Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tafiditra tao Amin’ny Jodaisma sy ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina ary ny Silamo Ilay Hevitra

Tafiditra tao Amin’ny Jodaisma sy ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina ary ny Silamo Ilay Hevitra

Tafiditra tao Amin’ny Jodaisma sy ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina ary ny Silamo Ilay Hevitra

“Ankoatra ny zavatra hafa, ny fivavahana dia fomba hampanekena ny olona ny hoe indray andro any izy dia tsy maintsy ho faty, amin’ny fampanantenana na fiainana tsara kokoa any ankoatra ny fasany, na fahaterahana indray, na izy roa.” — GERHARD HERM, MPANORATRA ALEMÀ.

1. Miorina amin’ny finoana fototra inona moa ny fampanantenan’ny ankamaroan’ny fivavahana fiainana aorian’ny fahafatesana?

AMIN’NY fampanantenana fiainana aorian’ny fahafatesana, dia saika ny fivavahana rehetra no miankina amin’ilay finoana hoe ny olombelona dia manana fanahy tsy mety maty, izay mankany amin’ny faritra iray hafa, na mifindra ao amin’ny zavaboary iray hafa, rehefa tonga ny fahafatesana. Araka ny nomarihina tao amin’ilay fizarana teo aloha, ny finoana ny tsy fahafatesan’ny olombelona dia nanjary tapany tsy misaraka amin’ireo fivavahana tatsinanana, raha vao teo am-piandohan’izy ireo. Ahoana anefa ny amin’ny Jodaisma sy ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina ary ny Silamo? Ahoana no nahatongavan’izy io ho fampianarana fototra tao amin’ireo finoana ireo?

Nandray ireo hevitra grika ny Jodaisma

2, 3. Araka ny Encyclopaedia Judaica, moa ve ireo soratra masina hebreo nampianatra ny tsy fahafatesan’ny fanahy?

2 Ny fototry ny Jodaisma dia tonga hatrany amin’i Abrahama, 4 000 taona lasa teo ho eo izay. Ireo soratra masina hebreo dia nanomboka nosoratana tamin’ny taonjato faha-16 al.f.i., ary efa vita tamin’ny fotoana nandrafetan’i Socrate sy i Platon ny teôrian’ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Moa ve ireo Soratra ireo nampianatra ny tsy fahafatesan’ny fanahy?

3 Mamaly izany toy izao ny Encyclopaedia Judaica: “Taorian’ny andron’ny Baiboly vao tafaorina ny finoana mazava sy hentitra ny tsy fahafatesan’ny fanahy (...) sy nahatongavany ho iray tamin’ireo vato fehizoron’ny finoana jiosy sy kristianina.” Manambara toy izao koa izy io: “Ny olona iray dia noheverina ho zavatra iray manontolo, tamin’ny andron’ny Baiboly. Noho izany, ny fanahy dia tsy zavatra niavaka tsara tamin’ny vatana.” Nino ny fitsanganan’ny maty ny Jiosy tany am-boalohany, ary izany dia “tokony havahana amin’ny finoana (...) ny tsy fahafatesan’ny fanahy”, hoy ny soritan’io encyclopédie io.

4-6. Ahoana no nahatongavan’ny foto-pampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy ho ny ‘iray amin’ireo vato fehizoron’ny’ Jodaisma?

4 Ahoana àry no nahatongavan’io foto-pampianarana io ho ny ‘iray amin’ireo vato fehizoron’ny’ Jodaisma? Manome ny valiny ny tantara. Tamin’ny 332 al.f.i., i Aleksandra Lehibe dia nandresy ny ankabeazan’i Moyen-Orient haingana be. Rehefa tonga tao Jerosalema izy, dia nandray azy an-tanan-droa ny Jiosy. Araka an’ilay Jiosy mpahay tantara atao hoe Flavius Josèphe, dia nasehon’izy ireo azy mihitsy aza ilay faminaniana tao amin’ny bokin’ny Daniela, nosoratana 200 taona mahery talohan’izay, ary nilazalaza mazava tsara ireo ho fandresen’i Aleksandra, ilay “mpanjakan’i Grisia”. (Daniela 8:5-8, 21). Ireo mpandimby an’i Aleksandra dia nanohy ilay tetika Fanovana ho Grika narahiny, ka namonto ny faritra rehetra tamin’ilay empira tamin’ny fiteny sy ny kolontsaina ary ny filôzôfia grika. Tsy azo nihodivirana ny fifangaroan’ireo kolontsaina roa — grika sy jiosy.

