Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Tanteraka Tsy Ho Ela Ny Fikasan’andriamanitra

Ho Tanteraka Tsy Ho Ela Ny Fikasan’andriamanitra

Fizarana 7

Ho Tanteraka Tsy Ho Ela Ny Fikasan’andriamanitra

1, 2. Nahoana isika no afaka matoky fa hanao zavatra Andriamanitra mba hamaranana ny faharatsiana sy ny fijaliana?

1 Na dia namela ny tsy fahatanterahana sy ny fijaliana hisy ela be araka ny fomba fijerin’olombelona aza Andriamanitra, dia tsy hamela ny toe-javatra ratsy hitohy mandrakizay izy. Milaza amintsika ny Baiboly fa Andriamanitra dia manana fotoana voafaritra tsara hamelany ny fitrangan’ireo zavatra ireo.

2 “Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy”. (Mpitoriteny 3:1). Rehefa tonga ny fifaranan’ny fotoana natokan’Andriamanitra mba hamelana ny faharatsiana sy ny fijaliana hisy, dia hisalovana eo amin’ny raharahan’ny olombelona izy. Hamarana ny faharatsiana sy ny fijaliana izy ary hanatanteraka ny fikasany tany am-boalohany. Izany dia ny hamenoana ny tany amin’ny fianakavian’olombelona tanteraka sy sambatra hiaina ao anatin’ny fiadanana sy ny tsy fananana ahiahy ara-toe-karena tanteraka eo anivon’ny toe-piainana toy ny amin’ny Paradisa.

Ireo didim-pitsaran’Andriamanitra

3, 4. Ahoana no ilazan’ny bokin’ny Ohabolana ireo ho vokatry ny fisalovanan’Andriamanitra?

3 Mariho ny sasantsasany amin’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly maro izay manambara hoe tsy ho ela dia hidika ho inona ho an’ny fianakavian’olombelona ny fisalovanan’Andriamanitra, izany hoe ireo vokatry ny didim-pitsarany:

4 “Ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.” — Ohabolana 2:21, 22.

5, 6. Ahoana no ampisehoan’ny Salamo 37 izay hitranga rehefa hisalovana Andriamanitra?

5 “Ny mpanao ratsy hofongorana; ary izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany. Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy (...). Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” — Salamo 37:9-11.

6 “Miandrasa an’i Jehovah, ka tandremo ny làlany, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy hianao. Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; fa misy farany ho an’ny olona tia fihavanana. Fa ny mpanota haringana avokoa; ny hiafaran’ny ratsy fanahy ho fongotra.” — Salamo 37:34, 37, 38.

7. Torohevitra tsara inona no omen’ny Tenin’Andriamanitra antsika?

7 Noho izany, noho io hoavy mahatalanjona io, izay ho azon’ireo manaiky ny zon’ilay Mpamorona tsitoha hanapaka eo amintsika, dia ampirisihina toy izao isika: “Aoka ny fonao hitandrina ny didiko; fa andro maro sy taona ela iainana ary fiadanana no hanampiny ho anao.” Raha ny tena izy, dia fiainana mandrakizay no hanampy ho an’ireo izay mifidy ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra! Araka izany, dia manome antsika izao torohevitra izao ny Tenin’Andriamanitra: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao”. — Ohabolana 3:1, 2, 5, 6.

Ny fanapahan’Andriamanitra avy any an-danitra

8, 9. Amin’ny alalan’ny inona no hanadiovan’Andriamanitra ity tany ity?

8 Andriamanitra dia hanatanteraka io fanadiovana ny tany io amin’ny alalan’ny fitondram-panjakana tsara indrindra hitan’ny olombelona hatramin’izay. Izy io dia fitondram-panjakana iray izay manome taratry ny fahendrena any an-danitra, satria manapaka avy any an-danitra eo ambanin’ny fitarihan’Andriamanitra. Ary io Fanjakana any an-danitra io dia hanaisotra avy eto an-tany ny karazana fanapahan’olombelona rehetra. Tsy hanana ny fahafahana hifidy ny hanandrana hanapaka tsy miankina amin’Andriamanitra intsony mihitsy ny olombelona.

9 Momba izany, dia hoy ny ambaran’ny faminaniana ao amin’ny Daniela 2:44: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo [ireo fitondram-panjakana amin’izao andro izao] Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana [any an-danitra] izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa [tsy havela hanapaka tsy miankina amin’Andriamanitra intsony mihitsy ny olombelona], fa ireo fanjakana rehetra [misy ankehitriny] ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” — Jereo koa ny Apokalypsy 19:11-21; 20:4-6.

10. Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa eo ambanin’ny fitarihan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, dia tsy hisy fahasimbana intsony mihitsy eo amin’ny fanapahana?

