Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Loharanom-pahendrena Ambony Tsy Manam-paharoa

Loharanom-pahendrena Ambony Tsy Manam-paharoa

Fizarana 3

Loharanom-pahendrena Ambony Tsy Manam-paharoa

1, 2. Nahoana isika no tokony handinika ny Baiboly?

1 Ny Baiboly ve no mirakitra izany fahendrena ambony izany? Afaka manome antsika valiny marina ho an’ireo fanontaniana lehibe izay mifandray amin’ny zava-kendren’ny fiainana ve izy io?

2 Tena mendrika ny hodinihintsika ny Baiboly. Ny antony iray dia noho izy io ny boky natao tamin’ny fomba niavaka indrindra, ka tena tsy mitovy amin’ny boky hafa rehetra. Diniho ireto zavatra manaraka ireto.

Boky tranainy indrindra sy miely indrindra

3, 4. Firy taona moa ny Baiboly?

3 Ny Baiboly no boky tranainy indrindra nosoratana hatramin’izay, ka ny tapany aminy dia vita 3 500 taona lasa izay. Tranainy an-jatony taona maro kokoa noho izay boky heverina ho masina hafa rehetra izy io. Ny boky voalohany amin’ireo boky 66 ao aminy dia nosoratana arivo taona teo ho eo talohan’i Buddha sy i Confucius ary teo amin’ny roa arivo taona teo ho eo talohan’i Muḥammad.

4 Ny tantara voarakitra ao amin’ny Baiboly dia hatrany amin’ny niandohan’ny fianakavian’olombelona ary manazava ny nahatonga antsika teto an-tany. Mitondra antsika hatrany amin’ny fotoana talohan’ny namoronana ny olombelona mihitsy aza izy io, amin’ny fanomezana antsika fanazavana momba ny niforonan’ny tany.

5. Sora-tanana amin’ny Baiboly tranainy firy no misy, raha oharina amin’ireo soratra tsy ara-pivavahana tranainy?

5 Tsy misy afa-tsy sasantsasany ihany sisa ireo sora-tanana tranainin’ireo boky ara-pivavahana hafa, ary ny an’ireo tsy ara-pivavahana koa aza. Misy sora-tanana 13 000 eo ho eo amin’ny Baiboly na tapany aminy, amin’ny fiteny hebreo sy grika, ka ny sasany amin’izy ireo dia vita tsy lavitra ny fotoana nanoratana ilay tany am-boalohany. Izy ireo dia nahatohitra ireo fanafihana mahery indrindra azo saintsainina natao tamin’ny Baiboly.

6. Manao ahoana ny fielezan’ny Baiboly?

6 Ankoatra izany, dia ny Baiboly no boky miely indrindra eo amin’ny tantara. Baiboly na tapany amin’ny Baiboly eo amin’ny telo arivo tapitrisa eo ho eo no efa naely tamin’ny fiteny roa arivo eo ho eo. Voalaza fa ny 98 isan-jaton’ny fianakavian’olombelona no afaka manana ny Baiboly amin’ny fiteniny. Tsy misy boky hafa manakaiky izany fielezany izany akory.

7. Inona no azo lazaina momba ny maha-araka ny marina tsara ny Baiboly?

7 Fanampin’izany, dia tsy misy boky tranainy hafa afaka mifampitaha amin’ny Baiboly raha ny amin’ny maha-araka ny marina tsara azy. Ireo mpahay siansa, mpanoratra tantara, arkeology, mpanao jeografia, manam-pahaizana manokana momba ny fiteny ary ny hafa dia tsy tapaka manamarina ny fitantarana ao amin’ny Baiboly.

