Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Afaka Milaza Amintsika?

Iza no Afaka Milaza Amintsika?

Fizarana 2

Iza no Afaka Milaza Amintsika?

1, 2. Inona no fomba tsara indrindra hahitana ny zava-kendren’ny zavatra iray novolavolaina?

1 Iza no afaka milaza amintsika hoe inona marina no zava-kendren’ny fiainana? Aoka hatao hoe handeha hitsidika olona iray mpamolavola milina ianao ka mahita azy manamboatra milina iray be kojakojany izay tsy azonao veroka mihitsy. Amin’ny fomba ahoana no hahafantaranao hoe natao hanaovana inona izany milina izany? Ny fomba tsara indrindra dia ny manontany ilay mpamolavola azy.

2 Ahoana àry ny amin’ny vokatry ny asa famolavolana mahavariana hitantsika manodidina antsika, toy ny ao amin’ny zavamiaina rehetra, eny na dia ao amin’ilay sela velona bitika indrindra aza? Na dia ireo molekiola sy atoma bitika lavitra noho ireo ao anatin’ny sela aza dia voavolavola sady milamina amin’ny fomba mahatalanjona. Ahoana koa ny amin’ny sain’olombelona voavolavola amin’ny fomba mahagaga? Ary ahoana ny amin’ny rafi-masoandro misy antsika, ary ny amin’ny vahindanitra Voie Lactée misy antsika, ary ny amin’izao rehetra izao? Moa ve ireo zavatra novolavolaina mahatalanjona rehetra ireo tsy mitaky ny fisian’ny Mpamolavola iray? Tena ho afaka ny hilaza amintsika ny antony namolavolany ireo zavatra ireo izy.

Moa ve ny fiainana niandoha tamin’ny kisendrasendra?

3, 4. Manao ahoana ny fetezan’ny fiainana hipoitra noho ny kisendrasendra?

3 Nanamarika ny amin’ny “fahasarotan-javatra sy fahaiza-mandamin-javatra tsy misy toy izany eo amin’ireo zavamiaina” ny The Encyclopedia Americana ka nanambara hoe: “Ny fandinihana akaiky ireo voninkazo, bibikely na biby mampinono dia mampiseho fandaharana ireo tapany mahaforona azy amin’ny fomba marina aoka izany ka sarotra inoana.” Rehefa niresaka ny amin’ireo foto-javatra simika mahaforona ireo zavamananaina velona ilay mpandinika ny habakabaka britanika atao hoe Sir Bernard Lovell, dia nanoratra hoe: “Faran’izay kely ny hoe mety hisian’ny (...) kisendrasendra hitarika ho amin’ny fiforonan’ny iray amin’ireo molekiolana proteina bitika indrindra. (...) Raha ny tena izy aza, dia tsy misy mihitsy izany.”

4 Mitovy amin’izany koa ny nolazain’ilay mpandinika ny habakabaka atao hoe Fred Hoyle nanao hoe: “Ny rafitra manontolon’ny biolojia mahazatra dia mbola mifikitra ihany amin’ny hoe nipoitra avy tamin’ny kisendrasendra ny fiainana. Kanefa arakaraka ny ahitan’ireo biosimista ny fahasarotan-javatra mahatalanjona momba ny fiainana, dia manjary miharihary fa ny mety ho niandohany tamin’ny kisendrasendra dia faran’izay kely ka azo tsinontsinoavina tanteraka. Tsy afaka nipoitra tamin’ny kisendrasendra ny fiainana.”

5-7. Amin’ny ahoana no anamarinan’ny biolojia momba ny molekiola fa tsy afaka nipoitra noho ny kisendrasendra ireo zavamiaina?

5 Ny biolojia momba ny molekiola, ny iray amin’ireo sahan’ny siansa vaovao indrindra, dia ny fianarana ny amin’ireo zavamiaina eo amin’ny ambaratongan’ny gènes sy ny molekiola ary ny atoma. Miresaka momba izay hita toy izao i Michael Denton, biolojista momba ny molekiola: “Ny fahasarotan-javatra ao amin’ny karazan-tsela tsotra indrindra fantatra dia lehibe aoka izany, hany ka tsy azo atao ny manaiky fa izany zavatra izany dia nety ho vokatra azo tampoka avy amin’ny zava-niseho iray tsy araka ny fahita sy tsy azo inoana velively fa hitranga.” “Kanefa tsy ny fahasarotan’ny rafitry ny zavamiaina ihany no zava-tsarotra aoka izany, fa eo koa ilay fahaiza-mamoron-javatra faran’izay mahatalanjona miharihary matetika aoka izany eo amin’ny fomba namolavolana azy ireo.” “Eo amin’ny ambaratongan’ny molekiola no (...) tena ahitana soritry ny hakingan-tsaina ao ambadiky ny vokatry ny asa famolavolana biolojika sy ny fahalavorarian’ireo tanjona tratra.”

