Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Ianao Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Tany Paradisa

Aoka Ianao Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Tany Paradisa

Fizarana 8

Aoka Ianao Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Tany Paradisa

1, 2. Hanao ahoana ny fiainana eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra?

1 Hanao ahoana ny fiainana rehefa hanaisotra amin’ny tany ny faharatsiana sy ny fijaliana Andriamanitra ka hampiditra ny tontolony vaovao eo ambanin’ny fifehezana feno fitiavan’ny Fanjakany any an-danitra? Mampanantena ny ‘hanokatra ny tanany ka hahavoky soa ny zavamiaina rehetra’ Andriamanitra. — Salamo 145:16.

2 Inona avy ireo fanirianao ara-dalàna? Moa ve izany tsy ny hanana fiainana sambatra, asa mendrika, fahatondrahana ara-nofo, manodidina tsara tarehy, fihavanana eo amin’ny olona rehetra ary fanafahana amin’ny tsy rariny, ny aretina, ny fijaliana ary ny fahafatesana? Ary ahoana ny amin’ny fananana fahatsinjovan-javatra ara-panahy mahafaly? Ireo zavatra rehetra ireo dia ho tanteraka tsy ho ela eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mariho izay lazain’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly momba ireo fitahiana mahatalanjona ho avy ao amin’izany tontolo vaovao izany.

Ny taranak’olombelona ao anatin’ny fandriampahalemana tanteraka

3-6. Toky inona no ananantsika fa hahita fiadanana ny olona ao amin’ny tontolo vaovao?

3 “Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany [Andriamanitra]; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy ary mandoro ny [sarietin’ady] amin’ny afo.” — Salamo 46:9.

4 “Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” — Isaia 2:4.

5 “Ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” — Salamo 37:11.

6 “Miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; velominy ao ny hoby”. — Isaia 14:7.

Mihavana ny olona sy ny biby

7, 8. Fihavanana manao ahoana no hisy eo amin’ny olona sy ny biby?

7 “Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry; ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ary ny zanak’omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, ary ny zazakely no hiroaka azy. Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; ny zanany hiara-mandry; ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby; ny zaza minono hilalao amin’ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin’ny lavaky ny menarana. Ary tsy handratra na hanimba (...) izy”. — Isaia 11:6-9.

8 “Raha mby amin’izany andro izany, izaho dia hanao fanekena ho azy amin’ny bibi-dia sy amin’ny voro-manidina ary amin’ny biby mandady sy mikisaka amin’ny tany (...), dia hataoko mandry fahizay izy”. — Hosea 2:20.

Fahasalamana tonga lafatra, fiainana mandrakizay

9-14. Lazalazao hoe hanao ahoana ny toe-pahasalamana ao amin’ny tontolo vaovao.

9 “Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana”. — Isaia 35:5, 6.

10 “Hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana”. — Apokalypsy 21:4.

11 “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho”. — Isaia 33:24.

12 “Dia ho tsara noho ny an’ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin’ny andro nahatanorany izy”. — Joba 33:25.

13 “Fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” — Romana 6:23.

14 “Izay rehetra maneho finoana azy [dia] (...) hahazo ny fiainana mandrakizay.” — Jaona 3:16, NW.

Haverina ho amin’ny fiainana indray ny maty

15-17. Inona no fanantenana ho an’ireo izay efa maty?

15 “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” — Asan’ny Apostoly 24:15, NW.

16 “Avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana [ao amin’ny fahatsiarovan’Andriamanitra] ny feony; dia hivoaka izy”. — Jaona 5:28, 29.

17 “Ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny [Hadesy, fanamarihana ambany pejy] [fasana] namoaka ny maty tao aminy”. — Apokalypsy 20:13.

Ny tany, Paradisa iray ho ampoky ny zava-tsoa

18-22. Hiova ho inona ny tany manontolo?

18 “[Hisy] ranonoram-pitahiana mivatravatra. Ary hamoa ny hazo any an-tsaha, sady hahavokatra ny tany, ary handry fahizay amin’ny tany izy”. — Ezekiela 34:26, 27.

19 “Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.” — Salamo 67:6.

20 “Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia.” — Isaia 35:1.

21 “Ny tendrombohitra sy ny havoana hahavelona hoby eo alohanareo, ary ny hazo rehetra any an-tsaha hiteha-tànana. Ny hazo kypreso haniry ho solon’ny tsilo, ary ny rotra ho solon’ny sampivato”. — Isaia 55:12, 13.

22 “Hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao.” — Lioka 23:43, NW.

Fonenana tsara ho an’ny rehetra

23, 24. Inona no toky fa hisy fonenana tsara ampy ho an’ny rehetra?

23 “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao (...). Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa (...). Ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany. Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka”. — Isaia 65:21-23.

24 “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy”. — Mika 4:4.

Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa

25. Fahatsinjovan-javatra mahatalanjona inona no ananantsika ho an’ny hoavy?

25 Fahatsinjovan-javatra mahatalanjona ny amin’ny hoavy re izany! Tena zava-kendrena toy inona moa no mety hananan’ny fiainana ankehitriny! Izany tokoa no ho izy raha toa ny fiainana ka ampiorenina amin’ilay fanantenana mafy orina fa hoe, ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, dia ho anisan’ny lasa mandrakizay ireo zava-manahirana rehetra amin’izao andro izao! “Tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.” (Isaia 65:17). Ary toy inona moa ny fampiononana azo avy amin’ny fahafantarana fa ho mandrakizay ny fiainana amin’izay: “Hofoanany [Andriamanitra] tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana”. — Isaia 25:8.

26. Inona no fanalahidin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra?

26 Maniry ny hiaina mandrakizay ao amin’izany tontolo vaovao zary Paradisa efa akaiky izany ve ianao? ‘Inona no hilaiko hatao mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra amin’izao faran’ity tontolo ity izao ka hanohizako hiaina ao amin’ny tontolony vaovao? ’, hoy angamba ianao. Mila ny manao izay nasehon’i Jesosy tao amin’ny vavaka nataony tamin’Andriamanitra toy izao ianao: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” — Jaona 17:3.

27. Inona no tsy maintsy ataonao mba handraisanao soa avy amin’ny fikasan’Andriamanitra?

27 Noho izany, dia ataovy izay hahazoana Baiboly iray ary hamarino izay novakinao tato amin’ity bokikely ity. Tadiavo ireo olona hafa izay mianatra sy mampianatra ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly ireo. Manafaha tena amin’ireo fivavahana mihatsaravelatsihy izay mampianatra sy manao zavatra mifanohitra amin’ny Baiboly. Ianaro ny fomba ahafahanao mandray soa avy amin’ny fikasan’Andriamanitra hampiaina ny olona mandrakizay ao amin’ny tany paradisa, miaraka amin’ny an-tapitrisany maro hafa izay efa manao ny sitrapon’Andriamanitra. Ary raiso ao am-po izao lazain’ny Teny nomen’Andriamanitra tamin’ny tsindrimandry izao momba ny hoavy tsy ho ela: “Mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” — 1 Jaona 2:17.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 31]

Ho tanteraka tsy ho ela ny fikasan’Andriamanitra hamerina indray paradisa eto an-tany