Araka ny marina tsara eo amin’ny ara-tsiansa

8. Manao ahoana ny maha-araka ny marina tsara ny Baiboly eo amin’ny ara-tsiansa?

8 Ohatra, na dia tsy natao ho boky ara-tsiansa aza ny Baiboly, dia mifanaraka tsara amin’ny siansa marina rehefa miresaka momba ny raharaha ara-tsiansa. Ny boky tranainy hafa heverina fa masina anefa dia misy angano sy zavatra tsy marina ary fitaka bevava eo amin’ny ara-tsiansa. Mariho ny efatra monja amin’ireo ohatra maro ny amin’ny maha-araka ny marina tsara ny Baiboly eo amin’ny ara-tsiansa:

9, 10. Tsy manome taratr’ireo fomba fihevitra tsy araka ny siansa tamin’ny androny ny Baiboly, fa inona kosa no nolazainy momba izay manohana ny tany?

9 Izay mihazona ny tany eny amin’ny habakabaka. Tamin’ny andro fahiny nanoratana ny Baiboly, dia nisy fanombantombanana be dia be momba izay nihazona ny tany teny amin’ny habakabaka. Nisy nino fa ny tany dia notohanan’ny elefanta efatra nitsangana teo ambonin’ny soka-dranomasina lehibe iray. I Aristote, filozofa sady mpahay siansa grika tamin’ny taonjato fahefatra al.f.i., dia nampianatra fa ny tany dia tsy afaka ny hihantona velively eny amin’ny habakabaka babangoana. Ny nampianariny kosa dia hoe ireo tenan-javatra eny amin’ny lanitra dia voatana mafy amin’ny ivelan’ny bola (sphères) mafy orina sy tsy hita maso, ka ny bola tsirairay dia ao anatin’ny bola iray hafa. Ny tany, hono, dia teo amin’ny bola anatiny indrindra, ary ilay bola ivelany indrindra dia nihazona ireo kintana.

10 Kanefa, ny Baiboly dia tsy manome taratr’ireo hevi-dravina tsy araka ny siansa nisy tamin’ny fotoana nanoratana azy, fa manambara fotsiny kosa (tany amin’ny taona 1473 al.f.i. tany ho any) hoe: “Manantona ny tany amin’ny tsy misy [Andriamanitra].” (Joba 26:7). Tamin’ny teny hebreo tany am-boalohany, ny teny nadika hoe “tsy misy” ampiasaina eto dia midika hoe “tsy zavatra na inona na inona”, ka io indray mandeha io monja no ampiasana azy ao amin’ny Baiboly. Ny sarin’ny tany voahodidina habakabaka babangoana asehony dia eken’ireo manam-pahaizana ho toy ny fahalalana mialoha mahavariana raha ny fotoana nanoratana azy no jerena. Hoy ny Theological Wordbook of the Old Testament: “Ny Joba 26:7 dia mampiseho amin’ny fomba manaitra ny tany fantatra tamin’izay ho toy ny mihantona eny amin’ny habakabaka, ka noho izany dia mialoha lalana ny zavatra ho hitan’ny siansa tamin’ny hoavy.”

11, 12. Oviana ny olombelona no nanjary nahita ny fahamarinan’ny Joba 26:7?

11 Ny fanambarana araka ny marina ataon’ny Baiboly dia niseho 1 100 taona talohan’i Aristote. Kanefa ireo fomba fihevitr’i Aristote dia mbola nampianarina ihany ho toy ny zava-misy nandritra ny 2 000 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesany! Tamin’ny farany, tamin’ny 1687 am.f.i., i Sir Isaac Newton dia namoaka ny vokatry ny fikarohany momba ny tany. Nolazainy fa ny tany dia voahazona eny amin’ny habakabaka, mifandray amin’ireo zavatra hafa eny amin’ny lanitra, amin’ny alalan’ny fifanintonana eo amin’izy ireo, izany hoe ny hery misintona. Kanefa izany dia efa ho 3 200 taona taorian’ny nanambaran’ny Baiboly tamin’ny fomba tsotra sady kanto fa ny tany dia mihantona “amin’ny tsy misy”.