5 Teo am-piandohan’ny taonjato fahatelo al.f.i., dia natomboka ny fandikana voalohany ny Soratra Hebreo tamin’ny teny grika, izay nantsoina hoe ny Septante. Tamin’ny alalan’izy io, dia Jentilisa maro no nanjary nanaja sy nahalala ny fivavahana jiosy, ka niova finoana mihitsy aza ny sasany. Ny Jiosy kosa, tetsy an-daniny, dia nihananjary nifankazatra tamin’ny fisainana grika, ka tonga filôzôfa ny sasany, zavatra izay mbola tsy fahita mihitsy teo amin’izy ireo. I Philon avy any Aleksandria, tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., no iray tamin’ireny filôzôfa jiosy ireny.

6 Nanaja fatratra an’i Platon i Philon, ka nitady hanazava ny Jodaisma araka ny filôzôfia grika. “Namorona fikambanan-javatra manokana voaforon’ny filôzôfian’i Platon sy ny lovantsofina ara-baiboly i Philon”, hoy ny boky Heaven—A History, “ka nisava ny lalana ho an’ireo filôzôfa kristianina [sy jiosy] tatỳ aoriana.” Ary inona moa no ninoan’i Philon momba ny fanahy? Manohy ny teniny toy izao ilay boky: “Taminy, ny fahafatesana dia mamerina ny fanahy ho amin’ny toetrany voalohany, talohan’ny nahaterahany. Koa satria an’ny tontolo ara-panahy ny fanahy, ny fiainana ao anatin’ny vatana dia tsy inona fa vanim-potoana iray fohy, ary feno fahoriana matetika.” Anisan’ireo filôzôfa jiosy hafa, izay nino ny tsy fahafatesan’ny fanahy, i Isaac Israeli, ilay mpitsabo jiosy malaza tamin’ny taonjato faha-10, sy i Moses Mendelssohn, Jiosy alemà tamin’ny taonjato faha-18.

7, 8. a) Ahoana no ilazalazan’ny Talmoda ny fanahy? b) Inona no nolazain’ny soratra jiosy feno zava-miafina tatỳ aoriana, momba ny fanahy?

7 Ny boky iray hafa nanan-kery lalina teo amin’ny fisainana sy ny fiainana jiosy dia ny Talmoda — izay famintinana an-tsoratra an’ilay antsoina hoe lalàna am-bava, ary tatỳ aoriana dia nampiana teny sy fanazavana momba azy io, nangonin’ny raby teo anelanelan’ny taonjato faharoa am.f.i. sy ny Moyen Âge. “Ireo rabin’ny Talmoda”, hoy ny Encyclopaedia Judaica, “dia nino fa mbola misy ihany ny fanahy aorian’ny fahafatesana.” Miresaka momba ny maty mifandray amin’ny velona mihitsy aza ny Talmoda. “Azo inoana fa noho ny fitaoman’ny fampianaran’i Platon”, hoy ny Encyclopædia of Religion and Ethics, “[ireo raby] dia nino ny fisian’ny fanahy alohan’ny fiainana.”

8 Tatỳ aoriana, ny Kabbale, ny soratra jiosy feno zava-miafina, dia tonga hatramin’ny fampianarana ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao. Momba io finoana io, dia hoy ny ambaran’ny The New Standard Jewish Encyclopedia: “Toa tany Inde no niandohan’io hevitra io. (...) Ao amin’ny Kabbalah, izy io dia mipoitra voalohany ao amin’ny bokin’ny Bahir, ary avy eo, manomboka amin’ny Zohar, dia neken’ireo mpanaraka fiainana feno zava-miafina, ary nitana toerana lehibe tao amin’ny finoana sy ny soratr’ireo Hasidima.” Any Israely, amin’izao andro izao, dia eken’ny ankamaroan’ny olona ho fampianarana jiosy ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao.

9. Inona no toerana tanan’ny ankamaroan’ireo ankolafiny ao amin’ny Jodaisma amin’izao andro izao, momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy?

9 Noho izany, ny hevitra momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy dia tafiditra tao amin’ny Jodaisma, noho ny fitaoman’ny filôzôfia grika, ary dia eken’ny ankamaroan’ny ankolafiny ao aminy io hevitra io amin’izao andro izao. Inona no azo lazaina momba ny nahatafidiran’ilay fampianarana tao amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina?

