Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-dehibe ny Fahamarinana Momba ny Fanahy

Zava-dehibe ny Fahamarinana Momba ny Fanahy

Zava-dehibe ny Fahamarinana Momba ny Fanahy

“Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” — JAONA 8:32.

1. Nahoana no zava-dehibe ny mandinika ireo zavatra inoantsika momba ny fanahy sy ny fahafatesana?

IREO zavatra inoan’ny olona iray momba ny fahafatesana sy ny Any Ankoatra dia vokatry ny fiaviany ara-pivavahana sy ara-kolontsaina indrindra. Araka ny efa hitantsika, dia anisan’izany zavatra inoana izany ny fiekena fa tsy mahatratra ny tanjony farany ny fanahy raha tsy aorian’ny fahaterahana indray imbetsaka, sy ny hevitra hoe ny fiainana iray dia mamaritra izay hanjo ny olona iray amin’ny farany. Ho vokany, ny olona iray dia mety hatoky fa hikambana amin’ilay tena izy fara tampony ny tenany rehefa maty, ny iray hafa hatoky fa hahatratra ny Nirvana ny tenany, ary ny iray hafa koa hatoky fa hahazo ny lanitra ho valisoa ny tenany. Inona àry no marina? Koa satria manan-kery eo amin’ny fihetsitsika sy ny zavatra ataontsika ary ny fanapahan-kevitsika ireo zavatra inoantsika, moa ve isika tsy tokony hiahy ny hahita ny valin’io fanontaniana io?

2, 3. a) Nahoana isika no afaka mametraka ny fatokiantsika amin’izay lazain’ny Baiboly momba ny fanahy? b) Araka ny ambaran’ny Baiboly, inona moa no fahamarinana momba ny fanahy?

2 Ny boky tranainy indrindra eto an-tany, ny Baiboly, dia manoritra ny tantaran’ny olombelona hatrany amin’ny namoronana ny fanahy olombelona voalohany. Tsy ahitana ny filôzôfia sy ny lovantsofin’ny olona ny fampianarany. Manambara mazava tsara ny fahamarinana momba ny fanahy izy, dia ny hoe: Ny fanahinao (âme) dia ianao, ny maty dia tsy miaina mihitsy, ary ireo izay ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra dia hatsangany amin’ny fotoany. Inona no ho dikan’izany ho anao?

3 “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo”, hoy i Jesosy Kristy tamin’ireo mpanara-dia azy. (Jaona 8:32). Eny, manafaka ny fahamarinana. Hanafaka antsika amin’inona anefa ny fahamarinana momba ny fanahy?

Afaka amin’ny tahotra sy ny famoizam-po

4, 5. a) Tahotra inona no foanan’ny fahamarinana momba ny fanahy? b) Tamin’ny ahoana ny zatovovavy iray nadiva ho faty, no nahazo herim-po noho ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty?

4 “Ny ankamaroan’ny olona dia matahotra ny fahafatesana ary miezaka tsy hieritreritra momba azy io”, hoy ny The World Book Encyclopedia. “Ny teny hoe ‘fahafatesana’ mihitsy dia efa mila tsy ho azo tononina atỳ Andrefana”, hoy ny nomarihin’ny mpahay tantara iray. Ary ao amin’ny kolontsaina sasany, ny fanalefaham-piteny toy ny hoe “nody mandry” sy ny hoe “efa lasana” dia ampiasaina matetika mba hilazana fa maty ny olona iray. Io tahotra ny fahafatesana io, raha ny tena izy, dia fahatahorana ny tsy fantatra, satria ho an’ny ankamaroan’ny olona, dia zava-miafina ny fahafatesana. Ny fahalalana ny fahamarinana momba izay mitranga rehefa maty isika dia manalefaka io tahotra io.

5 Raiso, ohatra, ny herin-tsain’i Michaelyn, 15 taona. Voan’ny kanseran’ny ra izy, ary niatrika fahafatesana nampahonena. Hoy ny tsaroan’i Paula, reniny: “Nilaza i Michaelyn fa tsy nampaninona azy ny ho faty, satria fantany fa tsy maharitra ny fahafatesana. Niresaka be dia be momba ny tontolo vaovaon’Andriamanitra izahay, sy momba ireo maty rehetra hatsangana ao. Nanana finoana lehibe an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fitsanganana amin’ny maty i Michaelyn — tsy nisy fisalasalana na dia kely akory aza.” Nanafaka an’io tovovavy kely be herim-po io tamin’ny tahotra tafahoatra ny fahafatesana, ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty.

6, 7. Manafaka antsika amin’ny famoizam-po inona ny fahamarinana momba ny fanahy? Hazavao amin’ny ohatra.

6 Inona no vokatry ny fahamarinana teo amin’ny ray aman-drenin’i Michaelyn? “Ny fahafatesan’ny zanakavavy kelinay no zavatra nampahory anay indrindra”, hoy i Jeff, rainy. “Matoky tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah ny fitsanganana amin’ny maty anefa izahay, ary tsy andrinay ny andro hahafahanay hamihina an’i Michaelyn malalanay indray. Ho toy inona moa ny fifankahitanay indray amin’izay!”

7 Eny, ny fahamarinana momba ny fanahy dia manafaka ny olona iray amin’ilay famoizam-po tanteraka mety hoentin’ny fahafatesan’ny hava-malala iray. Mazava ho azy fa tsy misy na inona na inona afaka manafoana ilay fahoriana sy alahelo tsapa rehefa maty ny hava-malala iray. Ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty anefa dia mampitony ny alahelo ary manamora kokoa ny fizakana ny fahoriana.

8, 9. Manafaka antsika amin’ny tahotra inona ny fahamarinana momba ny toetran’ny maty?

8 Ny fahamarinana araka ny Soratra Masina momba ny toetran’ny maty dia manafaka antsika koa amin’ny tahotra ny maty. Hatramin’ny nianarany an’io fahamarinana io, dia olona maro voafatotry ny fombafomba sy ny finoanoam-poana momba ny maty taloha, no tsy manahy intsony ny amin’ireo ozona, fambara, zavatra atao fiaro amin’ny vintana ary sampy mahatsara vintana. Tsy manolotra fanatitra lafo vidy mba hampitonena an’ireo razany sy hisakanana azy ireo tsy hiverina hamangivangy azy tsy an-kijanona, intsony koa izy ireo. Eny tokoa, noho ireo maty “tsy mba mahalala na inona na inona”, dia tsy mandaitra ny fanao toy izany. — Mpitoriteny 9:5.

9 Ny fahamarinana momba ny fanahy (âme), hita ao amin’ny Baiboly, dia tena manafaka sady azo itokiana tokoa. Diniho koa anefa ny fahatsinjovan-javatra iray tsy manam-paharoa atolotry ny Baiboly ho anao.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 29]

Ny fahamarinana momba ny fanahy dia manafaka antsika amin’ny tahotra ny fahafatesana, ny tahotra ny maty, ny famoizam-po noho ny fahafatesan’ny hava-malala iray