12 Eny tokoa, efa ho 3 500 taona lasa izay, ny Baiboly dia nanamarika tsara fa ny tany dia tsy manana tohana hita maso, zava-misy izay mifanaraka tsara amin’ireo lalàn’ny hery misintona sy ny fihetsehana izay takatra vao haingana. “Ny fomba nahafantaran’i Joba izany fahamarinana izany”, hoy ny manam-pahaizana iray, “dia fanontaniana iray izay tsy mora voavalin’ireo izay mandà fa azo tamin’ny tsindrimandry ny Soratra Masina.”

13. Nanao ahoana ny fiheveran’ny olona ny endriky ny tany taonjato maro lasa izay, kanefa inona no nanova ny fomba fiheviny?

13 Ny endriky ny tany. Hoy ny The Encyclopedia Americana: “Ny sarin’ny tany fantatry ny olombelona tany am-boalohany indrindra dia hoe lampihazo fisaka sady henjana eo afovoan’izao rehetra izao izy io. (...) Ny hevitra ny amin’ny tany toy ny bola dia tsy neken’ny rehetra raha tsy tamin’ny fotoan’ny Renaissance.” Ny tantsambo voalohany sasany aza dia natahotra sao hianjera any amin’ny sisin’io tany fisaka io izy ireo. Kanefa tamin’izay ny famantaranavaratra sy ny fandrosoana hafa hita vao haingana dia nahafahana nanao dia an-dranomasina lavitra kokoa. Ireny “dia lavitra ho fahitan-javatra” ireny, araka ny hazavain’ny firaketana iray hafa, dia “nampiseho fa ny tany dia boribory, fa tsy fisaka toy ny ninoan’ny ankamaroan’ny olona akory”.

14. Ahoana no nilazalazan’ny Baiboly ny endriky ny tany, ary oviana no nanaovany izany?

14 Kanefa, ela be talohan’ireny dia lavitra ireny, 2 700 taona lasa teo ho eo izay, dia hoy ny Baiboly: “Izy no manerinerina eo ambonin’ny andohalambon’ny tany”. (Isaia 40:22, Fandikan-teny Katolika). Ilay teny hebreo nadika hoe “andohalambo” eto dia afaka midika koa hoe “bola”, araka ny marihin’ny boky samihafa. Noho izany, ny fandikan-tenin’ny Baiboly hafa dia milaza hoe “ny gilobin’ny tany” (Douay Version) sy hoe “ny tany boribory”. — Moffatt.

15. Nahoana ny Baiboly no tsy niharan’ny fitaoman’ireo fomba fihevitra tsy araka ny siansa momba ny tany?

15 Araka izany, ny Baiboly dia tsy niharan’ny fitaoman’ny fomba fihevitra tsy araka ny siansa nanjaka tamin’izany fotoana izany momba izay nanohana ny tany sy ny endriny. Tsotra ny antony: Ilay namorona izao rehetra izao no Ilay nanoratra ny Baiboly. Namorona ny tany izy, noho izany dia tsy maintsy ho fantany izay manohana azy sy izay endriny. Noho izany, rehefa nanome tsindrimandry ny Baiboly izy, dia nataony izay tsy hitsofohan’ny fomba fihevitra tsy araka ny siansa tao, na nanao ahoana na nanao ahoana nety ho hamafin’ny finoan’ny hafa ny hevitra toy izany tamin’izay fotoana izay.

16. Amin’ny ahoana ny mahaforona ireo zavamiaina no mifanaraka amin’ny fanambaran’ny Baiboly?

16 Ny mahaforona ny zavamiaina. “Vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona”, hoy ny ambaran’ny Genesisy 2:7. Hoy ny The World Book Encyclopedia: “Ny foto-javatra simika rehetra izay mahaforona ny zavamiaina dia hita koa ao amin’ny zavatra tsy manana aina.” Koa ireo zavatra simika fototra rehetra izay mahaforona ireo zavamananaina, anisan’izany ny olombelona, àry dia hita ao amin’ny tany mihitsy koa. Izany dia mifanaraka tsara amin’ny fanambaran’ny Baiboly izay mampahafantatra ilay foto-javatra nampiasain’Andriamanitra mba hamoronana ny olombelona sy ny zavamiaina hafa rehetra.