Nandray ireo hevitr’i Platon ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina

10. Inona no fanatsoahan-kevitry ny manam-pahaizana espaniola malaza iray, momba ny finoan’i Jesosy ny tsy fahafatesan’ny fanahy?

10 Ny Kristianisma marina dia nanomboka tamin’i Kristy Jesosy. Momba an’i Jesosy, dia hoy ny nosoratan’i Miguel de Unamuno, manam-pahaizana espaniola malaza tamin’izao taonjato faha-20 izao: “Nino ny fitsanganan’ny nofo amin’ny maty kosa izy, araka ny fomba jiosy, fa tsy ny tsy fahafatesan’ny fanahy, araka ny fomba platonika [grika]. (...) Hita ao amin’izay bokim-panazavana rehetra milaza ny marina ny porofon’izany.” Hoy ny fanatsoahan-keviny: “Ny tsy fahafatesan’ny fanahy (...) dia foto-pinoana filôzôfikan’ny fanompoan-tsampy.”

11. Oviana ny filôzôfia grika no nahita lalana hahatafidirana tao amin’ny Kristianisma?

11 Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nahatafatsofoka an’io “foto-pinoana filôzôfikan’ny fanompoan-tsampy” io tao amin’ny Kristianisma? Hoy ny soritan’ny New Encyclopædia Britannica: “Nanomboka teo antenatenan’ny taonjato faha-2 A.D., ireo Kristianina nahazo fampiofanana araka ny filôzôfia grika, dia nanomboka nihevitra fa nila naneho ny finoany araka azy io ny tenany, mba hahafa-po ny tenany teo amin’ny ara-tsaina, nefa mba hanovana finoana an’ireo mpanompo sampy nahita fianarana koa. Ny filôzôfia sahaza azy ireo indrindra dia ny Platonisma.”

12-14. Inona avy no anjara asan’i Origène sy i Augustin teo amin’ny fampifangaroana ny filôzôfian’i Platon tamin’ny Kristianisma?

12 Roa tamin’ireny filôzôfa tany am-boalohany ireny no tena nanan-kery teo amin’ny foto-pampianaran’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina. Ny iray dia i Origène avy any Aleksandria (t. 185-254 am.f.i.), ary ilay faharoa dia i Augustin avy any Hippone (354-430 am.f.i.). Momba azy ireo, dia hoy ny ambaran’ny New Catholic Encyclopedia: “Noho i Origène, tany Atsinanana, sy i Md. Augustin, tany Andrefana, ihany vao tafaorina ho zava-misy ara-panahy ny fanahy, sy niforona ny hevitra filôzôfika momba ny maha-izy azy.” Inona no fototra nanorenan’i Origène sy i Augustin ny heviny momba ny fanahy?

13 I Origène dia mpianatr’i Clément avy any Aleksandria, izay “ny voalohany tamin’ireo Ray naka mazava tsara ny lovantsofina grika momba ny fanahy”, hoy ny New Catholic Encyclopedia. Tsy maintsy ho nanan-kery lalina teo amin’i Origène ireo hevitr’i Platon momba ny fanahy. “[I Origène] dia nampiditra tao amin’ny foto-pampianarana kristianina ilay fitambaran-kevitra manontolo momba ny fanahy, izay nalainy tamin’i Platon”, hoy ny nomarihin’ilay teôlôjianina atao hoe Werner Jaeger, tao amin’ny The Harvard Theological Review.

14 I Augustin dia heverin’ny sasany ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina ho ny filôzôfa lehibe indrindra tamin’ny andro fahiny. Talohan’ny niovany finoana ho amin’ny “Kristianisma” teo amin’ny faha-33 taonany, dia efa liana mafy tamin’ny filôzôfia i Augustin ary efa Neoplatonista. * Taorian’ny niovany finoana, dia mbola nanaraka ny Neoplatonisma ihany ny fisainany. “Ny sainy no fototra niaingan’ny fifangaroan’ny fivavahan’ny Testamenta Vaovao sy ny lovantsofin’ny filôzôfia grikan’i Platon”, hoy ny The New Encyclopædia Britannica. Miaiky ny New Catholic Encyclopedia fa “ny foto-pampianaran’i Augustin [momba ny fanahy], izay nanjary fari-pitsipika narahina tany Andrefana mandra-pahatongan’ny faramparan’ny taonjato faha-12, dia niankina be dia be (...) tamin’ny Neoplatonisma”.