6 Manampy teny toy izao i Denton: “Na aiza na aiza jerentsika, na inona na inona halalin’ny fandinihana ataontsika, dia mahita hatsaran-tarehy sy fahaiza-mamoron-javatra faran’izay ambony, izay mampihena aoka izany ny fiheverana fa nety ho nisy kisendrasendra, isika. Tena azo inoana tokoa ve fa ny fisehoan-javatra kisendrasendra dia afaka nanamboatra fisian-javatra iray, izay ny foto-javatra bitika indrindra aminy — ny proteina miasa na gène — dia faran’izay be kojakojany ka tsy takatry ny fahaizantsika mamoron-javatra akory, zava-misy iray izay mifanohitra tanteraka amin’ny kisendrasendra, fisian-javatra iray izay mihoatra noho izay rehetra avoakan’ny sain’olombelona amin’ny heviny rehetra?” Hoy koa izy: “Eo anelanelan’ny sela velona iray sy ny rafitra tsy biolojika faran’izay milamina indrindra, toy ny kristaly iray na ny poti-dranomandry iray, dia misy hantsana goavana sy tanteraka iray tsy azo saintsainina akory.” Ary hoy ny nambaran’ny mpampianatra fizika iray atao hoe Chet Raymo: “Zendana aho (...) Ny molekiola tsirairay dia toa noforonina tamim-pahagagana mba hanao ny asany avy.”

7 I Denton, ilay biolojista momba ny molekiola, dia manatsoaka hevitra fa “ireo izay mbola manohana ny finoana tsy voaporofo fa izao zava-misy vaovao rehetra izao dia vokatry ny kisendrasendra ranofotsiny” dia mino angano. Raha ny marina, dia miantso ny finoana avy amin’i Darwin ny amin’ny nipoiran’ny zavamiaina avy tamin’ny kisendrasendra hoe “ilay angano lehiben’izao taonjato faharoapolo izao momba ny niandohan’izao tontolo izao”, izy.

Mitaky ny fisian’ny Mpamolavola iray ny vokatry ny asa famolavolana

8, 9. Manomeza ohatra iray mampiseho fa ny zavatra rehetra novolavolaina dia tsy maintsy manana mpamolavola iray.

8 Ilay hevitra fa ny zavatra tsy manana aina dia nety ho niseho noho ny kisendrasendra, noho ny zava-niseho tsy nampoizina sady tsy nisy heviny, dia lasa lavitra loatra ka tsy hety mihitsy. Tsia, tsy nety ho nisy noho ny zava-niseho tsy nampoizina ireo zavamiaina rehetra voavolavola amin’ny fomba mahavariana aoka izany eto an-tany, satria ny zavatra rehetra izay voavolavola dia tsy maintsy manana mpamolavola azy. Mahafantatra zavatra maningana ny amin’izany ve ianao? Tsy misy na dia iray aza. Ary arakaraka ny maha-be kojakojany ilay zavatra novolavolaina no maha-tsy maintsy ho olona mahay an’ilay mpamolavola azy.

9 Mety ho afaka haka ireto ohatra ireto koa isika mba hampisehoana izany: Rehefa mahita sary hoso-doko iray isika, dia manaiky fa porofon’ny fisian’ny mpandoko iray izy io. Rehefa mamaky boky iray isika, dia manaiky fa misy mpanoratra iray any. Rehefa mahita trano iray isika, dia manaiky fa misy mpanao trano iray any. Rehefa mahita jiro ho an’ny fifamoivoizana isika, dia mahafantatra fa misy antokon’olona mpanao lalàna any. Ireo zavatra rehetra ireo dia nataon’ireo mpanao azy noho ny zava-kendrena iray. Ary na dia mety ho tsy takatsika aza ny zavatra rehetra momba ireo olona namolavola azy ireo, dia tsy misalasala isika fa misy ireo olona ireo.