17. Inona no fahamarinana ny amin’ny nipoiran’ny zavamiaina?

17 “Samy araka ny karazany avy”. Manambara ny Baiboly fa Andriamanitra dia namorona ny mpivady olombelona voalohany, ary koa fa avy amin’izy ireo no niavian’ny olombelona hafa rehetra. (Genesisy 1:26-28; 3:20). Milaza izy fa toy izany ihany koa ny zavamiaina hafa, toy ny hazandrano, ny vorona ary ny biby mampinono, izay miseho “samy araka ny karazany avy”. (Genesisy 1:11, 12, 21, 24, 25). Izany indrindra no hitan’ny mpahay siansa eo amin’ny zavatra noforonina voajanahary, fa hoe ny zavamiaina rehetra dia avy amin’ny karazany ihany. Tsy misy maningana ny amin’izany na dia iray aza. Momba izany, dia hoy ny marihin’ilay mpahay fizika hoe Raymo: “Ny aina dia mahatonga aina; mitranga mandrakariva eo amin’ny sela tsirairay izany. Kanefa ahoana no ahatongavan’ny aina avy amin’ny tsy fisian’ny aina? Izany no iray amin’ireo fanontaniana tsy voavaly lehibe indrindra eo amin’ny biolojia, ary hatramin’izao ireo biolojista dia tsy afaka manolotra firy afa-tsy faminavinana araka ny kisendrasendra fotsiny. Toa nisy fomba nahafahan’ny zavatra tsy manana aina nandamin-javatra toy ny fanaon’ny manana aina. (...) Marina ihany angamba ny nolazain’Ilay nanoratra ny Genesisy, rehefa dinihina marina.”

Araka ny marina tsara eo amin’ny ara-tantara

18. Inona no lazain’ny mpisolovava iray momba ny maha-araka ny marina tsara ny Baiboly eo amin’ny ara-tantara?

18 Ny Baiboly dia mirakitra ny tantara tranainy marina indrindra amin’ny boky rehetra misy. Manasongadina ny maha-marina tsara azy eo amin’ny ara-tantara toy izao ny boky A Lawyer Examines the Bible: “Ireo tantaram-pitiavana sy angano ary teny vavolombelona mandainga dia mitandrina mba hametraka ireo fisehoan-javatra tantarainy amin’ny toerana lavitra iray sy amin’ny fotoana tsy voafaritra iray, ka mandika amin’izany fanao izany ireo fitsipika voalohany ianaranay mpisolovava momba ny fanaovana fiarovana tsara, dia ny hoe ‘tsy maintsy manome ny fotoana sy ny toerana ny fanambarana atao’. Ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly kosa anefa dia manome antsika amin’ny fomba faran’izay marina ny daty sy ny toeran’ireo zavatra tantarainy.”

19. Inona no fanazavana omen’ny boky iray momba ireo tsipirian-javatra ara-tantara ao amin’ny Baiboly?

19 Manome izao fanazavana izao ny The New Bible Dictionary: “[Ny mpanoratra ny bokin’ny Asan’ny Apostoly] dia mametraka ny fitantarany ao anatin’ny faritry ny tantara tamin’ny androny; ireo pejiny dia feno filazana momba ireo governoran’ny tanàna, mpanapaka ny faritany sy zanatany ary ny toy izany, ka ny tsirairay amin’ireo filazana ireo dia hita foana fa tena araka ny marina raha ny amin’ilay toerana sy ny fotoana resahina.”

20, 21. Inona no lazain’ny manam-pahaizana momba ny Baiboly iray raha ny amin’ny tantara, araka ny Baiboly?