15, 16. Nanova ny toerana notanan’ny eglizy momba ny fampianarana ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy ve ny fahalianan’ny olona tamin’ny taonjato faha-13 tamin’ireo fampianaran’i Aristote?

15 Tamin’ny taonjato faha-13, dia nihatian’ny olona tany Eoropa ireo fampianaran’i Aristote, indrindra fa noho ny fahafahana namaky tamin’ny teny latina ny asan’ireo manam-pahaizana arabo izay nanazava be dia be momba ny asa soratr’i Aristote. Nanohina lalina an’ilay manam-pahaizana katolika antsoina hoe Thomas d’Aquin ny fisainan’i Aristote. Noho ny asa soratr’i Thomas d’Aquin, dia nanan-kery lehibe kokoa teo amin’ny fampianaran’ny eglizy ny fomba fihevitr’i Aristote, raha oharina amin’ny an’i Platon. Tsy nisy fiantraikany teo amin’ny fampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy anefa io fironana io.

16 Nampianatra i Aristote fa mikambana tsy azo sarahina amin’ny vatana ny fanahy, ary tsy manohy misy irery aorian’ny fahafatesana, ka raha misy aza zavatra iray maharitra mandrakizay ao amin’ny olombelona, izany dia ny saina tsy azo tsapain-tanana sy tsy manana ny maha-izy azy. Io fomba fijery ny fanahy io dia tsy nifanaraka tamin’ny finoan’ny eglizy momba ny fanahy manana ny maha-izy azy izay mbola velona aorian’ny fahafatesana. Noho izany, dia namboarin’i Thomas d’Aquin ny fomba fihevitr’i Aristote momba ny fanahy, ka nilaza izy fa azo noporofoina tamin’ny alalan’ny fanjohian-kevitra ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Araka izany, dia tsy voakitika ny finoan’ny eglizy ny tsy fahafatesan’ny fanahy.

17, 18. a) Moa ve ny Fanavaozana tamin’ny taonjato faha-16 nitondra fanavaozana teo amin’ny fampianarana momba ny fanahy? b) Inona no toerana notanan’ny ankamaroan’ireo antokom-pivavahan’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy?

17 Nandritra ny taonjato faha-14 sy faha-15, izany hoe ny tapany voalohany tamin’ny Renaissance, dia nisy fahalianana vaovao tamin’i Platon. Nanampy tamin’ny fanorenana sekoly ambony iray, tany Florence, mihitsy aza ilay fianakaviana Médicis malaza, tany Italia, mba hampandrosoana ny fianarana ny filôzôfian’i Platon. Nandritra ny taonjato faha-16 sy faha-17, dia nihena ny fahalianana tamin’i Aristote. Ary ny Fanavaozana tamin’ny taonjato faha-16 dia tsy nitondra fanavaozana teo amin’ny fampianarana momba ny fanahy. Nanohitra ny fampianarana momba ny afofandiovana ireo Protestanta Mpitondra Fanavaozana, fa ny hevitra momba ny sazy na ny valisoa mandrakizay kosa dia neken’izy ireo.

18 Mbola nanjaka ihany àry ny fampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy, tao amin’ny ankamaroan’ireo antokom-pivavahan’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina. Nanamarika izany ny manam-pahaizana amerikana iray, ka nanoratra hoe: “Ny fivavahana, raha ny marina, ho an’ny ankamaroan’ny olona atỳ amintsika, dia midika hoe tsy fahafatesana, fa tsy zavatra hafa. Andriamanitra no mpanome ny tsy fahafatesana.”

Ny tsy fahafatesana sy ny Silamo

19. Oviana no niorina ny Silamo, ary iza no nanorina azy?

19 Nanomboka ny Silamo fony i Muḥammad voantso ho mpaminany, teo amin’ny faha-40 taonany. Ny ankamaroan’ny Miozolimanina dia mino fa nahazo fanambarana izy nandritra ny 20 na 23 taona teo ho eo, teo anelanelan’ny 610 am.f.i. ka hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 632 am.f.i. Voarakitra ao amin’ny Kôrana, ny boky masin’ny Miozolimanina, ireo fanambarana ireo. Tamin’ny fotoana nipoiran’ny Silamo, dia efa tafatsofoka tao amin’ny Jodaisma sy ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina ny hevitr’i Platon momba ny fanahy.