10. Inona no porofon’ny fisian’ny Mpamolavola Tampony iray?

10 Mitovy amin’izany koa, ny porofon’ny fisian’ny Mpamolavola Tampony iray dia hita amin’ny vokatry ny asa famolavolana sy ny filaminana ary ny fahasarotan-javatra eo amin’ireo zavamiaina eto an-tany. Samy mampiharihary izy ireo fa misy Saina Mahay Tampony iray. Marina koa izany ny amin’ny vokatry ny asa famolavolana sy ny filaminana ary ny fahasarotan-javatra eo amin’izao rehetra izao misy ireo vahindahitra an’arivo tapitrisany maro ao aminy izay samy manana kintana an’arivo tapitrisany maro. Ary ireo tenan-javatra rehetra eny amin’ny lanitra dia voafehin’ny lalàna marina tsara, toy ireo natao ho an’ny fihetsehana, ny hafanana, ny hazavana, ny feo, ny électromagnétisme ary ny hery misinton’ny tany. Mety hisy lalàna kanefa tsy misy mpanao lalàna ve? Hoy ny nambaran’ny Dr. Wernher von Braun, mpahay siansa momba ny fanamboarana baomba: “Ireo lalàna voajanaharin’izao rehetra izao dia marina aoka izany, hany ka tsy sarotra amintsika ny manamboatra sambon-danitra hanidina ho eny amin’ny volana, ary koa ny mametra ny fotoanan’ilay fandehanana marina tsara araka ny ampahan-tsegondra mihitsy. Tsy maintsy ho nisy nametraka ireny lalàna ireny.”

11. Nahoana isika no tsy tokony handa ny fisian’ny Mpamolavola Tampony iray satria fotsiny hoe tsy afaka mahita azy isika?

11 Marina fa tsy afaka mahita ilay Mpamolavola sady Mpanao Lalàna Tampony amin’ny masontsika ara-bakiteny isika. Kanefa moa ve isika mandà ny fisian’ny zavatra toy ny hery misinton’ny tany, ny herinandriamby, ny herin’aratra, na ireo onjan’ny radio, satria fotsiny hoe tsy hitantsika izy ireo? Tsia, tsy manao izany isika satria mahita ny vokatr’izy ireo. Koa nahoana àry isika no handa ny fisian’ny Mpamolavola sady Mpanao Lalàna Tampony iray, rehefa afaka mahita ireo vokatry ny asa tanana mahatalanjona nataony?

12, 13. Inona no asehon’ny porofo momba ny fisian’ny Mpamorona?

12 Manatsoaka hevitra i Paul Davies, mpampianatra fizika, fa tsy vokatry ny vintana sendrasendra fotsiny akory ny fiainan’olombelona. Hoy ny nambarany: “Tena natao ho eto mihitsy isika.” Ary hoy izy momba izao tontolo izao: “Amin’ny alalan’ny asa ara-tsiansa ataoko, dia nanjary mino mafy kokoa ihany aho fa izao rehetra izao fizika dia vita noho ny fahaiza-mamoron-javatra mahagaga aoka izany, hany ka tsy afaka manaiky azy io ho toy ny zava-misy miasa tsy amim-pisainana fotsiny aho. Amiko dia toa tsy maintsy misy ambaratongam-panazavana lalina kokoa.”

13 Noho izany, ny porofo dia milaza amintsika fa izao rehetra izao sy ny tany ary ireo zavamiaina eto an-tany dia tsy afaka nipoitra ho azy noho ny kisendrasendra. Samy manome porofo mangina ny amin’ny fisian’ny Mpamorona manan-tsaina sady mahery aoka izany izy ireo.

Izay lazain’ny Baiboly

14. Inona no fanatsoahan-kevitry ny Baiboly momba ny Mpamorona?

14 Ny Baiboly, ny boky tranainy indrindra ananan’ny olombelona, dia manatsoaka hevitra mitovy amin’izany. Ohatra, ao amin’ny bokin’ny Hebreo nosoratan’ny apostoly Paoly, dia ilazana isika hoe: “Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.” (Hebreo 3:4). Ny boky farany ao amin’ny Baiboly, nosoratan’ny apostoly Jaona, koa dia milaza hoe: “Hianao, [Jehovah, NW ] Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.” — Apokalypsy 4:11.

15. Ahoana no ahafahantsika mahatsapa ny sasany amin’ireo toetran’Andriamanitra?

15 Ny Baiboly dia mampiseho fa na dia tsy hita aza Andriamanitra, ny hoe karazan’Andriamanitra manao ahoana izy dia tsapa amin’izay nataony. Hoy ny ambaran’ny Baiboly: “Tsy hita maso [ny Mpamorona]. Nefa hatramin’ny nahariany an’izao rehetra izao, dia eo ny asany mampahafantatra Azy, mampibaribary fa mahery hatrizay hatrizay Izy ary Andriamanitra tokoa.” — Romana 1:20, DIEM.