20 Hoy i S. Austin Allibone ao amin’ny The Union Bible Companion: “I Sir Isaac Newton (...) dia nalaza koa tamin’ny naha-mpanao tsikera ireo soratra tranainy azy, ary nandinika ny Soratra Masina tamim-pitandremana lehibe izy. Inona no fitsarana nomeny momba izany? ‘Ao amin’ny Testamenta Vaovao aho’, hoy izy, ‘dia mahita marika azo antoka kokoa momba ny maha-marina azy noho ny ao amin’izay tantara tsy masina [tsy ara-pivavahana] rehetra, na inona izany na inona.’ Milaza ny Dr. Johnson fa manana porofo betsaka kokoa ny amin’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy tao Kalvaria isika, araka ny ambara ao amin’ireo Filazantsara, noho ny amin’ny nahafatesan’i Jules César tao amin’ny Capitole. Tena manana porofo maro lavitra isika.”

21 Manampy teny toy izao koa io boky io: “Anontanio na iza na iza milaza ho misalasala ny amin’ny fahamarinan’ny tantaran’ny Filazantsara, hoe inona no antony inoany fa maty tao amin’ny Capitole i César, na koa fa nohosoran’ny Papa Leo III. ho emperoran’ny Andrefana tamin’ny taona 800 ny Emperora Charlemagne? (...) Ahoana no ahafantaranao fa nisy izany hoe Charles I. [tany Angletera] izany, fa notapahina ny lohany, ary koa fa nanjary mpitondra nandimby azy i Oliver Cromwell? (...) I Sir Isaac Newton dia lazaina fa nahita ny lalàn’ny hery misintona (...) Mino ireo fanambarana rehetra ireo momba ireo olona ireo isika; ary izany dia satria manana porofo ara-tantara ny amin’ny fahamarinan’izany isika. (...) Raha mbola misy mandà tsy hino ihany, rehefa anehoana porofo toy izany, dia ilaozantsika izy ireo ho toy ny olona mafy hatoka adala na ho toy ny olona tsy misy antenaina satria tsy mahay na inona na inona.”

22. Nahoana ny sasany no mandà tsy hanaiky ny maha-marina ny Baiboly?

22 Avy eo dia mamaran-teny toy izao io boky io: “Inona àry no holazaintsika momba ireo izay, na dia eo aza ny porofo tondraka atolotra ankehitriny momba ny fahamarinan’ny Soratra Masina, dia milaza fa tsy mampiaiky azy izany? (...) Tena manana antony hanatsoahana hevitra isika fa ny fo, fa tsy ny loha, akory no misy tsy mety; — fa hoe tsy maniry hino zavatra izay mampietry ny hambom-pony, ka hanery azy hanaraka fiainana hafa, izy ireo.”

Fifanarahana anaty sy fahatsorana

23, 24. Nahoana no miavaka ny fifanarahana anaty ao amin’ny Baiboly?

23 Alao sary an-tsaina hoe ny boky iray dia nanomboka nosoratana nandritra ny fotoan’ny Empira Romana, notohizina hatramin’ny Moyen Age ary novitaina tamin’izao taonjato faha-20 izao, ka mpanoratra maro samy hafa no nandray anjara tamin’izany. Vokatra inona no hampoizinao ho azo raha toa ka samy hafa be toy ny an’ny miaramila, mpanjaka, mpisorona, mpanarato, mpiandry ondry ary dokotera ny asan’ireo mpanoratra ireo? Moa ve ianao hanampo fa hifanaraka tsara sy hifandray tsara ireo hevitra ao amin’ilay boky? ‘Na oviana na oviana!’, hoy angamba ianao. Ny Baiboly anefa dia nosoratana tao anatin’ny toe-javatra toy izany. Kanefa mifanaraka tsara ireo hevitra rehetra ao aminy, tsy amin’ny ankapobeny ihany fa amin’ny tsipirian-javatra madinika koa.