20, 21. Inona no inoan’ny Miozolimanina momba ny Any Ankoatra?

20 Mino ny Miozolimanina fa ny finoany dia ny fara tampon’ireo fanambarana nomena an’ireo Hebreo sy Kristianina nahatoky tamin’ny andro taloha. Maka teny avy ao amin’ny Soratra Hebreo sy avy ao amin’ny Soratra Grika ny Kôrana. Eo amin’ny fampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy anefa, dia mihataka amin’ireo soratra ireo izy io. Mampianatra izy fa ny olona dia manana fanahy izay mbola miaina ihany aorian’ny fahafatesana. Miresaka momba ny fitsanganan’ny maty koa izy, sy momba ny andro fitsarana iray, ary momba izay hanjo ny fanahy amin’ny farany — na hahazo fiainana ao amin’ny zaridainam-paradisa any an-danitra, na hosazina ao amin’ny afobe mirehitra.

21 Mino ny Miozolimanina fa ny fanahin’ny olona maty iray dia mankany amin’ny Barzakh, na “Fisarahana”, izany hoe “ny toerana na toe-piainana hisian’ny olona aorian’ny fahafatesana ary alohan’ny Fitsarana”. (Sourate 23:99, 100, The Holy Qur-an, fanamarihana ambany pejy). Ao ny fanahy dia mahatsiaro tena, ka iharan’ilay antsoina hoe “Fanasazian’ny Fasana”, raha ratsy fanahy ilay olona, na mahazo fahasambarana, raha nahatoky izy. Tsy maintsy iharan’ny fampijalijaliana kely koa anefa ireo olo-nahatoky, noho ireo fahotana vitsivitsy nataony, fony izy velona. Amin’ny andro fitsarana, dia miatrika izay hanjo azy mandrakizay ny tsirairay, ka izany dia mamarana io toetra tetezamita io.

22. Teôria tsy mitovy inona avy momba izay hanjo ny fanahy no naroson’ny filôzôfa arabo sasany?

22 Niseho tao amin’ny Jodaisma sy ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina ny hevitra momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy, noho ny fitaoman’ny fampianaran’i Platon, fa nampidirina tao amin’ny Silamo kosa izy io raha vao teo am-piandohany. Tsy milaza akory izany fa tsy nitady hanakambana ny fampianaran’ny Silamo tamin’ny filôzôfia grika ireo manam-pahaizana arabo. Nanan-kery lehibe teo amin’ny tontolo arabo, raha ny marina, ny asa soratr’i Aristote. Ary manam-pahaizana arabo malaza, toa an’i Avicenne sy i Averroës, no nanazava sy nampiasa ny fisainan’i Aristote. Teo amin’ny fanandramany hampifanaraka ny fisainana grika tamin’ny fampianaran’ny Silamo momba ny fanahy anefa, dia namoaka teôria samy hafa izy ireo. Ohatra, i Avicenne dia nanambara fa tsy mety maty ny fanahy manana ny maha-izy azy. I Averroës kosa, tetsy an-daniny, dia nitsipaka izany. Na manao ahoana na manao ahoana ireo fomba fihevitra ireo, dia mbola zavatra inoan’ny Miozolimanina ihany ny tsy fahafatesan’ny fanahy.

23. Inona no toerana tanan’ny Jodaisma sy ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina ary ny Silamo momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy?

23 Mazava àry fa ny Jodaisma sy ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina ary ny Silamo dia samy mampianatra ny foto-pampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Mpanaraka ny Neoplatonisma, izany hoe ny endriny vaovao iray amin’ny filôzôfian’i Platon, izay namboarin’i Plotin, tany Roma, tamin’ny taonjato fahatelo.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 14]

Nitarika ho amin’ny fifangaroan’ny kolontsaina grika sy jiosy ny fandresen’i Aleksandra Lehibe

[Sary, pejy 15]

I Origène, eo ambony, sy i Augustin dia nitady hampifangaro ny filôzôfian’i Platon tamin’ny Kristianisma

[Sary, pejy 16]

I Avicenne, etsy ambony, dia nilaza fa tsy mety maty ny fanahy manana ny maha-izy azy. Nitsipaka izany fomba fijery izany kosa i Averroës