10 Araka izany, ny taranak’olombelona dia tsy hanana karazana fanapahana simba tanteraka intsony mihitsy, satria rehefa avy namarana ity fandehan-javatra ity Andriamanitra, dia tsy hisy intsony mihitsy ny fanapahan’olombelona tsy miankina aminy. Ary ilay Fanjakana hanapaka avy any an-danitra dia tsy hisy hanimba satria Andriamanitra no ho Mpamorona sady Mpiaro azy. Hanao zavatra mba handraisan’ireo olom-peheziny ny soa betsaka indrindra kosa aza izy io. Hatao manerana ny tany toy ny any an-danitra amin’izay àry ny sitrapon’Andriamanitra. Izany no antony nahafahan’i Jesosy nampianatra ny mpianany mba hivavaka toy izao tamin’Andriamanitra: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” — Matio 6:10.

Efa akaikin’izany ve isika?

11. Aiza ao amin’ny Baiboly no ahitantsika faminaniana izay hanampy antsika hamantatra fa efa akaikin’ny faran’ity fandehan-javatra ity isika?

11 Efa akaikin’ny faran’ity fandehan-javatra tsy mahafa-po ity sy ny fiandohan’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra ve isika? Milaza mazava ny valin’izany amintsika ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. Ohatra, ny tenan’i Jesosy mihitsy dia nilaza mialoha izay tokony hojerena mba hamantarantsika ny toerana misy antsika raha oharina amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” araka ny ilazan’ny Baiboly azy. Izany dia voarakitra ao amin’ny Matio toko faha-24 sy 25 (NW ) sy Marka toko faha-13 ary Lioka toko faha-21. Ankoatra izany, araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Timoty toko faha-3 (NW ), ny apostoly Paoly dia nilaza mialoha fa hisy fe-potoana antsoina hoe “andro faranyrehefa hisy fisehoan-javatra maro samihafa hanome fanamafisana fanampiny momba ny hoe aiza ho aiza isika izao eo amin’ny fandehan’ny fotoana.

12, 13. Inona avy no nolazain’i Jesosy sy i Paoly momba ny fotoan’ny farany?

12 Nilaza i Jesosy fa izany fe-potoana izany dia hanomboka amin’ireto fisehoan-javatra ireto: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ny tany samy hafa.” (Matio 24:7). Ny Lioka 21:11 dia mampiseho fa nanonona “areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa” koa izy. Ary nampitandrina ny amin’ny “haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna” koa izy. — Matio 24:12.

13 Nilaza mialoha toy izao ny apostoly Paoly: “Fa aoka ho fantatrao izao, fa amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia ny tenany, ho tia vola, ho mpieboebo, ho mpiavonavona, ho mpiteny ratsy, tsy hanoa ray aman-dreny, tsy hahay hankasitraka, hivadika, tsy hanana firaiketam-po voajanahary, tsy ho azo ifampiraharahana, ho mpanendrikendrika, tsy hanana fifehezan-tena, ho loza be, tsy hanam-pitiavana izay tsara, ho mpamadika, ho mafy hatoka, ho matin-kambo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra, hanana endriky ny fifikirana amin’Andriamanitra kanefa ho hita fa handa ny heriny (...). Ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky dia handroso hiharatsy hatrany, sady hamitaka no hofitahina.” — 2 Timoty 3:1-5, 13, NW.

14, 15. Ahoana no anamafisan’ireo fisehoan-javatra tamin’ity taonjato faha-20 ity fa tena efa ao anatin’ny andro farany isika?

14 Moa ve mitranga amin’izao androntsika izao ireo zavatra nolazain’i Jesosy sy i Paoly mialoha ireo? Izany dia izany tokoa. Ny Ady Lehibe Voalohany no ady ratsy indrindra hatramin’izay fotoana izay. Izy io no ady nanerana ny tany voalohany sady fiolahana teo amin’ny tantara maoderina. Niaraka tamin’io ady io, dia nisy mosary, areti-mandringana ary loza hafa. Ireo fisehoan-javatra nitranga nanomboka tamin’ny 1914 ireo dia “fiandohan’ny fahoriana”, araka ny filazan’i Jesosy azy. (Matio 24:8). Izy ireo dia nanomboka ilay fe-potoana antsoina hoe “andro farany”, dia ny fiandohan’ilay taranaka farany hamelan’Andriamanitra ny faharatsiana sy ny fijaliana hisy.

15 Azo inoana fa efa mahazatra anao ireo fisehoan-javatra amin’izao taonjato faha-20 izao. Fantatrao ilay fisafotofotoana nipoitra. Olona teo amin’ny 100 tapitrisa teo ho eo no efa maty tamin’ireo ady. An-jato tapitrisany maro hafa no maty noho ny hanoanana sy ny aretina. Naka ain’olona tsy tambo isaina ny horohoron-tany. Mitombo ny tsy firaharahan’ny olona ny aina sy ny fananan’ny hafa. Nanjary zavatra iainana andavanandro ny tahotra ny heloka bevava. Nakifika ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena. Manome zava-manahirana tsy mety voalamina ny fihoaran’ny isan’ny mponina. Manimba ny hatsaran’ny fiainana ny fandotoana ary mampidi-doza azy mihitsy aza. Tena ao anatin’ny andro farany marina isika nanomboka tamin’ny 1914 ary mihamanatona ny fara tampon’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly mahakasika ny andro misy antsika.