24 Ny Baiboly dia fitambarana boky 66 nosoratan’ny mpanoratra 40 samy hafa tao anatin’ny vanim-potoana nisy 1 600 taona, nanomboka tamin’ny 1513 al.f.i. ary nifarana tamin’ny 98 am.f.i. Ireo mpanoratra dia avy amin’ny saranga samy hafa, ary maro no tsy nifampikasoka tamin’ireo mpanoratra hafa akory. Kanefa, ilay boky vokatr’izany dia manaraka loha hevitra fototra iray mifandray tsara, toy ny hoe avy tamin’ny saina iray ihany. Ary mifanohitra amin’ny finoan’ny sasany fa ny Baiboly dia tsy vokatry ny sivilizasiona tandrefana fa nosoratan’olona tatsinanana.

25. Ny tsy fanafenan’ny Baiboly ny marina sy ny fahatsorany dia manohana ilay fanambarana hoe ahoana nataon’ireo mpanoratra ny Baiboly?

25 Ny ankamaroan’ireo mpanoratra fahiny dia tsy nitantara afa-tsy ireo fahombiazany sy toetra tsarany. Ireo mpanoratra ny Baiboly kosa anefa dia niaiky tamim-pahatsorana ireo fahadisoana nataony, ary koa ireo zavatra tsy nety nataon’ireo mpanjaka sy mpitondra teo aminy. Ny Nomery 20:1-13 sy ny Deoteronomia 32:50-52 dia mitantara ireo kileman-toetran’i Mosesy, ary anefa izy no nanoratra ireo boky ireo. Ny Jona 1:1-3 sy 4:1 dia mitanisa ireo kileman-toetran’i Jona, izay nanoratra ireo fitantarana ireo. Ny Matio 17:18-20; 18:1-6; 20:20-28 ary 26:56 dia mitantara ireo toetra ratsy nasehon’ny mpianatr’i Jesosy. Noho izany, ny tsy fanafenana ny marina sy ny fahatsorana nasehon’ireo mpanoratra ny Baiboly dia manohana ny filazany fa nahazo tsindrimandry tamin’Andriamanitra ny tenany.

Ny lafiny mampiavaka azy indrindra

26, 27. Nahoana ny Baiboly no araka ny marina tsara raha ny amin’ny raharaha ara-tsiansa sy hafa?

26 Ny Baiboly ihany dia mampiharihary ny antony maha-marina azy aoka izany eo amin’ny raharaha ara-tsiansa sy ara-tantara ary hafa, ary koa ny antony ifanarahan’ny hevitra ao aminy tsara sy tsy anafenany ny marina. Asehony fa ilay Fisiana Tampony, ilay Andriamanitra tsitoha, ilay Mpamorona niavian’izao rehetra izao, no niavian’ny Baiboly. Nampiasa mpanoratra ny Baiboly olombelona ho toy ny mpitantsoratra fotsiny izy ka nanome saina azy ireo tamin’ny alalan’ny heriny miasa mahery mba hanoratra izay nanomezany tsindrimandry azy ireo mba hosoratany.

27 Hoy ny ambaran’ny apostoly Paoly ao amin’ny Baiboly: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” Ary hoy ihany koa ny apostoly Paoly: “Rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay hianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra”. — 2 Timoty 3:16, 17; 1 Tesaloniana 2:13.

28. Avy aiza àry ny Baiboly?

28 Araka izany, ny Baiboly dia avy amin’ny sain’ny Mpanoratra iray ihany — Andriamanitra. Ary tamin’ny alalan’ny heriny mahatahotra, dia zavatra tsotra ho azy ny fanaovana izay hahavoaro hatramin’izao androntsika izao an’izay voasoratra rehetra. Momba izany, dia hoy ny manam-pahaizana azo itokiana iray momba ireo sora-tanana momba ny Baiboly, i Sir Frederic Kenyon, tamin’ny 1940: “Ireo antony farany mamela hisalasala ny amin’ny fahamarinan’ny Soratra Masina izay tonga hatraty amintsika dia voaesotra ankehitriny.”