16. Nahoana isika no tokony ho faly satria tsy afaka mahita an’Andriamanitra ny olombelona?

16 Ny Baiboly àry dia mitondra antsika avy eo amin’ny antony mahatonga ka hatreo amin’ny vokatra. Ny vokatra — ireo zavatra mahatalanjona natao — dia porofon’ilay Antony Mahatonga manan-tsaina sady mahery: Andriamanitra. Ankoatra izany, dia afaka ny ho velom-pankasitrahana isika fa tsy hita maso izy, satria amin’ny maha-Mpamorona an’izao rehetra izao azy, dia tsy isalasalana fa manana hery lehibe aoka izany izy, hany ka ny olombelona nofo aman-dra dia tsy afaka manampo ny hahita azy ka mbola ho velona ihany. Ary izany indrindra no lazain’ny Baiboly amin’ny hoe: “Tsy misy olona mahita [an’Andriamanitra] ka ho velona.” — Eksodosy 33:20.

17, 18. Nahoana no tokony ho zava-dehibe amintsika ny hoe misy Mpamorona iray?

17 Tokony ho zava-dehibe ho antsika ny hoe misy Mpamolavola Lehibe iray, Fisiana Tampony iray, dia Andriamanitra. Raha nataon’ny Mpamorona iray isika, dia azo antoka fa tsy maintsy ho nanana antony, na zava-kendrena, izy tamin’ny namoronana antsika. Raha noforonina mba hanan-java-kendrena eo amin’ny fiainana isika, dia misy antony hanantenana fa hihatsara ny toe-javatra amin’ny hoavy. Raha tsy izany no izy, dia miaina sy maty tsy misy fanantenana isika. Koa tena zava-dehibe àry ny hahitantsika ny fikasan’Andriamanitra ho antsika. Avy eo, dia afaka mifidy isika raha maniry ny hiaina mifanaraka amin’izany na tsia.

18 Ankoatra izany, ny Baiboly dia manambara fa ny Mpamorona dia Andriamanitra be fitiavana izay miahy be dia be ny amintsika. Hoy ny nambaran’ny apostoly Petera: “Izy no miahy anareo.” (1 Petera 5:7; jereo koa ny Jaona 3:16 sy ny 1 Jaona 4:8, 16.) Ny fomba iray ahitantsika ny halehiben’ny fiahian’Andriamanitra dia ny fandinihana ny fomba mahatalanjona nanaovany antsika, ara-tsaina sy ara-batana.

“Mahatalanjona ny nanaovana ahy”

19. Ho amin’ny fahamarinana inona no isarihan’i Davida mpanao salamo ny saintsika?

19 Ao amin’ny Baiboly, dia niaiky toy izao i Davida mpanao salamo: “Mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy”. (Salamo 139:14). Tena milaza ny marina mihitsy izany, satria ny atidohan’olombelona sy ny vatany dia novolavolain’ilay Mpamolavola Tampony tamin’ny fomba mahatalanjona.

20. Amin’ny fomba ahoana no ilazalazan’ny firaketana iray ny atidohan’olombelona?

20 Ohatra, ny atidohanao dia be kojakojany lavitra noho ny ordinatera, na inona izany na inona. Hoy ny nomarihin’ny The New Encyclopædia Britannica: “Ny fampitana fanazavana eo anivon’ny rafi-pitatitra dia be kojakojany kokoa noho ireo fifandraisana an-telefaonina lehibe indrindra; ny fandaminana zava-manahirana ataon’ny atidohan’olombelona iray dia mihoatra lavitra noho ny fahaizan’ireo ordinatera mahery indrindra.”

21. Rehefa mahita izay ataon’ny atidoha isika, inona moa no tokony ho fanatsoahan-kevitsika?

21 Zava-misy sy sary ara-tsaina an-jato tapitrisany maro no voangona ao amin’ny atidohanao. Tsy fitahirizan-javatra fotsiny anefa izy io. Amin’ny alalan’ny atidohanao ianao dia afaka mianatra misioka, manamboatra mofo, miteny amin’ny fiteny vahiny, mampiasa ordinatera na mamily fiaramanidina. Afaka maka sary an-tsaina ny amin’ny ho fialan-tsasatrao, na ny ho tsiron’ny voankazo maha-te hihinana iray, ianao. Afaka mamakafaka sy manao zavatra ianao. Afaka manao volavolan-kevitra koa ianao, mankasitraka, tia olona ary mampifandray ireo eritreritrao amin’ny lasa sy amin’ny ankehitriny ary amin’ny hoavy. Koa satria isika olombelona tsy afaka mamolavola zavatra iray toy ny atidohan’olombelona mahatalanjona, dia miharihary fa Ilay namolavola azy io dia manana fahendrena sy fahaizana lehibe lavitra noho ny an’ny olombelona, na iza izy na iza.

