma?

25 Toerana nahaterahan’ny Sikhisma, fivavahana arahin’ny olona 19 tapitrisa, koa i Inde. Io fivavahana io dia niantomboka tamin’ny taonjato faha-16, fony ny Guru Nânak nanapa-kevitra ny hampifangaro ny tsara indrindra tao amin’ny Hindoisma sy ny Silamo, ka hanorina fivavahana iray tafaray. Nandray ireo finoana hindoa momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy sy ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao ary ny Karma, ny Sikhisma.

26 Mazava fa ny finoana hoe mbola mitohy aorian’ny nahafatesan’ny vatana ny fiainana, dia tapany tsy misaraka amin’ny ankamaroan’ireo fivavahana tatsinanana. Ahoana anefa ny amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina sy ny Jodaisma ary ny Silamo?

[Fanontaniana]

[Sarintany, pejy 10]

(Jereo ny bokikely)

AZIA AFOVOANY

CACHEMIRE

TIBET

CHINE

KOREA

JAPON

Bénarès

INDE

Bodhgayâ

MYANMAR

TAILANDY

SRI LANKA

KAMBODJA

JAVA

TAONJ. f. 3 AL.F.I.

TAONJ. VOAL. AL.F.I.

TAONJ. VOAL. AM.F.I.

TAONJ. f. 4 AM.F.I.

TAONJ. f. 6 AM.F.I.

TAONJ. f. 7 AM.F.I.

Nanan-kery tany Azia Atsinanana manontolo ny Bodisma

[Sary, pejy 9]

Ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao no andry iankinan’ny Hindoisma

[Sary, pejy 11]

Miaina mifanaraka amin’ny natiora ny Taoista iray, mba hitadiavana ny haharitra mandrakizay

[Sary, pejy 12]

Nankasitraka ny fivavahana tamin’ny razana i Confucius