29. Ahoana no azo ampisehoana ny fahaizan’Andriamanitra hanome hafatra?

29 Ny olombelona dia mahay mandefa hafatra amin’ny radio sy ny televiziona ho etỳ an-tany avy any amin’ny an’arivony kilaometatra maro any amin’ny habakabaka, na dia avy any amin’ny volana aza. Ireo famotopotorana ana habakabaka natao dia namerina ho etỳ amin’ny tany fanazavana fizika sy sary avy any amin’ny planeta any amin’ny an-jato tapitrisany kilaometatra maro avy eto. Azo antoka fa ny Mpamorona ny olombelona sady Mpamorona ny onjan’ny radio dia hahay hanao mitovy amin’izany koa fara fahakeliny. Tena zavatra tsotra ho azy ny nampiasa ny heriny tsitoha mba hampitana teny sy sary ho ao amin’ny sain’ireo izay nofidiny mba hanoratra ny Baiboly.

30. Tian’Andriamanitra ve ny hahitan’ny olombelona hoe inona no fikasany momba azy ireo?

30 Ankoatra izany, dia misy zavatra maro momba ny tany sy ny fiainana eo aminy manome porofo fa manam-piheverana ny taranak’olombelona Andriamanitra. Noho izany, dia mora azo fa ho tiany ny hanampy ny olombelona hahafantatra hoe iza izy sy izay fikasany ny aminy amin’ny filazana izany mazava ao amin’ny boky iray — tahirin-kevitra maharitra iray.

31. Nahoana ny hafatra azo tamin’ny tsindrimandry ka noraisina an-tsoratra no ambony lavitra noho ny fanazavana ampitaina am-bava?

31 Diniho koa ny fahambonian’ny boky iray nosoratan’Andriamanitra, raha oharina amin’ny fanazavana nampitain’ny olona am-bava fotsiny. Tsy ho azo ianteherana ny teny ampitaina am-bava, satria hamerina ilay hafatra amin’ny fomba fiteniny ny olona ary, arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia ho voaolana ny heviny. Hampita ilay fanazavana am-bava araka ny fomba fiheviny manokana izy ireo. Ny fitantarana an-tsoratra maharitra, azo tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, anefa dia azo inoana lavitra fa tsy hisy diso. Ankoatra izany, ny boky iray dia azo avoaka indray sy adika mba ho afaka handray soa avy aminy ny olona mamaky fiteny samihafa. Koa tsy azon’ny saina ekena àry ve fa ny Mpamorona antsika dia nampiasa fomba toy izany mba hanomezana fanazavana? Tena izany tokoa, satria milaza ny Mpamorona fa izany no nataony.

Faminaniana tanteraka

32-34. Inona no hita ao amin’ny Baiboly ka tsy hita ao amin’ny boky hafa?

32 Ankoatra izany, dia mitondra ny mariky ny naha-azo tamin’ny tsindrimandry azy amin’ny fomba miavaka tsy misy toy izany ny Baiboly: Bokim-paminaniana izay nanana fahatanterahana tsy nisy diso ary mbola mitohy ho toy izany ihany, izy io.

33 Ohatra, ny fandringanana an’i Tyro fahizay, ny nianjeran’i Babylona, ny fanorenana indray an’i Jerosalema ary ny niakaran’ny mpanjakan’i Media sy i Persia sy ny an’i Grisia ary ny nianjeran’ireo dia efa nambara mialoha tamin’ny an-tsipiriany be dia be ao amin’ny Baiboly. Marina aoka izany ireo faminaniana ireo, hany ka nisy mpanakiana nanandrana nilaza, kanefa tsy tamim-pahombiazana, fa nosoratana taorian’ny nitrangan’ireo fisehoan-javatra izy ireo. — Isaia 13:17-19; 44:27–45:1; Ezekiela 26:3-6; Daniela 8:1-7, 20-22.