22. Inona no eken’ireo mpahay siansa momba ny atidohan’olombelona?

22 Momba ny atidoha, dia miaiky toy izao ireo mpahay siansa: “Ny fomba anatanterahan’io milina voavoatra amin’ny fomba mahavariana sy milamina ary faran’izay be kojakojany io ireo asa ireo, dia tena zava-miafina tanteraka. (...) Mety tsy ho hain’ny olombelona na oviana na oviana ny handamina ireo zava-tsy fantatra miavaka tsirairay ao amin’ny atidoha.” (Scientific American). Ary hoy i Raymo, ilay mpampianatra fizika: “Mba hilazana ny marina tanteraka, isika dia mbola tsy mahafantatra zavatra betsaka momba ny fomba anangonan’ny atidohan’olombelona fanazavana, na ny fomba ahaizany mampiverina ao an-tsaina fahatsiarovana araka izay tiany. (...) Misy selan-kozatra iray hetsy tapitrisa ao amin’ny atidohan’olombelona. Ny sela tsirairay dia mifandray amin’ny sela an’arivony maro hafa, amin’ny alalan’ny synapsa sesehena miendrika hazo iray. Mahazendana ireo fifampitohizana maro loha mety hitranga ao.”

23, 24. Manonòna faritra sasany amin’ny vatana izay voavolavola tamin’ny fomba mahatalanjona, ary inona no fanamarihana nataon’ny enjeniera iray?

23 Ireo masonao dia marina kokoa sy azo ampifanarahina kokoa noho ny fakantsary, na inona izany na inona; raha ny marina, dia fakana sarimihetsika mandeha ho azy tanteraka sy mahay mifantoka irery ary miloko izy ireo. Ireo sofinao dia afaka mahare feo isan-karazany sy manome anao fahalalana momba ny toerana itodihana ary mihazona ny tsy fihilangilananao. Ny fonao dia paompy manana fahafahana manao zavatra izay tsy vitan’ireo enjeniera mahay indrindra nalaina tahaka. Mahavariana koa ireo faritra hafa amin’ny vatana: ny oronao sy ny lelanao ary ny tananao, ary koa ny rafi-pandevonan-tsakafo sy rafi-pikorianan-dra ao aminao, raha ireo ihany no tononina.

24 Araka izany, dia nanjohy hevitra toy izao ny enjeniera iray izay nasaina namolavola sy nanamboatra ordinatera lehibe iray: “Raha nitaky ny fisian’ny mpamolavola iray ny ordinaterako, moa ve tsy hihoatra lavitra noho izany ity milina be kojakojany eo amin’ny lafiny fiziolojika sy simika ary biolojika ity, izany hoe ny vatan’olombelona ananako — izay tsy inona indray koa fa tapany faran’izay madinika fotsiny eo amin’izao rehetra izao izay mila tsy hisy farany?”

25, 26. Inona no tokony ho azon’ilay Mpamolavola Lehibe holazaina amintsika?

25 Tsy misy hafa amin’ny olona manan-java-kendrena ao an-tsaina rehefa manamboatra fiaramanidina, ordinatera, bisikilety, na fitaovana hafa, dia toy izany koa, ilay Mpamolavola ny atidohan’ny olombelona sy ny vatany dia tsy maintsy ho nanan-java-kendrena tamin’ny famolavolana antsika. Ary io Mpamolavola io dia tsy maintsy manana fahendrena ambony noho ny an’ny olombelona, satria tsy misy na dia iray amintsika aza afaka maka tahaka ireo zavatra novolavolainy. Araka ny fandrindran-kevitra àry ny hoe Izy no afaka milaza amintsika ny antony namolavolany antsika, ny antony nametrahany antsika teto an-tany, ary izay miandry antsika amin’ny hoavy.

26 Rehefa mahalala ireo zavatra ireo isika, dia azo ampiasaina mba hanatanteraka ny zava-kendrentsika eo amin’ny fiainana ilay atidoha sy vatana mahatalanjona nomen’Andriamanitra antsika. Kanefa aiza no ahafahantsika mahafantatra momba ireo fikasany? Aiza no anomezany antsika izany fanazavana izany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 7]

Ny fomba tsara indrindra hahafantarana ny antony namolavolana zavatra iray dia ny manontany ilay namolavola azy

[Sary, pejy 8]

Hita eo amin’ny molekiolana ADN ny maha-be kojakojany ireo zavamiaina sy ny fomba namolavolana azy ireo

[Sary, pejy 9]

“Ny fandaminana zava-manahirana ataon’ny atidohan’olombelona iray dia mihoatra lavitra noho ny fahaizan’ireo ordinatera mahery indrindra”