16. Fe-potoana manao ahoana no voafaokan’ny andro farany?

16 Hafiriana no haharetan’ireo andro farany ireo? Hoy i Jesosy momba ny vanim-potoana hahita ny “fiandohan’ny fahoriana” tamin’ny 1914: “Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” (Matio 24:8, 34-36). Araka izany, ireo lafiny rehetra amin’ny andro farany dia tsy maintsy mitranga ao anatin’ny androm-piainan’ny taranaka iray, dia ny taranaky ny taona 1914. Ny olona sasany velona tamin’ny 1914 àry dia mbola ho velona rehefa hifarana ity fandehan-javatra ity. Io taranaka io dia tena efa be taona ankehitriny, ka izany dia mampiseho fa tsy hisy fotoana lava intsony ho tavela alohan’ny hamaranan’Andriamanitra ity fandehan-javatra ankehitriny ity.

17, 18. Faminaniana inona no mampiseho fa efa tena akaikin’ny faran’ity tontolo ity isika?

17 Ny faminaniana hafa iray koa mampiseho fa efa tena akaiky ny faran’ity fandehan-javatra ity dia nomen’ny apostoly Paoly, izay nilaza mialoha hoe: “Ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo. Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay [“fiadanana sy filaminana”, NW ], dia hanjo azy tampoka ny fandringanana (...), ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.” — 1 Tesaloniana 5:2, 3; jereo koa ny Lioka 21:34, 35.

18 Ankehitriny dia efa nifarana ny Ady Mangatsiaka ary mety tsy ho fandrahonana lehibe intsony ny ady iraisam-pirenena. Mety hihevitra àry ireo firenena fa tsy lavitra velively ny fandehan-javatra vaovao ho an’izao tontolo izao izy ireo. Kanefa rehefa hihevitra izy ireo fa mahomby ny ezaka ataony, izany dia hidika ho ny zavatra mifanohitra amin’izay eritreretiny, satria izany no ho famantarana farany fa efa antomotra ny handringanan’Andriamanitra ity fandehan-javatra ity. Tadidio fa tsy mitondra fiovana marina ao amin’ny olona ireo fifanarahana sy fifanekena ara-politika. Tsy manova ny olona mba hifankatia izy ireny. Ary ireo mpitondra eo amin’ny tany dia tsy mahavita mamarana ny heloka bevava, na manafoana ny aretina sy ny fahafatesana. Koa aza mametraka ny fitokianao amin’izay mety ho fandroson’ny fiadanana sy ny filaminana avy amin’ny olombelona, ka hieritreritra fa hoe tsy ho ela dia hahalamina ny zava-manahirana eo aminy ity tontolo ity. (Salamo 146:3). Ny tena ho hevitr’izany hiaka izany dia hoe efa tena akaikin’ny fanjavonany ity tontolo ity.

Fitoriana ny vaovao tsara

19, 20. Faminaniana inona mahakasika ny fitoriana amin’ny andro farany no hitantsika fa tanteraka ankehitriny?

19 Ny faminaniana hafa iray koa izay mampiseho fa ao anatin’ny andro farany isika nanomboka tamin’ny 1914 dia ilay nomen’i Jesosy manao hoe: “Ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny [vaovao tsara, NW ] aloha.” (Marka 13:10). Na koa, araka ny filazan’ny Matio 24:14 azy: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity [vaovao tsaran’ilay fanjakana, NW ] ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.”

20 Ankehitriny, mbola tsy nisy toy izany mihitsy, ny vaovao tsara momba ny faran’ity tontolo ity sy ny tontolo vaovao zary Paradisa ho avy eo ambanin’ny fitarihan’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia torina manerana ny tany rehetra. Iza no manao izany? Ny Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro. Mitory any amin’ny firenena rehetra amin’ny tany izy ireo.

21, 22. Inona indrindra indrindra no mampahafantatra fa Kristiana marina ny Vavolombelon’i Jehovah?

21 Ankoatra ny fitoriany momba ny Fanjakan’Andriamanitra, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitondra tena amin’ny fomba izay mampahafantatra azy ireo ho toy ny mpanara-dia marina an’i Kristy, satria hoy ny nambarany: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” Araka izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tafaray ao anatin’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany iray amin’ny alalan’ny fatoram-pitiavana iray tsy mety rava. — Jaona 13:35; jereo koa ny Isaia 2:2-4; Kolosiana 3:14; Jaona 15:12-14; 1 Jaona 3:10-12; 4:20, 21; Apokalypsy 7:9, 10.

22 Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mino izao tenin’ny Baiboly izao: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35). Raisin’izy ireo ho toy ny rahalahiny sy anabaviny ara-panahy ireo Vavolombelona hafa any amin’ny firenena rehetra, na inona na inona firazanany na volon-kodiny. (Matio 23:8). Ary ny fisian’izany fianakavian’ny mpirahalahy izany eran’izao tontolo izao ankehitriny dia porofo fanampiny fa tsy ho ela dia ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Ny Fanjakana lavorarin’Andriamanitra any an-danitra no ho hany fanapahana eo amin’ny olombelona ao amin’ny tontolo vaovao