34 Ireo faminaniana nomen’i Jesosy momba ny fandringanana an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i. dia tanteraka araka ny marina tsara. (Lioka 19:41-44; 21:20, 21). Ary ireo faminaniana momba ny “andro farany” nomen’i Jesosy sy ny apostoly Paoly dia tanteraka amin’ny an-tsipiriany amin’izao androntsika izao mihitsy. — 2 Timoty 3:1-5, 13, NW; Matio 24; Marka 13; Lioka 21.

35. Nahoana ny faminaniana ao amin’ny Baiboly no tsy afaka afa-tsy ho avy amin’ny Mpamorona ihany?

35 Tsy misy sain’olombelona, na toy inona na toy inona hakingany, ho afaka hilaza mialoha fisehoan-javatra amin’ny hoavy araka ny marina toy izany. Ny sain’ilay Mpamorona izao rehetra izao, izay faran’izay mahery sady faran’izay hendry, ihany no afaka nanao izany, araka ny vakintsika ao amin’ny 2 Petera 1:20, 21 manao hoe: “Ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany; fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.”

Manome ny valiny izy io

36. Inona no lazain’ny Baiboly amintsika?

36 Noho izany, amin’ny fomba maro, ny Baiboly dia mitondra ny porofon’ny maha-Tenin’ilay Fisiana Tampony azo tamin’ny tsindrimandry azy. Amin’ny maha-izany azy, izy io dia milaza amintsika ny antony maha-eto an-tany ny olombelona, ny antony isian’ny fijaliana be dia be toy izao, izay miandry antsika amin’ny hoavy ary ny hiovan’ny toe-javatra ho tsara kokoa. Mampiharihary amintsika izy io fa misy Andriamanitra tampony iray izay namorona ny olombelona sy ny tany noho ny fikasana iray, ary koa fa ho tanteraka izany fikasana izany. (Isaia 14:24). Ny Baiboly dia mampiharihary amintsika koa hoe inona no fivavahana marina sy ny fomba mety hahitantsika azy io. Noho izany, dia izy io no hany loharanom-pahendrena ambony afaka milaza amintsika ny marina momba ireo fanontaniana lehibe rehetra momba ny fiainana. — Salamo 146:3; Ohabolana 3:5; Isaia 2:2-4.

37. Inona no tsy maintsy anontaniana momba ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?

37 Na dia eo aza ny porofo tondraka ny amin’ny fahamarinan’ny Baiboly, moa ve ireo rehetra milaza fa manaiky azy manaraka ireo fampianarany? Diniho, ohatra, ireo firenena izay mihambo ho mampihatra ny Kristianisma, izany hoe ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Afaka nahazo ny Baiboly nandritra ny taonjato maro izy ireo. Kanefa moa ve ireo fomba fisainany sy ny ataony tena manome taratry ny fahendrena ambonin’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 11]

I Sir Isaac Newton dia nino fa ny tany dia hazonin’ny hery misintona mifandray amin’ireo zavatra hafa eny amin’ny lanitra

Ny sarin’ny tany voahodidina habakabaka babangoana asehon’ny Baiboly dia eken’ireo manam-pahaizana ho toy ny fahalalana mialoha mahavariana raha ny fotoana nanoratana azy no jerena

[Sary, pejy 12]

Ny tantsambo voalohany sasany aza dia natahotra sao hianjera any amin’ny sisin’ny tany fisaka

[Sary, pejy 13]

Misy porofo maro kokoa ny amin’ny fisian’i Jesosy Kristy noho ny amin’ny niainan’i Jules César, ny Emperora Charlemagne, i Oliver Cromwell na ny Papa Leo III

[Sary, pejy 15]

Ireo faminaniana nomen’i Jesosy momba ny fandringanana an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i. dia hamarinin’ny Andohalambon’i Titus any Roma